Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nandentika ny Fitiavana An’i Jehovah tao Am-pon’ny Zanakay Izahay

Nandentika ny Fitiavana An’i Jehovah tao Am-pon’ny Zanakay Izahay

Tantaram-piainana

Nandentika ny Fitiavana An’i Jehovah tao Am-pon’ny Zanakay Izahay

NOTANTARAIN’I WERNER MATZEN

Nanome ahy Baiboly i Hans Werner, zanako lahimatoa, taona vitsivitsy lasa izay. Izao no nosoratany tao anatiny: “Ho an’i Dada malala. Enga anie ka hitarika antsika mianakavy hatrany ho amin’ny lalan’ny fiainana ny Tenin’i Jehovah. Misaotra betsaka. Ny zanakao lahimatoa.” Takatry ny ray aman-dreny tsara fa sady nankasitrahako no nahafaly ahy ireo teny ireo. Tsy fantatro tamin’izany hoe mbola hiatrika zava-tsarotra hafa izahay mianakavy.

TERAKA tamin’ny 1924 tany Halstenbek, 20 kilaometatra eo ho eo avy eo amin’ny seranan’i Hambourg eto Alemaina, aho. Ny reniko sy ny raibeko no nitaiza ahy. Nianatra nanamboatra fitaovam-piasana aho ka voantso ho any amin’ny Wehrmacht, na ny tafika, tamin’ny 1942. Tena nahatsiravina ny zavatra niainako tany amin’ny vava ady rosianina nandritra ny Ady Lehibe II, ka tsy hita izay hilazana azy. Voan’ny tefoedra aho nefa naverina tany an’ady indray rehefa sitrana. Tany Lodz, any Polonina, aho tamin’ny Janoary 1945, ary naratra mafy ka nalefa tany amin’ny hopitaly miaramila. Mbola tany aho rehefa tapitra ny ady. Nanam-potoana nisaintsainana aho tany amin’ny hopitaly sy tany amin’ny toby fihazonana tany Neuengamme. Nampikorontan-tsaina ahy ireto fanontaniana ireto: Tena misy ve Andriamanitra? Raha izany, nahoana no avelany hisy izao habibiana be dia be izao?

Nanambady an’i Karla aho raha vao afaka tany amin’ny toby fihazonana, tamin’ny Septambra 1947. Iray tanàna izahay taloha, ary Katolika i Karla fa izaho kosa tsy mba nampianarina nivavaka. Nanoro hevitra anay ilay pretra nanao ny mariazinay fa tokony hiara-manao na dia ny Vavaka Nampianarin’ny Tompo ihany aza izahay, isan-kariva. Nanao izany izahay nefa tsy tena hainay akory izay nangatahinay tamin’ilay vavaka.

Teraka i Hans Werner, herintaona taorian’izay. Niresaka tamiko momba ny Vavolombelon’i Jehovah, i Wilhelm Ahrens, mpiara-miasa tamiko, tokony ho tamin’izay fotoana izay. Nasehony ahy avy tao amin’ny Baiboly fa tsy hisy ady intsony indray andro any. (Salamo 46:9) Nanolo-tena ho an’i Jehovah aho tamin’ny 1950, ary natao batisa. Faly be mihitsy aho satria natao batisa koa ny vady malalako herintaona taorian’izay!

Fitaizan-janaka tao amin’ny lalan’i Jehovah

Novakiko tao amin’ny Baiboly fa i Jehovah no namorona ny fanambadiana. (Genesisy 1:26-28; 2:22-24) Tapa-kevitra kokoa aho fa hiezaka ny ho vady sy ray tsara rehefa nahita ny nahaterahan’i Hans Werner, Karl-Heinz, Michael, Gabriele, ary Thomas, zanakay. Faly be mihitsy izahay sy Karla isaky ny teraka ny tsirairay tamin’izy ireo.

Fisehoan-javatra tena lehibe ho anay mianakavy ny fivoriamben’ny vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1953, tany Nuremberg. Nilaza zavatra tsy hadinonay mihitsy ilay mpandahateny, ny zoma hariva, nandritra ilay lahateny hoe “Fitaizan-janaka eo Anivon’ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao.” Hoy izy: “Ny faniriana hanompo an’i Jehovah no lova tsara indrindra azontsika omena ny zanatsika.” Izany indrindra no tianay sy Karla hatao, omban’ny fanampian’i Jehovah. Ahoana anefa no hanaovanay izany?

