Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fiderana An’i Jehovah ny Fanaovana Izay Takiny

Fiderana An’i Jehovah ny Fanaovana Izay Takiny

Fiderana An’i Jehovah ny Fanaovana Izay Takiny

‘Hidera Azy amin’ny fisaorana aho.’—SALAMO 69:30.

1. a) Nahoana no mendrika ny hoderaina i Jehovah? b) Ahoana no iderantsika azy amin’ny fisaorana?

I JEHOVAH no Andriamanitra Tsitoha sy Tompon’izao Rehetra Izao ary Mpamorona. Mendrika ny hoderaina àry ny anarany sy ny fikasany. Ny midera an’i Jehovah dia midika hoe manaja azy fatratra, mankalaza sy manandratra azy amin’ny teny sy ny atao. Mba hiderana azy “amin’ny fisaorana” dia tsy maintsy ankasitrahantsika izay efa ataony sy mbola hataony ho antsika. Ilaintsika ny manana toe-tsaina toy ny an’ireo zavaboary ara-panahy mahatoky any an-danitra, izay nilaza toy izao ao amin’ny Apokalypsy 4:11: “Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.” Ahoana no iderantsika an’i Jehovah? Midera azy isika rehefa mianatra momba azy sy manao izay takiny. Tokony hilaza sahala amin’ny mpanao salamo isika hoe: “Ampianaro hanao ny sitraponao aho; fa Hianao no Andriamanitro.”—Salamo 143:10.

2. Inona no hataon’i Jehovah amin’ireo midera azy, ary amin’ireo tsy manao izany?

2 Sarobidy amin’i Jehovah ireo midera azy. Izany no mahatonga azy ho “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.” (Hebreo 11:6) Inona ilay valisoa? Nivavaka tamin’ny Rainy tany an-danitra toy izao i Jesosy: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3) Eny, “handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay” ireo ‘midera [an’i Jehovah] amin’ny fisaorana.’ (Salamo 37:29) “Tsy hisy fanantenana ho an’ny ratsy” kosa anefa. (Ohabolana 24:20) Ilaina maika ny midera an’i Jehovah amin’izao andro farany izao, satria madiva handringana ny ratsy fanahy izy nefa hiaro ny marina. “Mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.”—1 Jaona 2:17; Ohabolana 2:21, 22.

3. Nahoana isika no tokony handinika ny bokin’i Malakia?

3 Hita ao amin’ny Baiboly ny sitrapon’i Jehovah, satria ‘nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra ny soratra rehetra.’ (2 Timoty 3:16) Misy fitantarana maro ao amin’ny Tenin’Andriamanitra milaza ny fomba nitahian’i Jehovah ireo nidera azy, sy ny nitranga tamin’ireo tsy nanao izany. Voatantara ao, ohatra, ny nitranga teo amin’ny Isiraely tamin’ny andron’i Malakia mpaminany. Nanoratra ny boky mitondra ny anarany i Malakia tamin’ny taona 443 al.f.i. teo ho eo, fony i Nehemia governoran’i Joda. Misy fanazavana sy faminaniana ‘nosoratana ho fananarana antsika izay niharan’ny faran’izao tontolo izao’ ao amin’io boky mampientam-po io. (1 Korintiana 10:11) Ny fandinihana ny tenin’i Malakia dia manampy antsika hiomana ho amin’ny “andron’i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra” handravany an’ity tontolo ratsy ity.—Malakia 3:23.

4. Inona avy ireo lafin-javatra enina isarihana ny saintsika ao amin’ny Malakia toko voalohany?

4 Efa maherin’ny 2 400 taona izay no nanoratana ny bokin’i Malakia. Koa ahoana no anampian’izy io antsika amin’izao andro izao, hiomana ho amin’ilay andron’i Jehovah, izay sady lehibe no mahatahotra? Misarika ny saintsika ho amin’ny lafin-javatra enina, fara fahakeliny, ny toko voalohany. Tena ilaintsika izy ireo mba hiderana an’i Jehovah amin’ny fisaorana, ka hahazoana sitraka aminy sy fiainana mandrakizay: 1) Tia ny vahoakany i Jehovah. 2) Tsy maintsy manaja ny zava-masina isika. 3) Antenain’i Jehovah ny hanomezantsika azy ny tsara indrindra. 4) Fitiavana tsy mitady valiny fa tsy fitiavam-bola no manosika ny mpivavaka marina. 5) Tsy fombafomba manavesatra ny fanompoana eken’Andriamanitra. 6) Tsy maintsy ampamoahin’Andriamanitra isika tsirairay. Hodinihintsika tsirairay àry ireo lafin-javatra ireo, eo am-pamakafakana ny Malakia toko voalohany. Ity no voalohany amin’ireo lahatsoratra telo momba ny bokin’i Malakia.

