Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fiaraha-miory—Manampy ho Tsara Fanahy sy Hangoraka

Fiaraha-miory—Manampy ho Tsara Fanahy sy Hangoraka

Fiaraha-miory—Manampy ho Tsara Fanahy sy Hangoraka

“TSY very maina ny fiainana raha afaka manamaivana ny fahorian’ny olon-kafa ianao”, hoy i Helen Keller. Fantatr’i Keller tokoa izany mandia fahoriana izany. Narary izy ka nanjary jamba sy narenina tanteraka, raha vao 19 volana monja. Nangoraka azy anefa ny mpampianatra antsoina hoe Anne Sullivan ka nampianatra azy soratra Braille sy hiteny koa.

Fantatr’i Anne tsara fa tena mahakivy ny miady amin’ny kilema. Zara raha nahita koa mantsy izy. Naharitra anefa i Anne, ka nitady fomba hampitana hevitra tamin’i Helen. Nosoratany teo amin’ny tanan’i Helen ny litera tsirairay ao anatin’ny teny iray. Tapa-kevitra ny hanokana ny fiainany hanampiana ny jamba sy ny marenina koa i Helen, noho ny fiaraha-miory nasehon’ilay mpampianatra azy. Nangoraka sy niara-niory tamin’ireo jamba sady marenina izy satria efa niady mafy toa azy ireo koa. Te hanampy azy ireo izy.

Hitanao angamba fa maro no ‘mihirim-belona amin’ny rahalahiny’, satria tia tena sy tsy miraharaha izay ilain’ny olon-kafa. (1 Jaona 3:17) Tsy maintsy mifankatia sy tia ny mpiara-belona aminy anefa ny Kristianina. (Matio 22:39; 1 Petera 4:8) Ekenao anefa angamba fa na dia maniry ho tia ny rahalahintsika tokoa aza isika, dia tsy tsikaritsika akory matetika fa ory izy ireny ka mila fanamaivanana. Mety tsy ho hitantsika mantsy ny zavatra ilainy. Ho tsara fanahy sy hangoraka isika raha miara-miory amin’ny olon-kafa.

Inona no atao hoe fiaraha-miory?

Ny hoe fiaraha-miory dia azo faritana hoe fahatakarana ny zavatra manjo ny olona iray sy ny fihetseham-pony ary ny antony manosika azy. Midika koa izy io hoe fahaizana mipetraka eo amin’ny toeran’ny olona. Ny hoe miara-miory àry dia midika voalohany indrindra hoe miezaka hahafantatra izay mitranga amin’ilay olona, ary mahatsapa ny fahoriana vokatr’izany avy eo. Miara-miory tokoa isika rehefa tsapantsika ao am-pontsika ny fahorian’ilay olona.

Misy fomba maro iresahan’ny Baiboly ny “fiaraha-miory.” Nampirisika ny Kristianina i Petera mba ‘hiara-ory, hifankatia tahaka ny mpirahalahy, ary hifamindra fo.’ (1 Petera 3:8) Midika ara-bakiteny hoe “miara-mijaly” na “mangoraka” ilay teny grika nadika hoe ‘miaraka ory’ eo. Nampirisika ny Kristianina namany hanana fihetseham-po toy izany ny apostoly Paoly, ka hoy izy: “Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany.” Hoy koa izy hoe: “Miraisa saina.” (Romana 12:15, 16) Tsy marina koa ve fa mety ho sarotra ny ho tia ny namantsika tahaka ny tenantsika raha tsy mipetraka eo amin’ny toerany aloha isika?

