Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Anehoy Hatsaram-panahy Miharo Fitiavana Ireo Mila Fanampiana

Anehoy Hatsaram-panahy Miharo Fitiavana Ireo Mila Fanampiana

Anehoy Hatsaram-panahy Miharo Fitiavana Ireo Mila Fanampiana

‘Samia mifamindra fo amin’ny rahalahiny avy.’—ZAKARIA 7:9.

1, 2. a) Nahoana isika no tokony hamindra fo? b) Inona avy no fanontaniana hodinihintsika?

MAMPIRISIKA antsika ho tia “famindrampo”, na hatsaram-panahy miharo fitiavana, ny Tenin’i Jehovah Andriamanitra. (Mika 6:8) Hazavainy amintsika koa ny antony tokony hanaovantsika izany. Anisan’izany ny hoe ‘mahazo soa ho an’ny tenany ny olona mamindra fo.’ (Ohabolana 11:17) Marina tokoa izany! Mahatonga antsika hifankatia sy hanana fifandraisana maharitra amin’olona ny famindram-po, na fitiavana tsy mivadika. Hanana namana tsy mivadika isika, noho izany. Valisoa sarobidy tokoa re izany!—Ohabolana 18:24.

2 Milaza amintsika koa ny Soratra Masina hoe: “Izay fatra-panaraka fahamarinana sy famindrampo dia hahazo fiainana.” (Ohabolana 21:21) Eny, hanjary ho tian’Andriamanitra isika raha mamindra fo. Hahazo fitahiana koa isika, anisan’izany ny fiainana mandrakizay. Ahoana anefa no anehoantsika famindram-po? Iza no tokony hanehoantsika azy io? Ary samy hafa ve ny famindram-po sy ny hatsaram-panahy?

Ny hatsaram-panahy sy ny famindram-po

3. Inona no maha samy hafa ny famindram-po sy ny hatsaram-panahy?

3 Misy lafiny maromaro maha samy hafa ny hatsaram-panahy sy ny famindram-po. Matetika ny olona no tsy manana fifandraisana lalina na tsy miraiki-po amin’ilay olona anehoany hatsaram-panahy. Olona iraiketan’ny fontsika kosa no anehoantsika famindram-po. Mety ho ireto no antony nahatonga ny olona haneho famindram-po, ao amin’ny Baiboly: efa nifankahafantatra izy ireo (Genesisy 20:13; 2 Samoela 3:8; 16:17), na efa nifaneho hatsaram-panahy. (Josoa 2:1, 12-14; 1 Samoela 15:6; 2 Samoela 10:1, 2) Hampitaha ohatra roa ao amin’ny Baiboly isika mba hanazavana izany fahasamihafana izany: hatsaram-panahy ny iray ary famindram-po asehon’ny olombelona ny faharoa.

4, 5. Hazavao amin’ny alalan’ireo ohatra ara-baiboly voalaza eto ny maha samy hafa ny hatsaram-panahy sy ny famindram-po.

4 Nanehoana hatsaram-panahy, ohatra, ny olona maromaro vaky sambo, anisan’izany ny apostoly Paoly. Teny amoron’ny nosy Melita, na Malta, izy ireo no natsipin’ny ranomasina. (Asan’ny Apostoly 27:37–28:1) Tsy nisy fifanekena na fifandraisana teo amin’ireo tantsambo voatery nijanona tany Malta ireo sy ny mponina tao. Noraisin’ireo mponina tsara anefa ireo vahiny, ary ‘tsy kely ny soa nasehony taminy.’ (Asan’ny Apostoly 28:2, 7) Hatsaram-panahy no nanosika azy ireo handray ireo vahiny, nefa kisendrasendra izany, ary olona tsy fantany no nanaovany izany. Hatsaram-panahy tsotra fotsiny izany.

5 Ampitahao amin’izany ny fandraisan’i Davida Mpanjaka an’i Mefiboseta, zanak’i Jonatana namany. Hoy i Davida tamin’i Mefiboseta: ‘Hihinana eo amin’ny latabatro mandrakariva ianao.’ Nohazavainy toy izao ny anton’izany: “Hasiako soa [na hamindrako fo] tokoa hianao noho ny amin’i Jonatana rainao.” (2 Samoela 9:6, 7, 13) Tena azo lazaina hoe naneho famindram-po i Davida rehefa nandray an’i Mefiboseta toy izany. Tsy hatsaram-panahy tsotra fotsiny izany, satria nanaporofo ny tsy fivadihany tamin’i Jonatana namany. (1 Samoela 18:3; 20:15, 42) Tsara fanahy amin’ny olona amin’ny ankapobeny koa ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny. Ny mpiray finoana aminy, izay mpanompo ankasitrahan’Andriamanitra toa azy, kosa no anehoany famindram-po.—Matio 5:45; Galatiana 6:10.