Tia ny vahoakany i Jehovah

5, 6. a) Nahoana no tian’i Jehovah i Jakoba? b) Inona no azontsika antenaina raha mahatoky toa an’i Jakoba isika?

5 Miharihary ny fitiavan’i Jehovah ao amin’ireo andininy voalohany amin’ny Malakia. Miandoha amin’ireto teny ireto ilay boky: ‘Teny faminaniana avy tamin’i Jehovah ho amin’ny Isiraely.’ Hoy koa Andriamanitra: “Efa tia anareo Aho.” Manome izao ohatra izao i Jehovah ao amin’io andininy io ihany: “Jakoba no tiako.” Nino an’i Jehovah i Jakoba. Novan’i Jehovah ho Isiraely ny anarany tatỳ aoriana, ary tonga razamben’ny firenen’ny Isiraely izy. Tian’i Jehovah i Jakoba satria nanam-pinoana. Tian’i Jehovah koa ny Isiraelita nino toa an’i Jakoba.—Malakia 1:1, 2.

6 Raha tia an’i Jehovah isika sady tsy misaraka amin’ny vahoakany mihitsy, dia hampahery antsika ireto teny ao amin’ny 1 Samoela 12:22 ireto: “Jehovah tsy hahafoy ny olony noho ny anarany lehibe.” Tia sy mamaly soa ny vahoakany i Jehovah, ka hanome azy ireo ny fiainana mandrakizay. Izao àry no vakintsika: “Matokia an’i Jehovah hianao, ka manaova soa, dia honina amin’ny tany hianao ka ho faly amin’ny fahamarinana. Ary miravoravoa amin’i Jehovah hianao, dia homeny anao izay irin’ny fonao.” (Salamo 37:3, 4) Misarika ny saintsika ho amin’ny lafin-javatra faharoa tafiditra amin’ny fitiavantsika an’i Jehovah, ny Malakia toko voalohany.

Manajà ny zava-masina

7. Nahoana i Jehovah no nankahala an’i Esao?

7 Niteny i Jehovah hoe “Esao no halako”, rehefa avy nilaza fa “Jakoba no tiako” ao amin’ny Malakia 1:2, 3. Fa nahoana? Nidera an’i Jehovah i Jakoba fa i Esao, rahalahiny kambana taminy kosa, tsy mba nanao toy izany. Nantsoina hoe Edoma koa i Esao. Antsoina hoe tanin’ny faharatsiana ny tanin’i Edoma ao amin’ny Malakia 1:4, ary voaheloka ny mponina ao aminy. Nantsoina hoe Edoma (izany hoe “Mena”) i Esao taorian’ny nivarotany ny fizokiany sarobidy tamin’i Jakoba, mba hahazoana voanemba mena. ‘Nohamavoin’i Esao ny fizokiany’, hoy ny Genesisy 25:34. Nampirisika ny mpiray finoana taminy ny apostoly Paoly mba hitandrina fandrao “hisy mpijangajanga na olona tsy manaja ny masina, dia tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraim-bava.”—Hebreo 12:14-16.

