Mahasoa ny Hatsaram-panahin’i Jehovah Miharo Fitiavana
Mahasoa ny Hatsaram-panahin’i Jehovah Miharo Fitiavana
“Izay hendry dia aoka hahafantatra izany ka hahalala ny famindrampon’i Jehovah.”—SALAMO 107:43.
1. Aiza ny andinin-teny voalohany isehoan’ilay teny hoe ‘hatsaram-panahy miharo fitiavana’ ao amin’ny Baiboly, ary inona avy no fanontaniana hovaliantsika momba io toetra io?
EFA 4 000 taona lasa teo ho eo izay, dia hoy i Lota zana-drahalahin’i Abrahama momba an’i Jehovah: “Nahalehibe ny famindramponao hianao.” (Genesisy 19:19) Eo no miseho voalohany ao amin’ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (frantsay) ilay teny hebreo nadika hoe ‘hatsaram-panahy miharo fitiavana’, izay miseho in-250 eo ho eo. Adika hoe ‘famindram-po’, na ‘fanaovan-tsoa’ kosa izy io ao amin’ny Baiboly malagasy. * Niresaka momba io toetran’i Jehovah io koa i Jakoba, Naomy, Davida ary ny mpanompon’Andriamanitra hafa. (Genesisy 32:10; Rota 1:8; 2 Samoela 2:6) Inona anefa io famindram-pon’i Jehovah io? Iza no nanehoany azy io taloha? Ary inona no soa raisintsika avy amin’izy io ankehitriny?
2. Nahoana no sarotra adika ilay teny hebreo resahina eto, ary inona no teny tsara handikana azy io?
2 Nadika avy tamin’ny teny hebreo ilay hoe “hatsaram-panahy miharo fitiavana”, ao amin’ny Baiboly. Betsaka ny zavatra ambaran’io teny io, ka tsy misy firenena manana teny iray mahadika azy tsara. Tsy mahalaza ny tena dikany àry ny hoe “fitiavana”, “famindram-po”, na “tsy fivadihana.” Tsy dia mifanalavitra amin’ny tena dikan’ilay teny hebreo kosa ny hoe “hatsaram-panahy miharo fitiavana.” Mety koa ny nandikana azy io hoe “fitiavana tsy mivadika” ao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, Misy Fanondroana Andininy Hafa.—Eksodosy 15:13; Salamo 5:7.
Tsy mitovy amin’ny fitiavana sy ny tsy fivadihana
3. Inona no maha samy hafa ny famindram-po sy ny fitiavana?
3 Mifandray akaiky amin’ny fitiavana sy ny tsy fivadihana ny famindram-po, na fitiavana tsy mivadika. Tena misy fahasamihafany be anefa izy ireo. Tsy mitovy, ohatra, ny famindram-po sy ny fitiavana. Azo tiavina ny zavatra sy ny hevitra. Miresaka momba ny ‘fitiavana divay sy diloilo’ ary ‘fitiavana fahendrena’ ny Baiboly. (Ohabolana 21:17; 29:3) Ny olona kosa no anehoana famindram-po, fa tsy ny hevitra na zavatra. Olona, ohatra, no resahin’ny Eksodosy 20:6, izay milaza fa “mamindra fo amin’ny olona arivo mandimby” i Jehovah.
4. Inona no maha samy hafa ny famindram-po sy ny tsy fivadihana?
4 Lalina noho ny “tsy fivadihana” koa ny hevitr’ilay teny hebreo nadika hoe “famindram-po.” Amin’ny fiteny sasany, dia ny olona ambany no lazaina hoe tokony tsy hivadika amin’ny lehibeny. Lazain’ny mpikaroka iray anefa fa ao amin’ny Baiboly, ny famindram-po dia “mifanohitra tanteraka amin’izany: ilay lehibe no tsy mivadika amin’ireo osa, na ireo mila ampiana, na ireo eo ambany fahefany.” Izany no nahafahan’i Davida Mpanjaka nitalaho tamin’i Jehovah hoe: “Ampamirapirato amin’ny Salamo 31:16) I Jehovah no lehibe angatahina hamindra fo amin’i Davida, ilay nila nampiana. Koa an-tsitrapo fa tsy an-tery àry no anehoana famindram-po, satria tsy manam-pahefana amin’ilay lehibe noho izy ny olona mila ampiana.
mpanomponao ny tavanao; vonjeo amin’ny famindramponao aho.” (5. a) Inona avy ireo lafiny amin’ny famindram-pon’i Jehovah asongadin’ny Teniny? b) Inona no hodinihintsika momba ny fanehoan’i Jehovah famindram-po?
