Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manombana Izay Tokony ho Vidiny ve Ianao?

Manombana Izay Tokony ho Vidiny ve Ianao?

Manombana Izay Tokony ho Vidiny ve Ianao?

NAMPANANTENA fiainana mandrakizay ho an’ny mpianany i Jesosy Kristy, kanefa nasainy nanombana ny ho “vidin’ny” maha Kristianina koa izy ireo. Nilaza izao fanoharana izao izy: “Iza moa aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany [na manombana izay tokony ho vidiny] hanaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia?” (Lioka 14:28) Inona moa ilay “vidiny” tian’i Jesosy holazaina?

Iharam-pisedrana ny Kristianina rehetra, ary tena mafy ny sasany amin’izany. (Salamo 34:19; Matio 10:36) Mila mivonona ara-tsaina sy ara-panahy àry isika, mba tsy hanampoka antsika izay fanoherana na zava-manahirana hafa mipoitra. Tsy maintsy ho efa noeritreretintsika fa ho tafiditra amin’ny “vidin’ny” maha mpianatr’i Kristy ny zava-tsarotra toy izany. Fantatsika fa valisoa sarobidy lavitra noho izay rehetra azon’ity tontolo ity omena antsika ny famonjena amin’ny ota sy ny fahafatesana. Eny, tsy hisy voka-dratsy maharitra ny zavatra avelan’Andriamanitra hitranga, na dia ny fahafatesana aza, raha manompo azy foana isika.—2 Korintiana 4:16-18; Filipiana 3:8.

Inona no hahatonga ny finoantsika hatanjaka toy izany? Hitombo ny finoantsika isaky ny manao fanapahan-kevitra tsara isika, tsy mivadika amin’ireo fitsipika kristianina, na manao zavatra araka ny sitrapon’Andriamanitra, indrindra rehefa misy manery antsika tsy hanao izany. Mahazo ny fitahian’i Jehovah isika noho izany fahatokiantsika izany, ka mihamatanjaka sy mihalalina ny finoantsika. Raha manao izany isika dia manaraka ny ohatr’i Jesosy sy ny mpianany voalohany ary ireo lehilahy sy vehivavy nanam-pinoana taloha, izay nahay nanombana ny ho “vidin’ny” fanompoana an’Andriamanitra.—Marka 1:16-20; Hebreo 11:4, 7, 17, 24, 25, 32-38.