Misy fiaraha-miory voajanahary ihany ao amin’ny ankamaroan’ny olona. Iza no tsy hangoraka rehefa mahita sarin’ankizy mosarena na mpitsoa-ponenana very hevitra? Iza no reny be fitiavana tsy hiraharaha ny zanany mitomany? Tsy ny fahoriana rehetra anefa no tsikaritra avy hatrany. Tena sarotra ny mahatakatra ny zava-manahirana mbola tsy nitranga tamintsika mihitsy! Ahoana, ohatra, no ahafantarantsika izay any am-pon’ny olona ketraka sy ny manana aretina tsy hita etỳ ivelany, na ny olona tsy afaka mifehy ny fihinanany, izany hoe mihinana foana na tsy mihinana mihitsy? Asehon’ny Soratra Masina anefa fa sady afaka no tokony hiara-miory amin’ny olona isika na mbola tsy nanjo antsika aza izay nitranga taminy.

Ohatra momba ny fiaraha-miory, ao amin’ny Baiboly

I Jehovah no tena mahay miara-miory indrindra. Lavorary izy nefa tsy manantena antsika ho lavorary toa azy, satria “Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika.” (Salamo 103:14; Romana 5:12) Fantany koa ny fetran’ny mety ho vitantsika, ka ‘tsy hamela antsika halaim-panahy mihoatra noho izay zakantsika’ izy. (1 Korintiana 10:13) Manome vahaolana ho antsika amin’ny alalan’ny mpanompony sy ny fanahiny izy.—Jeremia 25:4, 5; Asan’ny Apostoly 5:32.

Tsapan’i Jehovah ny fahoriana mahazo ny vahoakany. Hoy izy tamin’ireo Jiosy niverina avy tany Babylona: ‘Izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasoko.’ (Zakaria 2:12) Tena hitan’i Davida, mpanoratra ao amin’ny Baiboly, fa mahay miara-miory Andriamanitra, ka hoy izy taminy: “Ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko; tsy eo amin’ny bokinao va ireny?” (Salamo 56:8) Tena mampionona ny mahafantatra fa tadidin’i Jehovah, toy ny soratany ao anaty boky, ny ranomason’ny mpanompony mahatoky, vokatry ny fiezahan’izy ireo tsy hivadika aminy!

Mahatakatra ny fihetseham-pon’ny olona toy ny Rainy any an-danitra koa i Jesosy Kristy. Nentiny nitokana ny lehilahy iray marenina rehefa nositraniny, angamba mba tsy ho saikatra na ho taitaitra be avy eo raha vao sitrana. (Marka 7:32-35) Nahita mpitondratena handeha handevina ny zanany lahitokana i Jesosy, indray mandeha. Tsapany avy hatrany ny fahorian’ilay vehivavy, ka nanatona izy, ary nanangana ilay tovolahy tamin’ny maty.—Lioka 7:11-16.

Niseho tamin’i Saoly, teny an-dalana ho any Damaskosy, i Jesosy rehefa avy natsangana tamin’ny maty, ka nilaza taminy fa naharary azy ny fanenjehan’i Saoly ny mpianany. Hoy izy taminy: “Izaho no Jesosy Izay enjehinao.” (Asan’ny Apostoly 9:3-5) Tsapan’i Jesosy, toy ny ahatsapan’ny reny ny fahorian’ny zanany marary, ny fahorian’ny mpianany. “Mahay miara-mitondra ny fahalementsika” koa i Jesosy, ilay Mpisoronabentsika any an-danitra.—Hebreo 4:15.

Nianatra ny hahatakatra ny fahoriana sy ny fihetseham-pon’ny olon-kafa ny apostoly Paoly. Nanontany izy hoe: “Iza no malemy, ka tsy malemy aho? Iza no tafintohina, ka tsy mirehitra aho?” (2 Korintiana 11:29) Novahan’ny anjely tamin’ny fomba mahagaga ny boloky hazon’i Paoly sy Silasy rehefa nogadraina tany Filipy izy ireo. Ny hilaza tamin’ilay mpiambina hoe tsy nisy nandositra ny voafonja no tonga tao an-tsain’i Paoly voalohany. Takatr’i Paoly avy hatrany fa handeha hamono tena ilay mpiambina. Fantany fa hahazo sazy henjana, araka ny fomban’ny Romanina, ny mpiambina, raha nisy voafonja nandositra, indrindra raha nasaina nambenany tsara. (Asan’ny Apostoly 16:24-28) Niaiky volana noho ny hatsaram-panahin’i Paoly izay nahavonjy ny ainy ilay mpiambina, ka lasa Kristianina izy sy ny vady aman-janany.—Asan’ny Apostoly 16:30-34.

