Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zavatra Nifanipaka Nataon’i Tertullien

Zavatra Nifanipaka Nataon’i Tertullien

Zavatra Nifanipaka Nataon’i Tertullien

‘INONA no itovian’ny Kristianina sy ny filozofa? Inona koa no itovian’ny olona manimba ny fahamarinana sy ireo mamerina azy amin’ny laoniny ka mampianatra azy io? Inona no hevitra iombonan’ny Akademia sy ny Fiangonana?’ Ilay mpanoratra tamin’ny taonjato faharoa sy fahatelo, atao hoe Tertullien, no nametraka ireo fanontaniana saro-baliana ireo. Izy dia fanta-daza ho “iray tamin’ireo nahazoana tantara betsaka indrindra momba ny Fivavahana sy ny foto-pinoana nampianarina tamin’ny androny.” Tsy nisy niafina taminy ny lafin-javatra momba ny fivavahana.

Ny zavatra mifanipaka nataon’i Tertullien angamba no nampahalaza azy indrindra. Nilaza zavatra mifanipaka izy, anisan’izany, ohatra, ny hoe: “Tena lehibe Andriamanitra, kanefa kely Izy.” “Azo inoana tanteraka fa [maty ny Zanak’Andriamanitra] satria tsy lojika izany.” “Azo antoka fa nalevina [i Jesosy] ary natsangana indray satria tsy hisy mihitsy ny zavatra toy izany.”

Tsy ny tenin’i Tertullien ihany no mifanipaka. Nokendreny hiarovana ny fahamarinana ny asa sorany, ary nataony koa hanandratana ny fivavahana tsy mivadika sy ny foto-pinoana tsy miovaova. Nanimba ny fampianarana marina anefa izy, raha ny marina. Ny fitsipiny nanan-kery tamin’ny Kristianisma Anarana indray, no lasa teoria fototra ho an’ireo mpanoratra tatỳ aoriana, ka namoronan’izy ireo ny foto-pinoana momba ny Andriamanitra telo izay iray. Hijery kely momba an’i Tertullien mihitsy aloha isika, mba hahafantarantsika izay nahatonga izany.

“Nahaliana foana ny asa sorany”

Kelikely ihany ny zavatra fantatra momba ny fiainan’i Tertullien. Eken’ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa teraka tamin’ny taona 160 tany ho any izy, tany Carthage, any Afrika Avaratra. Fantatra fa olona nahita fianarana izy, ary nifankazatra be tamin’ireo olona nitana ny firehan-kevitra momba ny filozofia nanjaka tamin’ny androny. Toa hoe ny fahitana an’ireo olona nitonona ho Kristianina vonona ho faty noho ny finoany, no nahasarika azy ho amin’ny Kristianisma. Izao no fanontaniany momba an’ireo Kristianina maty martiora: “Na iza na iza mieritreritra an’izany, moa ve izy tsy ho voataona hanadihady momba izay tena mahatonga ny olona ho vonona ho faty martiora? Ary iza no tsy hanaiky ny foto-pinoanay rehefa avy nanadihady momba izany?”

Lasa mpanoratra tia karokaroka i Tertullien, rehefa nifindra tao amin’ny Kristianisma Anarana, ary nahay nilaza zavatra fohy sy misy heviny. “Nanana fahaizana tsy fahita firy eo amin’ny teolojianina [izy]”, hoy ilay boky hoe Ireo Rain’ny Eglizy (anglisy). “Nahaliana foana ny asa sorany.” Nisy manam-pahaizana nilaza hoe: “Nanan-talenta tamin’ny teny i Tertullien, fa tsy talentany ny nanao fehezanteny lava. Tena mazava kokoa ireo fanamarihany fohy sy misy heviny raha mitaha amin’ireo fanazavany lava be. Izany angamba no antony hampiasana matetika ny asa sorany, saingy mahalana ihany vao nakana teny lava.”

Mba hiarovana ny Kristianisma

Ilay boky hoe Fanamarinana (anglisy) no malaza indrindra amin’ny asa soratr’i Tertullien. Noheverina ho anisan’ny asa soratra mafonja indrindra nataony hiarovana ny Kristianisma izy io. Matetika ny Kristianina no lasibatra tamin’ny fitsarana an-tendrony nataon’ny vahoaka romotra, ka tamin’izany fotoana izany indrindra no nanoratany ilay boky. Lasa niaro an’ireo Kristianina i Tertullien ary nanohitra ny fanaovana ny tsy rariny tamin’izy ireo. Hoy izy: “Mihevitra [ny mpanohitra] fa ny Kristianina no mahatonga izao fahoriana sy ny fijaliam-bahoaka rehetra izao. ... Raha tsy misondrotra mba hahalonaka ny tany i Neily, raha tsy miova ny toetrandro, raha misy horohoron-tany sy mosary ary loza, dia misy mivazavaza avy hatrany hoe: ‘Atsipazo any amin’ny liona ny Kristianina!’”

