Ahoana no Hahafoana ny Kilema?
Ahoana no Hahafoana ny Kilema?
ERITRERETO hoe mahita ny jamba, mahare ny feo rehetra ny marenina, faly mihirahira ny moana, ary matanjaka tsara ny tongotry ny mandringa, ka afaka mandehandeha izy! Tsy ny fandrosoan’ny fitsaboana no resahintsika eto, fa ny zavatra hataon’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Hoy ny Baiboly momba ny hoavy: “Dia hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hampahaladìna ny sofin’ny marenina. Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana.” (Isaia 35:5, 6) Ahoana anefa no ahazoantsika antoka fa ho tanteraka tokoa io faminaniana mahatalanjona io?
Marihina aloha fa tena nanasitrana aretina sy kilema isan-karazany i Jesosy Kristy tamin’izy tetỳ an-tany. Maro koa ireo nanatri-maso ny fahagagana nataony. Nisy fahavalony mihitsy aza tamin’ireny. Nanao fanadihadiana momba ny fanasitranana nataon’i Jesosy mihitsy aza ireo fahavalony tsy nety nino ireo, fara faharatsiny, indray mandeha, mba tsy hinoan’ny olona fa nanasitrana tokoa i Jesosy. Diso fanantenana anefa izy ireo, satria vao mainka nanamarina ilay fahagagana nataon’i Jesosy ny fanadihadiana nataony. (Jaona 9:1, 5-34) Mbola nanao fahagagana tsy azo nolavina ihany i Jesosy, ka kivy ny Fariseo nilaza hoe: “Ahoana no hataontsika? fa iny Lehilahy iny dia manao famantarana maro.” (Jaona 11:47) Tsy mafy fo toa azy ireo anefa ny sarambaben’olona, satria maro no nino an’i Jesosy.—Jaona 2:23; 10:41, 42; 12:9-11.
Santionan’ny fanasitranana maneran-tany ny fahagagana nataon’i Jesosy
Noporofoin’ny fahagagana nataon’i Jesosy fa izy no Mesia sy Zanak’Andriamanitra. Noporofoin’izy ireny koa fa azo itokisana ny fampanantenan’ny Baiboly hoe hositranina ny olombelona mankatò. Anisan’izany fampanantenana izany ilay faminaniana ao amin’ny Isaia toko faha-35, noresahina tetsy aloha. Hoy ny Isaia 33:24 momba ny ho fahasalaman’ny olona matahotra an’Andriamanitra: “Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho.” Mampanantena toy izao koa ny Apokalypsy 21:4: “Ary hofafany [Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha [ny fahoriana sy fisedrana misy ankehitriny].”
Matetika ny olona no mivavaka mba hahatanterahan’ireo faminaniana ireo. Manao izany izy ireo rehefa mamerina ilay vavaka nampianarin’Matio 6:10) Tafiditra ao amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny tany sy ny olombelona. Mbola misy aretina sy kilema ankehitriny, ary misy antony amelan’Andriamanitra azy ireny hisy. Ho foana tsy ho ela anefa izany, ka tsy handoto intsony ny ‘fitoeran-tongotr’Andriamanitra.’—Isaia 66:1. *
i Jesosy, manao hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Fanasitranana tsy mampanaintaina sady tsy andoavam-bola
Tsy nampanaintaina ny fanasitranan’i Jesosy, sady tsy nandoavam-bola no vita teo no ho eo. Tsy maintsy ho niely haingana ny fitantarana momba izany, ka tsy ela dia “nisy vahoaka betsaka nankeo aminy nitondra ny mandringa, ny jamba, ny moana, ny kilemaina, ary ny maro hafa koa, ka nametraka azy teo akaikin’ny tongotr’i Jesosy; dia nahasitrana azy Izy.” Nanao ahoana ny fihetsiky ny olona? Hoy i Matio izay nanatri-maso izany: “Talanjona ny vahoaka, raha nahita ny moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afaka, ary ny jamba mahiratra; dia nankalaza an’Andriamanitry ny Isiraely izy.”—Matio 15:30, 31.
Mariho fa tsy nifantina olona hositranina, toy ny fanaon’ny mpamitaka, i Jesosy. “Nametraka [ny marary] teo akaikin’ny tongotr’i Jesosy” kosa ny havana aman-tsakaizan’ilay marary ary dia “nahasitrana azy Izy [Jesosy].” Andeha isika izao handinika ohatra mampiseho ny fahaizan’i Jesosy manasitrana.
