Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza moa Andriamanitra?

Iza moa Andriamanitra?

Iza moa Andriamanitra?

“ANDRIAMANITRA no fiantso an’ilay fahefana fara tampony nampisy izao rehetra izao sy ivavahan’ny olona”, hoy Ny Rakipahalalana Amerikanina (anglisy). Milaza ny diksionera iray fa Andriamanitra dia Ilay lehibe indrindra eran’izao rehetra izao. Mahatahotra izy. Manao ahoana ny toetrany?

Hery fotsiny ve Andriamanitra? Manana anarana ve izy? Andriamanitra telo izay iray ve izy, araka ny inoan’ny maro? Ahoana no ahafantarantsika azy? Manome valiny marina sy mahafa-po amin’ireo fanontaniana ireo ny Baiboly. Ampirisihiny isika hitady an’Andriamanitra amin’ny filazana hoe: “Tsy mba lavitra antsika rehetra Izy.”—Asan’ny Apostoly 17:27.

Hery fotsiny ve Andriamanitra?

Maro amin’ireo mino an’Andriamanitra no mihevitra fa hery fotsiny izy. Misy firenena, ohatra, mihevitra fa karazana andriamanitra ireo herin’ny natiora. Nisy olona nanatsoaka hevitra fa tsy maintsy nisy zavatra nahatonga izao rehetra izao, rehefa nodinihin’izy ireo ny porofo voangon’ny mpahay siansa momba an’izao rehetra izao sy ny zavamananaina eto an-tany. Misalasala anefa izy ireo ny hilaza fa manana ny maha izy azy izany zavatra izany.

Ny fisian’ny zavaboary be kojakojany ve anefa tsy mampiseho fa tsy maintsy ho manam-pahaizana ilay zavatra nahatonga izao rehetra izao? Matoa misy fahaizana, dia misy saina. Andriamanitra no manana saina lehibe nampisy izao zavatra ary rehetra izao. Manana vatana izy, saingy vatana ara-panahy, tsy mitovy amin’ny antsika. “Raha misy tena araka ny fomban’aina, dia misy araka ny fombam-panahy koa”, hoy ny Baiboly. (1 Korintiana 15:44) Manazava toy izao koa ny Baiboly: “Andriamanitra dia Fanahy.” (Jaona 4:24) Tena samy hafa amintsika ny fanahy ary tsy hita maso izy io. (Jaona 1:18) Misy zavaboary ara-panahy hafa koa tsy hita maso, dia ny anjely, izany hoe “ireo zanak’Andriamanitra.”—Joba 1:6; 2:1.

Ara-dalàna raha manana fonenana Andriamanitra, satria manana vatana ara-panahy izy sady tsy nisy namorona. Lazain’ny Baiboly fa ny lanitra no ‘fonenan’Andriamanitra’ sy ireo zavaboary ara-panahy. (1 Mpanjaka 8:43) Hoy koa i Paoly, mpanoratra ny Baiboly: ‘Kristy niditra ho any an-danitra, mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika.’—Hebreo 9:24.

Manana heviny hafa koa ny teny hoe “fanahy” ao amin’ny Baiboly. Nivavaka toy izao tamin’Andriamanitra ny mpanao salamo: “Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy.” (Salamo 104:30) Tsy Andriamanitra akory io fanahy io, fa ny hery irahiny na ampiasainy mba hanatanterahana izay iriny. Tamin’ny alalan’izy io no namoronan’Andriamanitra ny lanitra sy ny tany ary ny zavamananaina rehetra. (Genesisy 1:2; Salamo 33:6) Antsoina hoe fanahy masina io fanahiny io. Nampiasa ny fanahiny masina Andriamanitra mba hanomezana tsindrimandry ireo nanoratra ny Baiboly. (2 Petera 1:20, 21) Koa ny fanahy masina àry dia ny hery tsy hita maso ampiasain’Andriamanitra hanatanterahana ny fikasany.

Manana anarana tsy manan-tsahala Andriamanitra

Nanontany toy izao i Agora, mpanoratra ny Baiboly: “Iza no nahangona ny rivotra tao an-tànany? Iza no nahafono ny rano tamin’ny lambany? Iza no naha-misy ny faran’ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran’ny zanany?” (Ohabolana 30:4) Toy ny nanontany i Agora hoe: ‘Fantatrao ve ny anarana na ny razamben’izay olona nanao ireo zavatra ireo?’ Andriamanitra ihany no manan-kery hifehy ny herin’ny natiora. Tsy milaza ny anaran’Andriamanitra ny zavaboary na dia manaporofo tanteraka aza fa misy izy. Tsy ho fantatsika mihitsy ny anaran’Andriamanitra raha tsy izy no mampahafantatra antsika an’izany. Ary izany no nataony. “Izaho no Jehovah, izany no anarako”, hoy ilay Mpamorona.—Isaia 42:8.

