Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahatsapa ho Miadana Ankehitriny—Tena Miadana Mandrakizay

Mahatsapa ho Miadana Ankehitriny—Tena Miadana Mandrakizay

Mahatsapa ho Miadana Ankehitriny—Tena Miadana Mandrakizay

NAHOANA no sarotra matetika ny mahita fiadanana, ary mihelina ihany izany, raha hisy aza? Sao dia zavatra antenaintsika ho azo, nefa tsy azo tanterahina, no heverintsika fa hampiadana antsika? Izany no atao hoe miaina ao anatin’ny nofinofy.

Tsy mahatsiaro ny zava-misy sy ny ahiahin’ny fiainana ny olona manonofy, fa toy ny miadana sy finaritra erỳ. Ailiky ny sainy izay zavatra mety hanimba ilay nofinofy. Matetika anefa no miharihary aminy tampoka ireo olana tena misy, ka mifarana hatreo ilay fahasambarana tsapany.

Andeha hodinihintsika ny fomba iray itadiavan’ny olona fiadanana: ny toerana ipetrahana. Mety hahavelom-panantenana, ohatra, ny tanàn-dehibe satria toa hahafinaritra ny fiainana any, ho be ny karama sady ho ary fomba ny trano. Toa izany mihitsy no hitondra ilay fiadanana nandrasanao hatry ny ela. Izany ve anefa no zava-misy?

Mampiadana tokoa ve ny tanàn-dehibe sa mampanonofy fotsiny?

Ny dokam-barotra no misarika ny olona ho any an-tanàn-dehibe atỳ amin’ny tany an-dalam-pandrosoana. Tsy izay hampiadana anao loatra anefa no tadiavin’ny fikambanana manao ireny dokam-barotra ireny fa ny hampandeha ny varotra ataony. Tsy ny olana tena misy eo amin’ny fiainana no asehony fa sarin’olona miadana sy tafita. Koa manjary ampifandraisina amin’ilay zavatra anaovany dokam-barotra sy ilay tanàn-dehibe àry ny fiadanana.

Ity misy ohatra. Nisy manam-pahefana tao amin’ny tanàna iray atsy Afrika Andrefana nanao dokam-barotra. Nisy sary lehibe tena manaitra nampisehoan’izy ireo fa toy ny mandoro ny vola nisasarana, ny mifoka sigara. Anisan’ny ezaka manokana natao hampitandremana ny mponina mba tsy hifoka sigara ilay izy. Ho setrin’izany, dia nametaka sary lehibe sady voakaly tsara tamin’ny rindrina ny orinasa mpanamboatra sy mpivarotra sigara. Nampiseho sarin’olona mifoka sigara ilay dokam-barotra, ka sambatra sy tafita erỳ ny fahitana azy ireo. Nisy orinasa mpanao sigara koa nampanao fanamiana hafakely sy kasikety lamaody, ny mpiasany sasany. Nasainy nizara sigara tamin’ireo tanora teny an-dalana izy ireo sy hampirisika azy ireny “hifoka kely.” Maro tamin’ireo tanora no roboka satria avy any ambanivohitra, ka tsy nahalala ny hafetsen’ireo mpanao dokam-barotra. Nanjary nandevozin’ny sigara izy ireo. Matoa ireo tanora ireo niakatra an-tanàn-dehibe, dia satria nitady fiadanana izy mba hanampiana ny fianakaviany, na nitady harena. Indrisy anefa fa toy ny nodoran’izy ireo ny ankamaroan’ny vola izay azony nampiasaina tamin-javatra tsara kokoa.

Tsy ny mpivarotra ihany akory no manao dokam-barotra momba ny fahombiazan’ny fiainana an-tanàn-dehibe. Mety hanao izany koa ny olona nifindra an-tanàn-dehibe, nefa menatra ny hiverina any amin’ny tanàna niaviany. Mihambo ho nahazo harena sy nahavita zavatra izy, satria tsy tiany ny hiseho hoe tsy tafita izy. Rehefa jerena akaiky anefa ny fari-piainana lazainy fa ananany, dia hita fa tsy nivoatra velively izany raha ampitahaina amin’ny fiainany tany ambanivohitra. Miady mafy toy ny ankamaroan’ny mponina an-tanàn-dehibe izy, mba hahazoana vola.

Any an-tanàn-dehibe indrindra no anararaotan’ireo tsy valahara ny olona vao tonga, mitady fiadanana. Nahoana? Satria mbola tsy manana namana izy amin’ny ankapobeny, ary lavitra ny fianakaviany. Tsy misy olona manoro hevitra azy na mampitandrina azy mba tsy hanjary ho matimatin-karena toy ny olona maro an-tanàn-dehibe.