Jamba: Nampahiratra ny mason’ny “lehilahy jamba hatry ny fony vao teraka” i Jesosy tany Jerosalema. Fantatry ny iray tanàna tsara io jamba mpangataka io. Azo inoana àry fa nientam-po sy nikotaba ny olona rehefa nahita azy nandehandeha sy nahiratra! Tsy ny rehetra anefa no faly tamin’izany. Nisy mpivavaka tao amin’ilay sekta jiosy natanjaka, nantsoina hoe Fariseo, nikaroka mafy mba hanaporofoana fa namitaka i Jesosy. Tezitra mantsy izy ireo satria nabaribarin’i Jesosy ny haratsiam-panahiny. (Jaona 8:13, 42-44; 9:1, 6-31) Nadinadinin’izy ireo àry ilay lehilahy sitrana, ary avy eo ny ray aman-dreniny, ary naveriny nadinadinina indray ilay lehilahy. Vao mainka anefa nanamarina ny fahagagana nataon’i Jesosy ny fikarohan’izy ireo, ka nampahatezitra azy ireo. Gaga noho ny haratsiam-panahin’ireo mpivavaka nihatsaravelatsihy ireo ilay lehilahy sitrana, ka hoy izy: “Hatrizay hatrizay dia tsy mbola re fa nisy nampahiratra ny mason’izay teraka jamba. Raha tsy avy amin’Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy mahefa na inona na inona Izy.” (Jaona 9:32, 33) Nampiseho ny finoany tamin’izany teny tsotra sy nitombina izany io lehilahy io, ka ‘noroahin’ny’ Fariseo, izany hoe noroahiny avy tamin’ny synagoga.—Jaona 9:22, 34.
Marenina: “Nisy marenina sady raiki-dela” nentina tany amin’i Jesosy, tamin’izy tany Dekapolisy, any atsinanan’ny Ony Jordana. (Marka 7:31, 32) Sady nanasitrana an’io olona io i Jesosy, no nampiseho koa fa tena takany ny nanjo an’ilay marenina, izay menatra ny vahoaka angamba. Lazain’ny Baiboly fa ‘nentin’i Jesosy niala teo amin’ny vahoaka’ ilay marenina, ka nositraniny. “Talanjona indrindra” koa ireo nanatri-maso izany, ka nilaza hoe: “Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra; fa sady nampahalady ny marenina Izy no nampiteny ny moana.”—Marka 7:33-37.
Malemy: Nitondran’ny olona lehilahy voan’ny paralysisa, na malemy teo ambony fandriana, i Jesosy tamin’izy tany Kapernaomy. (Matio 9:2) Mitantara ny zava-nitranga ny Matio 9:6-8. Hoy i Jesosy tamin’ilay mararin’ny paralysisa: “Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao. Dia nitsangana izy ka lasa nody tany an-tranony. Ary ny vahoaka, raha nahita izany, dia raiki-tahotra ka nankalaza an’Andriamanitra, Izay nanome ny olona fahefana toy izany.” Teo imason’ny mpianatr’i Jesosy sy ny fahavalony koa no nanaovana io fahagagana io. Mariho fa tsy nitsara an-tendrony na feno fankahalana ny mpianany. “Nankalaza an’Andriamanitra” kosa izy ireo noho ny zavatra hitany.
Olona nanana aretina hafa: “Ary nisy boka nanatona Azy [Jesosy] ka nitaraina taminy sady Marka 1:40-42) Mariho fa tena onena an’io olona io i Jesosy matoa nanasitrana azy, fa tsy hoe nanao izany tsy sazoka akory. Eritrereto ange hoe boka ianao e, ary nanimba tanteraka ny vatanao io aretina atahorana mafy io, ka nanjary nihatakatahan’ny olona ianao. Ahoana hoy ianao raha sitranina eo no ho eo ianao, sady tsy mampanaintaina ilay fanasitranana? Tsy mahagaga àry raha “niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesosy ka nisaotra Azy” ny boka iray hafa nositranina tamin’ny fomba mahagaga.—Lioka 17:12-16.
nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: Raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy. Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe: Mety Aho; madiova hianao. Ary niaraka tamin’izay dia niala taminy ny habokany, ka dia nadio izy.” (Ratra: Fanasitranana ratra ny fahagagana farany nataon’i Jesosy talohan’ny nisamborana sy namonoana azy. Nisafoaka tamin’ny olona hisambotra azy ny apostoly Petera, ka ‘nanatsoaka ny sabany ary nikapa ny mpanompon’ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny ankavanana.’ (Jaona 18:3-5, 10) Notantarain’i Lioka fa ‘nanendry ilay sofina i Jesosy ka nahasitrana azy.’ (Lioka 22:50, 51) Mbola teo imason’ny namany sy ny fahavalony ihany, dia ny mpisambotra azy, no nanaovan’i Jesosy izany sy nampisehoany fangoraham-po.