Efa ho im-7000 no miseho ny anarana tsy manan-tsahalan’Andriamanitra hoe Jehovah, ao amin’ny Soratra Hebreo fotsiny. Nampahafantatra io anarana io tamin’ny olona i Jesosy Kristy ary nidera azy io teo anatrehan’izy ireo. (Jaona 17:6, 26) Hita ao amin’ny boky farany amin’ny Baiboly io anarana io, ao anatin’ilay teny hoe “Haleloia”, midika hoe “derao i Jah.” Fanafohezana ny hoe Jehovah ny “Jah.” (Apokalypsy 19:1-6) Mahalana anefa vao mampiasa azy io ny Baiboly maro ankehitriny. Matetika izy ireo no mampiasa ny teny hoe “TOMPO” na “ANDRIAMANITRA” amin’ny sora-baventy mba hanavahana azy amin’ny anarana iombonana hoe “Tompo” sy “Andriamanitra.” Misy manam-pahaizana milaza fa mety ho Iaveh no nanononana ny anaran’Andriamanitra.

Nahoana no misy hevitra samy hafa toy izany momba ny anaran’Ilay lehibe indrindra eo amin’izao rehetra izao? Nipoitra io olana io, taonjato maro lasa izay, rehefa tsy nampiasa ny anaran’Andriamanitra intsony ny Jiosy noho ny finoanoam-poana. Nosoloany tamin’ny teny hebreo midika hoe “Tompo Fara Tampony” ny anaran’Andriamanitra, isaky ny namaky azy io tao amin’ny Soratra Masina izy ireo. Tsy nisy zanatsoratra ny teny hebreo nanoratana ny Baiboly. Tsy fantatra mihitsy àry hoe ahoana marina no nanononan’i Mosesy sy Davida ary ny olona fahizay, ny litera mahaforona ny anaran’Andriamanitra. Efa nampiasaina nandritra ny taona maro anefa ny fanononana amin’ny teny malagasy hoe Jehovah, ary fantatra tsara ankehitriny ny mifanitsy amin’izy io amin’ny fiteny maro hafa.—Eksodosy 6:3; Isaia 26:4.

Fantatra ny dikan’ny anaran’Andriamanitra na dia tsy azo antoka aza ny fomba nanononana azy io tamin’ny teny hebreo fahiny. Midika izy io hoe “Mahatonga Izy.” Ampahafantarin’i Jehovah Andriamanitra amin’izany fa izy ilay Mpanatanteraka Fikasana. Ataony foana izay hahatanteraka ny fikasany sy ny fampanantenany. Ilay Andriamanitra marina ihany, izay manan-kery hanao izany, no manan-jo hitondra io anarana io.—Isaia 55:11.

Tsy isalasalana fa atao hanavahana ilay Andriamanitra Tsitoha amin’ireo andriamanitra hafa ny anarana hoe Jehovah. Izany no mahatonga an’io anarana io hiverimberina ao amin’ny Baiboly. Na dia tsy mampiasa ny anaran’Andriamanitra aza ny Baiboly maro, dia milaza mazava ny Salamo 83:18 hoe: ‘Hianao irery ihany, izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.’ Nampianatra ny mpanara-dia azy toy izao i Jesosy Kristy, nandritra ny fanompoany: “Koa amin’izany mivavaha toy izao hianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.” (Matio 6:9) Tokony hampiasa ny anaran’Andriamanitra àry isika rehefa mivavaka sy miresaka momba azy ary midera azy eo anatrehan’ny olona.

Andriamanitra ve i Jesosy?

I Jehovah Andriamanitra mihitsy no mampiharihary hoe iza ny Zanany. Milaza ny Filazantsaran’i Matio fa rehefa avy natao batisa i Jesosy, dia “nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” (Matio 3:16, 17) Zanak’Andriamanitra i Jesosy Kristy.

