Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka ny Toro Lalan’Andriamanitra no Hitarika Anao

Aoka ny Toro Lalan’Andriamanitra no Hitarika Anao

Aoka ny Toro Lalan’Andriamanitra no Hitarika Anao

“Mampianatra anao hahita soa [i Jehovah].”—ISAIA 48:17.

1. Ahoana no itarihan’ny Mpamorona ny olombelona?

TALANJONA ny mpahay siansa, rehefa manao fikarohana, ka mahatsikaritra fa tsy hita pesipesenina ny angovo eo amin’izao rehetra izao manodidina antsika. Diniho, ohatra, ny masoandro izay anisan’ny kintana tsy dia lehibe loatra. Mamoaka angovo toy ny “baomba hidrozenina iray hetsy tapitrisa mipoaka isan-tsegondra” izy io. Afaka mifehy sy mitari-dalana ireny tenan-javatra goavana eny amin’ny lanitra ireny ny Mpamorona satria tsy manam-petra ny heriny. (Joba 38:32; Isaia 40:26) Ahoana kosa ny amintsika olombelona, izay manana safidy malalaka, mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy, mahay misaina ary afaka mahatakatra ny hevitry ny zavatra ara-panahy? Ahoana no fomba itarihan’ny Mpamorona antsika? Tiany isika ka omeny tari-dalana amin’ny alalan’ireo lalàny sy toro lalany lavorary ary ny feon’ny fieritreretantsika voaofana tsara.—2 Samoela 22:31; Romana 2:14, 15.

2, 3. Karazana fankatoavana manao ahoana no mahafaly an’Andriamanitra?

2 Mahafaly an’Andriamanitra ny zavaboariny manan-tsaina mankatò azy an-tsitrapo. (Ohabolana 27:11) Tsy noforonin’i Jehovah mba hankatò azy an-jambany fotsiny isika, fa nomeny safidy malalaka, mba ho afaka hieritreritra tsara ka hanapa-kevitra ny hanao ny tsara.—Hebreo 5:14.

3 Nilaza toy izao tamin’ny mpianany i Jesosy, izay nanahaka tanteraka ny Rainy: “Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo. Tsy hataoko hoe mpanompo intsony hianareo.” (Jaona 15:14, 15) Tsy maintsy nankatò ny didin’ny tompony ny andevo fahiny. Ny toetra manintona ny fo kosa no mahatonga fisakaizana. Afaka ny ho tonga sakaizan’i Jehovah isika. (Jakoba 2:23) Manamafy izany fisakaizana izany ny fifankatiavana. Nampifandraisin’i Jesosy tamin’ny fitiavana ny fankatoavana an’Andriamanitra, ka hoy izy: “Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy.” (Jaona 14:23) Manasa antsika hampihatra ny toro lalany àry i Jehovah, satria tia antsika sy te hiaro antsika.

Ny toro lalan’Andriamanitra

4. Ahoana no amaritanao ny hoe toro lalana?

4 Inona no atao hoe toro lalana? Ny toro lalana dia azo lazaina ho hevitra ankapobe, na lalàna, na fampianarana, na hevitra fototra, mihatra amin’ny zava-mitranga isan-karazany. Izy io no atao ho fototry ny lalàna na foto-pampianarana hafa. Hitantsika rehefa mandinika tsara ny Baiboly isika, fa manome toro lalana ankapobe mahakasika zava-mitranga sy lafim-piainana isan-karazany ilay Raintsika any an-danitra. Ny hahasoa antsika mandrakizay no anaovany izany. Mifanaraka amin’izao tenin’i Solomona Mpanjaka izao izany: “Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko; dia hihamaro ny taona hiainanao. Làlam-pahendrena no atoroko anao; eny, mitarika anao amin’ny làlana mahitsy aho.” (Ohabolana 4:10, 11) Ireo toro lalana fototra nomen’i Jehovah dia mihatra amin’ny fifandraisantsika aminy sy amin’ny olon-kafa, ary amin’ny fivavahantsika sy ny fiainantsika andavanandro. (Salamo 1:1) Aoka hodinihintsika ny sasany amin’ireo toro lalana fototra ireo.