Nataonay mianakavy fanao aloha ny niara-nivavaka isan’andro. Nanjary tsapan’ireo ankizy fa zava-dehibe ny vavaka. Fantatr’izy ireo dieny mbola kely izy fa mivavaka foana izahay vao misakafo. Raha vao nahita ny biberaony aza izy ireo, tamin’ny mbola zazakely, dia niondrika sady nanakambana ny tanana keliny. Nasaina tamin’ny mariazin’ny havam-badiko tsy Vavolombelona izahay, indray mandeha. Nandroso sakafo maivana ho an’ireo olona nasaina ny ray aman-drenin’ilay vehivavy, rehefa vita ny soratra. Tonga dia saika hihinana avy hatrany ireo nasaina. Hitan’i Karl-Heinz, zanakay dimy taona, anefa fa tsy nety izany ka hoy izy: “Andao aloha hivavaka.” Nijery azy ireo nasaina, nitodika tatỳ aminay, ary tany amin’ny mpanasa. Nangataka hanao ilay vavaka aho mba tsy hahasadaikatra ny olona, ka nanaiky ny mpanasa.

Nampahatsiaro ahy ny tenin’i Jesosy ilay zava-nitranga. Hoy izy: “Avy amin’ny vavan’ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanamboaranao fiderana.” (Matio 21:16) Azonay antoka fa ny vavaka tsy tapaka sy avy amin’ny fo nataonay no nahatonga ny zanakay hihevitra an’i Jehovah ho toy ny Rainy be fitiavana any an-danitra.

Andraikitray eo anatrehan’i Jehovah

Ilaina koa ny miara-mamaky sy mianatra tsy tapaka ny Baiboly amin’ny ankizy raha tiana ho tia an’Andriamanitra izy ireo. Izany no antony nanaovanay fianaram-pianakaviana isan-kerinandro, matetika no isaky ny alatsinainy hariva. Sivy taona no elanelan’ny zanakay voalohany sy ny farany, ka tsy afaka nampianatra azy ireo zavatra nitovy foana izahay, satria samy hafa ny zavatra nilainy.

Zavatra tsotra, ohatra, no nampianarinay an’ireo zanakay mbola tsy nianatra. Niara-namaky andinin-teny tsotra tamin’izy ireo i Karla, na nampiasa sary tao amina boky ara-baiboly. Mbola tsaroako tsara fa namoha ahy aloha be ary niakatra teo am-pandriananay ireo zanako mbola kely, mba hampiseho aminay ny sary tena tian’izy ireo tao amin’ny boky Ny Tontolo Vaovao. *

Nitady fomba hampianarana azy ireo tamim-paharetana ny antony maro tokony hitiavantsika rehetra an’i Jehovah i Karla. Toa tsotra sy mazava izany, nefa asa be ho anay sy Karla, raha ny marina, indrindra ara-batana sy ara-pihetseham-po. Tsy kivy anefa izahay. Nalentikay tao am-pon’ny zanakay ny fitiavana an’i Jehovah dieny mbola kely izy ireo, mba tsy hahafahan’ny olon-kafa tsy mahafantatra an’i Jehovah hisarika azy ireo any aoriana. Nataonay àry izay hanatrehan’izy ireo ny fianaram-pianakavianay raha vao nahay nipetraka izy.

Hitanay sy Karla, fa tena zava-dehibe ny hoe mamela ohatra tsara ho an’ny ankizy izahay eo amin’ny resaka fivavahana. Nataonay izay hifandraisan’ny tsirairay tamin’izy ireo akaiky tamin’i Jehovah, na nihinana izahay, na nanao zaridaina, na nitsangantsangana. (Deoteronomia 6:6, 7) Nataonay izay hananan’ny ankizy tsirairay Baiboly na dia mbola kely aza izy ireo. Nasiako ny anaran’ny tsirairay koa ny gazety raha vao azo, ka hain’ny ankizy ny namantatra ny gazetiny. Hevitra hafa hitanay koa ny nampamaky lahatsoratra tao amin’ny Mifohaza! azy ireo. Nanazava taminay ilay lahatsoratra izy ireo isaky ny alahady avy nisakafo antoandro.

Fanehoana fiheverana ny ankizy tsirairay

Mazava ho azy fa tsy nandeha ho azy ny zava-drehetra. Hitanay, arakaraka ny naha lehibe ny zanakay, fa nila namantatra izay tany am-pony izahay raha te handentika fitiavana ao aminy. Nila nihaino azy ireo àry izahay. Nitaraina izy ireo indraindray, ka navelanay sy Karla hamboraka izay tao am-pony. Nampianay antsasak’adiny ny fianaram-pianakaviana mba hahafahan’ny tsirairay hilaza izay tany am-pony.

