Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Mety ve ny mivavaka amin’Andriamanitra nefa tsy manao hoe “amin’ny anaran’i Jesosy”?

Asehon’ny Baiboly fa ny Kristianina maniry hanatona an’Andriamanitra dia tokony hanao izany amin’ny anaran’i Jesosy. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.” Hoy koa izy: “Homen’ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny anarako na inona na inona.”—Jaona 14:6; 15:16.

Hoy ny rakipahalalana ara-baiboly iray momba ny toerana manokana tanan’i Jesosy: “Andriamanitra irery no ivantanan’ny vavaka, ary i Jesosy Kristy no Mpanalalana. Ny fangatahana rehetra atao amin’ny olo-masina na anjely àry, dia tsy vitan’ny hoe tsy ilaina, fa faniratsirana an’Andriamanitra mihitsy. Fanompoan-tsampy ny fivavahana amin’ny zavaboary, na toy inona na toy inona fahambonian’ilay zavaboary, ary tena voararan’ny lalàna masin’Andriamanitra.”

Ahoana raha faly be noho ny zavatra iray ny olona iray, ka milaza hoe “Misaotra, Jehovah ô”, nefa tsy miteny hoe “amin’ny anaran’i Jesosy”? Ratsy ve izany? Tsy voatery ho izany. Aoka hatao hoe rahonan’ny loza tampoka ny Kristianina iray, ka miantso hoe: “Jehovah ô, vonjeo aho!” Tsy handa tsy hanampy Andriamanitra, satria hoe hadinon’ilay mpanompony ny nanao hoe “amin’ny anaran’i Jesosy.”

Tsara homarihina anefa, fa tsy hoe vavaka daholo ny resaka atao amin’Andriamanitra. Ohatra, rehefa nomelohin’i Jehovah i Kaina, noho ny namonoany an’i Abela rahalahiny, dia nilaza hoe: “Lehibe ny valin’ny heloko mihoatra noho izay zakako. Indro, efa noroahinao hiala amin’ny tany onenana aho andro-any; dia hiery ny tavanao aho ary ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin’ny tany; koa na iza na iza hahita ahy dia hamono ahy.” (Genesisy 4:13, 14) Niresaka tamin’i Jehovah i Kaina, ary namoaka ny hatezerany, kanefa fitarainana momba ny vokatra mangidin’ny fahotany fotsiny izany.

Hoy ny Baiboly amintsika: “Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena.” Tena tsy fanehoana fanetren-tena ny miresaka amin’ilay Avo Indrindra toy ny firesaka amin’ny olona tsotra. (Jakoba 4:6; Salamo 47:2; Apokalypsy 14:7) Tsy ho fanehoana fanajana koa ny mivavaka nefa minia tsy miraharaha ny toerana tanan’i Jesosy Kristy.—Lioka 1:32, 33.

Tsy midika anefa izany hoe manantena fomba fivavaka na teny manokana i Jehovah. Ny toe-pon’ilay mivavaka no tena zava-dehibe. (1 Samoela 16:7) Tamin’ny taonjato voalohany, dia “nivavaka tamin’Andriamanitra mandrakariva” ny miaramila romanina iray natao hoe Kornelio. Tsy olona nanolo-tena ho an’i Jehovah izy, satria Jentilisa tsy voafora. Azo inoana fa tsy tamin’ny anaran’i Jesosy ny vavaka nataony, nefa “tafakatra ho fampahatsiarovana eo anatrehan’Andriamanitra” ihany. Nahoana? Satria hitan’ilay “Mpamantatra ny fo” fa “mpivavaka tsara sady natahotra an’Andriamanitra” i Kornelio. (Asan’ny Apostoly 10:2, 4; Ohabolana 17:3) Nandray ny fanahy masina i Kornelio, rehefa avy nianatra momba an’i “Jesosy avy any Nazareta”, ka tonga mpianatr’i Jesosy vita batisa.—Asan’ny Apostoly 10:30-48.

Raha ny tena marina, dia tsy an’ny olombelona ny mamaritra izay vavaka henoin’Andriamanitra. Raha manadino manao hoe “amin’ny anaran’i Jesosy” ny Kristianina indraindray, rehefa mivavaka amin’Andriamanitra, dia tsy misy antony tokony hanamelohany tena tafahoatra. Fantatr’i Jehovah fa voafetra ny zavatra vitan’ny tenantsika, ary maniry hanampy antsika izy. (Salamo 103:12-14) Raha “mino . . . ny Zanak’Andriamanitra [isika], . . . raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy.” (1 Jaona 5:13, 14) Rehefa mivavaka ampahibemaso indrindra anefa ny Kristianina marina no tena manaiky ny toerana tanan’i Jesosy ao amin’ny fikasan’i Jehovah voalazan’ny Soratra Masina. Mankatò izy ireo, ka manaja an’i Jesosy, ary mivavaka amin’Andriamanitra amin’ny alalany.