8. Nahoana no nampitovin’i Paoly tamin’ny mpijangajanga i Esao?

8 Nahoana no nampitovin’i Paoly tamin’ny mpijangajanga i Esao? Satria ny fananana ny toe-tsain’i Esao dia mety hahatonga ny olona tsy hanaja ny zava-masina, ka izany no hitarika azy hanao fahotana lehibe, toy ny fijangajangana. Tokony hanontany tena àry isika tsirairay hoe: ‘Alaim-panahy ve aho indraindray hanakalo ny lovako kristianina, izany hoe ny fiainana mandrakizay, mba hahazoana zavatra tsy maharitra toy ny voanemba iray vilia? Sao manamavo ny zava-masina aho, nefa angamba tsy tsapako akory?’ Tena tsy andrin’i Esao ny hahazoana izay nirin’ny vatany. Hoy izy tamin’i Jakoba, araka ny hita ao amin’ny fandikan-teny maro toy ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao: “Faingàna, aza fady, mba omeo indray mitelina amin’ny mena aho.” (Genesisy 25:30) Mampalahelo fa toy ny milaza toy izao ny mpanompon’Andriamanitra sasany: “Haingana! Nahoana no hiandry ho vita soratra ara-dalàna vao hanao firaisana?” Nanjary toy ny voanemba iray vilia tamin’izy ireo, ny faniriany hanao firaisana, na inona na inona ho vokany.

9. Inona no tokony hatao mba hatahorana sy hanajana hatrany an’i Jehovah?

9 Enga anie isika tsy hanamavo mihitsy ny zava-masina, ka tsy hiraharaha ny fahadiovam-pitondran-tena sy ny tsy fivadihana ary ny lovantsika ara-panahy. Aoka isika tsy ho toa an’i Esao, fa hanahaka an’i Jakoba nahatoky ary hatahotra sy hanaja hatrany an’Andriamanitra, ka hankasitraka lalina ny zava-masina. Ahoana no hanaovantsika izany? Manao izany isika rehefa miezaka hanao izay takin’i Jehovah. Mitondra antsika ho amin’ny lafin-javatra fahatelo aharihary ao amin’ny Malakia toko voalohany izany. Inona ilay izy?

Ny tsara indrindra no omentsika an’i Jehovah

10. Tamin’ny fomba ahoana no nanamavoan’ireo mpisorona ny latabatr’i Jehovah?

10 Tsy izay tsara indrindra no nataon’ny mpisorona fanatitra ho an’i Jehovah, tao amin’ny tempolin’i Jerosalema, tamin’ny andron’i Malakia. Hoy ny Malakia 1:6-8: “Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy Jehovah, Tompon’ny maro, aminareo, ry mpisorona, izay manamavo ny anarako.” “Amin’inona no anamavoanay ny anaranao?”, hoy ireo mpisorona. “Amin’ny fitondrana hanina voaloto ho eo amin’ny alitarako”, hoy ny navalin’i Jehovah. Nanontany indray ireo mpisorona hoe: “Amin’inona no andotoanay Anao?” Hoy i Jehovah taminy: “Amin’ny fanaovanareo hoe: Ny latabatr’i Jehovah dia fanazimbazimba.” Nanamavo ny latabatr’i Jehovah ireo mpisorona ireo isaky ny nanao fanatitra nisy tsininy, ka nilaza hoe: ‘Tsy ratsy izany!’

11. a) Inona no nolazain’i Jehovah momba ireo fanatitra tsy azo nekena? b) Nahoana no meloka ny vahoaka?

11 Nampisaintsaina toy izao i Jehovah avy eo, momba ireny fanatitra tsy azo nekena ireny: “Atero ho an’ny governora manapaka anao ange izany,—moa hahazo sitraka na fitia aminy va hianao?” Ny governoran’izy ireo aza tsy hankasitraka fanomezana toy izany mihitsy, ka mainka ve fa ny Tompon’izao Rehetra Izao no hanaiky fanatitra misy tsininy! Tsy ireo mpisorona ihany akory no diso. Marina fa nanamavo an’i Jehovah izy ireo rehefa nanao ireny sorona ireny. Afa-tsiny ve anefa ny vahoaka? Sanatria! Izy ireo no nifidy biby jamba sy mandringa ary marary mba hoentina hataon’ny mpisorona fanatitra. Haratsian-toetra re izany!

12. Ahoana no anampiana antsika hanome izay tsara indrindra ho an’i Jehovah?

12 Ny fanomezantsika ny tsara indrindra ho an’i Jehovah no fomba ampisehoantsika fa tena tia azy isika. (Matio 22:37, 38) Tsy toy ireo mpisorona nania tamin’ny andron’i Malakia ny fandaminan’i Jehovah ankehitriny, fa mampianatra antsika zavatra tsara maro avy ao amin’ny Soratra Masina. Izany no manampy antsika hanao izay takin’i Jehovah, ka hidera azy amin’ny fisaorana. Mifandray amin’izany ny lafin-javatra lehibe fahefatra notsoahina avy tao amin’ny Malakia toko voalohany.