6. Inona no asehon’ny Tenin’Andriamanitra momba ny famindram-po asehon’ny olombelona?

6 Handinika tantara telo ao amin’ny Baiboly manasongadina ny famindram-po isika, mba handalinana ny zavatra hafa mampiavaka azy io. Homarihintsika fa ny famindram-pon’ny olona dia 1) miseho amin’ny asa voafaritra tsara, 2) atao an-tsitrapo, ary 3) aseho indrindra amin’ireo mila fanampiana. Asongadin’ireo tantara ireo koa ny fomba azontsika anehoana famindram-po.

Ray naneho famindram-po

7. Inona no nolazain’ilay mpanompon’i Abrahama tamin’i Betoela sy Labana, ary inona no tian’io mpanompo io ho fantatra?

7 Hita ao amin’ny Genesisy 24:28-67 ny tapany farany amin’ny tantaran’ilay mpanompon’i Abrahama noresahina tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha. Nifankahita tamin-dRebeka izy ary nasaina ho any an-tranon’i Betoela, rain-dRebeka avy eo. (Andininy 28-32) Notantarainy tamin’ny an-tsipiriany ny fitadiavany vady ho an’ny zanak’i Abrahama. (Andininy 33-47) Nantitranteriny fa famantarana avy tamin’i Jehovah no fiheverany ny fahombiazany hatreo, ary nilaza izy hoe i Jehovah no “nitondra ahy tamin’ny làlana marina haka ny zanakavavin’ny rahalahin’ny tompoko, ho an’ny zanany.” (Andininy 48) Azo antoka fa nantenainy hino i Betoela sy Labana zanany hoe i Jehovah no naniraka azy, rehefa avy nitantara izany tamim-pahatsorana izy. Hoy izy tamin’ny farany: “Raha hanao izay soa sy marina amin’ny tompoko hianareo, dia lazao amiko; fa raha tsy izany kosa, dia lazao amiko, mba hiviliako na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia.”—Andininy 49.

8. Inona no nataon’i Betoela tamin’ilay raharaha nahakasika an-dRebeka?

8 Efa namindra fo tamin’i Abrahama i Jehovah. (Genesisy 24:12, 14, 27) Ho vonona hanao izany koa ve i Betoela ka hamela an-dRebeka hanaraka ny mpanompon’i Abrahama? Hameno ny famindram-pon’Andriamanitra ve ny famindram-pon’olona? Sa ho very maina ny dia lavitra nataon’ilay mpanompo? Azo antoka fa nampahery an’io mpanompo io izao tenin’i Labana sy Betoela izao: “Avy tamin’i Jehovah no nisehoan’izany zavatra izany.” (Andininy 50) Takatr’izy ireo fa i Jehovah no nitantana ny raharaha, ka nekeny avy hatrany ny fangatahan’ilay mpanompo. Namindra fo koa i Betoela avy eo, ka nanao hoe: “Indro, Rebeka eto anatrehanao, ento izy, ka mandehana; ary aoka ho vadin’ny zanaky ny tomponao izy, araka izay nolazain’i Jehovah.” (Andininy 51) Nanaraka an-tsitrapo an’ilay mpanompon’i Abrahama i Rebeka, ary tsy ela dia lasa vady malalan’i Isaka.—Andininy 49, 52-58, 67.

Zanaka namindra fo

9, 10. a) Inona no nangatahin’i Jakoba tamin’i Josefa, zanany? b) Ahoana no nanehoan’i Josefa famindram-po tamin’ny rainy?

9 Namindrana fo koa i Jakoba zafikelin’i Abrahama. Tantarain’ny Genesisy toko faha-47 fa nipetraka tany Ejipta i Jakoba ary ‘antomotra ny andro hahafatesany.’ (Andininy 27-29) Nanahy izy satria ho faty lavitra an’ilay tany nampanantenain’Andriamanitra an’i Abrahama. (Genesisy 15:18; 35:10, 12; 49:29-32) Tsy tian’i Jakoba anefa ny handevenana azy tany Ejipta, ka nasainy halevina tany Kanana ny fatiny. Iza no tena tsara toerana hanatontosa izany faniriany izany, fa tsy i Josefa zanany, izay nanam-pahefana?