Arakaraka ny handalinantsika ny fahagagana nataon’i Jesosy tokoa no hahitantsika fa tena nitranga izy ireny. (2 Timoty 3:16) Ary araka ny efa voalaza dia tokony hanamafy ny finoantsika izany fa ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra hoe hositranina ny olombelona mankatò. Lazain’ny Baiboly fa ny finoana kristianina dia ny “fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.” (Hebreo 11:1) Mazava fa tsy mampirisika ny olona hinohino foana na hanantena fotsiny Andriamanitra. Iriny kosa ny hananan’ny olona finoana matanjaka miorina amin’ny porofo. (1 Jaona 4:1) Hatanjaka kokoa sy ho salama kokoa ary ho sambatra kokoa amin’ny lafiny ara-panahy isika, rehefa manana io karazam-pinoana io.—Matio 5:3; Romana 10:17.
Ny fanasitranana ara-panahy no tsy maintsy mandeha voalohany!
Maro no tsy sambatra na dia salama tsara aza. Misy aza mitady hamono tena satria tsy manana fanantenana, na mahatsiaro ho tototry ny zava-manahirana. Tsy mifandray tsara amin’Andriamanitra izy ireo, ka azo lazaina hoe kilemaina ara-panahy. Tena ratsy noho ny kilema ara-batana izany amin’Andriamanitra. (Jaona 9:41) Maro kosa anefa no sambatra sy afa-po amin’ny fiainany na dia kilemaina ara-batana, toa an’i Christian sy Junior, noresahina tao amin’ny lahatsoratra voalohany, aza. Nahoana? Satria salama ara-panahy izy ireo sady manovo hery avy amin’ilay fanantenana azo antoka omen’ny Baiboly.
Misy zavatra iray tsy ilain’ny zavaboary hafa ankoatra ny olombelona. Hoy i Jesosy momba azy io: “Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.” (Matio 4:4) Tena mila zavatra hafa ankoatra ny sakafo ny olombelona, fa tsy toy ny biby. Noforonina tahaka ny “endrik’Andriamanitra” isika, ka mila sakafo ara-panahy, izany hoe ny fahalalana an’Andriamanitra sy ny anjarantsika amin’ny fanatanterahana ny fikasany ary ny fomba anaovantsika ny sitrapony. (Genesisy 1:27; Jaona 4:34) Manjary manana zava-kendrena eo amin’ny fiainana isika sady mazoto manao ny sitrapon’Andriamanitra, rehefa mahalala Azy. Io fahalalana io koa no fototry ny fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany. Hoy i Jesosy: “Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.”—Jaona 17:3.
Tsara homarihina fa tsy niantso an’i Jesosy hoe “Mpanasitrana” ny mpiara-belona taminy, fa hoe “Mpampianatra.” (Lioka 3:12; 7:40) Nahoana? Satria nampianariny azy ireo ny tena vahaolana ho an’ny zava-manahirana ny olombelona, dia ny Fanjakan’Andriamanitra. (Lioka 4:43; Jaona 6:26, 27) Hifehy ny tany manontolo avy any an-danitra io fanjakana tarihin’i Jesosy Kristy io. Hotanterahin’izy io koa ny fampanantenana rehetra ao amin’ny Baiboly, dia ny hoe ho lavorary toy ny taloha indray ny olombelona sy ny tany. (Apokalypsy 11:15) Izany no nahatonga an’i Jesosy hampifandray ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny fanaovana ny sitrapony eto an-tany, tao amin’ilay vavaka modely.—Matio 6:10.
Niova ho ranomasom-pifaliana ny ranomason’alahelon’ny kilemaina maro, rehefa nahafantatra io fampanantenana mampientam-po io izy ireo. (Lioka 6:21) Tsy ny aretina sy ny kilema ihany no hesorin’Andriamanitra. Ny fahotana mihitsy no hofoanany, satria io no mahatonga ny fahorian’ny olona. Ampifandraisina amin’ny fahotantsika mihitsy ny aretina ao amin’ny Isaia 33:24 sy Matio 9:2-7, efa nojerentsika tetsy aloha. (Romana 5:12) Rehefa resy àry ny fahotana, dia hifaly ny olombelona noho ny “fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” Anisan’izany fahafahana izany ny fahalavorarian’ny saina sy ny vatana.—Romana 8:21.
Tsy raharahain’ny olona loatra ny fahasalamana, rehefa salama sy tomady izy. Tsy mba manao izany ny olona ampijalin’ny kilemany. Fantany tsara fa tena sarobidy ny fahasalamana sy ny aina, sady mety hiova tampoka ny zava-drehetra. (Mpitoriteny 9:11) Manantena àry izahay fa handinika tsara ny fampanantenana mahatalanjona omen’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly ireo kilemaina mamaky ity gazety ity. Namoy ny ainy mihitsy i Jesosy mba ho azo antoka fa ho tanteraka izany. Misy fanomezan-toky tsara noho izany ve?—Matio 8:16, 17; Jaona 3:16.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 6 Raha te handalina ny antony amelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy ianao, dia jereo ilay bokikely hoe Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.