Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Ahitanao Fiadanana?

Ahoana no Ahitanao Fiadanana?

Ahoana no Ahitanao Fiadanana?

Mikopakopaka manao veloma ny havana aman-tsakaizany i Josué, tanora tantsaha atsy andrefan’i Afrika. * Handeha hila ravin’ahitra any an-tanàn-dehibe izy. Kivikivy anefa izy rehefa tonga tany, satria tsy araka ny nantenainy ny zavatra hitany. Takany fa tsy maniry ohatra ny anana akory ny vola any an-tanàn-dehibe.

MIADY mafy i Josué mba haharaka ny fiainana an-tanàn-dehibe, ka manjary tena diso fanantenana. Tsy araka ny nieritreretany azy velively ilay tanàn-dehibe. Maniry mafy ny hiverina any amin’ilay ambanivohitra keliny izy, any amin’ny havana aman-tsakaizany. Matahotra anefa izy sao hisy haneso azy ny mpiray tanàna taminy. Manahy izy hoe: ‘Holazain’izy ireo fa tsy mahavita azy eo aho, satria tsy tafita akory nefa mba nankany an-tanàn-dehibe.’

Vao mainka mavesatra aminy ny mieritreritra fa mety ho diso fanantenana ny ray aman-dreniny. Miantehitra amin’ny fanampiany ara-bola mantsy izy ireo. Tsy hoe miady mba tsy ho kivy amin’izany fotsiny izy, fa mbola miasa ora maro koa. Asa heverin’ny olona fa ambany anefa ilay izy sady ampahany kely fotsiny amin’ilay karama nonofinofisiny no raisiny. Trotraky ny asa izy. Mihena arakaraka ny fandehan’ny fotoana koa ny fotoana sisa tavela ho an’ny asa kristianina, izay tena sarobidy aminy. Malahelo sy manirery izy lavitra ny fitiavan’ny fianakaviany sy ny namany. Naniry mafy ny hiadana izy, nefa tsy izany no hitany tany an-tanàn-dehibe.

Mety hiova aloha ny anarana sy ny toerana, nefa mateti-pitranga tokoa io zavatra mampalahelo niainan’i Josué io. Tsy tia tena akory i Josué matoa naniry hifindra monina, fa te hiadana fotsiny izy. Tena nihevitra izy fa ho tafavoaka kokoa tany an-tanàn-dehibe noho ny tany ambanivohitra. Marina fa mety hanam-bola kokoa ny olona indraindray rehefa tonga any, nefa tsy midika izany fa tena miadana izy. Tsy izany mihitsy no izy tamin’i Josué na ho an’ny ankamaroan’ireo olona miezaka manao toa azy. Manontany tena àry isika hoe: ‘Inona no atao hoe miadana?’

Samy manana ny heviny momba azy io ny olona. Misy diksionera milaza fa ny hoe miadana dia midika hoe afaka amin’ny loza na ny tahotra na ny fanahiana. Eken’ny ankamaroan’ny olona fa tsy misy izany hoe afaka tanteraka amin’ny loza izany ankehitriny. Afa-po izy ireo rehefa mahatsapa ho miadana, na dia voahodidin’ny tarehin-javatra mampanahy aza.

Ahoana ny aminao? Inona no heverinao fa hampiadana anao? Ny mankany an-tanàn-dehibe, toy ny noeritreretin’i Josué ve? Sa rehefa misy ny vola, na aiza na aiza mety hahitana izany ary na ahoana na ahoana fomba ahazoana izany? Sa mety hoe rehefa manana toerana ambony? Na ahoana na ahoana fomba heverinao fa ahitana fiadanana, mandra-pahoviana ianao sy ny fianakavianao no hiadana?

Andao hodinihintsika ireo fomba telo heverin’ny olona maro fa ahitana fiadanana: toerana ipetrahana, vola ary toerana ambony. Hodinihintsika avy eo hoe ahoana no ahitana ny tena fiadanana maharitra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Novana ny anarana.