5 Hoy ny mpanao salamo: “Izay hendry dia aoka hahafantatra izany ka hahalala ny famindrampon’i Jehovah.” (Salamo 107:43) Afaka mamonjy aina ny famindram-pon’i Jehovah. (Salamo 6:4; 119:88, 159) Miaro sy mitondra fanamaivanana koa izy io rehefa misy zava-manahirana. (Salamo 31:16, 21; 40:11; 143:12) Afaka mahazo famelana ny olona manota, noho izy io. (Salamo 25:7) Handinika tantara sy andininy vitsivitsy ao amin’ny Baiboly isika, ka ho hitantsika fa noho ny famindram-pon’i Jehovah dia 1) manao zavatra voafaritra tsara izy, sady 2) maneho io toetra io amin’ny mpanompony mahatoky.
Fanehoana famindram-po ny famonjena
6, 7. a) Ahoana no nanehoan’i Jehovah famindram-po lehibe tamin’i Lota? b) Oviana i Lota no niresaka momba ny famindram-pon’i Jehovah?
6 Mety ho fomba tsara indrindra hahafantarana ny fomba amindran’i Jehovah fo ny fandinihana tantara ao amin’ny Baiboly manasongadina io toetra io. Milaza ny Genesisy 14:1-16 fa lasa babon’ny tafika fahavalony i Lota zana-drahalahin’i Abrahama. Namonjy an’i Lota anefa i Abrahama. Saika maty indray i Lota rehefa handeha horinganin’i Jehovah i Sodoma, ilay tanàna ratsy fanahy, nisy azy mianakavy.—Genesisy 18:20-22; 19:12, 13.
7 Nitondra azy ireo nivoaka an’ilay tanàna ny anjelin’i Jehovah, taloha kelin’ny nandringanana an’i Sodoma. Hoy i Lota tamin’izay: “Nahita fitia teo imasonao ny mpanomponao, ary efa nahalehibe ny famindramponao hianao, izay nataonao tamiko hamonjenao ny aiko.” (Genesisy 19:16, 19) Neken’i Lota tamin’izany teny izany fa nampiseho famindram-po niavaka taminy i Jehovah, rehefa nanavotra azy. Famonjena aina no fomba namindran’Andriamanitra fo tamin’izay.—2 Petera 2:7.
Ny famindram-pon’i Jehovah sy ny fitarihany
8, 9. a) Inona no asa nanirahana an’ilay mpanompon’i Abrahama? b) Nahoana io mpanompo io no nangataka ny famindram-pon’i Jehovah, ary inona no nitranga raha mbola nivavaka izy?
8 Milaza fomba hafa anehoan’Andriamanitra ny famindram-pony ny Genesisy toko faha-24. Tantaraina ao fa naniraka ny mpanompony i Abrahama mba hitady vady ho an’i Isaka, tany amin’ny tany misy ny havany. (Andininy 2-4) Sarotra izany nefa natoky ilay mpanompo fa hitarika azy ny anjelin’i Jehovah. (Andininy 7) Tonga teo amin’ny fantsakana akaikin’ny “tanànan’i Nahora” izy, rehefa handeha hantsaka iny indrindra ny vehivavy (Harana na tanàna hafa teo akaikiny angamba izany; andininy 10 sy 11) Takatr’ilay mpanompon’i Abrahama, rehefa nanatona ireo vehivavy ireo, fa io no fotoan-dehibe tamin’ilay asa nanirahana azy. Ahoana anefa no hifidianany an’ilay ho vadin’i Isaka?
