Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mankahala ny Famitahana i Jehovah

Mankahala ny Famitahana i Jehovah

Mankahala ny Famitahana i Jehovah

‘Aza mivadika amin’ny rahalahiny avy.’—MALAKIA 2:10.

1. Inona no takin’Andriamanitra amintsika mba hahazoantsika ny fiainana mandrakizay?

MANIRY hiaina mandrakizay ve ianao? Raha mino izany fampanantenan’ny Baiboly izany ianao, dia angamba hamaly hoe: ‘Mazava ho azy.’ Tsy maintsy manao izay takin’Andriamanitra anefa ianao raha maniry ny homeny fiainana tsy manam-pahataperana ao amin’ny tontolony vaovao. (Mpitoriteny 12:13; Jaona 17:3) Ara-drariny ve ny itakiana izany amin’ny olombelona tsy lavorary? Eny, satria nilaza ireto teny mampahery ireto i Jehovah: “Famindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-dra, ary fahalalana an’Andriamanitra noho ny fanatitra odorana.” (Hosea 6:6) Tena afaka manao izay takin’Andriamanitra àry ny olombelona, na dia tsy lavorary aza.

2. Ahoana no namitahan’ny Isiraelita maro an’i Jehovah?

2 Tsy ny rehetra anefa no maniry hanao ny sitrapon’i Jehovah. Nilaza i Hosea fa Isiraelita maro mihitsy aza no toy izany. Nanao fifanekena na fifanarahana tamin’Andriamanitra ny firenen’izy ireo fa hankatò ny lalàny. (Eksodosy 24:1-8) Vetivety anefa dia ‘namadika ny fanekena’ izy ireo, satria nandika ny lalàny. Nilaza àry i Jehovah fa ‘nivadika sy nahafoy’ azy ny Isiraelita. (Hosea 6:7) Toy izany no ataon’ny olona maro hatramin’izay. Halan’i Jehovah anefa ny fivadihana na ny famitahana, na atao aminy izany na amin’ireo tia sy manompo azy.

3. Inona no hodinihina ato amin’ity fianarana ity?

3 Tsy i Hosea mpaminany ihany no nanasongadina ny fiheveran’Andriamanitra ny famitahana. Tsy maintsy miray hevitra amin’Andriamanitra isika raha te ho sambatra. Efa nanomboka nandinika ny faminanian’i Malakia isika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Handinika ny toko faharoa indray isika izao, ka handalina kokoa ny fiheveran’Andriamanitra ny famitahana. Noresahin’i Malakia ny zava-nisy teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra, taona maro taorian’ny niverenany avy tamin’ny fahababoana tany Babylona. Tena mahakasika antsika anefa io toko faharoa io.

Meloka ireo mpisorona

4. Inona no fampitandremana nomen’i Jehovah an’ireo mpisorona?

4 Manameloka ny mpisorona jiosy noho izy ireo niala tamin’ny lalany marina i Jehovah, eo am-piandohan’ny toko faharoa. Tsy maintsy hisy voka-dratsy lehibe, raha tsy mandray am-po ny toroheviny na manitsy ny lalany izy ireo. Mariho ireto andininy roa voalohany ireto: “Ry mpisorona, dia ho aminareo izao didy izao: Raha tsy hihaino na handatsaka am-po ka hanome voninahitra ny anarako hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia halefako hamely anareo ny ozona, ka hozoniko ny tso-drano ataonareo.” Ho notahina ireo mpisorona raha nampianatra ny vahoaka ny lalàn’Andriamanitra sy nitandrina izany. Ho voahozona anefa izy ireo satria tsy niraharaha ny sitrapon’Andriamanitra. Hivadika ho ozona na dia ny tso-drano nataon’ny mpisorona aza.

5, 6. a) Nahoana no tena meloka ireo mpisorona? b) Ahoana no nilazan’i Jehovah ny fankahalany azy ireo?