Tsy voatarika hifoka sigara i Josué. Takany koa fa tsy ho vitany mihitsy ny hiaina any an-tanàn-dehibe. Nofinofy tsy tanteraka no hany mba hitany tany. Niaiky izy fa tsy tena niadana tao amin’ilay tanàn-dehibe; tsy nety taminy tsotra izao ny tany. Tsy nisy heviny ny fahitany ny fiainany. Nahatsiaro tena ho ambany sy tsy nahavita azy koa izy. Nanetry tena izy tamin’ny farany, ka nody tany ambanivohitra.

Natahotra izy sao hisy haneso. Nandray azy an-tanan-droa anefa ny fianakaviany sy ireo tena namany. Naneho fitiavana azy ny fianakaviany sy ny namany teo anivon’ny fiangonana kristianina. Nahazatra azy koa ny manodidina. Tsy ela àry izy, dia nahatsapa ho niadana kokoa noho ny tany an-tanàn-dehibe. Mivadika ho nofy ratsy mantsy ny nofinofin’ny maro rehefa tonga any. Niara-niasa mafy tamin’ny rainy tany an-tsaha izy. Koa gaga izy fa nampidi-bola be kokoa ho azy sy ny fianakaviany noho ny tany an-tanàn-dehibe izany.

Inona no tena olana amin’ny vola?

Hahatonga anao hahatsapa ho miadana ve ny vola? Hoy i Liz, avy any Kanada: “Nihevitra aho tamin’ny mbola tanora, fa tsy manam-panahiana rehefa manam-bola.” Raiki-pitia tamin’ny lehilahy iray nanankarena izy, ary tsy ela, dia nivady izy ireo. Nahatsapa ho niadana ve i Liz? Hoy izy: “Nanana trano tsara tarehy sy fiara roa izahay mivady. Tsy nisy nahory anay, na fanaovana dia lavitra izany, na fialam-boly. Nahagaga anefa fa mbola nanahy ny amin’ny vola ihany aho.” Nohazavainy ny antony: “Natahotra ny hamoy ny harem-benay izahay. Toy ny hoe arakaraka ny ananam-be no mampihena ny fiadananao. Misy foana ny fanahiana sy ny tebiteby na dia misy aza ny vola.”

Raha tsapanao fa tsy ampy mba hampiadana anao ny volanao, dia manontania tena hoe: ‘Inona no tena olana? Ny vola tokoa ve no tsy ampy sa ny fahaiza-mitantam-bola?’ Hoy i Liz, rehefa nieritreritra ny lasa: “Takatro izao fa ny tsy fahaiza-mitantam-bola no antony niteraka olana teo amin’ny fianakavianay, fony aho mbola kely. Nividy zavatra naloa tsikelikely izahay ka tsy afa-trosa mihitsy, hany ka nitebiteby.”

Mahatsapa ho miadana kokoa anefa ry Liz mivady izao, na dia kely kokoa aza ny volany. Rehefa nianatra ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izy mivady, dia takany fa tsy ny fitadiavam-bola intsony no tokony ho tanjony. Nanomboka nihaino ny fahendren’Andriamanitra kosa izy ireo, anisan’izany ireto teny ireto: “Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.” (Ohabolana 1:33) Nirin’izy ireo hisy zava-kendrena kokoa ny fiainany, nefa tsy afaka nanome azy ireo izany ny vola be. Misionera any an-tany lavitra ry Liz mivady ankehitriny. Mampianatra ny olona manankarena sy mahantra izy ireo fa hitondra ny tena fiadanana eran-tany i Jehovah Andriamanitra, tsy ho ela. Misy zava-kendrena sy fitsipika andrianina ambony kokoa io asa io ka tena mahafa-po sy mampilamin-tsaina, fa tsy toy ny fitadiavam-bola.

Tadidio izao fahamarinana lehibe izao: Tena mahasoa kokoa ny manankarena amin’Andriamanitra noho ny manankarena ara-bakiteny. Ny fananana laza tsara eo anatrehan’i Jehovah no asongadin’ny Soratra Masina manontolo, fa tsy ny fananana harena ara-bakiteny. Tsara laza foana isika rehefa manao hatrany ny sitrapon’Andriamanitra amim-pinoana. Mampirisika antsika i Kristy Jesosy mba ‘hanankarena amin’Andriamanitra’ ary hitahiry “harena any an-danitra.”—Lioka 12:21, 33.

Mitondra ho aiza ny toerana ambony?

Raha heverinao fa ny fananana toerana ambony no mitondra fiadanana, dia manontania tena hoe: ‘Iza amin’ireo olona ambony no tena miadana? Rehefa lasa ambony toa an’iza aho vao hiadana?’ Mety hahatsapa ho miadana ianao raha manana asa tsara. Tsy izany akory anefa no izy ka ho diso fanantenana sy hamoy ny toeranao mihitsy aza ianao ary hijaly.

