Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fahitsian’ny Mahitsy no Mitarika Azy

Ny Fahitsian’ny Mahitsy no Mitarika Azy

Ny Fahitsian’ny Mahitsy no Mitarika Azy

“NY OLONA tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana”, hoy ny Baiboly. (Joba 14:1) Toa efa fiainan’ny olombelona ny fijaliana sy ny fahoriana. Miatrika zava-manahirana sy mampitebiteby mihitsy aza ny sasany isan’andro! Inona àry no hitari-dalana antsika rehefa misy zava-tsarotra, ka hanampy antsika ho marina hatrany eo imason’Andriamanitra?

Diniho ange i Joba e! Lehilahy niaina tany amin’ny tany antsoina hoe Arabia ankehitriny izy, efa ho 3 500 taona lasa izay. Tena nampahorin’i Satana io lehilahy natahotra an’Andriamanitra io! Ripaka ny andiam-bibiny rehetra ary maty koa ireo zanaka malalany. Taoriana kelin’izay dia nasian’i Satana vay ratsy i Joba, hatrany an-tampon-dohany ka hatrany am-paladiany. (Joba toko 1, 2) “Tsy nanota tamin’ny molony” i Joba na dia tsy fantany aza ny anton’izany fijaliany izany. (Joba 2:10) Nolazain’i Jehovah mihitsy aza fa “olona marina sy mahitsy” izy. (Joba 2:3) Ny fahitsian’i Joba tokoa no nitari-dalana azy nandritra ny fisedrana.

Ny olona mahitsy dia faritana hoe olona tsara fitondran-tena, tsy manan-tsiny eo imason’Andriamanitra. Tsy midika akory izany fa lavorary ny teny sy ny ataon’ny olona tsy lavorary. Tsy afaka manaraka ny fitsipik’Andriamanitra amin’ny an-tsakany sy an-davany mantsy izy. Ny tena olona mahitsy kosa dia manana fo mifikitra tanteraka amin’i Jehovah sy ny sitrapony ary ny fikasany. Io fifikirany amin’Andriamanitra io foana no mitari-dalana azy. Asehon’ny tapany voalohany amin’ny Ohabolana toko faha-11, ny fomba itarihan’ny fahitsiana antsika eo amin’ny fiainana, ka ahazoantsika ny fitahiana miaraka amin’izany. Aoka àry isika hampifantoka ny saintsika amin’izay voalaza ao.

Mitarika ny olona hanao ny marina eo amin’ny raharaha ara-barotra ny fahitsiana

Hain-teny fa tsy voambolan’ny mpanao lalàna no ampiasain’i Solomona Mpanjakan’ny Isiraely fahiny, mba hanasongadinana ny fanaovana ny marina. Hoy izy: “Ny mizana mandainga dia fahavetavetana eo imason’i Jehovah; fa ny vato marina no ankasitrahany.” (Ohabolana 11:1) Ny mizana sy ny vato mizana dia mampiseho fa tian’i Jehovah hanao ny marina ny mpanompony amin’ny raharaha ara-barotra. Inefatra izany fanoharana izany no ampiasaina ao amin’ny Ohabolana, ka io no voalohany.—Ohabolana 16:11; 20:10, 23.

Mety hampitsiriritra tokoa ny harenan’ny olona mampiasa mizana mandainga, izany hoe manao ny tsy marina. Tena te handika ny fitsipik’Andriamanitra momba ny tsara sy ny ratsy ve anefa isika, ka hanao ny tsy mety eo amin’ny raharaha ara-barotra? Tsy hanao izany isika raha ny fahitsiana no mitarika antsika. Manao ny marina kosa isika, satria ankasitrahan’i Jehovah ny vato marina, izay mampiseho ny fahamarinana.

“Ao amin’ny manetry tena no misy fahendrena”

Hoy ihany i Solomona Mpanjaka: “Raha tonga ny fiavonavonana, dia tonga koa ny fahafaham-baraka; fa ao amin’ny manetry tena no misy fahendrena.” (Ohabolana 11:2) Ho afa-baraka ny olona miavonavona, izany hoe miana-kendry, na tsy mankatò na mialona. Fahendrena kosa ny manetry tena sy manaiky fa voafetra ny zavatra mety ho vitantsika. Tena manamarina io ohabolana io ny ohatra ao amin’ny Soratra Masina!

