Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahasoa Antsika ny Lalàn’Andriamanitra

Mahasoa Antsika ny Lalàn’Andriamanitra

Mahasoa Antsika ny Lalàn’Andriamanitra

“Endrey ny fitiavako ny lalànao!”—SALAMO 119:97.

1. Ahoana no fiheveran’ny olona ny fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra?

TSY tian’ny olona ankehitriny ny mankatò ny lalàn’Andriamanitra. Maro no mihevitra fa tsy ilaina ny manaiky hofehezin’ny fahefana iray tsy hita maso. Aleon’ny olona mitondra tena araka izay hitany fa mety. Afangaron’izy ireo ny atao hoe tsara sy ratsy, ary misy toe-javatra sarotra avahana hoe tsara na ratsy. (Ohabolana 17:15; Isaia 5:20) Voamarika fa “te hanapa-kevitra samirery ny ankamaroan’ny Amerikanina hoe inona no mety sy tsara ary mahasoa.” Io no fomba fisainan’ny olona tsy miraharaha fivavahana, araka ny fanadihadiana natao vao haingana. Aleon’izy ireo “Andriamanitra milefitra. Tsy mila fitsipika hentitra izy ireo. Tsy tian’izy ireo koa raha misy fahefana manizingizina fitsipi-pitondran-tena, na ny toy izany.” Nisy mpandinika ny fiaraha-monina nilaza fa “ny tsirairay no antenaina hamaritra izay fitondran-tena tsara” ankehitriny. Hoy koa izy: “Tsy maintsy mampifanaraka ny didiny amin’izay ilain’ny olona ny fahefana rehetra.”

2. Mampiseho inona momba ny fitahiana sy ny fankasitrahan’Andriamanitra ny firesahan’ny Baiboly voalohany momba ny lalàna?

2 Koa satria maro no mihevitra fa tsy ilaina ny lalàn’i Jehovah, dia mila manamafy ny fatokisantsika isika fa mahasoa antsika ny fitsipik’Andriamanitra. Tsara hodinihina ilay tantara ao amin’ny Baiboly, miresaka voalohany momba ny lalàna. Hoy ny Genesisy 26:5: “Abrahama . . . nitandrina izay nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny teniko ary ny lalàko.” Taonjato maro talohan’ny nanomezany ny Lalàn’i Mosesy ho an’ireo taranak’i Abrahama no nilazan’i Jehovah izany. Inona no valisoa nomen’Andriamanitra an’i Abrahama, noho izy nankatò azy sy ny lalàny? Nampanantena toy izao i Jehovah Andriamanitra: “Amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.” (Genesisy 22:18) Sady tahin’Andriamanitra àry no ankasitrahany ny olona mankatò ny lalàny.

3. a) Ahoana no fiheveran’ilay mpanao salamo ny lalàn’i Jehovah? b) Inona avy no fanontaniana tsara hodinihintsika?

3 Anisan’ireo olona vitsy tia lalàna ny mpanao salamo iray, izay azo inoana fa printsin’i Joda sady ho lasa mpanjaka. Hoy izy tamin’Andriamanitra: “Endrey ny fitiavako ny lalànao!” (Salamo 119:97) Tsy fientanam-po fotsiny izany, fa fanehoam-pitiavana ny sitrapon’Andriamanitra hita ao amin’ny lalàny. Tia ny lalàn’Andriamanitra toy izany koa i Jesosy Kristy, ilay Zanany lavorary. Hoy izy, araka ny faminaniana: “Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitro ô, no sitrako; ary ny lalànao no ato anatiko.” (Salamo 40:8; Hebreo 10:9) Ary isika? Faly ve isika manao ny sitrapon’Andriamanitra? Miaiky ve isika fa ilaina sady mahasoa ny lalàny? Zava-dehibe amintsika ve ny fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra eo amin’ny fivavahantsika, ny fiainantsika andavanandro, ny fanapahan-kevitra raisintsika, ary ny fifandraisantsika amin’olona? Mba hitiavantsika ny lalàn’Andriamanitra, dia tokony ho azontsika aloha ny antony mahatonga azy hanan-jo hanome lalàna sy hanao izay hanarahan’ny olona azy ireny.