10 Hoy ilay fitantarana: “Nampaka an’i Josefa zanany izy [Jakoba] ka nanao taminy hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonao aho, masìna hianao, ataovy ato ambanin’ny feko ny tànanao, ka ataovy amiko izay soa [na famindram-po] sy izay marina; masìna hianao, aza alevina atỳ Egypta aho. Fa rehefa lasa mody mandry any amin’ny razako aho, dia ho entinao hiala atỳ Egypta ka halevinao ao amin’ny fasany.” (Genesisy 47:29, 30) Nampanantena ny hanao izany i Josefa, ary tsy ela taorian’izay dia maty i Jakoba. Nentin’i Josefa sy ny rahalahiny ‘tany Kanana ny fatiny, ary naleviny tao amin’ny zohy amin’ny saha Makpela, ilay novidin’i Abrahama.’ (Genesisy 50:5-8, 12-14) Toy izany no nanehoan’i Josefa famindram-po tamin’ny rainy.

Vinantovavy namindra fo

11, 12. a) Ahoana no nanehoan’i Rota famindram-po tamin’i Naomy? b) Nahoana ilay famindram-pon’i Rota ‘tao aoriana’ no lehibe lavitra noho ilay “voalohany”?

11 Tantarain’ny bokin’ny Rota fa namindra fo tamin’i Naomy rafozany maty vady i Rota izay maty vady koa. Nanapa-kevitra i Naomy fa hody tany Betlehema, any Joda. Namindra fo i Rota tamin’izay ary tsy nety niova hevitra, ka nanao hoe: “Izay alehanao no halehako, ary izay itoeranao no hitoerako, ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro.” (Rota 1:16) Nampiseho ny famindram-pony i Rota tatỳ aoriana rehefa nilaza fa vonona hanambady an’i Boaza, ilay havan’i Naomy be taona. * (Deoteronomia 25:5, 6; Rota 3:6-9) Hoy i Boaza taminy: “Efa nanao soa [na famindram-po] be lavitra tamin’ny ato aoriana hianao noho ny tamin’ny voalohany, noho ny tsy nanarahanao ny zatovo, na ny malahelo, na ny manan-karena.”—Rota 3:10.

12 Namindra fo “voalohany” i Rota rehefa nandao ny fireneny ka tsy nety nisaraka tamin’i Naomy. (Rota 1:14; 2:11) Naneho famindram-po be lavitra anefa izy ‘tato aoriana’ rehefa nanaiky hanambady an’i Boaza. Afaka niteraka mpandova ho an’i Naomy izay tsy afaka niteraka intsony àry i Rota. Nivady i Rota sy Boaza ary rehefa niteraka izy dia hoy ny vehivavy tao Betlehema: “Misy zazalahy teraka ho an’i Naomy.” (Rota 4:14, 17) “Vehivavy tsara” tokoa i Rota, ka nomen’i Jehovah valisoa tsy manan-tsahala, satria tonga razamben’i Jesosy Kristy.—Rota 2:12; 3:11; 4:18-22; Matio 1:1, 5, 6.

Aseho amin’ny zavatra atao

13. Ahoana no nampisehoan’i Betoela sy Josefa ary Rota ny famindram-pony?

13 Voamarikao ve ny fomba nanehoan’i Betoela sy Josefa ary Rota ny famindram-pony? Sady nanao teny feno hatsaram-panahy izy ireo no nanao zavatra voafaritra tsara. Tsy niteny fotsiny i Betoela hoe “indro, Rebeka”, fa “namoaka an-dRebeka” koa izy. (Genesisy 24:51, 59) Tsy nilaza fotsiny i Josefa hoe “hanao araka ny teninao aho”, fa niara-nikarakara an’i Jakoba “araka izay nandidiany azy” mihitsy izy sy ny rahalahiny. (Genesisy 47:30; 50:12, 13) Tsy niteny fotsiny i Rota hoe “izay alehanao no halehako”, fa sady nandao ny fireneny izy no nanaraka an’i Naomy, ka “nandeha izy mianaka mandra-pahatongany tany Betlehema.” (Rota 1:16, 19) “Nanao araka izay rehetra nandidian’ny rafozani-vavy azy” indray i Rota rehefa tany Joda. (Rota 3:6) Eny, nanao zavatra i Rota sy ny olon-kafa mba hanehoana famindram-po.