Niana-kendry sy be fialonana i Kora, anisan’ny Levita, ka nitarika vahoaka tsy hanaiky ny fahefan’i Mosesy sy Arona, izay notendren’i Jehovah. Inona no vokatr’izany? ‘Nisokatra ny tany ka nitelina’ ny sasany tamin’ny mpikomy. Ny hafa kosa levon’ny afo niaraka tamin’i Kora. (Nomery 16:1-3, 16-35; 26:10; Deoteronomia 11:6) Fahafaham-baraka re izany! Diniho koa i Oza. Niana-kendry izy ka naninjitra ny tanany hihazona ny fiaran’ny fanekena mba tsy hianjeran’izy io. Namely azy Andriamanitra ka maty teo no ho eo izy. (2 Samoela 6:3-8) Tsy tokony hiana-kendry mihitsy àry isika!

Tsy afa-baraka ny olona manetry tena na dia manao fahadisoana aza. Tsy lavorary i Joba na dia ohatra tsara tamin’ny lafiny maro aza. Nasehon’ny fisedrana natrehiny fa tena nisy tsy nety tamin’ny fomba fiheviny. Nanjary tsy nieritreritra tsara izy rehefa niaro tena tamin’ireo mpiampanga azy. Nilaza tena ho marina noho Andriamanitra mihitsy aza izy. (Joba 35:2, 3) Ahoana no nanitsian’i Jehovah ny fomba fihevitr’i Joba?

Nasehon’i Jehovah azy ny tany, ny ranomasina, ny lanitra feno kintana, ny biby ary zavaboary mahavariana hafa, mba hampianarany an’i Joba fa kely tokoa izy raha oharina amin’Andriamanitra izay tena lehibe. (Joba, toko 38-41) Tsy nilaza ny antony nampijaly an’i Joba mihitsy i Jehovah. Tsy nila nanao izany mantsy izy. Nanetry tena i Joba. Niaiky izy hoe samy hafa be izy sy Andriamanitra, ary tsy lavorary sy malemy izy, fa Jehovah kosa marina sady mahery. “Miaiky sy mibebaka eto amin’ny vovoka sy ny lavenona aho”, hoy izy. (Joba 42:6) Nahatonga an’i Joba hanaiky anatra avy hatrany ny fahitsiany. Ary isika? Mitarika antsika ve ny fahitsiana, ka mahatonga antsika hanaiky anatra avy hatrany?

Nanetry tena koa i Mosesy. Nomen’i Jetro rafozany hevitra nandaitra izy rehefa hitany fa reraka nandamina ny zava-manahiran’ny olona. Nasain’i Jetro nozaraina tamin’ny lehilahy mahay ny andraikiny. Niaiky i Mosesy fa voafetra ny mety ho vitany, ary nampiseho fahendrena ka nanaiky ilay soso-kevitra. (Eksodosy 18:17-26; Nomery 12:3) Vonona hizara fahefana ny olona manetry tena. Tsy matahotra izy hoe sao tsy hanam-pahefana intsony, raha mizara ny andraikitra azo zaraina amin’ireo lehilahy mahafeno fepetra. (Nomery 11:16, 17, 26-29) Mazoto kosa izy manampy azy ireny handroso eo amin’ny lafiny ara-panahy. (1 Timoty 4:15) Tsy tokony ho toy izany koa ve isika?

‘Milamina ny alehan’ny marina’

Niaiky i Solomona fa tsy miaro ny marina amin’ny loza foana akory ny fahitsiany, ka hoy izy: “Ny fahitsian’ny mahitsy no mitarika azy; fa ny faharatsian’ny mpivadika mahatonga fandringanana amin’ny tenany.” (Ohabolana 11:3) Mitarika ny marina hanao izay lazain’Andriamanitra fa tsara tokoa ny fahitsiany, na dia rehefa misy zava-tsarotra aza, sady hahasoa azy koa, amin’ny farany. Tsy nety niala tamin’ny fahitsiany i Joba, ary Jehovah ‘nitahy ny niafarany mihoatra noho ny voalohany.’ (Joba 42:12) Mety hihevitra ny mpivadika, na mpamitaka, fa manatsara ny fiainany izy, na dia mitera-pahavoazana ho an’ny hafa aza. Mety ho toa hiadana mihitsy aza izy. Ho fatin’ny famitahany ihany anefa izy ireo na ho ela na ho haingana.