I Jehovah no manan-jo hanome lalàna

4. Nahoana i Jehovah no fahefana fara tampony manan-jo hanome lalàna?

4 Fahefana fara tampony manan-jo hanome lalàna i Jehovah, satria Mpamorona. (Apokalypsy 4:11) Hoy i Isaia mpaminany: “Jehovah no Mpanome lalàna antsika.” (Isaia 33:22) Nanao lalàna mifehy ny zavaboary rehetra izy. (Joba 38:4-38; 39:1-12; Salamo 104:5-19) Zavaboarin’Andriamanitra ny olona, ka mifehy azy koa ireny lalàna nataon’i Jehovah ireny. Marina fa afaka manao izay tiany hatao ny olona sady mahay mieritreritra tsara samirery. Tsy sambatra anefa izy raha tsy manaiky ny lalàna nataon’Andriamanitra hifehy ny fitondran-tena sy ny fivavahana aminy.—Romana 12:1; 1 Korintiana 2:14-16.

5. Inona no manaporofo fa marina ny Galatiana 6:7, raha ny lalàn’Andriamanitra no resahina?

5 Fantatsika fa tsy misy afaka manafoana ny lalàna nataon’i Jehovah hifehy ireo zavaboary. (Jeremia 33:20, 21) Mampidi-doza, ohatra, ny fandikana ireny lalàna ireny. Raha misy tsy miraharaha ny lalàn’ny sinton’ny tany, ohatra, ka mitsambikina avy eny amin’ny tafon-trano avo be, dia hizaka ny vokany izy. Toy izany koa ny lalàna nataon’Andriamanitra hifehy ny fitondran-tena. Tsy azo ovana sady tsy azo ialana izy ireny, ary tsy ho afa-maina izay mandika azy. Manan-kery toy ny lalàna mifehy ny zavaboary izy ireny, na dia tsy miseho eo no ho eo aza ny vokany. “Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjany.”—Galatiana 6:7; 1 Timoty 5:24.

Ireo lafim-piainana fehezin’ny lalàn’i Jehovah

6. Mihatra amin’ny inona avy ny lalàn’Andriamanitra?

6 Lalàna miavaka nataon’i Jehovah ny Lalàn’i Mosesy. (Romana 7:12) Nosoloany ny “lalàn’i Kristy” izy io tatỳ aoriana. * (Galatiana 6:2; 1 Korintiana 9:21) Eo ambany “lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ny fahafahana” isika Kristianina, ka takatsika fa tsy ny lafiny sasany amin’ny fiainantsika ihany, toy ny zavatra inoana na ny fomba fivavahana arahina, no anomezan’Andriamanitra toro lalana antsika. Mihatra amin’ny lafim-piainana rehetra ny fitsipiny: amin’ny raharaham-pianakaviana sy ara-barotra, ny fitondran-tena amin’ny tsy lahy na tsy vavy toa antsika, ny fifandraisana amin’ny Kristianina hafa, ary ny fandraisana anjara amin’ny fivavahana marina.—Jakoba 1:25, 27.

7. Milazà lalàn’Andriamanitra lehibe sasany.

7 Milaza toy izao, ohatra, ny Baiboly: “Ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.” (1 Korintiana 6:9, 10) Tsy azo hamaivanina velively ny fanitsakitsaham-bady sy ny fijangajangana. Tsy “fomba fiaina hafa” fotsiny koa ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy, fa tena fandikana ny lalàn’i Jehovah mihitsy. Toy izany koa ny halatra sy ny lainga ary ny fanendrikendrehana. (Salamo 101:5; Kolosiana 3:9; 1 Petera 4:15) Nomelohin’i Jakoba ny fireharehana ary nampitandrina antsika i Paoly mba tsy hanao resaka fahadalana na vetaveta. (Efesiana 5:4; Jakoba 4:16) Amin’ny Kristianina, dia anisan’ny lalàna tsy misy tsiny nataon’Andriamanitra ireo fitsipi-pitondran-tena rehetra ireo.—Salamo 19:7.

8. a) Lazao ny mombamomba ny lalàn’i Jehovah. b) Inona no tena dikan’ilay teny hebreo nadika hoe “lalàna”?