Atosiky ny fitiavana fa tsy ny fitiavam-bola ny mpivavaka marina

13. Inona no mampiseho fa tena fatra-pitia vola ny mpisorona?

13 Tia tena sy tsy nanam-pitiavana ary fatra-pitia vola ny mpisorona tamin’ny andron’i Malakia. Ahoana no ahalalantsika izany? Hoy i Jehovah, Tompon’ny maro ao amin’ny Malakia 1:10: “Enga anie ka hisy aminareo handrindrina ny varavarana ka tsy handrehitra afo foana eo ambonin’ny alitarako!” Hoy koa izy: “Tsy hankasitraka anareo Aho, na ta-handray fanatitra amin’ny tànanareo.” Nahoana? Satria nitaky karama ireo mpisorona fatra-pitia vola ireo vao niasa, araka ny teny hebreo tany am-boalohany. Nanao izany izy ireo na dia tamin’ny fanompoana tsotra indrindra tao amin’ny tempoly aza, toy ny nanidy varavarana sy nandrehitra ny afon’ny alitara! Tsy mahagaga raha tsy te handray fanatitra amin’ny tanan’izy ireo i Jehovah!

14. Nahoana no azo lazaina fa ny fitiavana no manosika ny Vavolombelon’i Jehovah?

14 Ireo mpisorona mpanota fatra-pitia vola sy tia tena ireo dia mety hahatonga antsika hahatsiaro fa tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra ny olona fatra-pitia vola, araka ny Tenin’Andriamanitra. (1 Korintiana 6:9, 10) Vao mainka mankasitraka ny fitoriana maneran-tany ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah isika, rehefa mandinika ny fomban’ireo mpisorona tia tena ireo. An-tsitrapo io asa io ary tsy mangata-bola mihitsy isika rehefa manao ny fanompoantsika. ‘Tsy mba manatsatso ny tenin’Andriamanitra hahazoam-bola isika.’ (2 Korintiana 2:17) Afaka milaza tsara toa an’i Paoly isika tsirairay hoe: ‘Nitory maimaim-poana ny filazantsaran’Andriamanitra taminareo aho.’ (2 Korintiana 11:7) Azo antoka fa faly i Paoly ‘nitory ny filazantsaran’Andriamanitra.’ Misarika ny saintsika ho amin’ny lafin-javatra fahadimy ao amin’ny Malakia toko voalohany izany.

Tsy fombafomba manavesatra ny fanompoana an’Andriamanitra

15, 16. a) Ahoana no fiheveran’ireo mpisorona ny fanolorana fanatitra? b) Inona no fanatitra atolotry ny Vavolombelon’i Jehovah ary inona no tsapany eo am-panaovana izany?

15 Noheverin’ireo mpisorona tsy nanam-pinoana tany Jerosalema fahiny ho fombafomba mandreraka, ny fanolorana fanatitra. Enta-mavesatra ho azy ireo izany. Hoy Andriamanitra tamin’izy ireo ao amin’ny Malakia 1:13 (Fandikan-teny Katolika): ‘Hoy hianareo: Intỳ! Mahasorisorena be ihany! dia tsy asianareo raharaha akory izy.’ Tsy niraharaha na hoe nanambany ny zava-masin’Andriamanitra ireo mpisorona ireo. Aoka isika hivavaka mba tsy ho tonga tahaka azy ireo mihitsy. Aoka kosa isika hampiseho foana ilay toe-tsaina ao amin’ny 1 Jaona 5:3 manao hoe: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny.”

16 Aoka isika ho finaritra hatrany hanolotra fanatitra ara-panahy ho an’Andriamanitra, ka tsy hihevitra izany mihitsy ho enta-mavesatra. Enga anie isika ka hanaraka ny voalazan’ity faminaniana ity: “Manaova [amin’i Jehovah] hoe: Mamelà ny heloka rehetra, ary raiso izay tsara, ka dia haterinay ho fanatitra ny molotray.” (Hosea 14:3) Manondro fanatitra ara-panahy ilay teny hoe “molotray”, izany hoe ny teny lazaintsika mba hiderana an’i Jehovah sy ny fikasany. Hoy ny Hebreo 13:15: “Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin’ny alalan[’i Jesosy Kristy] ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.” Faly tokoa isika satria tsy fombafomba fotsiny ny fanatitra ara-panahy ataontsika, fa mampiseho ny fitiavantsika an’Andriamanitra amin’ny fontsika manontolo! Mitondra antsika ho amin’ny lafin-javatra fahenina azo ianarana avy ao amin’ny Malakia toko voalohany izany.