14. a) Inona no ataon’ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny mba hanehoana famindram-po? b) Inona no ataon’ny Kristianina eo amin’ny faritra misy anao mba hanehoana famindram-po?

14 Mampahery ny mahita fa mbola maneho famindram-po hatrany ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny. Eritrereto, ohatra, ireo tsy mitsahatra mampahery ny mpiray finoana izay kilemaina, na kivy, na nidonam-pahoriana. (Ohabolana 12:25) Maro koa ny Vavolombelon’i Jehovah mitondra an’ireo be taona mba hanatrika fivoriana isan-kerinandro, any amin’ny Efitrano Fanjakana. Voan’ny aretin’ny vanin-taolana i Anna, 82 taona. Mitovy amin’izao lazainy izao ny zavatra tsapan’ny olona maro: “Fitahiana avy amin’i Jehovah izany hoe misy mitondra anao any amin’ny fivoriana rehetra izany. Misaotra azy amin’ny foko manontolo aho noho izy manome ahy anadahy sy rahavavy be fitiavana toy izany.” Mandray anjara amin’ny fanaovan-javatra toy izany ve ianao eo anivon’ny fiangonanao? (1 Jaona 3:17, 18) Raha izany dia matokia fa tena ankasitrahana ny famindram-ponao.

Atao an-tsitrapo

15. Inona koa no asongadin’ireo tantara telo nodinihintsika tao amin’ny Baiboly momba ny famindram-po?

15 Asehon’ireo tantara nojerentsika tao amin’ny Baiboly ireo fa atao an-tsitrapo ny famindram-po, fa tsy an-tery. Nanampy an-tsitrapo an’ilay mpanompon’i Abrahama i Betoela sy Rebeka. (Genesisy 24:51, 58) Tsy nisy nanery an’i Josefa koa rehefa namindra fo izy. (Genesisy 50:4, 5) Tsy nety nandao an’i Naomy i Rota fa ‘nikikitra homba azy.’ (Rota 1:18) Rehefa nasain’i Naomy hankany amin’i Boaza i Rota moabita, dia nanosika azy hilaza toy izao ny famindram-po: “Hataoko izay rehetra lazainao amiko.”—Rota 3:1-5.

16, 17. Inona no tena mampiavaka ny famindram-po nasehon’i Betoela sy Josefa ary Rota, ary inona no nanosika azy ireo haneho io toetra io?

16 Misy zavatra tena mampiavaka ny famindram-po nasehon’i Betoela sy Josefa ary Rota. Tsy afaka nanery azy ireo hanao zavatra mantsy i Abrahama sy Jakoba ary Naomy. Tsy nisy lalàna nanery an’i Betoela handefa ny zanany vavy mihitsy. Azony natao ny nilaza tamin’ilay mpanompon’i Abrahama hoe: ‘Tsy handefa ity zanako vavy mazoto miasa ity aho.’ (Genesisy 24:18-20) Afaka nifidy ny hanao na tsy hanao ny zavatra nangatahin’i Jakoba koa i Josefa, satria tsy afaka hanery azy hitana ny teny nataony ny rainy rehefa maty. I Naomy aza moa nilaza tamin-dRota fa afaka mijanona any Moaba izy raha tiany. (Rota 1:8) Afaka nanambady ny iray tamin’ireo “zatovo” koa i Rota fa tsy i Boaza efa be taona.

17 Naneho famindram-po an-tsitrapo i Betoela sy Josefa ary Rota. Natosiky ny fony izy ireo. Noraisin’izy ireo ho adidy tamin’ireo nifandray taminy ny namindra fo, toa an’i Davida Mpanjaka, izay nihevitra fa adidiny ny namindra fo tamin’i Mefiboseta.

18. a) Inona no toe-tsain’ny anti-panahy rehefa ‘miandry ny ondry’ izy? b) Ahoana ny fihetseham-pon’ny anti-panahy iray momba ny fanampiana ny mpiara-manompo?