5. Milazà toro lalana fototra vitsivitsy.

5 Hoy i Jesosy momba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.” (Matio 22:37) Manome toro lalana momba ny fifandraisantsika amin’ny olon-kafa koa Andriamanitra. Nanome ity fitsipika ity izy, ohatra: “Na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany.” (Matio 7:12; Galatiana 6:10; Titosy 3:2) Ampirisihina toy izao kosa isika, raha ny fivavahana no resahina: “Aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona.” (Hebreo 10:24, 25) Ary hoy ny apostoly Paoly momba ny fiainana andavanandro: “Na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.” (1 Korintiana 10:31) Mbola misy toro lalana maro be ankoatra an’ireo ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.

6. Inona no maha samy hafa ny toro lalana sy ny lalàna?

6 Ny toro lalana dia fahamarinana tena ilaina sady manan-kery eo amin’ny zavatra atao, ka miezaka ny ho tia izany ny Kristianina hendry. Nomen’i Jehovah tsindrimandry i Solomona mba hanoratra toy izao: “Tandremo ny teniko; atongilano ny sofinao hihaino ny filazako. Aza avela hiala eo imasonao izy, fa raketo ao am-ponao. Fa aina ho an’ny mahazo azy izy ary fahasalamana ho an’ny nofony rehetra.” (Ohabolana 4:20-22) Inona no maha samy hafa ny toro lalana sy ny lalàna? Ny toro lalana no fototry ny lalàna. Matetika no voafaritra tsara ny fitsipika, ary fotoana na zava-mitranga manokana no ampiharana azy. Azo ampiharina mandrakariva kosa ny toro lalana. (Salamo 119:111) Tsy mety lany andro na foana mihitsy ny toro lalan’Andriamanitra. Marina tokoa ireto teny ara-tsindrimandry nosoratan’i Isaia mpaminany ireto: “Maina ny ahitra, malazo ny voniny; fa ny tenin’Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.”—Isaia 40:8.

Ataovy miorina amin’ny toro lalana ny zavatra eritreretinao sy ataonao

7. Inona no lazain’ny Baiboly mba hampirisihana antsika hampiorina ny zavatra eritreretintsika sy ataontsika amin’ny toro lalana?

7 Imbetsaka “ny tenin’Andriamanitra” no mampirisika antsika hampiorina ny zavatra eritreretintsika sy ataontsika amin’ny toro lalana. Fehezanteny fohy roa no namintinan’i Jesosy ny Lalàna, ka ny voalohany nanantitrantitra ny fitiavana an’i Jehovah, ary ny faharoa ny fitiava-namana. (Matio 22:37-40) Naka teny tao amin’ny Deoteronomia 6:4, 5 i Jesosy tamin’izay. Mamintina fitsipika fototra ao amin’ny Lalàn’i Mosesy toy izao ireo andinin-teny ireo: “Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany. Ary tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.” Azo inoana fa nahatsiaro ny toromarik’Andriamanitra ao amin’ny Levitikosy 19:18 koa i Jesosy tamin’izay. Mamintina lalàn’i Jehovah maro i Solomona Mpanjaka, ao amin’ny teny mazava sady mafonja mamarana ny bokin’ny Mpitoriteny. Hoy izy: “Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran’ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra. Fa ny atao rehetra dia ho entin’Andriamanitra ho amin’ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy.”—Mpitoriteny 12:13, 14; Mika 6:8.

8. Nahoana no miaro antsika ny fahatakarana tsara ireo toro lalana fototra ao amin’ny Baiboly?

8 Rehefa mazava tsara amintsika ireo toro lalana fototra ireo, dia ho mora kokoa amintsika ny mahatakatra sy mampihatra toromarika mivantana kokoa. Mety tsy ho afaka handray fanapahan-kevitra tsara koa isika sady mety hihozongozona mora foana ny finoantsika, raha tsy takatsika tsara na tsy ekentsika ny toro lalana fototra. (Efesiana 4:14) Ho vonona hampiasa ireny toro lalana ireny isika rehefa hanapa-kevitra, raha ataontsika latsa-paka ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika izy ireny. Mandaitra izy ireny, rehefa mazava tsara amintsika ka ampiharintsika.—Josoa 1:8; Ohabolana 4:1-9.

