Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Midera An’Andriamanitra any Amin’ireo Tendrombohitr’i Philippines

Midera An’Andriamanitra any Amin’ireo Tendrombohitr’i Philippines

Midera An’Andriamanitra any Amin’ireo Tendrombohitr’i Philippines

Tsy mandiso anao ny eritreritrao raha mihevitra an’i Philippines ho vondronosy ianao. Ary tsy izay ihany fa misy tendrombohitra tsara tarehy maro koa any. Tsy sarotra loatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny nitory tany amin’ireo tanàn-dehibe sy lemak’i Philippines, ary nandaitra izany. Hafa mihitsy anefa ny toe-javatra any amin’ireo faritra be tendrombohitra.

TSY mitovy mihitsy ireo tendrombohitra tsara tarehy ao amin’io tany io sy ireo lemaka any amin’ireo nosiny, izay manana moron-tsiraka misy tora-pasika, haran-dranomasina, tanàna be mpanjono, ary tanàn-dehibe misy olona misomebiseby. Olana goavana koa, ho an’ny fitoriana ny “filazantsaran’ny” Fanjakan’Andriamanitra, ny fisian’ireo tendrombohitra.—Matio 24:14.

Eo ambonin’ny sosona nofon-tany roa mifampikasoka, no misy an’ireo Nosin’i Philippines. Mikaona ireo nofon-tany roa any amin’io faritra io, ka nahatonga ny fiforonan’ireo tandavan-tendrombohitra maranitra, any amin’ireo nosy lehibe kokoa. Ao amin’ny andohalambo andrefan’ilay antsoina hoe Ceinture de feu any Pasifika, no misy an’ireo nosy 7 100 mahery mahaforona an’i Philippines. Izany no nahatonga azy ireo ho rakotry ny volkano. Ireny volkano ireny koa no anisan’ny nampisy an’ireo faritra be tendrombohitra any. Tena mikitoantoana be izany faritra izany ka lasa tsy misy olon-kafa mitsidika an’ireo mponina mipetraka any. Sarotra ny mankany satria somary vitsy ihany ny lalana tongan’ny fiara.

Na dia eo aza anefa ireny vato misakana ireny, dia fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah fa tokony hitoriana ny “olona rehetra.” (1 Timoty 2:4) Nanao zavatra àry ny Vavolombelona tany Philippines, mifanaraka amin’izay voalazan’ny Isaia 42:11, 12, manao hoe: “Aoka hihoby ny mponina any Sela; ary aoka hanao feo avo any an-tampon’ny tendrombohitra izy. Aoka hanome voninahitra an’i Jehovah izy ary hitory ny fiderana Azy any amin’ny nosy.”

Efa 50 taona mahery lasa izay no natomboka ny fiaraha-mientana mba hitoriana amin’ireo mponina any an-tendrombohitra. Nisy misionera nanampy tosika tamin’ny asa natao tany, taorian’ny Ady Lehibe II. Betsaka tamin’ireo mponina tany no nanaiky ny fahamarinana ara-baiboly. Izy ireo indray avy eo no nanampy nampiely izany fahamarinana izany, tany amin’ireo tanàna any an-tampon-tendrombohitra. Tena tsara ny vokatra! Efa 6 000 mahery, ohatra, ny mpitory ny vaovao tsara any amin’ny Cordillère Centrale, any amin’ny faritra avaratr’i Luçon. Tera-tany any mihitsy ny ankamaroan’izy ireo, misy ibaloi, ifugao, ary kalinga.

Mbola misy faritra hafa saro-dalana ihany any amin’ireo tendrombohitra, kanefa tsy nohadinoina ny mponina any. Ahoana no nandehanana tany amin’ny sasany tamin’ireny toerana ireny? Ary nanao ahoana ny fandraisan’ny olona?

