Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Hofakafakaina Tsara ve ny Zavatra Inoana?

Tokony Hofakafakaina Tsara ve ny Zavatra Inoana?

Tokony Hofakafakaina Tsara ve ny Zavatra Inoana?

“Betsaka loatra ny ‘mpivavaka’ manaraka fivavahana mba tsy hampiasana saina”, hoy ny talen’ny sekoly iray fiofanana ho pretra any Etazonia. Hoy koa izy: “Aleon’izy ireo manaiky ‘amim-pinoana’ fotsiny ny zava-drehetra.”

MIDIKA izany fa sady tsy mamotopototra ny antony inoany ny zavatra inoany ny ankamaroan’ny olona milaza ho mpino, no tsy mieritreritra raha marim-pototra tsara ny finoany na tsia. Tsy mahagaga raha maro no tsy tia miresaka fivavahana intsony.

Mampalahelo fa tsy mampirisika ny olona hampiasa ny sainy koa ny fampiasana sary masina sy ny famerimberenana vavaka atao tsianjery. Tsy inona ny votoatin’ny fivavahan’ny olona an-tapitrisa fa ireo fanao ireo mbamin’ny trano goavana, ny varavarankely fitaratra milokoloko sady voakaly tsara, ary ny mozika mampientanentana. Misy fivavahana milaza fa miorina amin’ny Baiboly ny finoany. Tsy mampirisika ny olona hianatra tsara ny Baiboly anefa ny hafatr’izy ireo, manao hoe: ‘Minoa an’i Jesosy dia ho voavonjy ianao.’ Ny hafa indray mampiasa ny filazantsara mba hanatsarana ny fiaraha-monina, na hamahana olana ara-politika. Inona no vokatr’izany rehetra izany?

Nisy mpanoratra momba ny fivavahana nilaza toy izao mahakasika ny zava-misy any Amerika Avaratra: ‘Tsy ampy fahalalana sy fisaintsainana ny Kristianina, ary tsy nampianarina tsara momba ny finoany.’ Nilaza mihitsy aza ny mpanao fanadihadiana iray fa “firenena tsy mahay Baiboly” i Etazonia. Azo lazaina fa toy izany koa ny firenen-kafa anjakan’ny Kristianisma Anarana, rehefa jerena amin’ny saina tsy miangatra. Maro koa ny fivavahana tsy kristianina tsy mampirisika ny olona hampiasa ny saina, fa manantitrantitra ny hira, ny vavaka atao piliavava, sy ny fieritreretana zavatra manjavozavo, fa tsy hevitra mirindra sady mahasoa.

Mamakafaka tsara ny raharaha andavandro anefa ny olona na dia tsy mamotopototra ny fahamarinan’ny zavatra inoany aza matetika. Mikaroka ela mihitsy izy ireo rehefa mifidy izay didin’akanjo sy ravin-damba hovidiny, na dia hariana ihany aza izy io indray andro any. Hoy anefa izy ireo momba ny fivavahany: ‘Raha nety tamin’ny ray aman-dreniko io, dia mety amiko koa.’ Tsy hafahafa aminao ve izany?

Raha tena maniry hampifaly an’Andriamanitra isika, tsy tokony hodinihintsika amim-pitandremana ve raha marina ny zavatra inoantsika momba azy na tsia? Nilaza ny apostoly Paoly fa nisy mpivavaka tamin’ny androny, ‘nazoto ho an’Andriamanitra, saingy tsy araka ny fahalalana.’ (Romana 10:2) Azo oharina amin’ny mpandoko karamaina handoko trano ny olona toy izany. Miasa mafy izy mandoko ilay trano, saingy tsy ny loko tokony hampiasaina no nampiasainy satria tsy nihaino ny toromariky ny tompon-trano izy. Ho faly amin’ny asany angamba izy, nefa hanaiky izany ve ilay tompon-trano?

Fivavahana manao ahoana no eken’Andriamanitra ho marina? Hoy ny Baiboly: “Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina.” (1 Timoty 2:3, 4) Mety hisy hihevitra fa tsy misy afaka mahita izany fahalalana izany, satria maro be ny fivavahana ankehitriny. Eritrereto anefa izao: Ho rariny ve raha afenin’Andriamanitra amin’ny olona ny tena fahamarinana, nefa tiany ho fantatr’izy ireo izany? Tsia, hoy ny Baiboly, izay milaza hoe: “Raha mitady Azy [Andriamanitra] hianao, dia hahita Azy.”—1 Tantara 28:9.

Ahoana no ampahafantaran’Andriamanitra ny tenany amin’ny olona tena mitady azy? Hamaly izany ny lahatsoratra manaraka.