Tsy maintsy ampamoahina ny tsirairay

17, 18. a) Nahoana i Jehovah no nanozona “ny mpamitaka”? b) Inona no tsy noeritreretin’ireo mpamitaka ireo?

17 Samy tompon’andraikitra tamin’izay nataony ny olona tamin’ny andron’i Malakia, ary toy izany koa isika. (Romana 14:12; Galatiana 6:5) Noho izany, dia hoy ny Malakia 1:14: “Voaozona ny mpamitaka, izay manana ondrilahy [tsy misy tsininy] ao amin’ny ondriny, ary mivoady, nefa mamono zavatra misy kilema hatao fanatitra ho an’ny Tompo.” Tsy ondry iray monja no ananan’ny olona manana andian’ondry. Koa tsy afaka milaza àry izy hoe tsy manan-tsafidy. Tsy voatery ho biby jamba na mandringa na marary no nofidiny hatao fanatitra. Raha biby nisy tsininy toy izany kosa anefa no nofidiny, dia ho nampiseho izany fa nohamavoiny ny fandaharan’i Jehovah momba ny fanatitra. Azo antoka mantsy fa ho afaka nahita biby tsy nisy tsininy ny olona nanana andian’ondry!

18 Rariny àry raha nozonin’i Jehovah ny mpamitaka izay nanana ondrilahy ara-dalàna tsara, nefa biby jamba, na mandringa, na marary no nentiny, na voatery notaritarihiny tany amin’ny mpisorona mba hatao fanatitra. Tsy misy mihitsy anefa firesahana hoe nisy mpisorona naka teny tao amin’ny lalàn’Andriamanitra hanazavana fa tsy nekena ny biby nisy tsininy. (Levitikosy 22:17-20) Fantatry ny olona misaina fa ho sahirana izy raha nanandrana hamitaka ny governorany handray fanomezana toy izany. I Jehovah, Tompon’izao Rehetra Izao mihitsy anefa no nanateran’izy ireo fanatitra. Lehibe lavitra noho ny governora olombelona izy, araka izao lazain’ny Malakia 1:14 izao: “Mpanjaka lehibe Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, ary ny anarako dia mahatahotra any amin’ny jentilisa.”

19. Inona no irintsika ary inona no tokony hataontsika?

19 Irintsika mpanompon’i Jehovah mahatoky ny hiavian’ny andro hanajan’ny olombelona rehetra an’i Jehovah, ilay Mpanjaka Lehibe. Amin’izany fotoana izany, “ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” (Isaia 11:9) Eo am-piandrasana izany, dia aoka isika hiezaka mafy hanao izay takin’i Jehovah, ka hanahaka ilay mpanao salamo izay nilaza hoe: ‘Hidera Azy amin’ny fisaorana aho.’ (Salamo 69:30) Mbola manana torohevitra mahasoa hafa hanampiana antsika hanao izany i Malakia. Aoka àry hodinihintsika akaiky ao amin’ny lahatsoratra roa manaraka, ny toko hafa amin’ny bokin’i Malakia.

Tadidinao Ve?

• Nahoana isika no tokony hidera an’i Jehovah?

• Nahoana no tsy neken’i Jehovah ny fanatitr’ireo mpisorona tamin’ny andron’i Malakia?

• Inona no fanati-piderana atolotsika an’i Jehovah, ary inona no tsapantsika eo am-panaovana izany?

• Inona no tokony hanosika ny mpivavaka marina?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 9]

Manondro ny androntsika ny faminanian’i Malakia

[Sary, pejy 10]

Tsy nanaja ny zava-masina i Esao

[Sary, pejy 11]

Nanao fanatitra tsy azo nekena ny mpisorona sy ny vahoaka

[Sary, pejy 12]

Manolotra fanati-piderana maimaim-poana ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany