Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilaintsika Hofantarina Andriamanitra

Ilaintsika Hofantarina Andriamanitra

Ilaintsika Hofantarina Andriamanitra

TSY mientam-po ve ianao mahita lanitra feno kintana amin’ny alina tsy semban-drahona? Tsy mahafinaritra anao ve ny fameroveron’ireo voninkazo samy hafa loko? Tsy tianao ve ny mihaino vorona mihira na ravina mikasaosaoka rehefa misy tsiotsio-drivotra? Mahaliana erỳ koa ireo trozona matanjaka be sy biby hafa monina any anaty ranomasina! Eo koa ny olombelona izay manana feon’ny fieritreretana sy atidoha be kojakojany tena mahavariana. Ahoana no anazavanao ny fisian’ireo zavatra mahatalanjona rehetra manodidina antsika?

Misy mihevitra fa vokatry ny kisendrasendra izany rehetra izany. Nahoana anefa ny olona no mino an’Andriamanitra, raha izany no izy? Zavatra simika maro samihafa sendra nikambankambana ve dia hahaforona zavaboary mahatsapa hoe mila mivavaka?

“Anisan’ny maha izy ny olona mihitsy ny fivavahana, na inona na inona fari-piainany na fanabeazana azy.” Izany no mamintina ny fikarohana nataon’ny Profesora Alister Hardy, ao amin’ny bokiny Ny Fitiavan’ny Olona Mivavaka (anglisy). Nisy manam-pahaizana nanao fikarohana momba ny atidoha vao haingana. Hitan’izy ireo tamin’izany fa mety ho efa “napetraka tao amin’ny olombelona” mihitsy ny fahaizana mivavaka. Milaza toy izao ny boky iray: ‘Efa nampiasa ny fivavahana mba hitadiavana ny zava-kendren’ny fiainana foana ny olona avy amin’ny firenena rehetra hatramin’izay nisiany.’

Eritrereto ny fanatsoahan-kevitry ny lehilahy iray nahita fianarana, 2 000 taona teo ho eo izay. Hoy izy: “Ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra.” (Hebreo 3:4) Izao mihitsy no lazain’ny andininy voalohany amin’ny Baiboly: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.”—Genesisy 1:1.

Iza anefa Andriamanitra? Samy manana ny heviny momba izany ny olona. Nanontaniana i Yoshi, tanora japoney, hoe iza Andriamanitra. Izao no navaliny: “Tsy dia haiko loatra. Bodista aho ka tsy zava-dehibe amiko ny mahafantatra hoe iza Andriamanitra.” Niaiky anefa izy fa ataon’ny maro ho andriamanitra i Bouddha. Mino ilay mpandraharaha atao hoe Nick, 60 taona mahery, fa misy Andriamanitra ary heveriny fa hery faran’izay matanjaka izy io. Nasaina nohazavainy izay fantany momba azy io. Niato ela izy vao namaly hoe: “Sarotra be ny mamaly an’izany. Ny hany azo antoka dia hoe misy Andriamanitra.”

Misy ‘manaja sy manompo ny zavatra natao, fa tsy ny Mpanao.’ (Romana 1:25) Olona an-tapitrisa no mivavaka amin’ny razana satria heveriny fa lavitra loatra Andriamanitra ka tsy azo hatonina. Betsaka ny andriamanitra sy andriamanibavy ao amin’ny fivavahana hindoa. Tamin’ny andron’ny apostolin’i Jesosy Kristy, dia maro samihafa ny andriamanitra nivavahana, toa an-dry Jopitera sy Merkory. (Asan’ny Apostoly 14:11, 12) Betsaka koa ny fiangonan’ny Kristianisma Anarana no mampianatra fa telo izay iray Andriamanitra, izany hoe Andriamanitra Ray, Zanaka sy Fanahy.

Marina tokoa fa “misy andriamanitra maro sy tompo maro”, hoy ny Baiboly. Hoy koa anefa izy: “Nefa amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, Izay nihavian’ny zavatra rehetra.” (1 Korintiana 8:5, 6) Eny, iray ihany no Andriamanitra marina. Iza anefa izy io? Ohatra ny ahoana izy? Zava-dehibe ny hahafantarantsika ny valin’ireo fanontaniana ireo. I Jesosy mihitsy no nivavaka tamin’Andriamanitra toy izao: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3) Misy antony inoana fa miankina amin’ny fahafantarantsika ny marina momba an’Andriamanitra ny fahasambarantsika mandrakizay.

[Sary, pejy 3]

Ahoana no nampisy azy ireny?

[Sary nahazoan-dalana]

Trozona: Courtesy of Tourism Queensland

[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]

FONONY: Index Stock Photography © 2002