Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitaky Fanitarana Haingana ny Fitomboana Be

Mitaky Fanitarana Haingana ny Fitomboana Be

“Mankanesa atỳ Amiko, ... fa Izaho no Hanome Anareo Fitsaharana”

Mitaky Fanitarana Haingana ny Fitomboana Be

“MANKANESA atỳ amiko, . . . fa izaho no hanome anareo fitsaharana”, hoy i Jesosy Kristy. (Matio 11:28) Fanasana tena mankahery avy amin’ilay Lohan’ny fiangonana kristianina izany! (Efesiana 5:23) Rehefa eritreretintsika ireo teny ireo, dia tsy haintsika ny tsy hankasitraka ny loharanom-pamelombelomana tena lehibe: ny fiarahana amin’ireo rahalahy sy anabavintsika any amin’ny fivoriana kristianina. Azo antoka fa mitovy hevitra amin’ny mpanao salamo isika, rehefa nihira izy hoe: “Tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina.”—Salamo 133:1.

Namana tsara indrindra ho antsika tokoa ireo mpiara-mivavaka, ary mahasoa sady mahafinaritra ny miara-manao zavatra ara-panahy amin’izy ireo any am-pivoriana. Nisy antony tsara àry nilazan’ny tanora kristianina iray hoe: “Mandreraka ahy ny mandeha any am-pianarana isan’andro lava izao. Ny fivoriana kosa anefa amiko, dia toy ny tany lonaka any an’efitra, ka mamelombelona ahy hiatrehako ny fiainana any am-pianarana indray.” Nilaza ny tanora nizerianina iray hoe: “Tsapako fa manampy ahy ho akaiky an’i Jehovah hatrany ny fiarahana amin’ny olona tia azy.”

Foiben’ny Fanjakan’Andriamanitra mitana toerana lehibe eo anivon’ny fiaraha-monina ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Indroa isan-kerinandro, fara fahakeliny, no atao any amin’ny Efitrano Fanjakana ny fivoriana, any amin’ny faritra maro. Ampirisihina hanatrika ireny fivoriana ireny aloha be araka izay azo atao ny mpianatra ny Baiboly, mba handraisany soa amin’ny fiarahana mamelombelona any.—Hebreo 10:24, 25.

Zavatra Ilaina maika

Tsara homarihina anefa fa tsy ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra no manana Efitrano Fanjakana tsara. Mitombo be ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana maneran-tany, ka manjary ilaina maika ny hanorenana Efitrano Fanjakana. An’arivo no mbola mila haorina, indrindra fa any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana.—Isaia 54:2; 60:22.

Indro misy ohatra: Efitrano Fanjakana folo monja no nampiasain’ny fiangonana 290, tany amin’ny renivohitry ny Repoblika Demokratikan’i Congo. Nilaina maika ny Efitrano Fanjakana tany amin’io tany io. Mivory eny an-kalamanjana ny ankamaroan’ny fiangonana any Angola, satria vitsy ny Efitrano Fanjakana. Misy firenena maro hafa koa mila efitrano toy izany.

Nisy ezaka natao àry, nanomboka tamin’ny 1999, mba hanampiana ny tany mahantra hanorina Efitrano Fanjakana. Miasa an-tsitrapo ireo Vavolombelona matihanina mba hanampiana amin’ny tetik’asa fanorenana, any amin’ireny tany ireny. Tena mampahery ny vokatra, rehefa mitambatra ireny ezaka ireny sy ny toe-tsaina vonona hanompo ary ny fanampian’ireo mpiasa an-tsitrapo eo an-toerana. Manjary mandray soa avy amin’ny fampiofanana azony ireo Vavolombelona eo an-toerana. Manampy amin’ny fanorenana izay Efitrano Fanjakana ilaina ao amin’ny taniny izany rehetra izany.

Nisy àry fanampiana nomena, arakaraka ny zava-misy, mba hanorenana Efitrano Fanjakana, ka fomba sy fitaovana misy eo an-toerana no ampiasaina. Tsy ny hamita an’ireo Efitrano Fanjakana maro be ilaina fotsiny akory no tanjona. Iezahana koa ny hanao fandaharana hikojakojana azy ireny, arakaraka ny zava-misy eo an-toerana.—2 Korintiana 8:14, 15.

Fitomboana mampahery

Inona no vokatr’ireny ezaka natao hanorenana toeram-pivavahana ireny? Izao no tatitra voaray avy tany Malawi, teo am-piandohan’ny taona 2001: “Mampiaiky ny zava-bita teto amin’ny taninay. Mbola hamita Efitrano Fanjakana fanampiny izahay mandritra ny roa volana manaraka.” (Sary 1 sy 2) Nahavita nanorina Efitrano Fanjakana tsotra maromaro ireo mpiasa an-tsitrapo tany Togo, volana vitsivitsy lasa izay. (Sary 3) Ny asa tsara ataon’ireo mpiasa an-tsitrapo vonon-kiasa, dia manampy amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana tsara, any Meksika sy Brezila ary any an-tany hafa koa.

Hitan’ireo mpikambana eo anivon’ny fiangonana fa raha vao misy Efitrano Fanjakana voaorina, dia manjary tsapan’ny mponina eo an-toerana hoe efa manorim-ponenana ny Vavolombelon’i Jehovah. Maro ny olona toa nisalasala hifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, mandra-pisin’ny toeram-pivavahana tsara. Milaza toy izao ny Fiangonana Nafisi, any Malawi: “Fitoriana velona ilay Efitrano Fanjakana tsara tarehy anananay. Mora àry ny manomboka fampianarana Baiboly.”

Niaritra ny esoeso be dia be nataon’ny olona ny mpikambana tao amin’ny Fiangonana Krake, any Bénin, satria faran’izay tsotra ilay Efitrano Fanjakana teo aloha raha oharina amin’ny tranon’ny fiangonana hafa. (Sary 4) Manana Efitrano Fanjakana vaovao tsara tarehy ry zareo izao, ka tsotra nefa mihaja ny fahitan’ny olona ny fivavahana marina. (Sary 5) Nanana mpitory ilay Fanjakana 34 io fiangonana io, ary 73 amin’ny antsalany ny mpanatrika fivoriana rehefa alahady. Nisy 651 anefa ny nanatrika ny fitokanana ilay Efitrano Fanjakana. Olona avy tany an-drenivohitra ny ankamaroan’izy ireo. Gaga izy ireo fa vetivety dia nahavita nanorina efitrano ny Vavolombelona. Nanoratra toy izao ny sampan’i Zimbabwe, rehefa nandinika ny fitomboana teo aloha: “Lasa avo roa heny matetika ny isan’ny mpanatrika, tao anatin’ny iray volana nahavitana Efitrano Fanjakana vaovao.”—Sary 6 sy 7.

Azo antoka fa toerana hahazoana famelombelomana ara-panahy ireo Efitrano Fanjakana vaovao maro, ho an’ny Kristianina vita fanoloran-tena sy ny olona liana. “Faly be izahay”, hoy ny Vavolombelona iray tany Ukraine, rehefa nanomboka nampiasa ny Efitrano Fanjakana vaovao ny fiangonana teo an-toerana. “Hitan’ny masonay mihitsy ny fanampian’i Jehovah ny vahoakany.”

[Efajoro/Sary, pejy 10, 11]

Ankasitrahana ny Fanampiana Be dia Be

Faly be ny Vavolombelon’i Jehovah mahita ny fandrosoana haingana natao, hamitana ireo Efitrano Fanjakana vaovao ilaina maika maneran-tany. Mitombo tsy an-kijanona ny isan’ny mpanompon’i Jehovah any amin’ny tany maro, ka ilaina ny hanorenana Efitrano Fanjakana vaovao maro be. Eritrereto hoe fiangonana vaovao 32 isan-kerinandro amin’ny antsalany, no niforona nandritra ny taom-panompoana 2001! Mila toerana hivoriana sy hivavahana ireny fiangonana ireny.

Mety hipetraka ny fanontaniana hoe: ‘Ahoana no hamatsiana vola an’ireny tetik’asa fanorenana Efitrano Fanjakana vaovao ireny, indrindra fa any amin’ireo tany misy rahalahy mahantra?’ Ny valiny dia hoe: Noho ny fanampian’Andriamanitra sy ny fahalalahan-tanan’ny olona.

Araka ny nampanantenainy, dia mandrotsaka ny fanahiny masina amin’ny mpanompony i Jehovah, mba hahafahan’izy ireo “hanao soa, mba hanan-karena amin’ny asa tsara, hazoto manome sy miantra.” (1 Timoty 6:18) Ny fanahin’Andriamanitra no manosika ny Vavolombelon’i Jehovah hanao izay rehetra azony atao hanatontosana ny asa fitoriana ilay Fanjakana. Manome ny fotoanany sy ny heriny izy ireo ary miasa mafy sy manome fanampiana hafa koa, ho an’ny asa fanompoana.

Ny toe-tsaina tia manome no manosika ny Vavolombelona sy ny olon-kafa koa hanome vola hanampiana amin’ny asa fanitarana sy fanorenana. Sady mandray anjara amin’ny vola lanin’ny fiangonana izy ireo amin’izany, no mandray anjara koa amin’ny asa fanorenana atao any an-toeran-kafa.

Ny fiangonana tsirairay dia manana vata misy soratra mazava tsara hoe “Fanomezana ho An’ny Asa Fitoriana Maneran-tany—Matio 24:14.” Afaka mandrotsaka fanomezana an-tsitrapo ao izay te hanao izany. (2 Mpanjaka 12:10) Ankasitrahana ny fanomezana rehetra, na be na kely. (Marka 12:42-44) Ampiasaina amin-javatra maro samihafa ireny vola ireny, arakaraka ny zavatra ilaina, anisan’izany ny fanorenana Efitrano Fanjakana. Tsy ampiasaina handoavana karama anefa ireny vola ireny, satria tsy karamaina ny mpitantan-draharaha ao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Miasa amin’ny ilana azy ve ny fanomezana ho an’ny asa fitoriana maneran-tany? Eny tokoa. Milaza ny sampana any Liberia, firenena ravan’ny ady an-trano, fa tsy an’asa sady sahirana be ny ankamaroan’ny Vavolombelona any. Ahoana no hahafahan’ny vahoakan’i Jehovah any hahazo toeram-pivavahana tsara? “Ny fanomezana be dia be avy amin’ireo rahalahy any an-tany hafa no hampiasaina hamatsiana vola ny asa”, hoy ny biraon’ny sampana. “Fandaharana feno fahendrena sy fitiavana re izany!”

Manao fanomezana koa ireo rahalahy eo an-toerana na dia voafetra ihany aza ny azony atao. Izao no tatitra voaray avy any Sierra Leone, atsy Afrika: “Manampy koa ireo rahalahy eo an-toerana, ary faly izy ireo miasa mafy sy manome izay vola ananany ho fanampiana amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana.”

I Jehovah no tena deraina noho izany fiezahana hanao fanorenana izany. Nafana fo erỳ ireo rahalahy tany Liberia nilaza hoe: “Ny fanorenana toeram-pivavahana tsara eto Liberia, dia hampiseho amin’ny olona fa manorim-ponenana eto ny fivavahana marina. Hanome voninahitra sy hampahamendrika ny anarana lehiben’ilay Andriamanitsika koa izany.”