9. Nahoana no tsy mora foana ny mamantatra sy mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly?

9 Tsy mora toy ny fanarahana lalàna ny famantarana sy fampiharana ny toro lalan’ny Baiboly. Mila ezaka mantsy ny famakafakana toro lalana, ka mety ho tsy te hanao izany isika olombelona tsy lavorary. Tiantsika kokoa angamba ny fitsipika voafaritra tsara rehefa hanapa-kevitra isika na misy mampisalasala antsika. Mety hangataka torohevitra any amin’ny Kristianina matotra, toy ny anti-panahy, isika indraindray, satria manantena fa homeny fitsipika voafaritra tsara mihatra amin’izay manjo antsika isika. Mety tsy hilaza fitsipika voafaritra tsara anefa ny Baiboly na ireo boky aman-gazety miorina amin’ny Baiboly. Ary na dia omena fitsipika toy izany aza isika, dia tsy voatery ho azo ampiharina amin’ny zava-mitranga rehetra izy io. Tadidinao angamba fa nisy lehilahy nanontany an’i Jesosy hoe: “Mpampianatra ô, teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko.” Tsy avy hatrany dia nanome fitsipika handaminana ny fifandiran’izy mirahalahy i Jesosy, fa nanome azy ireo izao toro lalana ankapobe izao kosa: “Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon’ny fieremana hianareo.” Nahasoa tamin’izany fotoana izany àry io toro lalana nomen’i Jesosy io sady mbola mahasoa ankehitriny.—Lioka 12:13-15.

10. Nahoana isika no afaka milaza fa mampiseho ny antony manosika ao am-pontsika ny fanarahantsika toro lalana?

10 Tsikaritrao angamba fa misy olona mankatò lalàna tsy sazoka, satria matahotra sazy. Tsy manao izany ny olona manaja toro lalana. Mankatò amin’ny fony kosa ny olona manaiky hobaikoin’ny toro lalana. Matetika tokoa no tsy mihatra avy hatrany ny sazy ho an’ny olona tsy manaraka toro lalana. Manjary afaka mampiseho amin’i Jehovah ny antony ankatoavantsika azy sy izay tena manosika ny fontsika isika amin’izay. Ohatra amin’izany i Josefa, izay tsy nety nijangajanga tamin’ny vadin’i Potifara. Mbola tsy nanome lalàna an-tsoratra mandrara ny fanitsakitsaham-bady i Jehovah, sady tsy nisy sazy voalaza fa hampiharina amin’ny mpangala-badin’olona. Fantatr’i Josefa anefa ilay toro lalan’Andriamanitra hoe tokony hifikitra amin’ny vadiny ny olona. (Genesisy 2:24; 12:18-20) Hitantsika tamin’ny zavatra nataony fa tena nanan-kery taminy io toro lalana io. Hoy izy: “Hataoko ahoana no hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?”—Genesisy 39:9.

11. Amin’ny lafiny inona avy ny Kristianina no tokony hanaiky ny toro lalan’i Jehovah?

11 Ny toro lalan’i Jehovah no tokony hitarika ny Kristianina ankehitriny eo amin’ny fiainany manokana, toy ny fifidianana namana, fialam-boly, mozika, ary boky vakina. (1 Korintiana 15:33; Filipiana 4:8) Mila mampitombo ny fahalalantsika sy ny fankasitrahantsika an’i Jehovah sy ny fitsipiny isika. Ho voaofana tsara ny feon’ny fieritreretantsika amin’izay, sady ho haintsika kokoa ny manavaka ny tsara sy ny ratsy. Noho izany, dia hanaraka ny toro lalany lalandava isika, na dia amin’ny raharaha tsy mahakasika afa-tsy isika samirery aza. Ny toro lalan’ny Baiboly no mitarika antsika, ka tsy hanandrana hitady lesoka amin’ny lalàn’Andriamanitra isika mba handikana azy io. Tsy manara-morony toy ny sasany koa isika, rehefa manaraka lalàna. Fantatsika fa mampidi-doza izany toe-tsaina izany.—Jakoba 1:22-25.

12. Inona no ilaina mba hanarahana ny toro lalan’Andriamanitra?

12 Eken’ny Kristianina matotra fa ilainy hofantarina ny fiheveran’i Jehovah Andriamanitra ny raharaha iray mba hanarahana ny toro lalany. Mampirisika toy izao ilay mpanao salamo: “Hianareo izay tia an’i Jehovah, mankahalà ny ratsy.” (Salamo 97:10) Tanisain’ny Ohabolana 6:16-19 toy izao ny sasany amin’ireo zavatra ratsy amin’Andriamanitra: “Izao enina izao no halan’i Jehovah,—eny, fito no ataony ho fahavetavetana: Ny maso miavonavona, ny lela fandainga, ary ny tànana mandatsa-dra marina, ny fo mamoron-tsain-dratsy, ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy, ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, ary ny mamafy ady ao amin’ny rahalahy.” Lasa fahazarana raikitra ny fanarahana toro lalana, rehefa maniry hitovy hevitra amin’i Jehovah foana isika amin’ireo zavatra fototra ireo.—Jeremia 22:16.