Tena finoana no nasolo ny lovantsofina

Ny Tinggians no mipetraka any amin’ireo tendrombohitra any amin’ny provansin’i Abra, any amin’ny faritra avaratry ny nosy Luçon. Angamba io anarana io avy amin’ilay teny malezianina tranainy hoe tinggi izay midika hoe “tendrombohitra.” Tena mety mihitsy ilay anarana! Itneg koa no iantsoan-dry zareo ny tenany sy ny fiteniny. Andriamanitra atao hoe Kabunian no ivavahan’izy ireo, ary tena manjaka eo amin’ny fiainan’izy ireo ny finoanoam-poana. Lazaina, ohatra, fa fambara ratsy raha mievina ny olona iray alohan’ny handehanany any amin’ny toerana iray. Tsy maintsy miandry ora vitsivitsy aloha izy mba ho lasa ilay zava-dratsy.

Tonga ny Espaniola tamin’ny 1572, ary nampiditra ny Fivavahana Katolika. Tsy vitan’izy ireo anefa ny nampianatra an’ireo Tinggians ny tena Kristianisma. Mbola nivavaka tamin’i Kabunian sy nanaraka ny fomban-drazany foana ireo Tinggians, na dia efa lasa Katolika aza. Tamin’ireo taona 1930 no nandre voalohany ny fahalalana marina momba ny Baiboly ireny mponina ireny. Nanomboka nampiely ny hafatra momba ilay Fanjakana tany amin’ireny tendrombohitra ireny mantsy ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izay. Nanomboka teo, dia lasa nisy Tinggians tso-po maro nanomboka nidera an’i Jehovah “any an-tampon’ny tendrombohitra.”

Filoham-poko iray tany, ohatra, i Lingbaoan taloha ary tena nohajaina izy tao amin’ilay faritra. Nafana fo tamin’ny fombafomban’ny Tinggians izy. “Tena nanaraka an’ireo lovantsofin’ny Tinggian aho. Raha nisy maty novonoin’olona, dia nandihy sy nively amponga izahay, rehefa avy nandevina. Nanao sorona biby koa izahay. I Kabunian no nivavahanay ka tsy nahafantatra ny Andriamanitry ny Baiboly mihitsy aho.” Mariho anefa fa Katolika izy.

Tonga nitory tany ny Vavolombelon’i Jehovah. Nifankahita tamin’i Lingbaoan izy ireo ary nampirisika azy hamaky ny Baiboly. Izao no tsaroan’i Lingbaoan: “Ny Baiboly no nampiaiky ahy hoe i Jehovah no Andriamanitra marina.” Nisy Vavolombelona niara-nianatra Baiboly taminy, avy eo, ary tapa-kevitra hanompo ilay Andriamanitra marina izy. Nialany daholo ny fomba fiainany taloha, anisan’izany ny naha filoham-poko azy. Nahatezitra ny pretra tao an-tanàna sy ireo mpiara-miasa tamin’i Lingbaoan taloha izany fanapahan-keviny izany. Tapa-kevitra anefa i Lingbaoan hanaraka ny fahamarinana hitany tao amin’ny Baiboly. Anti-panahin’ny fiangonana izy izao.

Fito andro naninjitra

Misy faritra any Abra mba mandre ny vaovao tsara matetitetika ihany. Misy faritra hafa kosa lavitra loatra ka mahalana ihany vao itoriana. Nisy ezaka natao, vao tsy ela izay, mba hitsidihana faritra iray tamin’ireny. Nisy Vavolombelona 35 niainga mba hitory tany amin’ny faritany mbola tsy nanendrena mpitory, tany Tineg any Abra. Efa 27 taona no tsy nisy nitsidika io faritra io.

Nandeha an-tongotra nandritra ny fito andro ireo mpitory. Eritrereto ange e! Niampita tetezana mihantona sy renirano lalina, namakivaky tandavan-tendrombohitra nandritra ny ora maro, ny entana tamin’izany tsy maintsy nentina. Natao izany rehetra izany mba hitoriana tamin’ireo olona tsy mba mandre matetika ny vaovao tsara. Nisy efatra alina natoriana an-kalamanjana teny an-tendrombohitra.