Ahoana no hampisehoana io toetra io?

Mampirisika antsika foana ny Soratra Masina mba hanahaka ilay Raintsika any an-danitra sy Jesosy Kristy zanany. Tokony hampiseho fiaraha-miory àry isika. Amin’ny fomba ahoana? Misy fomba telo lehibe azontsika atao mba hahatsapantsika kokoa ny zavatra ilain’ny hafa sy ny fihetseham-pony: Mihaino, mandinika, ary mampiasa saina.

Mihainoa. Ho fantatsika ny zava-manahirana ny olon-kafa raha mihaino tsara isika. Mora mamboraka izay ao am-pony ny olona, raha mihaino tsara kokoa isika. Hoy i Miriam: “Sahy miresaka amin’ny anti-panahy aho rehefa tsapako fa hihaino ahy izy. Tiako ho fantatra raha azony tokoa ny olana mahazo ahy na tsia. Vao mainka aho matoky azy rehefa ametrahany fanontaniana mampieritreritra, satria porofo izany fa tena nihaino tsara izay nolazaiko izy.”

Mandiniha. Tsy ny olona rehetra no hilaza amintsika izay tsapany na izay manjo azy. Ho tsikaritry ny olona mahay mandinika avy hatrany anefa rehefa misy Kristianina toa ketraka, misy zatovo lasa tsy be teny, na misy mpitory tsy mazoto toy ny taloha intsony. Tokony hahay hamantatra olana vao miandoha toy izany ny ray aman-dreny. Hoy i Marie: “Tsy maintsy fantatr’i Neny foana hoe misy zavatra mahazo ahy na mbola tsy miteny aminy aza aho, ka mora amiko ny mitantara aminy ny zava-manahirana ahy.”

Ampiasao ny saina. Ny fomba lehibe indrindra hahaizana miara-miory dia ny fanontaniana ny tenanao hoe: ‘Mba ahoana hoy aho, raha izaho no teo amin’ny toerany? Nanao ahoana ny mety ho fihetsiko? Inona no ho nilaiko?’ Tsy nahay nipetraka teo amin’ny toeran’i Joba izy telo lahy nilaza fa hampionona azy. Izany no antony nanendrikendrehan’izy ireo azy ho nanota.

Mora kokoa amin’ny olombelona mpanota ny manameloka noho ny hoe mba hahatakatra ny fihetseham-pon’ny olon-kafa. Hahay hangoraka olona kosa anefa isika, fa tsy hanameloka, raha miezaka hahazo an-tsaina ny fahoriany. Hoy i Juan, anti-panahy za-draharaha: “Mihaino tsara aho aloha sady miezaka mahatakatra ilay toe-javatra iray manontolo, izay vao manome torohevitra. Tsara kokoa ny torohevitra omeko amin’izay.”

Nanampy olona maro tamin’izany lafiny izany ny boky sy gazety zarain’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mamelabelatra momba ny olana saro-bahana toy ny fahaketrahana sy ny fametavetana ankizy ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Manampy ny mpamaky hahatakatra kokoa ny fihetseham-pon’ny olona tratran’ireo olana ireo ireny fanazavana tonga amin’ny fotoana ilana azy ireny. Nanampy ray aman-dreny maro handamina ny zava-manahirana ny zanany koa ny boky Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra.

Manampy amin’ny asa kristianina ny fiaraha-miory

Vitsy amintsika no hijery fotsiny zaza mosarena raha misy sakafo azontsika omena. Ho tsikaritsika avy hatrany raha salama ara-panahy ny olona iray na tsia, raha mahay miara-miory isika. Hoy ny tantarain’ny Baiboly momba an’i Jesosy: “Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.” (Matio 9:36) Olona an-tapitrisa no mahantra ara-panahy toy izany ankehitriny, ka mila fanampiana.