Nihevitra, ohatra, i Thomas sy Gabriele, zanakay farany, fa niangatra tamin’ny zokiny lahimatoa izahay. Niteny tsy nihambahamba izy ireo indray mandeha hoe: “Dada a! Heverinay fa avelanareo sy Neny manao izay tiany hatao foana i Hans Werner.” Taitra be aloha aho raha vao nandre ilay izy. Hitanay sy Karla anefa fa marina ny voalazan’izy ireo rehefa nodinihinay tamin’ny saina tsy niangatra. Niezaka àry izahay nampitovy ny fitondranay ny zanakay rehetra.

Tsy nandinika tsara akory aho indraindray fa avy dia nanasazy. Nila nianatra niala tsiny izahay ray aman-dreny tamin’izany. Nivavaka tamin’i Jehovah izahay avy eo. Zava-dehibe ny ahafantaran’ireo ankizy fa vonona hangata-pamelana amin’i Jehovah sy amin’izy ireo ny rainy. Nanjary tena nifandray akaiky tamin’izy ireo izahay. Niteny taminay matetika izy ireo hoe: “Ianareo no tena namanay.” Tena nahasambatra anay izany.

Mampiray saina ny fianakaviana ny fiaraha-miasa. Samy nomena anjara raharaha àry ny tsirairay. Nasaina niantsena, indray mandeha isan-kerinandro, ohatra, i Hans Werner, ka omena vola sy lisitry ny zavatra hovidina. Tsy nomenay anefa izy indray mandeha. Nanontany ny reniny izy, ary nilaza ny reniny fa mbola tsy nanam-bola izahay. Nifampibitsibitsika teo izy samy ankizy ary naka ny boatin-drakiny avy ka namoaka ny vola tao anatiny. Hoy izy rehetra avy eo hoe: “Neny a! Andao amin’izay hiantsena!” Nahay nanampy anay ireo ankizy rehefa nisy zava-tsarotra, ary nahatonga anay hifandray akaiky kokoa izany.

Nanomboka nijerijery ankizivavy ireo zanakay lahy rehefa nihalehibe. Tia anabavy iray 16 taona, ohatra, i Thomas. Nanazava taminy aho fa mila manambady an’ilay anabavy izy raha tena tia azy, ary tokony ho vonona hikarakara azy sy hikarakara zanaka. Takatr’i Thomas fa mbola tsy vonona hanambady izy, satria vao 18 taona.

Niara-nandroso izahay mianakavy

Mbola kely ireo ankizy dia efa nisoratra anarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Nohenoinay tsara ny anjaran’izy ireo, ary nampahery anay izany, satria hitanay fa tena tia an’Andriamanitra izy ireo. Natory tao aminay indraindray ny mpiandraikitra mpitety faritany ka nitantara ny zavatra niainany na namaky Baiboly. Nahatonga ny fianakavianay ho tia ny fanompoana manontolo andro ireny mpiandraikitra ireny sy ny vadiny.

Tsy andrinay ireo fivoriambe. Fomba lehibe nandentehanay ny faniriana hanompo an’Andriamanitra tao am-pon’ny zanakay izy ireny. Faly erỳ izy ireo rehefa hametaka karatry ny fivoriambe, alohan’ny hiaingana. Faly be izahay rehefa natao batisa i Hans Werner tamin’izy folo taona. Nisy nihevitra hoe kely loatra izy ka tsy tokony hanolo-tena ho an’i Jehovah. Niteny tamiko anefa izy tamin’izy 50 taona fa tena velom-pankasitrahana satria nanompo an’i Jehovah nandritra ny 40 taona.

Nasehonay ny zanakay fa zava-dehibe ny mifandray manokana amin’i Jehovah, saingy tsy noterenay hanolo-tena izy ireo. Faly anefa izahay tatỳ aoriana fa natao batisa koa ny zanakay hafa, rehefa vonona ho amin’izany.

Nianatra nametraka ny entanay tamin’i Jehovah izahay

Faly be mihitsy izahay rehefa nahazo diplaoma tamin’ny kilasy faha-51 tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana i Hans Werner, tamin’ny 1971, ary voatendry ho misionera tany Espaina. Nisy fotoana koa naha mpanompo manontolo andro ny zanakay hafa tatỳ aoriana, ka tena nahafaly anay ray aman-dreny izany. Tokony ho tamin’izay no nanomezan’i Hans Werner ahy ilay Baiboly noresahiko terỳ am-piandohana. Toy ny hoe feno ny fifalianay mianakavy.