8 Asehon’ireny fitsipika fototra ao amin’ny Tenin’i Jehovah ireny fa tsy lisitra lava be feno didy henjana akory ny lalàny. Izy io kosa no fototry ny fiainana milamina sy ahitana voka-tsoa, ka manatsara ny fitondran-tena manontolo. Sady mampivoatra ny lalàn’Andriamanitra, no mifanaraka amin’izay tsara, no andraisana lesona. (Salamo 119:72) Nadika avy tamin’ny teny hebreo hoe toh·rahʹ ny teny hoe ‘lalàna’ nampiasain’ilay mpanao salamo. Nisy manam-pahaizana momba ny Baiboly nilaza hoe: “Io teny io dia avy amin’ny matoanteny iray midika hoe manome toromarika, mitari-dalana, mikendry. Ny dikan’izy io àry dia hoe ... fitsipika mifehy ny fitondran-tena.” Noraisin’ilay mpanao salamo ho fanomezana avy tamin’Andriamanitra ny lalàna. Tsy tokony hanaja azy io koa àry ve isika, ka hamela azy io hamolavola ny fomba fiainantsika?

9, 10. a) Nahoana isika no mila toromarika azo itokisana? b) Inona ihany no hanampy antsika hanana fiainana mahafinaritra sy vanona?

9 Mila toromarika sy tari-dalana azo itokisana ny zavaboary rehetra. Mila izany i Jesosy sy ny anjely, izay ambony noho ny olona. (Salamo 8:5; Jaona 5:30; 6:38; Hebreo 2:7; Apokalypsy 22:8, 9) Koa raha zavaboary lavorary toa azy ireo aza mandray soa avy amin’ny tari-dalan’Andriamanitra, tsy mainka ve fa ny olombelona tsy lavorary? Manamarina izao tenin’i Jeremia mpaminany izao tokoa ny tantaran’ny olombelona sy ny zavatra niainantsika: “Fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.”—Jeremia 10:23.

10 Tsy maintsy mitady tari-dalana avy amin’Andriamanitra isika, raha tiantsika hahafinaritra sy ho vanona ny fiainantsika. Neken’i Solomona Mpanjaka fa mety hampidi-doza ny mametra samirery izay atao hoe tsara sy ratsy, ka tsy manaraka ny tari-dalan’Andriamanitra. Hoy izy: “Misy làlana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo làlana mivarina any amin’ny fahafatesana no iafarany.”—Ohabolana 14:12.

Nahoana no tokony   hankamamina ny lalàn’i Jehovah?

11. Nahoana isika no tokony haniry hahazo ny hevitry ny lalàn’Andriamanitra?

11 Tokony haniry mafy hahazo ny hevitry ny lalàn’i Jehovah isika. Tena naniry izany ilay mpanao salamo ka hoy izy: “Ampahirato ny masoko, mba hahitako zava-mahagaga ao amin’ny lalànao.” (Salamo 119:18) Arakaraka ny hahafantarantsika an’Andriamanitra sy ny fomba fiasany no hahatakarantsika tsara kokoa fa marina ireto tenin’i Isaia ireto: “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao. Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko!” (Isaia 48:17, 18) Tena irin’i Jehovah ho afaka amin’ny loza sy hankafy ny fiainana ny olona, amin’ny alalan’ny fankatoavana ny didiny. Aoka hodinihintsika ny sasany amin’ireo antony lehibe tokony hankamamiantsika ny lalàn’Andriamanitra.

