Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Pasitera roa Nankasitraka ny Asa Soratr’i Russell

Pasitera roa Nankasitraka ny Asa Soratr’i Russell

Pasitera roa Nankasitraka ny Asa Soratr’i Russell

TAMIN’NY 1891 i Charles Russell no nitsidika voalohany an’i Eoropa. Nanao asa niavaka teo anivon’ny Kristianina marina, mpivavaka amin’i Jehovah izy. Nisy nilaza fa nihaona tamin’ny Profesora Daniele Rivoire, pasitera taloha tao amin’ny antokom-pivavahana vaudois, * i Russell fony izy nijanona kely tany Pinerolo, any Italia. Mbola nifandray akaiky tamin’ny Vaudois i Rivoire na dia niala tsy ho pasitera intsony aza. Nalala-tsaina foana anefa izy, ka namaky boky maro nosoratan’i C. Russell.

Nadikan’i Rivoire tamin’ny teny italianina ny boky nosoratan’i Russell hoe Ny Fandaharam-potoanan’Andriamanitra (anglisy), tamin’ny 1903. Izy ihany no niantoka ny vola nanaovana pirinty azy io. Ela be talohan’ny nivoahan’ny fanontana ofisialy tamin’ny teny italianina izany. Hoy i Rivoire ao amin’ny sasin-tenin’ilay boky: “Ankininay amin’ny Tompo ity fanontana voalohany amin’ny teny italianina ity. Hitahy azy io anie izy, ka na dia misy tsininy aza izy io, dia hitondra dera ho an’ny anarany masina indrindra sady handrisika ireo zanany miteny italianina mba hifikitra aminy kokoa. Enga anie ireo izay mamaky ity boky ity ka hankasitraka ny halalin’ny harena sy ny fahendrena ary ny fahalalana ny fandaharan’Andriamanitra sy ny fitiavany. Hisaotra an’Andriamanitra koa anie izy ireo, satria noho izy no nahafahana namoaka ity boky ity.”

Nanomboka nandika Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona Sady Mpanambara ny Fanatrehan’i Kristy (anglisy) tamin’ny teny italianina koa i Rivoire. Nanomboka nivoaka isan-telo volana io gazety io tamin’ny 1903, ary nantsoina hoe Ny Tilikambo Fiambenana tatỳ aoriana. Tsy lasa Mpianatra ny Baiboly mihitsy ny Profesora Rivoire. Nazoto nampiely ny hafatra nohazavaina tao anatin’ny boky sy gazetin’ny Mpianatra ny Baiboly (na Vavolombelon’i Jehovah) anefa izy.

‘Toy ny nisy kirana hazandrano niala tamin’ny masoko’

I Giuseppe Banchetti no pasitera vaudois iray hafa nihevitra ny boky nosoratan’i Russell ho sarobidy. Nanabe an’i Giuseppe tamin’ny fampianarana vaudois ny rainy, izay Katolika taloha. Lasa pasitera i Giuseppe tamin’ny 1894, ary nampianatra antokona vaudois maro samihafa tany Apulia sy Abruzzes ary tany amin’ireo nosy Elbe sy Sicile.

Nivoaka tamin’ny teny italianina ilay fanontana ofisialy tamin’ilay bokin’i Russell hoe Fandaharam-potoanan’Andriamanitra, tamin’ny 1905. Naneho ny fankasitrahany an’io boky io i Banchetti. Hoy izy tao amin’ilay gazety protestanta hoe La Rivista Cristiana: “Ny bokin’i Russell, aminay, no toro lalana mazava sy azo antoka indrindra ho an’izay Kristianina te hianatra ny Soratra Masina, ka te ho afa-po sy handray soa avy amin’izany . . . Toy ny nisy kirana hazandrano niala tamin’ny masoko raha vao namaky azy io aho, satria nanjary mora kokoa ny fomba hanatonana an’Andriamanitra. Nanjavona na dia ireo hevitra toa nifanohitra tao amin’ny Baiboly aza. Nihatsotra sady azo ekena tanteraka ireo foto-pampianarana sarotra taloha. Nanjary nazava ireo zavatra tsy azo hatramin’izay. Tena tsotra ny fanazavana ilay fandaharana tsara indrindra momba ny famonjena izao tontolo izao, amin’ny alalan’i Kristy, hany ka voatosika hihiaka toy izao tahaka ilay Apostoly aho: Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany!”—Romana 11:33.