Voaporofo tsara fa miadana kokoa ny olona rehefa tsara laza eo anatrehan’Andriamanitra noho ny hoe malaza fotsiny. I Jehovah irery ihany no afaka manome ny fiainana mandrakizay. Voafaoka amin’izany ny hoe voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana, izay an’Andriamanitra, ny anarantsika fa tsy ao amin’ny boky sasany misy ny anaran’ireo olo-malaza.—Eksodosy 32:32; Apokalypsy 3:5.

Ahoana no fahitanao ny toerana misy anao izao raha atsahatra hatreo ny nofinofy? Inona marina no azonao antenaina amin’ny hoavy? Tsy misy manana ny zava-drehetra. Nilaza izany toy izao ny Kristianina hendry iray: “Voatery niaiky aho fa tsy maintsy misafidy eo amin’ny fiainana, tsy hiaraka ho azo daholo ny zava-drehetra.” Miatoa kely aloha ka vakio ilay faritra voafefy hoe “Re Tany Bénin.”

Valio amin’izay ireto fanontaniana ireto: Inona no tena tanjoko eo amin’ny fiainana? Inona no fomba mivantana indrindra hahatongavako amin’izany? Sao dia mananosarotra sady maka fotoana ny fomba anatratrarako io tanjoko io, nefa misy fomba tsotra kokoa ahazoako izay tena iriko sady mety ho azoko?

Nasehon’i Jesosy fa sarobidy noho ny harena ny zavatra ara-panahy. Nilaza izy avy eo fa ilaina hatrany ny manana maso “tsara”, izany hoe tsotra, na mifantoka tsara. (Matio 6:22) Nohazavainy fa ny zavatra sy tanjona mifandray amin’ny anaran’Andriamanitra sy ny Fanjakany no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana. (Matio 6:9, 10) Tsy zava-dehibe loatra ny zavatra hafa, na azo lazaina hoe tsy ifantohana loatra.

Fakan-tsary maro ankehitriny no sady mifantoka amin-javatra akaiky no mifantoka amin-javatra lavitra. Mitady ho toy izany koa ve ianao? Saika ifantohanao avokoa ve izay rehetra hitanao, izany hoe heverinao ho zava-dehibe, mahafinaritra ary mety ho azo, na dia nofinofy ihany aza? Raha izany no izy, eny fa na dia kely fotsiny aza, dia ho sarona mora foana ilay Fanjakana, izay tena tanjon’ny Kristianina, satria misy sary be dia be mitady hisarika anao. Nananatra mafy toy izao i Jesosy: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.”—Matio 6:33.

Miadana ankehitriny sy mandrakizay

Mety ho samy haniry zavatra tsara kokoa ho antsika sy ho an’ny havan-tiantsika isika. Voafetra ihany anefa ny zavatra tena azontsika antenaina hotratrarina, satria tsy lavorary isika sy ny tontolo iainantsika ary voafetra ny androm-piainantsika. Nisy mpanoratra ny Baiboly nanazava toy izao, an’arivo taona lasa izay: “Ary hitako atỳ ambanin’ny masoandro indray fa tsy ho an’ny haingan-tongotra ny fihoarana, ary tsy ho an’ny mahery ny ady, ary tsy ho an’ny hendry ny hanina, ary tsy ho an’ny mazava saina ny harena, ary tsy ho an’ny manam-pahalalana ny fitia; fa ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo azy rehetra.”—Mpitoriteny 9:11.

Manjary variana loatra amin’ny fiainana isika indraindray ka hadinontsika ireo zavatra lehibe kokoa, dia ny hoe iza isika sy hoe inona no tena ilaintsika mba hahatsapana ho tena miadana. Diniho ireto tenim-pahendrena fahiny ireto: “Izay tia vola tsy hety ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin’ny fitomboan-karena; fa zava-poana koa izany. Mamy ny torimason’ny mpiasa, na homan-kely na homam-be izy; fa ny haben’ny ananan’ny manan-karena kosa no tsy ahitany tory.” (Mpitoriteny 5:9, 11) Ahoana àry no ahitanao fiadanana?

Azonao ovana ve ny fikasanao raha mitovitovy amin’izay nonofinofisin’i Josué ny toe-javatra misy anao? Hanampy anao ireo olona tena tia anao, tsy misy hafa amin’ny nataon’ny fianakavian’i Josué sy ny namany teo anivon’ny fiangonany. Mety hiadana kokoa ianao raha mipetraka amin’ny toerana tsotsotra miaraka amin’ny olona tia anao, toy izay any an-tanàn-dehibe miaraka amin’ny olona mitady hanararaotra anao.