Efa nitondra sakafo ihany ireo Vavolombelona be herim-po nanao ilay dia, kanefa tsy afaka nitondra sakafo ampy nandritra ilay dia manontolo izy ireo. Tsy olana anefa izany, satria faly be ny olona nanakalo ny boky ara-baiboly tamin’ny sakafo. Nahazo vokatry ny tany be dia be sy trondro ary hena ireo Vavolombelona. Marina fa nisy zavatra sasany nanahirana azy ireo, kanefa nilaza izy ireo hoe: “Nanonitra ireny sorona ireny ny fifaliana tsy omby tratra tsapanay.”

Nahavita nitory tany amin’ny tanàna folo ireo Vavolombelona nandritra ireo fito andro, ary nahapetraka boky 60, gazety 186, bokikely 50 sy taratasy mivalona maro be. Nampiseho ny fomba fianarana Baiboly tamin’ny antokon’olona 74 izy ireo. Nangataka ny hanaovana fivorian’ny fiangonana tao amin’ny tanàn-dehiben’i Tineg ny olo-manan-kaja sasany tao. Natao izany ary 78 no nanatrika. Mpampianatra sy polisy ny ankamaroan’ireo mpanatrika. Antenaina fa mbola hisy Tinggians maro kokoa hiaraka amin’ireo ‘mihoby’ sy midera an’i Jehovah any an-tampon’ny tendrombohitra.

Tsara lavitra noho ny volamena

Misy nosy nahitan’ny Espaniola volamena, any amin’ny faritra atsimo be amin’i Philippines. Izany no nahatonga ilay anarana hoe Mindoro; fanafohezana ny teny espaniola hoe mina de oro, na “toeram-pitrandrahana volamena.” Misy zavatra tsara lavitra noho ny volamena anefa hita any amin’ireny nosy ireny ankehitriny. Tsy inona izany fa olona maniry hanompo an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina.

Tera-tany 125 000 eo ho eo, antsoina hoe Mangyans no mipetraka any anaty ala lavitra be, any Mindoro. Tso-piaina ry zareo. Tsy dia mifandray amin’ny olon-kafa izy ary manana ny fiteniny. Mino ny ankamaroan’izy ireo fa manana fanahy ny voary. Mivavaka amin’ny andriamanitra maro izy ireo ary mino fa misy fanahy isan-karazany ao amin’ny zavaboary.

Midina mitady asa any amorontsiraka ny Mangyans indraindray, rehefa tsy ampy ny sakafo na ny zavatra ilaina hafa. Izany no nataon’i Pailing anisan’ny antokona Mangyans antsoina hoe Batangan. Teo anivon’ny mponina anaty ala any an-tendrombohitra no nahabe azy, ary nanaraka ny finoana sy ny fombafomban’ny Batangan izy. Salaka fotsiny ny akanjon-dry zareo. Araka ny lovantsofin’ny Batangan dia izao no atao mba hahatsara ny vokatra: nasaina namono akoho ireo mpivavaka, avela hitete ao anaty rano ny ran’ilay akoho sady mivavaka ry zareo.

Tsy manaraka ireny lovantsofina ireny intsony izao i Pailing. Nahoana? Nahita asa niaraka tamin’ny fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah maromaro izy, rehefa nidina tany amin’ny tany lemaka. Nanararaotra izany ny iray tamin’ireo fianakaviana ireo, ka niresaka ny fahamarinana ara-baiboly tamin’i Pailing. Nandray tsara izy ary tena tiany ny nianatra momba ny fikasan’i Jehovah ho an’ny olombelona sy ny tany. Nanao fandaharana mba handefasana azy tany amin’ny sekoly fanabeazana fototra ireo Vavolombelona, sady nampianatra Baiboly azy. Natao batisa ho Vavolombelon’i Jehovah i Pailing, rehefa 24 taona. Kilasy voalohany tao amin’ny lise izy tamin’izy 30 taona, ary io lise io no nataony ho faritaniny. Antsoin’ny olona hoe Rolando (anaran’ny olona any amin’ny tany lemaka) izy izao.