Nilaza i Remigio Cuminetti tamin’ny 1925, fa “tena nanohana” ny asan’ny Mpianatra ny Baiboly i Banchetti, ary “tena resy lahatra” tamin’ireo foto-pampianarana nohazavain’izy ireo izy. Nitady fomba hampielezana ireny foto-pampianarana ireny koa i Banchetti.

Hita taratra amin’ny asa soratr’i Banchetti hoe nino izy, tahaka ny Vavolombelon’i Jehovah, fa hisy fitsanganana amin’ny maty eto an-tany, araka ny ampianarina ao amin’ny Soratra Masina. Nitovy hevitra tamin’ny Mpianatra ny Baiboly koa izy rehefa nanazava fa efa nolazain’Andriamanitra mialoha, ao amin’ny faminanian’i Daniela momba ny 70 herinandro, ny taona hahafatesan’i Jesosy. (Daniela 9:24-27) Imbetsaka izy no nanda ampahibemaso ny fampianaran’ny Egliziny, rehefa nanizingizina fa indray mandeha isan-taona ihany no tokony hankalazaina ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy, ary “amin’ilay andro itsingerenany iny indrindra.” (Lioka 22:19, 20) Nanda ny fampianaran’i Darwin momba ny evolisiona izy, ary nanamafy fa tsy tokony handray anjara amin’ny ady ny Kristianina marina.—Isaia 2:4.

Niresaka momba ny asa soratr’i Russell tamin’i Campbell Wall i Banchetti indray mandeha. Izao no navalin’i Banchetti ny fitsikeran’i Wall io asa soratra io: “Mino aho fa ho dibo-kafaliana tokoa ianao ary hisaotra ahy amin’ny fonao manontolo, raha namaky ny bokin’i Russell enina. Tsy mampideradera foto-pampianarana aho akory, fa efa 11 taona lasa izao no namakiako ireo boky ireo, ary misaotra an’Andriamanitra isan’andro aho, satria naneho ahy izany fahazavana sy fampiononana izany izy, tamin’ny alalan’ny asa soratra iray miorina tanteraka amin’ny Soratra Masina.”

“Hihaino hatrany hatrany”

Tsara homarihina fa nankasitrahan’ireo pasitera vaudois roa ireo (Daniele Rivoire sy Giuseppe Banchetti) ny fomba nanazavan’i Russell ny Baiboly. Nanoratra toy izao i Banchetti: ‘Tsy misy amintsika Protestanta mahafantatra ny zavatra rehetra, eny fa na dia ny pasiterantsika, na ny mpampianatra teolojia antsika aza. Tsia. Mbola be dia be ny zavatra tokony hianarantsika. Tokony hiato isika dia hihaino, fa tsy hieritreritra hoe efa tapi-pahaizana, na handa izay zavatra omena hodinihintsika. Tokony hihaino hatrany hatrany kosa isika.’

An’arivo isan-taona no mihaino ny hafatra momba ilay Fanjakana entin’ny Vavolombelon’i Jehovah any an-tokantranony. Olona malala-tsaina maneran-tany, mangetaheta ny fahamarinana ara-baiboly, no manaiky ilay fanasan’i Jesosy hoe: “Avia hanaraka Ahy.”—Marka 10:17-21; Apokalypsy 22:17.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Avy amin’ny anaran’i Pierre Vaudès, mpivarotra tany Lyon, any Frantsa, tamin’ny taonjato faha-12 ny anaran’io antokom-pivavahana io. Nesorina tsy ho mpikambana tao amin’ny Eglizy Katolika intsony i Vaudès, noho ny zavatra ninoany. Raha mila fanazavana fanampiny momba ny Vaudois ianao, dia jereo ny lahatsoratra hoe: “Ireo Vaudois—Mpivadi-pinoana Nanaraka ny Fivavahana Protestanta”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 2002.

[Sary, pejy 28]

Profesora Daniele Rivoire

[Sary, pejy 29]

Giuseppe Banchetti

[Sary nahazoan-dalana]

Banchetti: La Luce, 14 Aprily 1926