5 Nahoana no tena meloka ireo mpisorona? Milaza mazava ny andininy faha-7 hoe: “Ny molotry ny mpisorona tokony hitahiry fahalalana, ary ny lalàna hotadiavina eo am-bavany, satria irak’i Jehovah, Tompon’ny maro, izy.” Maherin’ny arivo taona talohan’izay no nomena ny Isiraely tamin’ny alalan’i Mosesy, ny lalàn’Andriamanitra. Voalaza tao fa andraikitry ny mpisorona ny ‘mampianatra ny Zanak’Isiraely ny didy rehetra izay nolazain’i Jehovah.’ (Levitikosy 10:11) Mampalahelo fa nitatitra toy izao ny mpanoratra ny 2 Tantara 15:3 tatỳ aoriana: “Efa ela ny Isiraely no tsy nanana an’Andriamanitra marina, na mpisorona mampianatra, na lalàna.”

6 Tsy nisy hafa tamin’izany koa ny mpisorona tamin’ny andron’i Malakia, tamin’ny taonjato fahadimy al.f.i. Tsy nampianatra ny vahoaka ny lalàn’Andriamanitra izy ireo, ka mendrika ny hampamoahina. Mariho ny teny henjana nataon’i Jehovah tamin’izy ireo. Hoy ny Malakia 2:3: “Hofafazako tain-droroha ny tavanareo, dia ny tain-droroha avy amin’ny andro firavoravoanareo.” Mafy izany raha anatra! Tokony ho nodorana tany ivelan’ny toby ny tain-drorohan’ireo biby natao sorona. (Levitikosy 16:27) Nilaza anefa i Jehovah fa hafafiny amin’ny tavan’izy ireo izany tain-droroha izany. Asehon’izany mazava tsara fa halany sy nolaviny izy ireo sy ny sorona nataony.

7. Nahoana i Jehovah no tezitra tamin’ireo mpampianatra ny Lalàna?

7 Maherin’ny arivo taona talohan’ny andron’i Malakia, dia notendren’i Jehovah ny Levita hikarakara ny tabernakely, ary tatỳ aoriana, ny tempoly sy ny fanompoana masina. Mpampianatra teo amin’ny firenen’ny Isiraely izy ireo. Ho velona sy hiadana izy ireo sy ny fireneny raha nanao ny andraikiny izy. (Nomery 3:5-8) Nanjary tsy natahotra an’Andriamanitra intsony anefa ny Levita. Hoy àry i Jehovah taminy: ‘Ianareo kosa nivily lalana sady nampahatafintohina olona maro ny amin’ny lalàna ary namadika ny fanekena amin’i Levy. Tsy nitandrina ny lalako ianareo.’ (Malakia 2:8, 9) Nampivily lalana Isiraelita maro ireo mpisorona, satria sady tsy nampianatra ny fahamarinana no nanome ohatra ratsy. Ara-drariny àry raha tezitra taminy i Jehovah.

Araho ny fitsipik’Andriamanitra

8. Tafahoatra ve raha takina amin’ny olona ny hanarahany ny fitsipik’Andriamanitra? Hazavao.

8 Aoka isika tsy hihevitra fa tokony hangorahana sy havela heloka ireo mpisorona ireo, satria olombelona tsy lavorary ihany ka tsy afaka nanaraka ny fitsipik’Andriamanitra. Afaka mankatò tsara ny didin’Andriamanitra ny olombelona, satria tsy mangataka zavatra tsy ho vitany i Jehovah. Azo inoana fa nisy mpisorona tamin’izany tena nanaraka ny fitsipik’Andriamanitra. Tsy isalasalana fa nanao izany koa i Jesosy, ilay “Mpisoronabe.” (Hebreo 3:1) Marina tokoa fa “ny lalàn’ny fahamarinana no teo am-bavany, ary tsy mba nisy tsi-fahamarinana teo amin’ny molony; tamin’ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no nampialainy tamin’ny heloka.”—Malakia 2:6.

9. Iza no tsy mitsahatra mampahafantatra ny fahamarinana amin’ny androntsika?

9 Toy izany koa ireo voahosotra, rahalahin’i Kristy, manantena ny ho any an-danitra. Efa maherin’ny zato taona izao izy ireo no manompo amin’ny maha “fisoronana masina, hanatitra fanati-panahy sitrak’Andriamanitra.” (1 Petera 2:5) Mitari-dalana amin’ny fampahafantarana ny fahamarinana ara-baiboly amin’ny olona, izy ireo. Rehefa nianatra ny fahamarinana ampianarin’izy ireo ianao, tsy hitanao tokoa ve fa ny lalàn’ny fahamarinana no eo am-bavany? Nanampy olona maro hiala tamin’ny fivavahan-diso izy ireo. Noho izany, dia an-tapitrisa ankehitriny maneran-tany no nianatra ny fahamarinana ara-baiboly ka manantena ny hiaina mandrakizay. Ireo indray kosa dia manana tombontsoa hampianatra olon-kafa an-tapitrisa ny lalàn’ny fahamarinana.—Jaona 10:16; Apokalypsy 7:9.