Misy mpivavaka anefa milaza fa Andriamanitra i Jesosy. Ny hafa indray milaza fa telo izay iray Andriamanitra. Araka io fampianarana io, dia “Andriamanitra ny Ray, Andriamanitra ny Zanaka, ary Andriamanitra ny Fanahy Masina, nefa tsy telo Andriamanitra fa iray ihany.” Lazaina fa “samy mandrakizay sy mitovy” izy telo ireo. (Rakipahalalana Katolika, anglisy) Marina ve izany?

Hoy ny Soratra Masina momba an’i Jehovah: “Andriamanitra Hianao hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay.” (Salamo 90:2) “Mpanjaka tsy manan-taloha” izy, sady tsy nanam-piandohana no tsy hanam-piafarana. (1 Timoty 1:17) “Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao” sy “niandohan’izao zavatra noharìn’Andriamanitra izao” kosa anefa i Jesosy. (Kolosiana 1:13-15; Apokalypsy 3:14) Niantso an’Andriamanitra hoe Rainy i Jesosy, ka hoy izy: “Ny Ray dia lehibe noho Izaho.” (Jaona 14:28) Nohazavain’i Jesosy koa fa nisy zavatra tsy fantany sy tsy fantatry ny anjely, fa Andriamanitra irery ihany no nahalala azy. (Marka 13:32) Nivavaka tamin-dRainy toy izao koa i Jesosy: “Aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.” (Lioka 22:42) Iza moa no hivavahany raha tsy izay lehibe noho izy? Andriamanitra koa no nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty fa tsy ny tenany ihany akory.—Asan’ny Apostoly 2:32.

Asehon’ny Baiboly àry fa i Jehovah no Andriamanitra Tsitoha ary i Jesosy no Zanany. Tsy nitovy izy ireo talohan’ny nahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany na nandritra ny fiainany tetỳ. Tsy nanjary nitovy tamin-dRainy koa izy rehefa tonga tany an-danitra, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. (1 Korintiana 11:3; 15:28) Araka ny efa hitantsika, dia tsy ilay lazaina fa olona fahatelo amin’ny Andriamanitra telo izay iray, akory ny fanahy masina. Hery ampiasain’Andriamanitra hanatanterahana izay iriny kosa izy io. Tsy fampianaran’ny Baiboly àry ny Andriamanitra telo izay iray. * “Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany”, hoy ny Baiboly.—Deoteronomia 6:4.

Fantaro bebe kokoa Andriamanitra

Mila mahafantatra ny tena toetran’Andriamanitra isika mba hitiavana azy sy hifikirana aminy irery ihany, satria mendrika izany izy. Ahoana no ahafantarantsika bebe kokoa an’Andriamanitra? “Ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah’Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony”, hoy ny Baiboly. (Romana 1:20) Anisan’ny fomba ahafantarana bebe kokoa an’Andriamanitra ny fandinihana sy fisaintsainana ary fankasitrahana ny zavatra noforoniny.

Tsy mampahafantatra antsika izay rehetra ilaintsika ho fantatra momba an’Andriamanitra anefa ny zavaboary. Mba hahatakarana, ohatra, fa fanahy tena misy izy ary manana anarana tsy manan-tsahala, dia mila mandinika ny Baiboly isika. Ny fianarana ny Baiboly no fomba tsara indrindra ahafantarana bebe kokoa an’Andriamanitra. Milaza bebe kokoa momba ny toetrany i Jehovah ao amin’ny Soratra Masina. Mampiharihary amintsika ny fikasany koa izy ary mampianatra antsika ny lalany. (Amosa 3:7; 2 Timoty 3:16, 17) Afaka mifaly tokoa isika satria irin’Andriamanitra ny ‘hahatongavantsika amin’ny fahalalana ny marina’ mba handraisantsika soa avy amin’ny fandaharany feno fitiavana! (1 Timoty 2:4) Aoka àry isika hiezaka mafy mba hianatra izay rehetra azontsika ianarana momba an’i Jehovah.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 19 Jereo ny bokikely Tokony Hino ny Trinite ve Ianao?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hahazoana tsipiriany momba io foto-kevitra io.

[Sary, pejy 5]

Nampiasa ny fanahiny masina Andriamanitra mba hamoronana ny tany sy hanomezana tsindrimandry ny mpanoratra ny Baiboly

[Sary, pejy 5]

Nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: “Ity no Zanako”

[Sary, pejy 7]

I Jesosy dia nivavaka tamin’Andriamanitra, izay lehibe noho izy

[Sary, pejy 7]

Nampahafantatra ny anaran’Andriamanitra tamin’ny olona i Jesosy

[Sary, pejy 7]

Azo atao ny mahafantatra bebe kokoa an’Andriamanitra