Ilaina ny antony manosika tsara

13. Inona no toe-tsaina nasongadin’i Jesosy tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra?

13 Tsy ho lasa fombafomba fotsiny ny fivavahantsika, rehefa mahafantatra sady mampihatra toro lalana isika. Tsy mitovy ny hoe manaraka toro lalana sy ny hoe diso manaraka fitsipika amin’ny an-tsipiriany. Nanazava izany tsara i Jesosy tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra. (Matio 5:17-48) Tadidio fa Jiosy ireo mpihaino azy. Tokony ho nankatò ny Lalàn’i Mosesy izy ireo, nefa diso tanteraka ny fomba fiheviny momba ny Lalàna. Nanizingizina izy ireo fa tsy maintsy ankatoavina amin’ny an-tsipiriany ny Lalàna na dia mifanohitra amin’ny tena tanjon’izy io aza ny ataon’ilay olona. Ny lovantsofina no nasandratr’izy ireo ho ambonin’ny fampianaran’Andriamanitra mihitsy. (Matio 12:9-12; 15:1-9) Tsy nampianarina hieritreritra toro lalana àry ny olona tamin’ny ankapobeny.

14. Ahoana no nanampian’i Jesosy ny mpihaino azy mba hieritreritra toro lalana?

14 Nanome toro lalana momba ireto lafiny dimy amin’ny fitondran-tena ireto kosa i Jesosy, tao amin’ilay Toriteny: fahatezerana, fanambadiana sy fisarahana, fampanantenana, valy faty, ary fitiavana sy fankahalana. Nasehony foana ny soa azo avy amin’ny fanarahana toro lalana. Nanampy ny mpanara-dia azy mba hanaraka fitsipi-pitondran-tena ambony kokoa àry i Jesosy. Manampy antsika tsy hanao ny ratsy sady miaro antsika tsy hanana eritreritra na fanirian-dratsy, ohatra, ny toro lalana nomeny mahakasika ny fanitsakitsaham-bady. Hoy izy: “Izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.”—Matio 5:28.

15. Inona no hanampy antsika tsy hanjary ho mpanizingizina ny fanarahana lalàna?

15 Asehon’io ohatra io fa tsy tokony hohadinointsika mihitsy ny tanjon’ireo toro lalan’i Jehovah sy ny hevitr’izy ireny. Tsy tokony hiezaka hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra ho tambin’ny fanarahana fombafomba ara-pivavahana mihitsy isika. Nanasongadina ny famindram-po sy fitiavan’i Jehovah i Jesosy, mba hampisehoana fa tsy mety izany. (Matio 12:7; Lioka 6:1-11) Manaraka ny toro lalan’ny Baiboly isika, ka tsy hanaraka (na hitaky ny hanarahan’ny olon-kafa) fitsipika henjana maro be, nefa tsy ampianarin’ny Baiboly. Hifantoka kokoa amin’ny fitiavana sy ny fankatoavana an’Andriamanitra isika, fa tsy amin’ny fombafomba ara-pivavahana fotsiny.—Lioka 11:42.

Vokany tsara

16. Milazà toro lalana iorenan’ny lalàna sasany ao amin’ny Baiboly.

16 Tokony hotadidintsika izay miezaka mafy mba hankatò an’i Jehovah fa misy toro lalana fototra iorenan’ny lalàny. Tsy tokony hanompo sampy, na haloto fitondran-tena, na hampiasa ra amin’ny fomba tsy mety, ohatra, ny Kristianina. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29) Inona no anton’ireo lalàna ireo? Andriamanitra irery no mendrika ny hivavahantsika; tsy tokony hanitsakitsa-bady isika; ary i Jehovah no Mpanome aina. (Genesisy 2:24; Eksodosy 20:5; Salamo 36:9) Rehefa mazava amintsika ireo toro lalana fototra ireo, dia mora kokoa ny manaiky sy manaraka ny lalàna mifanentana aminy.

