Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misy Kilemaina na Aiza na Aiza

Misy Kilemaina na Aiza na Aiza

Misy Kilemaina na Aiza na Aiza

NALAIN’NY miaramila an-keriny i Christian, mipetraka atsy Afrika. Noteren’izy ireo hirotsaka ho miaramila izy nefa nanda, satria tsy namela azy hanao izany ny eritreriny voataiza araka ny Baiboly. Nentin’izy ireo tany amin’ny toby miaramila izy, ka nokapohiny nandritra ny efatra andro, ary notifiriny ny tongony. Tody tany amin’ny hopitaly ihany i Christian, saingy tsy maintsy notapahina teo ambanin’ny lohaliny ilay tongony. Na ankizy kely aza dia notapahin’ny mpiady anaty akata ny tongony na ny tanany, any amin’ny tany iray hafa atsy Afrika. Mbola mahakilemaina ny tanora sy antitra tsy an-kanavaka koa hatramin’izao ireo vanja milevina any Kambodja ka hatrany amin’ireo tany Balkans, ary any Afghanistan ka hatrany Angola.

Mahakilemaina koa ny loza sy ny aretina, toy ny diabeta. Mety hahatonga ny olona ho kilemaina, na dia ny poizina eny amin’ny rivotra aza. Any amin’ny tanàna iray any Eoropa Atsinanana, ohatra, dia hatreo amin’ny kiho ihany ny tanan’ny ankizy vao teraka sasany, ary zara raha misy tohiny kely fotsiny io tanany io. Voaporofo fa zavatra simika maloto no mahatonga ireny fahasembanana hatrany am-bohoka ireny. Maro be koa ny olona mbola manana ny tongony aman-tanany, saingy azo lazaina hoe kilemaina ihany satria malemy na misy zavatra hafa mampijaly azy. Misy kilemaina tokoa na aiza na aiza.

Tena mety hampamoy fo ny kilema na inona na inona antony. Tapaka ny tongotra havian’i Junior tamin’izy 20 taona. Hoy izy: “Nampaharary ny foko mihitsy ilay izy. Nitomany be foana aho satria tsy afaka hanana tongotra havia intsony. Tsy hitako izay natao. Very hevitra aho.” Tena niova anefa ny fihetsik’i Junior tatỳ aoriana. Nanomboka nianatra ny Baiboly mantsy izy. Sady nanampy azy hizaka ny kilemany ny zavatra nianarany, no nanome azy fanantenana faran’izay tsara, dia ny hiaina amim-pahasambarana eto an-tany. Raha kilemaina ianao, tianao koa ve ny hanana izany fanantenana izany?

Vakio ny lahatsoratra manaraka, raha izany no izy. Tsara raha jerenao ao amin’ny Baibolinao ireo andinin-teny omena, mba hahitanao ny zavatra hataon’ny Mpamorona ho an’izay mianatra momba ny fikasany sy mampifanaraka ny fiainany amin’izy io.