9 Nivavaka toy izao ilay mpanompon’i Abrahama, satria tsapany fa nila ny fanampian’Andriamanitra izy: “Jehovah ô, Andriamanitr’i Abrahama tompoko, ambino aho anio, ary asio soa Abrahama tompoko.” (Andininy 12) Ahoana no hanaovan’i Jehovah soa, izany hoe hanehoany ny famindram-pony? Nangataka famantarana mazava tsara ilay mpanompo, mba hamantarany an’ilay tovovavy nofidin’Andriamanitra. (Andininy 13, 14) Nisy vehivavy iray toy ny hoe nandre ny vavaka nataony mihitsy, satria nanao araka izay nangatahiny tamin’i Jehovah! (Andininy 15-20) Gaga ilay mpanompo ka “nandinika azy tsara.” Mbola nisy zavatra tsy maintsy nofantariny anefa. Havan’i Abrahama ve io vehivavy tsara tarehy io? Mbola tsy manambady ve izy? “Nangina” àry ilay mpanompo “mba hahafantarany na efa nambinin’i Jehovah ny nalehany, na tsia.”—Andininy 16, 21.
10. Nahoana ilay mpanompon’i Abrahama no nilaza fa namindra fo tamin’ny tompony i Jehovah?
10 Nilaza ilay tovovavy, taoriana kelin’izay, fa “zanakavavin’i Betoela, zanakalahin’i Milka, izay naterany tamin’i Nahora [rahalahin’i Abrahama]”, izy. (Genesisy 11:26; 24:24) Takatr’ilay mpanompo tamin’izay fa namaly ny vavaka nataony i Jehovah. Tena faly izy ka niankohoka, nanao hoe: “Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr’i Abrahama tompoko, Izay tsy nanaisotra ny famindrampony sy ny fahamarinany tamin’ny tompoko; fa izaho dia notantanan’i Jehovah teny an-dàlana ho atỳ an-tranon’ny havan’ny tompoko.” (Andininy 27) Namindra fo tamin’i Abrahama i Jehovah rehefa nitarika ilay mpanompony.
Mitondra fanamaivanana sy fiarovana ny famindram-pon’Andriamanitra
11, 12. a) Inona ireo fisedrana natrehin’i Josefa ka nahatsapany ny famindram-pon’i Jehovah? b) Ahoana no namindran’i Jehovah fo tamin’i Josefa?
11 Handinika ny Genesisy toko faha-39 isika izao. I Josefa zafiafin’i Abrahama no tena resahina ao. ‘Nomba azy i Jehovah’ na dia namidy Genesisy 40:15; Salamo 105:18.
ho andevo tany Ejipta aza izy. (Andininy 1, 2) Niaiky mihitsy aza i Potifara, ilay Ejipsianina tompony, fa nomba an’i Josefa i Jehovah. (Andininy 3) Niatrika fisedrana tena sarotra anefa i Josefa. Nampangaina ho nitady hisavika ny vadin’i Potifara izy ka nogadraina. (Andininy 7-20) Tao anaty lavaky ny fonja izy dia “nampijaliny tamin’ny fatorana ny tongony; nogadrana vy izy.”—12 Inona no nitranga nandritra izany fotoana tena sarotra izany? “Jehovah nomba an’i Josefa sy namindra fo taminy.” (Andininy 21a) Noho io famindram-po io dia nanjary nivaha tsikelikely ny olana nianjady tamin’i Josefa. Nataon’i Jehovah izay ‘hahitan’i Josefa fitia teo imason’ny mpitandrina ny tranomaizina.’ (Andininy 21b) Nomen’io manam-pahefana io andraikitra lehibe àry i Josefa. (Andininy 22) Nifankahita tamin’ilay olona hitondra azy tany amin’i Farao mpanjakan’i Ejipta i Josefa avy eo. (Genesisy 40:1-4, 9-15; 41:9-14) Notendren’i Farao ho mpanapaka faharoa an’i Ejipta i Josefa, ka afaka namonjy ain’olona tamin’ny mosary tany Ejipta. (Genesisy 41:37-55) Tamin’i Josefa 17 taona no nanomboka ny fahoriany ary naharitra 12 taona mahery izany! (Genesisy 37:2, 4; 41:46) Namindra fo tamin’i Josefa foana anefa i Jehovah Andriamanitra nandritra izany fotoam-pijaliana izany, rehefa niaro azy tsy ho faty mba handraisany anjara lehibe tamin’ny fanatanterahana ny fikasany.
Maharitra ny famindram-pon’Andriamanitra
13. a) Inona no lazain’ny Salamo faha-136 momba ny famindram-pon’i Jehovah? b) Inona no mampiavaka ny famindram-po?
13 Imbetsaka i Jehovah no namindra fo tamin’ny Isiraelita. Tantarain’ny Salamo faha-136 fa io toetrany io no nanosika azy hamonjy (Andininy 10-15) sy hitarika (Andininy 6), ary hiaro azy ireo. (Andininy 17-20) Namindra fo tamin’ny olona tsirairay koa Andriamanitra. Ny olona mamindra fo dia manao zavatra an-tsitrapo mba hanampiana ireo tena mila fanampiana. Miresaka momba ny famindram-po toy izao ny boky iray momba ny Baiboly: “Izy io dia zavatra atao hiarovana ny aina sy hampahafinaritra ny fiainana. Fanampiana olona mijaly na manan-java-manahirana izy io.” Misy manam-pahaizana nilaza azy io ho “fitiavana aseho amin’ny asa.”
14, 15. Nahoana no azontsika antoka fa nankasitrahan’Andriamanitra i Lota mpanompony?
14 Asehon’ireo tantara nodinihintsika tao amin’ny Genesisy fa mamindra fo foana amin’ireo tia azy i Jehovah. Samy hafa ny fisedrana sy ny zavatra niainan’i Lota sy Abrahama ary Josefa. Tsy lavorary ireo mpanompon’i Jehovah ireo, nefa nankasitrahany. Nila ny fanampian’Andriamanitra koa izy ireo. Mampahery antsika ny hoe mamindra fo amin’ny olona toy izany ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra.
15 Tsy nampiseho fahendrena ny zavatra sasany nataon’i Lota ka niteraka zava-manahirana ho azy. (Genesisy 13:12, 13; 14:11, 12) Nanana toetra maha te hidera anefa izy. Tia nandray vahiny izy, ka nampiantrano anjely roa, rehefa tonga tao Sodoma izy ireo. (Genesisy 19:1-3) Nanam-pinoana izy, ka nampitandrina ny vinantony fa efa ho ringana i Sodoma. (Genesisy 19:14) Hita ao amin’ny 2 Petera 2:7-9 ny fiheveran’Andriamanitra an’i Lota. Lazainy ao fa ‘i Lota marina, izay ory dia ory noho ny fijejojejoan’ny olona ratsy fanahy, no novonjeny [i Jehovah] ho afaka (fa izany lehilahy marina izany, raha nitoetra teo aminy, dia nahory loatra ny fanahiny marina isan-andro isan-andro noho ny nahitany sy ny nandrenesany ny fandikan’ireo ny lalàna): dia fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy amin’ny fakam-panahy.’ Eny, olo-marina i Lota sady nifikitra tamin’Andriamanitra, araka ny hitantsika avy amin’ireo andininy ireo. Mamindra fo amintsika koa Andriamanitra, rehefa manahaka an’i Lota isika, ka manana “fitondran-tena masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra.”—2 Petera 3:11, 12.
16. Inona no lazain’ny Baiboly momba an’i Abrahama sy Josefa?
Jakoba 2:21-23) Tena toy izany koa i Josefa. Asongadin’ny Genesisy toko faha-39 manontolo fa nifandray akaiky i Jehovah sy Josefa. (Andininy 2, 3, 21, 23) Hoy i Stefana mpianatra momba an’i Josefa: “Andriamanitra nomba azy.”—Asan’ny Apostoly 7:9.