Tsapanay avy eo fa tena nila nifikitra bebe kokoa tamin’i Jehovah izahay. Nahoana? Satria hitanay fa nisy zanakay niatrika olana tena nisedra ny finoany. Nanana zava-nanahirana, ohatra, i Gabriele zanakay malalanay. Nanambady an’i Lothar izy, tamin’ny 1976. Narary i Lothar taoriana kelin’ny mariazin’izy ireo. Nihareraka hatrany izy, ka nikarakara azy foana i Gabriele mandra-pahafatiny. Ny fahitana havana narary toy izany dia nampahatsiahy anay fa tena mila ny tanana be fitiavan’i Jehovah izahay.—Isaia 33:2.

Tombontsoa tao amin’ny fandaminan’i Jehovah

Nahatsapa tena ho tsy nahay aho rehefa voatendry ho mpikarakara ny fiangonana (mpiandraikitra mpitantan-draharaha ankehitriny) tamin’ny 1955. Betsaka ny zavatra natao, ary nila nifoha tamin’ny efatra maraina aho indraindray mba hahavitana izany. Tena nanampy ahy ny vadiko sy ny ankizy, ka tsy nanelingelina ahy, raha nisy zavatra nataoko tamin’ny hariva.

Niara-niala voly imbetsaka araka izay azo natao anefa izahay mianakavy. Navelan’ny mpampiasa ahy hitondra ny fiarany aho indraindray mba hitondrako ny fianakaviako mitsangantsangana. Nahafinaritra ny ankizy ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana tany anaty ala. Niara-nandehandeha koa izahay ka sady namakivaky ala no nihirahira narahina farara indraindray.

Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra mpisolo toerana (mpiandraikitra mpitety faritany) aho, tamin’ny 1978. Tsy nampoiziko ilay izy ka nivavaka aho hoe: “Jehovah ô! Tsy mahay an’io asa io aho. Nefa moa hanao izay vitako aho raha izay no tianao.” Nomeko an’i Thomas, zanakay faralahy ny asako, roa taona taorian’izay, tamin’izaho 54 taona.

Afaka nanompo an’i Jehovah bebe kokoa izahay sy Karla, satria efa lehibe daholo ny zanakay. Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra aho tamin’io taona io, ary nasaina nitsidika ny tapany tamin’i Hambourg sy i Schleswig-Holstein manontolo. Ny olana mpahazo ny ray aman-dreny sy ny zanany indrindra no tena hainay notakarina satria efa nanana fianakaviana izahay. Niantso anay hoe ray aman-drenin’ny faritra ny ankamaroan’ireo rahalahy.

Tsy maintsy nodidiana i Karla, rehefa avy nanao fitetezam-paritra nandritra ny folo taona izahay. Hitan’ny dokotera koa tamin’io taona io fa nisy nivonto tao amin’ny atidohako. Nijanona tsy ho mpiandraikitra ny faritra intsony àry aho, ary nodidiana ny atidohako. Telo taona tatỳ aoriana vao niverina ho mpiandraikitra ny faritra mpisolo toerana indray aho. Efa samy maherin’ny 70 taona izao izahay sy Karla ary tsy manao asa fitetezam-paritany intsony. Nataon’i Jehovah izay hahitanay fa tsy mety aminay intsony ny manao asa tsy ho vitanay.

Misaotra an’i Jehovah izahay sy Karla, rehefa mitodika ny lasa, satria nanampy anay handentika tao am-pon’ny zanakay ny fitiavana ny fahamarinana izy. (Ohabolana 22:6) Nitarika sy nampiofana anay i Jehovah nandritra ny taona maro, ka nanampy anay hanatontosa ny andraikitray. Antitra sy osa izahay, nefa matanjaka sy velona hatrany ny fitiavanay an’i Jehovah.—Romana 12:10, 11.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 15 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, saingy tsy misy intsony.

[Sary, pejy 26]

Izahay mianakavy nandeha teny amoron’ny Ony Elbe, any Hambourg, 1965

[Sary, pejy 28]

Ny sasany taminay, tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenena tany Berlin, tamin’ny 1998

[Sary, pejy 29]

Izaho sy Karla vadiko