“Ny harena dia tsy mahasoa amin’ny andro fahatezerana; fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon’ny fahafatesana.” (Ohabolana 11:4) Tena hadalana ny misasatra mba hahazoan-karena, nefa manao tsirambina ny fianarana samirery, vavaka, fivoriana ary fanompoana! Ireo mantsy no tena manampy antsika hampitombo ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy hahatonga antsika ho tapa-kevitra kokoa ny hifikitra aminy. Tsy hanavotra ny olona amin’ny fahoriana lehibe ho avy mihitsy ny harena, na betsaka toy inona aza. (Matio 24:21) Ny fahamarinan’ny marina ihany no hanavotra azy. (Apokalypsy 7:9, 14) Hendry àry isika raha manaraka izao tenin’i Zefania izao: “Dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah. Mitadiava an’i Jehovah, hianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany, izay efa nanaraka ny fitsipiny: Tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana.” (Zefania 2:2, 3) Eo am-piandrasana izany dia aoka ho tanjontsika ny ‘hankalaza an’i Jehovah amin’ny fananantsika.’—Ohabolana 3:9.

Mbola manamafy ny hasarobidin’ny fahitsiana i Solomona, ka mampitaha ny fiafaran’ny olo-marina sy ny fiafaran’ny ratsy fanahy. Hoy izy: “Ny fahamarinan’ny marina mandamina ny alehany; fa ny ratsy fanahy lavon’ny haratsiany ihany. Ny fahamarinan’ny mahitsy mamonjy azy; fa ny mpivadika dia voafandriky ny filàny. Raha maty ny ratsy fanahy, dia foana ny fanantenany, eny, foana ny fanantenan’ny mpanao ratsy. Ny marina dia vonjena amin’ny fahoriana; fa ho avy kosa ny ratsy fanahy hisolo azy.” (Ohabolana 11:5-8) Tsy mba lavo na voafandriky ny ataony mihitsy ny olo-marina. Milamina, na mahitsy ny lalany. Avotana amin’ny fahoriana ny olo-mahitsy amin’ny farany. Tsy hahavonjy ny ratsy fanahy amin’ny fahoriana kosa ny hery mety hananany.

“Ravoravo ny tanàna”

Misy fiantraikany eo amin’ny olon-kafa koa ny fahitsian’ny mahitsy sy ny haratsiam-panahin’ny olon-dratsy. Hoy ny mpanjakan’ny Isiraely: “Ny vavan’ny mpihatsaravela-tsihy no animbany ny namany; fa ny fahalalana no hanafahana ny marina.” (Ohabolana 11:9) Iza no tsy hanaiky fa manimba ny fanendrikendrehana, ny fifosana, ny resaka vetaveta sy ny resadresaka tsy misy dikany? Madio sy voahevitra tsara kosa ny resaka ataon’ny marina. Ny fahalalana no manavotra azy, satria manampy azy ny fahitsiany mba hahita ireo hevitra ilaina hanaporofoana fa mandainga ny mpiampanga azy.

Hoy ihany ilay mpanjaka: “Raha miadana ny marina, dia ravoravo ny tanàna; fa raha ringana ny ratsy fanahy, dia velona ny hoby.” (Ohabolana 11:10) Mazàna no tian’ny olona sady maharavoravo, na mahasambatra ny namany, ny olo-marina. Tsy misy olona tia “ratsy fanahy” mihitsy. Tsy isaonan’ny olona matetika ny ratsy fanahy, rehefa maty. Azo antoka fa tsy hisy olona halahelo rehefa ‘hofongoran’i Jehovah amin’ny tany ny ratsy fanahy, ary hongotany ny mpivadika.’ (Ohabolana 2:21, 22) Vao mainka aza hahafaly ny olona izany. Ahoana kosa ny amintsika? Tokony hodinihintsika raha mahafaly ny olona ny fitondran-tenantsika.

‘Misandratra ny tanàna’

Mbola ampitahain’i Solomona ihany ny vokatry ny ataon’ny marina sy ny ratsy fanahy eo amin’ny fiaraha-monina, ka hoy izy: “Ny fisaoran’ny marina no isandratan’ny tanàna; fa ny vavan’ny ratsy fanahy no aharavany.”Ohabolana 11:11.