16 Miharihary ao amin’ny Genesisy toko faha-24 fa nifandray akaiky tamin’i Jehovah i Abrahama. Lazain’ny andininy voalohany fa “Jehovah efa nitahy an’i Abrahama tamin’ny zavatra rehetra.” Niantso an’i Jehovah hoe “Andriamanitr’i Abrahama tompoko”, ilay mpanompon’i Abrahama. (Andininy 12, 27) Milaza koa i Jakoba fa “nohamarinina” i Abrahama ary “natao hoe ‘Sakaizan’Andriamanitra.’ ” (17. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’i Lota sy Abrahama ary Josefa?
17 Olona nifandray tsara tamin’i Jehovah Andriamanitra sy nandray anjara tamin’ny fanatanterahana ny fikasany ireo olona namindrany fo ireo. Niatrika zava-manahirana izy ireo, nefa tsy afaka nandamina izany samirery. Saika maty i Lota, saika tsy nanan-taranaka i Abrahama, ary saika tsy nahavita ny anjara asany i Josefa. I Jehovah irery no afaka nanampy ireo olona tia azy ireo. Izany indrindra no nataony rehefa naneho famindram-po izy. Raha tiantsika hamindra fo amintsika mandrakizay i Jehovah, dia tsy maintsy mifandray akaiky aminy koa isika tsirairay sady tsy maintsy manohy manao ny sitrapony.—Ezra 7:28; Salamo 18:50.
Mahazo tombontsoa manokana ny vahoakan’Andriamanitra
18. Inona no asehon’ny andinin-teny samihafa momba ny famindram-pon’i Jehovah?
18 ‘Manenika ny tany’ ny famindram-pon’i Jehovah, ary tena ankasitrahantsika izany! (Salamo 119:64) Ekentsika amin’ny fontsika rehetra izao hira miverimberina nataon’ny mpanao salamo izao: “Aoka hidera an’i Jehovah ireo noho ny famindrampony sy ny fahagagana ataony amin’ny zanak’olombelona!” (Salamo 107:8, 15, 21, 31) Faly isika fa mamindra fo amin’ny mpanompony i Jehovah, na ny tsirairay izany na ny fitambarany. Rehefa nivavaka i Daniela mpaminany dia niantso an’i Jehovah hoe “Tompo ô, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, mitandrina ny fanekena sy ny famindrampo ho amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny.” (Daniela 9:4) Nivavaka i Davida Mpanjaka hoe: “Ampahareto amin’izay mahalala Anao ny famindramponao.” (Salamo 36:10) Tena velom-pankasitrahana isika satria mamindra fo amin’ny mpanompony i Jehovah!—1 Mpanjaka 8:23; 1 Tantara 17:13.
19. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
19 Mahazo tombontsoa manokana tokoa isika vahoakan’i Jehovah! Sady tian’Andriamanitra toy ny olon-drehetra mantsy isika, no mahazo fitahiana miavaka noho ny famindram-po, na fitiavana tsy mivadik’io Raintsika any an-danitra io koa. (Jaona 3:16) Rehefa mila fanampiana indrindra isika no mandray soa avy amin’io toetra sarobidin’i Jehovah io. (Salamo 36:7) Ahoana anefa no anahafantsika ny famindram-pon’i Jehovah Andriamanitra? Maneho io toetra miavaka io ve isika tsirairay? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo sy ny hafa koa.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 1 Noho izany, dia midika hoe “hatsaram-panahy miharo fitiavana” foana ny hoe ‘famindram-po’, ato amin’ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka.
Tadidinao Ve?
• Inona no teny hafa azo andikana ny hoe “famindram-po” ao amin’ny Baiboly?
• Inona no maha samy hafa ny famindram-po amin’ny fitiavana sy ny tsy fivadihana?
• Ahoana no namindran’i Jehovah fo tamin’i Lota sy Abrahama ary Josefa?
• Inona no toky ananantsika noho i Jehovah naneho famindram-po tamin’ny lasa?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 13]
Fantatrao ve hoe ahoana no namindran’Andriamanitra fo tamin’i Lota?
[Sary, pejy 15]
Namindra fo tamin’ilay mpanompon’i Abrahama i Jehovah ka nitarika azy
[Sary, pejy 16]
Namindra fo i Jehovah rehefa niaro an’i Josefa