12. Inona no zavatra fantatr’i Jehovah momba antsika, ka mahatonga azy ho tsara toerana indrindra mba hanome lalàna?

12 Mahafantatra antsika tsara Andriamanitra. Tsy misy miafina amin’i Jehovah tokoa ny momba antsika, satria izy no Mpamorona antsika. (Salamo 139:1, 2; Asan’ny Apostoly 17:24-28) Tsy misy mahafantatra antsika tsara kokoa noho i Jehovah, na dia ny namantsika akaiky sy ny havantsika ary ny ray aman-drenintsika aza. Mahafantatra antsika tsara kokoa noho ny tenantsika mihitsy aza izy! Ny Mpamorona antsika ihany no tena mahalala izay ilaintsika eo amin’ny lafiny ara-panahy, ara-pihetseham-po, ara-tsaina, ary ara-batana. Asehony fa takany ny toetrantsika sy ny faniriantsika ary ny tanjontsika. Marina fa fantatr’i Jehovah ny fetran’ny mety ho vitantsika, nefa fantany koa ny zavatra tsara mety ho vitantsika. Hoy ilay mpanao salamo: “Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika.” (Salamo 103:14) Miadan-tsaina àry isika rehefa manaraka ny lalàny sy manaiky an-tsitrapo ny tari-dalany.—Ohabolana 3:19-26.

13. Nahoana isika no matoky fa tena mitady izay hahasoa antsika i Jehovah?

13 Tia antsika Andriamanitra. Tena tiany ho sambatra mandrakizay isika. Tsy efa nanome ny Zanany “ho avotra hisolo ny maro” ve izy, na dia mafy taminy aza izany? (Matio 20:28) Tsy nampanantena ve i Jehovah fa ‘tsy hamela antsika halaim-panahy mihoatra noho izay zakantsika’ izy? (1 Korintiana 10:13) Tsy manome toky antsika ve ny Baiboly fa ‘miahy antsika’ izy? (1 Petera 5:7) Tian’i Jehovah ny olona, ka omeny tari-dalana mahasoa. Fantany izay mahasoa antsika sy izay mety hahasambatra na hampalahelo antsika. Hanome tari-dalana mba hahazoantsika fiainana sy fitahiana izy satria tia antsika, raha miezaka manao ny marina hatrany isika, na dia tsy lavorary sy manao fahadisoana aza.—Ezekiela 33:11.

14. Inona no tena maha samy hafa ny lalàn’Andriamanitra sy ny hevitry ny olona?

14 Tsy miova mihitsy ny lalàn’Andriamanitra ka azo ianteherana. Toy ny vatolampy mafy orina nisy hatrizay ka ho mandrakizay i Jehovah, amin’izao fotoana misafotofoto izao. (Salamo 90:2) Hoy izy: “Izaho Jehovah dia tsy miova.” (Malakia 3:6) Mendri-pitokisana tanteraka ny fitsipik’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly, fa tsy miovaova lava toy ny hevitry ny olona. (Jakoba 1:17) Nilaza, ohatra, ny manam-pahaizana, nandritra ny taona maro, fa tokony havela hanao izay tiany ny ankizy. Nisy niova hevitra anefa izy ireo ary niaiky fa diso ny toroheviny. Miovaova matetika ny fitsipika sy ny tari-dalana omen’izao tontolo izao momba ny fitaizana. Tsy mba toy izany anefa ny Tenin’i Jehovah. Efa taonjato maro no nanoroan’ny Baiboly hevitra momba ny fitaizana zanaka amim-pitiavana. Hoy ny apostoly Paoly: “Hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo izy.” (Efesiana 6:4) Tena mahafaly ny mahafantatra fa azontsika ianteherana ny fitsipik’i Jehovah, satria tsy hiova mihitsy!

Fitahiana ho an’izay mankatò ny lalàn’Andriamanitra

15, 16. a) Inona no ho vokany raha mampihatra ny fitsipik’i Jehovah isika? b) Porofoy fa tari-dalana tsara ho an’ny fanambadiana ny lalàn’Andriamanitra.

15 Hoy Andriamanitra tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany: ‘Ambinina amin’izay ampandehanako azy ny teniko.’ (Isaia 55:11) Azo antoka toy izany koa fa hahomby sy hahavita soa ary ho sambatra isika, rehefa miezaka mafy mba hanaraka ireo fitsipika ao amin’ny Teniny.

16 Tari-dalana tsara mba hahavanona ny fanambadiana, ohatra, ny lalàn’Andriamanitra. Hoy i Paoly: “Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana: fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra.” (Hebreo 13:4) Tokony hifanaja sy hifankatia ny mpivady: “Samia tia ny vadiny tahaka ny tenany hianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy.” (Efesiana 5:33) Ilay karazam-pitiavana ao amin’ny 1 Korintiana 13:4-8 no ilaina: “Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otripo, tsy mifaly amin’ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin’ny fahamarinana kosa, mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra. Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay.” Tsy ho levona tokoa ny fanambadiana miorina amin’io karazam-pitiavana io.

