Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tianao ve ny namaky ireo nomerao faramparany tamin’ny Tilikambo Fiambenana? Jereo àry raha hainao ny mamaly ireto fanontaniana ireto:

Inona no fandaharana natao ho an’ny tsirairay momba ilay Toriteny teo An-tendrombohitra, ka azonao ampiasaina mba hanamaivanana ny adim-piainana?

Azonao atao ny mamaky iray isan’andro amin’ireo fampianaran’i Jesosy hita ao amin’io toriteny io na ao amin’ireo Filazantsara. Saintsaino izany fampianarana izany ary iezaho hampiharina. Hitombo amin’izay ny fahasambaranao ary ho maivana kokoa aminao ny adim-piainana.—15/12, pejy faha-12-14.

Misy antony telo tena tokony hampiofanan’ny anti-panahy ireo mpanampy amin’ny fanompoana mba hiantsoroka andraikitra fanampiny. Inona avy izany?

Mitombo be ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah ka ilaina ny lehilahy mendri-pitokisana maro kokoa, mba hanampy ireo vao vita batisa handroso. Efa antitra na tsy salama ireo anti-panahy tranainy sasany, ka tsy mahavita zavatra betsaka intsony. Misahana andraikitra hafa ankoatra ny andraikiny eo anivon’ny fiangonana ireo anti-panahy mbola matanjaka, ka tsy mahavita manao zavatra betsaka ho an’ny fiangonany toy ny taloha intsony.—1/1, pejy faha-29.

Nahoana ny olona no lazaina fa mitoky amin’andriamanitra tsy tena misy?

Mivavaka amin’izay andriamanitra tompoina ao amin’ny fivavahany ny ankamaroan’ny olona. Mety ho andriamanitra tsy manana aina akory anefa ireny ka tsy mahavonjy mihitsy, mitovy amin’i Bala tamin’ny andron’i Elia. (1 Mpanjaka 18:26, 29; Salamo 135:15-17) Ataon’ny olona ho andriamanitra kely koa ireo olo-malaza eo amin’ny sehatry ny fialam-boly na fanatanjahan-tena. Tsy manome afa-tsy fanantenana poakaty anefa izy ireny. Tsy mitovy amin’ireny i Jehovah. Tena misy izy sady manatanteraka ny fikasany.—15/1, pejy faha-3-5.

Inona no lesona azontsika avy amin’ny fihetsik’i Kaina rehefa nomen’Andriamanitra fampitandremana?

Nomen’Andriamanitra safidy malalaka isika. Manana safidy àry isika hanao ny tsara fa tsy hanao ratsy tahaka an’i Kaina. Asehon’ny fitantaran’ny Baiboly koa fa tena mampihatra ny didim-pitsarany amin’ireo tsy mibebaka i Jehovah.—15/1, pejy faha-22, 23.

Nahoana no tena ilaina ny fahadiovana ankehitriny?

Miova ny fomba fiainan’ny olona ka lasa kely tsy toy ny taloha ny fotoana hanadiovan’ny ankamaroan’ny olona ny tranony. Mety hankarary ny tsy firaharahana ny fahadiovan’ny sakafo sy ny rano. Ankoatra ny fahadiovana ara-batana, dia asongadin’ny Baiboly koa fa ilaina hotandremana ny fahadiovana ara-panahy sy ara-pitondran-tena ary ara-tsaina.—1/2, pejy faha-3-6.

Momba an’ireo vavolombelona niaina talohan’i Kristy no nilazan’i Paoly hoe “tsy hatao tanteraka ireo, raha tsy efa mby eo koa isika.” Ahoana no hevitr’izany? (Hebreo 11:40)

Mandritra ny Fanjakana Arivo Taona ho avy, dia handrotsaka ny soa entin’ny sorom-panavotana amin’ireo hitsangana amin’ny maty i Kristy sy ireo rahalahiny voahosotra any an-danitra. Amin’izay no “hatao tanteraka” ireo olo-mahatoky resahin’ny Hebreo toko faha-11.—1/2, pejy faha-23.

Inona no tian’i Paoly holazaina rehefa nilaza tamin’ny Hebreo izy hoe: ‘Ianareo mbola tsy nanohitra niady hatramin’ny fahalatsahan-dra’? (Hebreo 12:4)

Te hilaza izy hoe niaritra hatramin’ny fahafatesana. Nisy olona fahiny maro azo raisina ho ohatra, satria nahatoky hatramin’ny fahafatesana. Marina fa tsy nosedraina mafy toy izany ireo Hebreo nanoratan’i Paoly, kanefa, nila nihamatotra sy nanamafy ny finoany izy ireo mba hahafahany hiaritra izay rehetra nety hitranga.—15/2, pejy faha-29.

Aleo tsy milaza hoe manalefaka ny fanaovan’i Jehovah ny rariny ny famindram-pony. Nahoana?

Amin’ny fiteny sasany, ny hoe “manalefaka” dia midika hoe mampitony na mifehy. Sady Andriamanitry ny rariny no mamindra fo i Jehovah, ary mifameno tsara ireo toetra ireo ao aminy. (Eksodosy 34:6, 7; Deoteronomia 32:4; Salamo 116:5; 145:9) Tsy mila halefahina na fehezina amin’ny alalan’ny famindram-po ny fanaovan’i Jehovah ny rariny.—1/3, pejy faha-30.

Mety ve raha mikarakara ny fatin’ny mpianakaviny mba tsy ho simba ny Kristianina?

Misy fikarakarana atao amin’ny faty mba tsy hahasimba azy. Ny zavatra ninoany no nahatonga ny olona fahiny sasany nanaraka izany fanao izany. Tsy tokony ho toy izany anefa no izy amin’ny mpivavaka marina. (Mpitoriteny 9:5; Asan’ny Apostoly 24:15) Ny zavatra tsy maintsy hitranga dia hoe hiverina ho vovoka ilay faty. Manemotra ny fotoana hitrangan’izany fotsiny ny fikarakarana ny faty. (Genesisy 3:19) Mety anefa ny mikarakara faty mba tsy ho simba, raha nitaky izany ny lalàna teo an-toerana na raha naniry ny hanaovana izany ny mpianakavy sasany. Nilaina koa angamba izany satria avy lavitra ny fianakaviana sasany tonga handevina.—15/3, pejy faha-29-31.

Inona avy no ohatra ara-baiboly mampianatra antsika fa mandray ny firenena rehetra Andriamanitra?

Naniraka an’i Jona mpaminany i Jehovah, mba hampitandrina ny mponin’i Ninive. Nampirisihin’i Jehovah hankasitraka ny fibebahan’izy ireo i Jona. Nampirisika ny Jiosy ho tia ny Samaritanina i Jesosy. Nasehon’i Jesosy tamin’ny teniny sy ny fihetsiny izany. Samy nandray anjara tamin’ny fitondrana ny vaovao tsara tamin’ny tsy Jiosy ny apostoly Petera sy ny apostoly Paoly. Mampiseho amintsika ireny ohatra ireny, fa mila miezaka isika manampy ny olona hafa fiaviana.—1/4, pejy faha-21-24.