Antony itandremana

10. Nahoana isika no mila mitandrina?

10 Mila mitandrina anefa isika. Mety tsy ho takatsika mantsy ny lesona tsy mivantana ampitain’ny Malakia 2:1-9. Mitandrina ve isika mba tsy hisy tsy fahamarinana eo amin’ny molotsika? Ohatra, tena afaka matoky izay lazaintsika ve ny mpianakavintsika? Afaka matoky izany koa ve ny rahalahy sy anabavintsika eo anivon’ny fiangonana? Ho mora erỳ ny ho zatra mamboamboatra ny teny lazaina mba hahatonga azy ho toy ny marina, nefa mamitaka. Na, mety hisy olona hanitatra, na hanafina tsipiriany momba ny raharaha ara-barotra. Tsy ho hitan’i Jehovah ve izany? Hankasitraka ny fanati-piderana ataon’ny molotsika ve izy, raha manao ireo zavatra ireo isika?

11. Iza indrindra no mila mitandrina?

11 Tokony ho fampitandremana ho an’ireo manana tombontsoa hampianatra ny Tenin’Andriamanitra eo anivon’ny fiangonana ankehitriny, ny Malakia 2:7. Lazain’izy io fa ny molotr’izy ireo dia “tokony hitahiry fahalalana, ary ny lalàna hotadiavina” eo am-bavany. Miantsoroka andraikitra mavesatra ireny mpampianatra ireny, satria milaza ny Jakoba 3:1 fa “ho mafimafy kokoa no hitsarana” azy. Tokony hafana fo sy hanana risi-po izy ireo rehefa mampianatra. Tsy maintsy mifototra tsara amin’ny Tenin’Andriamanitra voasoratra sy ny toromarika omen’ny fandaminany koa anefa, ny fampianaran’izy ireo. ‘Hahay hampianatra ny sasany’ izy ireo amin’izay. Toroana hevitra toy izao àry izy ireo: “Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana.”—2 Timoty 2:2, 15.

12. Inona no tokony hotandreman’ireo mampianatra?

12 Mety halaim-panahy isika hampiditra izay tiantsika na ny hevitsika manokana rehefa mampianatra, raha tsy mitandrina. Tena mety ho tratran’izany ny olona mirona hatoky fa marina foana ny fanatsoahan-keviny, na dia mifanohitra amin’izay ampianarin’ny fandaminan’i Jehovah aza izany. Asehon’ny Malakia toko faha-2 anefa fa tokony hifikitra amin’ny fahalalana avy amin’Andriamanitra ny mpampianatra ny fiangonana, fa tsy amin’ny heviny manokana, izay mety hanafintohina ny ondry. Hoy i Jesosy: “Na zovy na zovy no hanafintohina na dia iray aza amin’ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsara lavitra ho azy raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka alentika any amin’ny ranomasina lalina izy.”—Matio 18:6.

Manambady tsy mpino

13, 14. Inona no iray tamin’ny famitahana nasongadin’i Malakia?

13 Mivantana kokoa ny anasongadinan’ny Malakia toko faha-2 ny famitahana, manomboka eo amin’ny andininy faha-10. Mifantoka amin’ny fitondran-tena roa mifandray i Malakia, ary mamerimberina ilay teny hoe “mivadika” na mamitaka, rehefa miresaka momba izany. Manontany toy izao i Malakia talohan’ny nanomezany torohevitra: “Tsy mpiombon-dray va isika rehetra? Tsy Andriamanitra iray ihany va no nahary antsika? Koa nahoana no samy mivadika amin’ny rahalahintsika avy isika ka mamadika ny fanekena tamin’ny razantsika?” Milaza ny andininy faha-11 avy eo fa toy ny fandotoana “ny fitoera-masin’i Jehovah” ny famitahan’ny Isiraely. Fa zava-doza inona no nataony? Asongadin’io andininy io ny iray tamin’ireo fanao ratsy: “Nanambady ny zanakavavin’ny andriamani-kafa” izy ireo.

