Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Mety amin’ny Kristianina marina ve ny manatrika fotoam-pivavahana any am-piangonana rehefa misy maty na rehefa misy mariazy?

Tsy mampifaly an’i Jehovah ny fandraisana anjara amin’izay endrika fivavahan-diso rehetra, ka tsy maintsy halavirintsika. (2 Korintiana 6:14-17; Apokalypsy 18:4) Azo inoana fa miresaka hevitra tsy araka ny Soratra Masina toy ny hoe tsy maty ny fanahy sy hoe mankany an-danitra daholo ny olona tsara, ny toritenim-pandevenana atao any am-piangonana. Mety ho tafiditra amin’izany koa ny fanaovana mariky ny lakroa sy fiaraha-mivavaka amin’ny mpitondra fivavahana. Mety ho anisan’ny fanamasinana mariazy any am-piangonana na any an-toeran-kafa koa ny vavaka sy fanao ara-pivavahana hafa mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Baiboly. Mety ho sarotra amin’ny Kristianina ny tsy handray anjara amin’ny fanaon’ny fivavahan-diso rehefa mandray anjara daholo ny manodidina azy. Tena tsy fahendrena àry raha mbola mandeha any ihany izy!

Ahoana anefa raha mahatsapa ny Kristianina iray fa voatery manatrika fotoam-pivavahana ho an’ny fandevenana na mariazy any am-piangonana? Mety hangataka ny vadiny kristianina hiaraka aminy ho any am-piangonana, ohatra, ny lehilahy tsy mpino. Afaka miaraka aminy ve izy, ka hitazana fotsiny? Mety hanapa-kevitra ny hiaraka amin’ny vadiny izy noho ny fangatahany, nefa tsy handray anjara amin’izay fombafomba ara-pivavahana rehetra atao any. Mety hanapa-kevitra ny tsy handeha koa anefa izy, satria tsapany fa angamba tsy ho vitany ny hiatrika ilay toe-javatra, ka mety hahatonga azy handika ny toro lalan’Andriamanitra. Safidiny manokana izany. Tokony ho azony antoka fa nety ny fanapahan-keviny ka madio ny fieritreretany.—1 Timoty 1:19.

Tsara foana anefa raha hazavainy amin’ny vadiny fa tsy afaka handray anjara mihitsy amin’izay fombafomba ara-pivavahana atao any izy, na hihira, na hanondrika ny lohany rehefa misy vavaka. Angamba hanahy ilay lehilahy, araka izany, sao hanao zavatra tsy ho tiany ilay vehivavy raha manatrika any. Mety hanapa-kevitra ny handeha irery izy satria tiany ny vadiny ary hajainy ny zavatra inoany, na satria tsy te ho sanganehana izy. Mety hanatrika ilay vehivavy ary hitazana fotsiny raha mitaky ny handehanany ilay lehilahy.

Tokony hojerena koa anefa ny mety ho vokatry ny fanatrehantsika fotoam-pivavahana any am-piangonana eo amin’ny mpiray finoana amintsika. Mety hanimba ny fieritreretan’ny sasany ve izany? Sao mety hanjary ho sarotra amin’izy ireo ny hanalavitra fanompoan-tsampy? Nananatra toy izao ny apostoly Paoly: “Nefa tandremo, fandrao izany fahafahanareo izany ho tonga fahatafintohinana ho an’ny malemy.”—1 Korintiana 8:9-13.

Mety hisy fanerena bebe kokoa raha havana akaiky no tafiditra amin’ilay toe-javatra. Tsy maintsy mandinika tsara ny lafin-javatra rehetra mifandray amin’izany anefa ny Kristianina. Mety ho hitany, amin’ny tarehin-javatra sasany, fa tsy hisy olana raha manatrika fotoam-pivavahana ho an’ny fandevenana na mariazy izy, ka mitazana fotsiny. Amin’ny tarehin-javatra hafa anefa, dia mety hanimba ny fieritreretany na ny an’ny hafa ny fanatrehany fotoam-pivavahana toy izany. Ho zava-dehibe kokoa izany noho ny fifaliana mety ho azony amin’ny fanatrehana ilay fotoam-pivavahana. Na inona na inona anefa fanapahan-kevitra horaisin’ilay Kristianina, dia tokony ho azony antoka fa ho madio hatrany ny fieritreretany eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona.