Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahendrena ny Mandositra

Fahendrena ny Mandositra

Fahendrena ny Mandositra

MANJAKA ankehitriny ny toe-tsaina tia misetra loza na vonon-kiady, ary feno fakam-panahy ny fiainana. Mazàna no heverina ho saro-tahotra na kanosa ny olona mandositra, ary esoina mihitsy aza.

Asehon’ny Baiboly tsara anefa fa sady fahendrena no mampiseho herim-po ny mandositra indraindray. Manamarina izany ny tenin’i Jesosy talohan’ny nanirahany ny mpianany hitory. Hoy izy: “Ary raha manenjika anareo amin’ny tanàna anankiray ny olona, dia mandosira ho any amin’ny hafa.” (Matio 10:23) Eny, nasaina nandositra ny mpianatr’i Jesosy, rehefa nisy nanenjika. Tsy nasaina nampiova finoana olona tamin-kery izy ireo, toy ny natao tamin’ny ady ara-pivavahana. Hafatra nilaza fiadanana no nentiny. (Matio 10:11-14; Asan’ny Apostoly 10:34-37) Tsy nasaina nanampatra ny fahatezerany àry ny Kristianina, fa nasaina nandositra kosa, sy nanalavitra ireo nila ady taminy. Nanana fieritreretana tsara sy fifandraisana sarobidy tamin’i Jehovah foana izy ireo noho izany.—2 Korintiana 4:1, 2.

Misy ohatra mifanohitra amin’izany ao amin’ny bokin’ny Ohabolana. Tantarainy ao ny amin’ny tovolahy iray, izay tsy nandositra fakam-panahy, fa nanaraka mpivaro-tena “tahaka ny omby entina hovonoina.” Loza no vokatr’izany, satria latsaka tao amin’ny fakam-panahy izy, ka nafoiny hatramin’ny ainy.—Ohabolana 7:5-8, 21-23.

Inona no hataonao, raha alaim-panahy haloto fitondran-tena ianao, na rahonan’ny loza hafa? Lazain’ny Tenin’Andriamanitra fa ny mandositra no mety, ka miala amin’ilay toe-javatra avy hatrany.—Ohabolana 4:14, 15; 1 Korintiana 6:18; 2 Timoty 2:22.