14 Amin’ny teny hafa, dia nanambady olona tsy nanompo an’i Jehovah ny Isiraelita sasany, izay anisan’ny firenena nanolo-tena ho azy. Manampy antsika hahita ny antony tena naha ratsy izany ny teny manodidina. Nilaza ny andininy faha-10 fa nanana ray niombonana izy ireo. Tsy i Jakoba (nantsoina koa hoe Isiraely), na Abrahama, na Adama akory izy io. Asehon’ny Malakia 1:6 fa i Jehovah ilay “Ray.” Nifandray taminy ilay firenen’ny Isiraely satria anisan’ny andaniny tamin’ilay fanekena natao tamin’ny razan’izy ireo. Izao no anisan’ny lalàna tao amin’io fanekena io: “Aza mifanambady anaka aminy: ny zanakao-vavy tsy homenao ho vadin’ny zanani-lahy, ary ny zanani-vavy tsy halainao ho vadin’ny zanakao-lahy.”—Deoteronomia 7:3.

15. a) Inona no mety holazain’ny sasany mba hanalana tsiny ny fanambadiana tsy mpino? b) Inona no lazain’i Jehovah momba ny fanambadiana?

15 Mety hisy hieritreritra toy izao ankehitriny: ‘Mahafinaritra be ange ilay olona tiako e! Azo inoana fa hanaiky ny fivavahana marina izy, rehefa mandeha ny fotoana.’ Manamafy ity fampitandremana ara-tsindrimandry ity izany fomba fisainana izany: “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina.” (Jeremia 17:9) Izao no lazain’ny Malakia 2:12 momba ny fiheveran’Andriamanitra ny fanambadiana olona tsy mpino: ‘Hofongoran’i Jehovah izay manao izany, na iza na iza.’ Ampirisihina àry ny Kristianina hanambady “ao amin’ny Tompo ihany.” (1 Korintiana 7:39) Tsy misy Kristianina ‘fongorana’ akory satria manambady tsy mpino. Inona anefa no hitranga amin’ilay tsy mpino raha tsy tonga mpanompon’i Jehovah izy, rehefa hamarana tsy ho ela ity tontolo ity Andriamanitra?—Salamo 37:37, 38.

Mampijaly vady

16, 17. Inona no famitahana nataon’ny sasany?

16 Ity no famitahana faharoa resahin’i Malakia: ny fampijaliana vady, indrindra fa ny fisarahana tsy ara-drariny. Hoy ny andininy faha-14 amin’ny toko faha-2: “Jehovah no vavolombelona ny aminao sy ny vadin’ny fahatanoranao izay nofitahinao, na dia namanao sady vady efa vita fanekena taminao aza izy.” Namitaka ny vadiny ny lehilahy jiosy, ka nahatonga ny alitaran’i Jehovah ho ‘voasaron-dranomaso.’ (Malakia 2:13) Nisara-panambadiana noho ny antony tsy ara-dalàna ireny lehilahy ireny, ka nanary ny vadin’ny fahatanorany, angamba mba hanambadiana vehivavy tanora kokoa, na mpanompo sampy. Tsy nisakana azy ireo koa ny mpisorona ratsy fitondran-tena! Hoy anefa ny Malakia 2:16: “Halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.” Nasehon’i Jesosy tatỳ aoriana fa ny fahalotoam-pitondran-tena ihany no antony ahafahan’ny olona misaraka amin’ny vadiny, ka ahafahan’ilay tsy manan-tsiny hanambady indray.—Matio 19:9.

17 Saintsaino ange ny tenin’i Malakia raha tsy ho hitanao fa manohina ny fo izy ireo ary mampangoraka e! Resahiny ny amin’ny “vady efa vita fanekena taminao.” Isiraelita mpiara-mivavaka taminy no nofidin’ireo lehilahy ireo ho namana malala sy vady mandritra ny androm-piainana. Azo inoana fa mbola tanora izy ireo fony izy nivady. Tsy tokony hanafoana ilay fifanekena nataony, dia ny fifanekem-panambadiana anefa ny fandehan’ny fotoana sy ny fandroson’ny taona.