Mampilamina sy mahasambatra ary mampianatra zavatra tsara ny mpiara-monina aminy ny olo-marina. Noho izany, dia misandratra na miroborobo ilay tanàna. Manakorontana, mampahory, mampisara-bazana ary mitondra zava-manahirana kosa ny olona manendrikendrika sy manao teny mandratra ary mandainga, indrindra fa raha ny manam-pahefana no manao izany. Manjary mikorontana sy feno tsolotra ny tanàna toy izany, ary miharatsy fitondran-tena ny mponina ao aminy. Mety hitotongana mihitsy ny toe-karenany.

Mihatra amin’ny vahoakan’i Jehovah eo anivon’ny fiangonana, izay toy ny tanàna, koa ny toro lalana ao amin’ny Ohabolana 11:11. Manjary sambatra sy mazoto, tia mifanampy sy manome voninahitra an’Andriamanitra ny fiangonana, noho ny fisian’ny olona araka ny fanahy ao, izany hoe ireo olona mahitsy tarihin’ny fahitsiany. Tahin’i Jehovah ilay fiangonana ka hiroborobo ara-panahy. Mety hisy olona tsy afa-po, na manakiana, na tezitra amin’ny fomba anaovan-javatra eo anivon’ny fiangonana, indraindray. Izy ireny dia toy ny “faka mangidy” izay mety hiely ka hanapoizina ny olon-kafa. (Hebreo 12:15) Matetika no mitady fahefana sy laza bebe kokoa izy ireny. Manely tsaho izy ireny hoe misy tsy rariny sy fanavakavaham-bolon-koditra na ny toy izany, eo anivon’ny fiangonana, na ataon’ny anti-panahy. Tena mety hampisara-bazana ny fiangonana ny vavan’izy ireny. Tsy tokony hihaino ny teniny isika, fa hiezaka kosa mba ho olona araka ny fanahy ka hampilamina sy hampiray saina ny fiangonana, sa tsy izany?

Hoy ihany i Solomona: “Tsy ampy saina izay manamavo ny namany; fa izay hendry dia mangina. Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina; fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza.”Ohabolana 11:12, 13.

Ratsy tokoa ny vokatry ny ataon’ny olona tsy mahay manavaka, na “tsy ampy saina”! Tohiziny foana ny teniny tsy voahevitra ka manjary manendrikendrika sy miteny ratsy izy! Tsy maintsy manao zavatra haingana ny anti-panahy mba hamaranana izany fitaoman-dratsy izany. Tsy toy ny olona “tsy ampy saina” ny olona mahay manavaka, fa mahafantatra ny fotoana tokony hanginana. Mahay mihazona tsiambaratelo izy, fa tsy tia lazalaza, na miresadresaka. “Mahatoky”, na tsy mivadika, ny olona mahay manavaka, satria fantany fa mety hitondra voka-dratsy ny lela tsy voafehy. Tsy mivadika amin’ny mpiray finoana aminy izy sady tsy mamoaka tsiambaratelo izay mety hampidi-doza azy ireo. Tena mitondra soa ho an’ny fiangonana ireny olo-mahitsy ireny!

Nomen’i Jehovah sakafo ara-panahy tondraka omanin’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina” isika, mba hanampiana antsika hanao ny marina hatrany. (Matio 24:45) Tena manampy antsika tsirairay koa ny anti-panahy eo anivon’ny fiangonana, oharina amin’ny tanàna. (Efesiana 4:11-13) Velom-pankasitrahana tokoa isika manana azy ireo, satria “raha tsy misy mpitondra, dia rava ny firenena; fa handry fahizay, raha maro ny mpanolo-tsaina.” (Ohabolana 11:14) Aoka àry isika ho tapa-kevitra tsara ny ‘handeha amin’ny fahamarinana’, na inon-kidona na inon-kihatra.—Salamo 26:1.

[Teny notsongaina, pejy 26]

Hadalana ny misasatra mba hahazoan-karena nefa manao tsirambina ny asa ara-panahy!

[Sary, pejy 24]

Ny fahitsian’i Joba no nitarika azy ka notahin’i Jehovah izy

[Sary, pejy 25]

Maty i Oza satria niana-kendry