Olona mitsikitsiky sady mitafy tsara no ho hitanao, raha mifankahita amin’i Rolando ianao izao. Mpanompo manontolo andro sady mpanampy amin’ny fanompoana eo anivon’ny fiangonana iray any Mindoro izy. Vao haingana izy no niverina tany an-tendrombohitra. Tsy hiaraka tamin’ny Batangans hanao ny fombafombany akory no nalehany tany, fa mba hizara tamin’izy ireo ny fahamarinana manome fiainana avy ao amin’ny Baiboly.

Maika hahazo Efitrano Fanjakana

Any amin’ny faritra atsimon’ny nosy Mindanao no misy ny provansin’i Bukidnon any Cebuano; “Mponina An-tendrombohitra” no dikan’ny hoe Bukidnon. Tendrombohitra, hadilanana, lohasaha misy renirano, ary lembalemba no tena betsaka any amin’io faritra io. Lonaka ny tany any ka vokatra be ny mananasy, katsaka, kafe, vary ary akondro. Ny foko Talaandig sy ny Higaonon, mponina an-tendrombohitra, no monina any. Mila mianatra momba an’i Jehovah koa ireny olona ireny. Nisokatra tamin’ny fomba mahagaga ny fahafahana hanao izany, vao haingana, tany akaikin’ny tanàn-dehiben’i Talakag.

Niakatra tany amin’ireo tendrombohitra ny Vavolombelona. Nangatsiatsiaka tany, kanefa nafana ny fandraisan’ny olona. Nilaza ny tenany ho mpivavaka tamin’ilay Andriamanitra Ray Tsitoha, ny mponina tany. Tsy fantatr’izy ireo akory anefa ny anaran’io Andriamanitra io. Any an’ala ny androatokom-piainan’izy ireo, ka sambany izy ireo tamin’izay vao nifankahita tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nampahafantarina azy ireo ny anaran’Andriamanitra sy ny fikasany mahatalanjona mifandray amin’ny Fanjakany. Faly ry zareo, ka tapaka ny hevitra fa hatao ny fiverenana mitsidika an’ilay tanàna.

Niverenana imbetsaka ilay tanàna avy eo, ka nanome tany hanaovana “trano” ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mponina. Faly ny Vavolombelona nanaiky ilay fanomezana. Eny an-tampon’ny havoana avo indrindra ao amin’ilay faritra no misy ilay toerana, ka tazana avy eny ny lalana. Hazo sy volotsangana ary ravina palmie no nanamboarana ilay trano. Vita tao anatin’ny telo volana sy folo andro ilay tetik’asa. Miavaka eo anoloan’ilay trano ny soratra fampahafantarana hoe “Vavolombelon’i Jehovah—Efitranon’ny Fanjakan’Andriamanitra.” Eritrereto ange e! Ny Efitrano Fanjakana efa vita nefa mbola tsy niforona ny fiangonana.

Nisy anti-panahy mpanompo manontolo andro nifindra nankany, nanomboka tamin’izay, ary nisy mpanampy amin’ny fanompoana koa. Niara-niezaka hamorona fiangonana izy ireo sy ny Vavolombelona teny amin’ny manodidina. Nisy fiangonana tany, nanomboka tamin’ny Aogositra 1998. Mampiasa ilay Efitrano Fanjakana izao ny fiangonana kely iray ka manampy ireo mponina an-tendrombohitra hianatra ny fahamarinana ara-baiboly.

Nampiasa tamin-kery ny mpanompony tany Philippines tokoa i Jehovah, mba hampielezana ny fahamarinana momba ilay Fanjakana na dia any amin’ireo tendrombohitra saro-dalana aza. Tsaroantsika ny teny ao amin’ny Isaia 52:7, manao hoe: “Akory ny hatsaran’ny tongotr’irỳ mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra.”

[Sarintany, pejy 11]

(Jereo ny gazety)

ABRA

MINDORO

BUKIDNON

[Sary nahazoan-dalana]

Gilaoby: Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.

[Sary, pejy 10]

Faritra mikitoantoana be no tsy maintsy hianihana mandritra ny ora maro rehefa mitory any an-tendrombohitra

[Sary, pejy 10]

Batisa eo amin’ny renirano eny an-tendrombohitra