17. Inona no soa raisina rehefa azo tsara sy ampiharina ny toro lalan’ny Baiboly?

17 Takatsika fa natao mba hahasoa antsika ny toro lalana fototra, rehefa azontsika tsara ka ampiharintsika. Matetika no mandray soa mivaingana, ankoatra ny fitahiana ara-panahy, ny vahoakan’Andriamanitra. Tsy voan’ny aretina sasany, ohatra, ny olona tsy mifoka sigara, tsy maloto fitondran-tena, ary manaja ny fahamasinan’ny ra. Mety hahasoa amin’ny lafiny ara-bola koa ny fanarahana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly sady hanatsara ny fifandraisana amin’olona sy ny mpianakavy. Porofoin’izany vokatra mivaingana izany fa sarobidy sady mahasoa tokoa ireo fitsipik’i Jehovah. Tsy ireny soa ireny anefa no tena mahatonga antsika hampihatra ny toro lalan’Andriamanitra. Mankatò an’Andriamanitra ny tena Kristianina, satria tia azy, satria mendrika ny hivavahana izy, ary satria izany no mety.—Apokalypsy 4:11.

18. Inona no tokony hitari-dalana antsika, raha te hotahin’i Jehovah isika?

18 Manatsara ny fomba fiainantsika ny fanarahantsika ny toro lalan’ny Baiboly, ka mety hisarika ny olona hanaraka ny lalan’Andriamanitra. Ny zava-dehibe indrindra dia hoe manome voninahitra an’i Jehovah ny fomba fiainantsika. Takatsika fa Andriamanitra be fitiavana izy sady mitady izay hahasoa antsika. Rehefa ampifanarahintsika amin’ny toro lalan’ny Baiboly ny fanapahan-kevitsika, ka hitantsika fa tahin’i Jehovah isika, dia tsapantsika fa mihatsara ny fifandraisantsika aminy. Mihalalina koa ny fifankatiavantsika amin’ilay Raintsika any an-danitra.

Tadidinao Ve?

• Inona no atao hoe toro lalana?

• Inona no maha samy hafa ny toro lalana sy ny lalàna?

• Inona avy ireo soa raisintsika, rehefa ny toro lalana no ataontsika fototry ny zavatra eritreretintsika sy ataontsika?

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 20]

Wilson: Nilazana io Kristianina atsy Ghana io fa hesorina amin’ny asany izy rehefa afaka andro vitsivitsy. Nasaina nanasa ny fiaran’ny direkteran’ilay orinasa izy, tamin’ny andro farany niasany, ary nahita vola tao anatin’izy io. Nilaza taminy ny lehibeny hoe nandefa io vola io Andriamanitra satria hesorina amin’ny asany i Wilson tamin’io andro io. Naverin’i Wilson tamin’ilay direktera anefa ilay vola, noho izy nampihatra ny toro lalan’ny Baiboly momba ny fanaovana ny marina. Tena talanjona ilay direktera, ka tonga dia noraisiny ho mpiasa maharitra tao amin’ilay orinasa i Wilson, sady nomeny toerana ambony.—Efesiana 4:28.

[Efajoro, pejy 21]

Rukia: Vehivavy albanianina 60 taona eo ho eo izy. Tsy niresaka tamin’ny anadahiny nandritra ny 17 taona mahery izy, satria nisy disadisa teo amin’izy ireo. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Rukia, ka nahafantatra fa mihavana amin’ny olon-kafa ny tena Kristianina, fa tsy mitahiry lolompo. Nivavaka nandritra ny alina manontolo izy, ary nankany an-tranon’ilay anadahiny. Nidobodoboka erỳ ny fony tamin’izay. Ny zanak’anadahiny no nanokatra ny varavarana. Gaga izy ary nanontany an’i Rukia hoe: “Fa iza no maty? Ary inona no hataonao atỳ?” Nilaza i Rukia fa te hiresaka amin’ny anadahiny izy. Nohazavainy moramora fa nianatra momba an’i Jehovah sy ny toro lalan’ny Baiboly izy, ka izany no nanosika azy hihavana amin’ny anadahiny. Nitomany sy nifamihina izy mianadahy, ary nankalaza io famitranam-pihavanana io avy eo!—Romana 12:17, 18.

[Sary, pejy 23]

Matio 5:27, 28

[Sary, pejy 23]

Matio 5:3

[Sary, pejy 23]

Matio 5:24

[Sary, pejy 23]

“Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany. Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy.”—MATIO 5:1, 2.