18. Mihatra amin’ny lafiny inona avy ankehitriny ny torohevitr’i Malakia?

18 Mbola mihatra foana io torohevitra io. Mampalahelo fa misy tsy miraharaha ny toromarik’Andriamanitra momba ny fanambadiana ao amin’ny Tompo ihany. Mampalahelo koa fa misy tsy miezaka ny hanatanjaka hatrany ny fanambadiany. Manala tsiny ny tenany kosa izy ireo ary manao izay halan’Andriamanitra, dia ny fisaraham-panambadiana noho ny antony tsy araka ny Soratra Masina, mba hanambadiana olon-kafa. ‘Manasatra an’i Jehovah’ izy ireo amin’izany. Tamin’ny andron’i Malakia, dia sahy nilaza mihitsy ireo tsy niraharaha ny torohevitr’Andriamanitra fa tsy rariny ny fihevitr’i Jehovah. Toy ny nilaza mihitsy izy ireo hoe: “Aiza Andriamanitry ny fitsarana?” Haratsiam-panahy re izany! Enga anie isika tsy ho latsaka ao amin’izany fandrika izany.—Malakia 2:17.

19. Ahoana no ahazoan’ny mpivady ny fanahin’Andriamanitra?

19 Etsy an-daniny anefa, dia lazain’i Malakia fa nisy lehilahy tsy namitaka ny vadiny. ‘Mbola nanana ny fanahy masin’Andriamanitra ihany’ izy ireo. (Andininy faha-15) Soa ihany fa maro ny lehilahy ‘manaja ny vadiny’ toy izany ao anatin’ny fandaminan’Andriamanitra ankehitriny. (1 Petera 3:7) Tsy mamono ny vadiny, na mandevilevy azy, ireny lehilahy ireny. Tsy misisika hanao firaisana aminy amin’ny fomba mampietry izy ireny. Tsy manala baraka ny vadiny koa izy ireny satria tsy milalao fitia amin’ny vehivavy hafa, na mijery boky sy sary vetaveta. Faly koa ny fandaminan’i Jehovah satria manana vehivavy vady kristianina mahatoky maro be, tsy mivadika amin’Andriamanitra sy ny lalàny. Fantatr’ireny lehilahy sy vehivavy rehetra ireny izay halan’Andriamanitra, ka misaina sy manao zavatra mifanaraka amin’izany izy ireo. Manahafa azy ireny hatrany, ‘maneke an’Andriamanitra’, dia handrotsaka ny fanahiny masina aminao izy.—Asan’ny Apostoly 5:29.

20. Inona no efa miandry ny olombelona rehetra?

20 Madiva hampihatra ny didim-pitsarany amin’ity tontolo rehetra ity i Jehovah. Tsy maintsy hampamoahiny ny amin’izay inoany sy ataony ny tsirairay. “Samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra.” (Romana 14:12) Koa manitikitika ny saina àry ity fanontaniana ity: Iza no ho tafavoaka amin’ny andron’i Jehovah? Hanazava izany ny lahatsoratra fahatelo farany amin’ity fitohitohizan-dahatsoratra ity.

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona no tena antony nanamelohan’i Jehovah ny mpisorona teo amin’ny Isiraely?

• Nahoana no azon’ny olona arahina tsara ny fitsipik’Andriamanitra?

• Nahoana isika no tokony hitandrina rehefa mampianatra?

• Inona ireo fanao roa tena nomelohin’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Voaheloka ny mpisorona tamin’ny andron’i Malakia satria tsy nanaraka ny lalan’i Jehovah

[Sary, pejy 16]

Tsy maintsy mitandrina isika mba hampianatra ny lalan’i Jehovah, fa tsy izay tiantsika

[Sary, pejy 18]

Nomelohin’i Jehovah ny Isiraelita nisara-panambadiana noho ny antony tsy dia nanao ahoana mba hanambadiana vehivavy mpanompo sampy

[Sary, pejy 18]

Manaja ny fifanekem-panambadiany ny Kristianina ankehitriny