17. Inona no soa azo rehefa ampiharina ny fitsipik’i Jehovah mahakasika ny fisotroan-toaka?

17 Mahasoa koa ny fitsipik’Andriamanitra, rehefa dinihina ny fanamelohany ny fimamoana. Tsy tiany na dia ny ‘fitiavana divay be’ aza. (1 Timoty 3:3, 8; Romana 13:13) Tsy miraharaha ny fitsipik’Andriamanitra momba izany ny olona maro ka marary noho ny fisotroan-toaka be loatra. Misy tsy miraharaha ilay torohevitry ny Baiboly hoe tokony hahalala onony, ka nanjary zatra miboboka toaka mba “hanalana sorisory.” Maro ny olana mahazo ny mpisotro toaka: Tsy hajain’ny olona intsony, misara-bazana ny mpianakavy, lanilany foana ny karama, ary voaroaka amin’ny asa. (Ohabolana 23:19-21, 29-35) Tsy fiarovana tokoa àry ve ny fitsipik’i Jehovah mahakasika ny fisotroan-toaka?

18. Mahasoa eo amin’ny ara-bola ve ny fitsipik’Andriamanitra? Hazavao.

18 Mahasoa eo amin’ny ara-bola koa ny fitsipik’Andriamanitra. Mampirisika ny Kristianina mba hanao ny marina sy hazoto hiasa ny Baiboly. (Lioka 16:10; Efesiana 4:28; Kolosiana 3:23) Manaraka io torohevitra io ny Kristianina, ka maro tamin’izy ireo no nahazo fisondrotana teo amin’ny asany na tsy voaroaka tamin’ny asany na dia voaroaka aza ny hafa. Mitondra soa ara-bola koa ny fialana amin’ny fahazarana melohin’ny Soratra Masina, toy ny filokana sy ny fifohana sigara ary ny fidorohana zava-mahadomelina. Tsy isalasalana fa manana ohatra hafa ianao hampisehoana fa mitondra soa ara-bola ny fitsipik’Andriamanitra.

19, 20. Nahoana no fahendrena ny manaiky sy mankatò ny lalàn’Andriamanitra?

19 Mora manadino ny lalàna sy fitsipik’Andriamanitra ny olombelona tsy lavorary. Eritrereto ireo Isiraelita teo amin’ny Tendrombohitra Sinay. Hoy Andriamanitra tamin’izy ireo: “Raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra hianareo; fa Ahy ny tany rehetra.” Namaly toy izao izy ireo: “Izay teny rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay.” Tena nifanohitra tamin’izany anefa ny zavatra nofidin’izy ireo hatao! (Eksodosy 19:5, 8; Salamo 106:12-43) Aoka kosa isika hanaiky sy hankatò ny fitsipik’Andriamanitra.

20 Fahendrena sady mahasambatra ny manaraka akaiky ny lalàna tsy manam-paharoa nomen’i Jehovah mba hitarihana antsika eo amin’ny fiainana. (Salamo 19:7-11) Raha te hahavita izany isika, dia mila ny miaiky koa fa sarobidy ny toro lalan’Andriamanitra. Izany no votoatin’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 1996, pejy faha-14-24, raha te handalina momba ny “lalàn’i Kristy” ianao.

Tadidinao Ve?

• Nahoana isika no matoky fa mahasoa antsika ny lalàn’Andriamanitra?

• Inona avy ireo antony tokony hankamamiantsika ny lalàn’i Jehovah?

• Eo amin’ny lafiny inona avy ny lalàn’Andriamanitra no mahasoa?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 13]

Nahazo fitahiana maro i Abrahama satria nankatò ny lalàn’i Jehovah

[Sary, pejy 15]

Maro no manadino ny lalàn’Andriamanitra, noho ireo fanahiana eto amin’ity fiainana mirotoroto ity

[Sary, pejy 17]

Miorina tsara, toy ny tilikambo fanilon-tsambo ambony vatolampy, ny lalàn’Andriamanitra