Tokony handresy fitsarana an-tendrony sy lovantsofina raiki-tampisaka, toy ny tamin’ny andron’i Jesosy, angamba isika mba hanohinana ny fon’ny olona sasany. Hiezaka hitady marimaritra iraisana na foto-kevitra mahakasika ny olona ny mpitory miara-miory, mba hahatonga ny hafatra entiny hahaliana kokoa. (Asan’ny Apostoly 17:22, 23; 1 Korintiana 9:20-23) Mora mandray ny hafatra momba ilay Fanjakana koa ny olona, toy ilay mpiambina fonja tany Filipy, raha tsara fanahy sy mahay miara-miory isika.

Tena manampy antsika tsy hijery ny fahadisoana madinika ataon’ny mpiray finoana amintsika ny fiaraha-miory. Mora amintsika ny mamela ny heloky ny rahalahy diso tamintsika, raha ezahintsika fantarina izay ao am-pony. Mety ho nanao toa azy isika raha isika no teo amin’ny toerany, na nitovy tamin’ny azy ny fomba nanabeazana antsika. Miara-miory amintsika i Jehovah ka “mahatsiaro fa vovoka isika.” Tsy tokony hiara-miory amin’ny hafa koa ve isika ka ‘hifamela heloka’ ary hanaiky fa tsy lavorary izy ireny?—Salamo 103:14; Kolosiana 3:13.

Ho tsara fanahy kokoa isika rehefa manoro hevitra, raha takatsika ny zavatra tsapan’ilay olona nanao fahadisoana. Izao no hotadidin’ny anti-panahy mahay miara-miory: ‘Nety ho nanao io fahadisoana io koa aho. Mety hanjo ahy koa izay nitranga taminy.’ Izany no nanoratan’i Paoly toy izao: “Atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin’ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao hianao koa mba halaim-panahy ihany.”—Galatiana 6:1.

Manosika antsika hanampy ny namana kristianina, araka izay vitantsika, koa ny fiaraha-miory, na dia tsy maniry loatra izany aza izy. Hoy ny apostoly Jaona: “Izay rehetra manam-pananana amin’izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran’ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy; ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny? ... Aoka tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela isika, fa amin’ny asa sy amin’ny marina.”—1 Jaona 3:17, 18.

Tokony ho fantatsika aloha ny zavatra ilain’ny rahalahintsika, raha te ho tia “amin’ny asa sy amin’ny marina” isika. Mandinika tsara izay ilain’ny olon-kafa ve isika mba hanampiana azy? Izany indrindra no atao hoe fiaraha-miory.

Mianara miara-miory

Mety ho tsy toetrantsika loatra ny mahay miara-miory nefa azontsika ianarana. Hahay hiara-miory kokoa isika raha mihaino tsara kokoa, mandinika bebe kokoa, ary miezaka mampiasa saina kokoa. Amin’izay isika dia ho voatosika ho tia sy ho tsara fanahy ary hangoraka kokoa ny zanatsika sy ny Kristianina hafa ary ny mpiara-belona amintsika.

Aza avela ho takon’ny fitiavan-tena ny fiaraha-miory. Hoy i Paoly: “Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa.” (Filipiana 2:4) Noho i Jehovah sy Jesosy Kristy, Mpisoronabeny, mahay miara-miory, no hahazoantsika fiainana mandrakizay. Tokony haneho io toetra io koa àry isika. Ho tonga mpitory sy ray aman-dreny tsara kokoa isika raha mahay miara-miory. Ambonin’ny zavatra rehetra, dia hanampy antsika ny fiaraha-miory mba hahita fa “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—Asan’ny Apostoly 20:35.

[Sary, pejy 25]

Mandinika tsara izay ilain’ny olon-kafa ny olona mahay miara-miory mba hanampiana azy

[Sary, pejy 26]

Hiezaka hiara-miory, toy ny ataon’ny reny be fitiavana amin’ny zanany, ve isika?