Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Taiza ho aiza tao amin’ny tempolin’i Jehovah ny “olona betsaka”, hitan’i Jaona, no nanao fanompoana masina?—Apokalypsy 7:9-15.

Mety ny hilazana fa ny olona betsaka dia manompo an’i Jehovah ao amin’ny iray amin’ireo kianja eto an-tany, ao amin’ny tempoliny ara-panahy lehibe. Ny marina kokoa dia hoe ao amin’ny kianja mifanitsy amin’ilay kianja ivelan’ny tempolin’i Solomona izy ireo.

Nolazaina taloha fa ny olona betsaka dia ao amin’ny kianja ara-panahy, mifanitsy amin’ilay Kianjan’ny Jentilisa tamin’ny andron’i Jesosy. Nasehon’ny fikarohana fanampiny anefa fa diso izany, ary dimy, fara fahakeliny, ny porofo manamarina izany. Voalohany: Tsy ny zavatra rehetra tao amin’ny tempolin’i Heroda no manana ny mifanitsy aminy ao amin’ny tempoly ara-panahy lehibe an’i Jehovah. Nisy Kianjan’ny Vehivavy sy Kianjan’ny Isiraely, ohatra, tao amin’ny tempolin’i Heroda. Samy afaka niditra tao amin’ny Kianjan’ny Vehivavy avokoa na lehilahy na vehivavy, saingy ny lehilahy ihany no nahazo niditra tao amin’ny Kianjan’ny Isiraely. Miara-manompo anefa ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin’ilay tempoly ara-panahy lehibe an’i Jehovah, eto an-tany. (Galatiana 3:28, 29) Tsy misy mifanitsy amin’ilay Kianjan’ny Vehivavy sy ilay Kianjan’ny Isiraely àry ao amin’ilay tempoly ara-panahy.

Faharoa: Tsy nisy Kianjan’ny Jentilisa tao amin’ny drafitra nomen’Andriamanitra hanorenana ny tempolin’i Solomona sy ilay tempoly tao amin’ny fahitan’i Ezekiela. Tsy nisy Kianjan’ny Jentilisa koa tao amin’ilay tempoly naorin’i Zerobabela. Tsy tokony hihevitra mihitsy àry isika fa hisy mifanitsy amin’ny Kianjan’ny Jentilisa ao amin’ilay tempoly ara-panahy lehibe natao hivavahana amin’i Jehovah. Manamafy izany izao porofo manaraka izao.

Fahatelo: Naorin’i Heroda, mpanjaka edomita, ny Kianjan’ny Jentilisa satria sady te hanandra-tena izy no nila sitraka tamin’i Roma. Nanomboka nanavao ny tempolin’i Zerobabela izy tamin’ny 18 na 17 al.f.i. Araka ny Rakibolana Vatofantsika Momba ny Baiboly (anglisy), dia ‘tempoly lehibe kokoa noho ny an’ny tatsinanana no tsy maintsy naorina, mba hampitoviana azy io tamin’ny an’ny mpanjaka tany Andrefana [Roma].’ Tsy azo novana intsony anefa ny refin’ilay tempoly. Nanazava toy izao ilay rakibolana: “Tsy maintsy ho nitovy habe tamin’ireo tempoly teo alohany [ny an’i Solomona sy ny an’i Zerobabela] ilay Tempoly. Mbola nisy toerana azo nanorenana anefa teo amin’ilay Tendrombohitra Nisy ny Tempoly.” Nitarin’i Heroda àry ny toerana nisy ny tempoly rehefa nampiany ilay antsoina ankehitriny hoe Kianjan’ny Jentilisa. Koa raha izany no tantaran’io kianja io, nahoana izy io no hanana ny mifanitsy aminy ao amin’ny tempoly ara-panahy an’i Jehovah?

Fahefatra: Saika nahazo niditra tao amin’ny Kianjan’ny Jentilisa avokoa ny olona rehetra, toy ny jamba sy ny kilemaina ary ny Jentilisa tsy voafora. (Matio 21:14, 15) Marina aloha fa Jentilisa maro tsy voafora no nandray soa, satria afaka nanao fanatitra ho an’Andriamanitra tao amin’io kianja io. Teo koa i Jesosy indraindray no niresaka tamin’ny vahoaka, indroa nandroaka ny mpivarotra sy mpanakalo vola, sady nilaza fa nanala baraka ny tranon-dRainy izy ireo. (Matio 21:12, 13; Jaona 2:14-16) Na izany aza, dia hoy ny Rakipahalalana Jiosy (anglisy): “Tsy anisan’ny Tempoly io kianja ivelany io raha ny marina. Tsy masina ilay tany ary azon’ny rehetra nidirana.”

Fahadimy: Rehefa ilazana ny Kianjan’ny Jentilisa, ilay teny grika (hi·e·ron’) nadika hoe “tempoly”, dia tsy ny tempoly fotsiny no tondroiny, fa “ilay toerana iray manontolo mihitsy.” Izany no lazain’ny Boky Mahakasika ny Filazantsaran’ny Matio (anglisy), nosoratan’i Barclay Newman sy Philip Stine. Voafaritra kokoa anefa ny zavatra tondroin’ilay teny grika (na·os’), nadika hoe “tempoly” ao amin’ny fahitan’i Jaona momba ny olona betsaka. Mazàna izy io no manondro ny Masina Indrindra, na ilay trano misy ny Masina Indrindra, na ny manodidina azy akaiky, rehefa ny tempolin’i Jerosalema no resahina.—Matio 27:5, 51; Lioka 1:9, 21; Jaona 2:20.

Mino ny sorom-panavotan’i Jesosy ny olona betsaka. Madio eo amin’ny lafiny ara-panahy izy ireo satria ‘nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny ran’ny Zanak’ondry.’ Lazaina hoe marina àry izy ireo ka manantena ny ho tonga sakaizan’Andriamanitra sy ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe. (Jakoba 2:23, 25) Misy lafiny maro itovizan’izy ireo amin’ny proselyta teo amin’ny Isiraely. Nanaiky hofehezin’ny faneken’ny Lalàna sy niara-nanompo tamin’ny Isiraelita mantsy izy ireo.

Mazava ho azy fa tsy nanompo tao amin’ny kianja anatiny, toerana nanaovan’ny mpisorona ny fanompoany, ireny proselyta ireny. Tsy ao amin’ny kianja anatin’ilay tempolin’i Jehovah ara-panahy lehibe koa ny olona betsaka. Io kianja anatiny io dia mampiseho fa heverin’Andriamanitra ho zanaka lavorary sady marina ireo anisan’ny ‘fisoronana masin’i Jehovah’, na dia mbola eto an-tany aza. (1 Petera 2:5) Tena ao anatin’ny tempoly anefa ny olona betsaka, araka ny tenin’ilay anti-panahy tany an-danitra tamin’i Jaona. Tsy any ivelan’ny faritry ny tempoly, ao amin’ny toerana heverina ho Kianjan’ny Jentilisa amin’ny heviny ara-panahy, izy ireo. Voninahitra re izany! Asongadin’izany fa tokony hadio ara-panahy sy ara-pitondran-tena foana isika tsirairay!

[Kisary/Sary, pejy 31]

(Jereo ny gazety)

Tempolin’i Solomona

1. Trano misy ny Masina Indrindra

2. Kianja Anatiny

3. Kianja Ivelany

4. Tohatry ny Kianjan’ny Tempoly