18 Mbola mampiavaka ny vahoakan’Andriamanitra ny famindram-po. Anisan’ny maneho izany ireo anti-panahy, na mpiandraikitra, miandry ny andian’ondrin’Andriamanitra. (Salamo 110:3; 1 Tesaloniana 5:12) Raisin’izy ireo ho andraikiny ny fiezahana ho mendrika ny asa nankinina taminy, rehefa notendrena izy ireo. (Asan’ny Apostoly 20:28) Na izany aza dia “tsy an-tery, fa amin’ny sitrapo” no iandrasany ny ondry sy anehoany famindram-po amin’ny fiangonana. (1 Petera 5:2) Matoa miandry ny ondry ireo anti-panahy dia satria andraikiny sy faniriany izany. Maneho famindram-po amin’ny ondrin’i Kristy izy ireo satria tokony hanao izany ary maniry hanao izany. (Jaona 21:15-17) Hoy ny anti-panahy iray: “Tena tiako ny mitsidika rahalahy any an-tranony na miantso azy an-telefaonina, mba hampisehoako fotsiny hoe nahatsiaro azy aho. Tena mahafaly sady mahafa-po ahy ny manampy ny rahalahy!” Manaiky izany amin’ny fony manontolo ny anti-panahy be fitiavana rehetra.

Amindrao fo ireo mila fanampiana

19. Inona no asongadin’ny tantara ara-baiboly nodinihintsika tato amin’ity lahatsoratra ity momba ny famindram-po?

19 Asehon’ireo tantara nodinihintsika tao amin’ny Baiboly ireo koa fa aseho amin’ny olona mila fanampiana ny famindram-po. Nila ny fanampian’i Betoela i Abrahama mba hitohizan’ny taranany. Nila ny fanampian’i Josefa i Jakoba mba hitondra ny fatiny tany Kanana. Ary nila ny fanampian-dRota i Naomy mba hananany mpandova. Tsy maintsy nila fanampiana i Abrahama sy Jakoba ary Naomy mba hahazoana izany zavatra nilainy izany. Ireo mila fanampiana koa ankehitriny no tena tokony hanehoana famindram-po. (Ohabolana 19:17) Tokony hanahaka an’i Joba isika. ‘Namonjy ny ory nitaraina izy sy ny kamboty tsy nanan-kamonjy ary izay efa ho faty.’ ‘Nampifaly ny fon’ny mpitondratena’ koa i Joba ary tonga ‘maso ho an’ny jamba sy tongotra ho an’ny mandringa.’—Joba 29:12-15.

20, 21. Iza no mila ny hanehoantsika famindram-po, ary tokony ho tapa-kevitra hanao inona foana isika tsirairay?

20 Tena misy ‘ory mitaraina’ eo anivon’ny fiangonana kristianina rehetra. Ny anton’izany angamba dia satria manirery izy ireo, na kivy na mahatsiaro tena ho tsy misy vidiny, na diso fanantenana tamin’ny olon-kafa, na marary mafy, na nisy havan-tiany maty. Na ahoana na ahoana dia mila fanampiana ireo olona malalantsika ireo. Afaka manampy azy ireo isika ary tokony hanao izany, ka hanao zavatra an-tsitrapo mba hanehoana famindram-po aminy hatrany.—1 Tesaloniana 5:14.

21 Aoka àry isika hanohy hanahaka an’i Jehovah Andriamanitra, izay “be famindrampo.” (Eksodosy 34:6; Efesiana 5:1) Izany no ataontsika rehefa manao zavatra voafaritra tsara isika, indrindra ho an’ireo mila fanampiana. Azo antoka fa hanome voninahitra an’i Jehovah sy hahita fifaliana lehibe isika rehefa “mifamindra fo.”—Zakaria 7:9.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Misy tsipiriany momba ny karazana fanambadiana resahina eto, ao amin’ny Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina (frantsay), navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, Boky 2, pejy 226.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no maha samy hafa ny famindram-po sy ny hatsaram-panahy?

• Ahoana no nanehoan’i Betoela sy Josefa ary Rota famindram-po?

• Inona no toe-tsaina tokony hananantsika rehefa mamindra fo isika?

• Iza no mila ny hanehoantsika famindram-po?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 18]

Ahoana no nanehoan’i Betoela famindram-po?

[Sary, pejy 21]

Nahasoa an’i Naomy ny famindram-pon’i Rota

[Sary, pejy 23]

Ny famindram-po dia atao an-tsitrapo, amin’ny alalan’ny zavatra voafaritra tsara, sy amin’ireo mila fanampiana