Raha efa manam-be toa an-dry Liz mivady ianao, azonao ahitsy ve ny fomba fiainanao mba hanokanana fotoana sy hery bebe kokoa hanampiana ny hafa? Afaka manampy ny manankarena sy ny mahantra ve ianao hahafantatra an’ilay Fanjakana, izay hitondra ny tena fiadanana?

Raha niezaka mba ho tonga olona ambony ianao, dia tokony hodinihinao amim-pahatsorana ny antony manosika anao. Ekena aloha fa mety hahafinaritra kokoa ny fiainana raha manana izay ilainao ianao. Mbola afaka mifantoka amin’ilay Fanjakana ihany ve anefa ianao? Io Fanjakana io mantsy no hitondra fiadanana maharitra. Tadidio ny tenin’i Jesosy: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Hiadana sy ho afa-po ianao raha mandray anjara amin’ireo asa samy hafa eo anivon’ny fiangonana kristianina.

Faly sy miadana ankehitriny ireo mitoky tanteraka amin’i Jehovah sy ny Fanjakany, ary miandrandra ny fiadanana tanteraka amin’ny hoavy. Hoy ny mpanao salamo: “Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho. Izany no ifalian’ny foko sy iravoravoan’ny fanahiko; eny, ny nofoko aza hitoetra tsy manana ahiahy.”—Salamo 16:8, 9.

[Efajoro/Sary, pejy 6]

Re Tany Bénin

Efa imbetsaka no nandrenesana ity tantara ity, saingy samy manana ny fomba fitantarany azy. Tsy ela, dia nitantara azy io tamin’ny tanora sasany toy izao ny raiamandreny iray tany ambanivohitr’i Bénin, atsy Afrika Andrefana.

Nisy mpanjono tao anaty lakana, handeha hody. Nihaona tamin’ny manam-pahaizana vahiny niasa tao amin’io tany an-dalam-pandrosoana io, izy. Nanontany azy ilay manam-pahaizana hoe nahoana izy no mody aloha be. Namaly ilay mpanjono fa azony natao ny nijanona elaela kokoa, kanefa efa ampy ho an’ny fianakaviany ny trondro azony.

“Ka ahoana izany no andanianao ny fotoananao?”, hoy ny nanontanian’ilay manam-pahaizana.

Hoy ilay mpanjono: “Manjono kely aho. Milalao miaraka amin-janako. Matory antoandro izahay mianakavy rehefa mahamay ny andro. Miara-misakafo hariva izahay. Ary miara-mitendry mozika amin’ny namako aho aorian’izay, sy ny sisa.”

Hoy ilay manam-pahaizana nanapaka ny teniny: “Izao e, nahazo diplaoma tany amin’ny oniversite aho sady nianatra izany zavatra izany. Te hanampy anao aho. Tokony hanjono ela kokoa ianao. Ho betsaka kokoa ny vola azonao amin’izay, ka ho afaka hividy sambo lehibe kokoa noho ity lakana ity ianao atsy ho atsy. Vao mainka hitombo ny vola azonao rehefa lehibe kokoa ny sambonao, ka tsy ho ela, dia ho afaka hanana sambo maromaro mitarika harato ianao.”

“Ary avy eo?”, hoy ny nanontanian’ilay mpanjono.

“Tsy ho voatery hivarotra trondro amin’ny mpiantoka intsony ianao, fa ho afaka hifampiraharaha mivantana amin’ny orinasa na hanangana orinasa momba ny jono mihitsy. Ho afaka handao ny tanànanao ianao ka hankany Cotonou, na Paris na New York ary hitantana ny zava-drehetra avy any. Mety ho afaka hiara-miasa amin’ny orinasa hafa mihitsy aza ianao, ka ho tonga mpanefohefo.”

“Hafiriana no hahavitana izany rehetra izany?”, hoy ny nanontanian’ilay mpanjono.

“Angamba 15 na 20 taona”, hoy ilay manam-pahaizana.

“Ary avy eo?”, hoy ihany ilay mpanjono.

“Eo vao tena hahafinaritra ny fiainana”, hoy ny fanazavan’ilay manam-pahaizana. “Ho afaka hisotro ronono amin’izay ianao. Ho afaka ny hifindra any amin’ny tanàna kely iray lavitra ny rotoroton’ny tanàn-dehibe, ianao.”

“Ary ahoana no hiafarany?”, hoy ilay mpanjono.

“Hanam-potoana hanjonoana kely ianao amin’izay, hilalaovana miaraka amin-janakao, hatoriana antoandro rehefa mahamay ny andro, hiarahana misakafo hariva amin’ny fianakavianao ary hiarahana mitendry mozika amin’ny namanao.”

[Sary, pejy 7]

Mampiadana ve ny mahazo fisondrotana?

[Sary, pejy 8]

Tena maniry ny hiadananao ny namanao kristianina