Niezahan’i Tertullien naseho fa ny Kristianina no olom-pirenena mendri-pitokisana indrindra teo amin’ny fanjakana, na dia nampangaina matetika ho nivadika tamin’ny Fitondrana aza izy ireo. Niresaka momba ireo fanandramana hanongana ny fanjakana romanina i Tertullien, ka nampahatsiahiviny an’ireo mpanohitra azy fa avy amin’ireo mpanompo sampy ireo mpioko fa tsy Kristianina akory. Nolazainy tsara fa ny Fitondrana no tena very olo-manga, rehefa nisy Kristianina novonoina.

Niresaka momba ny fiainan’ny Kristianina kosa ny asa soratra hafa nataon’i Tertullien. Nanao lahateny iray izy, mitondra ny lohateny hoe Fampisehoana. Ny torohevitra nomeny tamin’izay, dia nandrara ny fankanesana tany amin’ny toeram-pialam-boly sasany ary ny fijerena lalao nisy fanompoan-tsampy sy zavatra nampahatahotra. Angamba nihevitra ny mpino vaovao fa tsy naninona raha sady nianatra ny toromariky ny Baiboly no nanatrika lalao nisy fanompoan-tsampy. Izao no nosoratan’i Tertullien mba hanairana ny sain’izy ireo: “Mahatsiravina be izany hoe avy any amin’ny fiangonan’Andriamanitra dia mankany amin’ny an’ny devoly; avy manao zavatra ara-panahy, dia manao zavatra mampiseho toetram-biby.” Nilaza izy hoe: “Izay zavatra tsy ekenao hatao dia tsy tokony hankasitrahanao amin’ny teny koa.”

Nanimba ny fahamarinana rehefa niaro azy io

Izao no fiandohan’ilay lahatsoratra hoe Fanoherana An’i Praxeas, nataon’i Tertullien: “Nandrafy sy nanohitra ny fahamarinana tamin’ny fomba isan-karazany ny devoly. Indraindray, dia narovany ny fahamarinana mba hahafahany hanapotika azy.” Tsy fantatra tsara hoe iza io lehilahy atao hoe Praxeas resahin’ilay lahatsoratra io. Fantatra fotsiny hoe tsy neken’i Tertullien ny fampianaran’izy io momba an’Andriamanitra sy Kristy. Nihevitra izy fa nampiasain’i Satana hanimbana an-tsokosoko ny Kristianisma i Praxeas.

Raharaha lehibe niadian-kevitra teo amin’ireo Kristianina anarana, tamin’izany andro izany, ny momba an’Andriamanitra sy Kristy. Nino izy ireo fa iray ihany Andriamanitra ary io no Mpamonjy sy Mpanavotra. Koa sarotra tamin’izy ireo, indrindra fa ireo nobeazina tamin’ny fomba amam-panao grika, ny nanaiky fa nantsoina hoe Mpamonjy sy Mpanavotra koa i Jesosy. Niezaka namaha izany olana izany i Praxeas ka nampianatra fa endrika hafa fotsiny nisehoan’ny Ray i Jesosy, ary tsy misy maha samy hafa ny Ray sy ny Zanaka mihitsy. Nantsoina hoe modalisma io teoria io. Milaza tsotra izao fotsiny io teoria io fa niseho tamin’ny endrika samy hafa Andriamanitra: “Ray izy rehefa namorona sy nanome ny Lalàna, Zanaka koa anefa izy dia i Jesosy Kristy, ary Fanahy Masina izy rehefa tafakatra tany an-danitra i Kristy.”

Nohazavain’i Tertullien anefa fa asehon’ny Soratra Masina tsara ny tsy mampitovy ny Ray sy ny Zanaka. Nanonona ny 1 Korintiana 15:27, 28 izy ary nanazava avy eo hoe: “Tsy maintsy ho olona samy hafa no resahina amin’ny hoe Ilay nampanaiky (ny zavatra rehetra) sy ilay nasaina neken’ny zavatra rehetra.” Noresahin’i Tertullien ny tenin’i Jesosy hoe: “Ny Ray dia lehibe noho Izaho.” (Jaona 14:28) Nampiasa teny tao amin’ny Soratra Hebreo izy. Anisan’izany, ohatra, ny Salamo 8:5, mba hampisehoana ny fanazavan’ny Baiboly momba ny maha “ambany kokoa” ny Zanaka. “Hafa noho ny Zanaka àry ny Ray; lehibe noho ny Zanaka izy”, hoy ny fanatsoahan-kevitr’i Tertullien. “Koa satria hafa Ilay namorona, dia hafa koa Ilay noforonina; hafa Ilay naniraka ka hafa koa Ilay nirahina; hafa Ilay namorona ary hafa Ilay nampiasaina hamoronana.”

Nihevitra ny Zanaka ho ambany noho ny Ray i Tertullien. Kanefa ‘nihoatra noho izay voasoratra’ izy rehefa niezaka hanohitra ny teoria momba ny modalisma. (1 Korintiana 4:6) Nanao fahadisoana izy rehefa niezaka hanaporofo ny maha Andriamanitra an’i Jesosy tamin’ny alalan’ny teoria hafa, ka namorona ny fitsipika hoe “andriamanitra tokana olona telo.” Nampiasa izany hevitra izany izy mba hampisehoana fa Andriamanitra sy ny Zanaka ary ny fanahy masina dia olona telo samy hafa ao amin’ny andriamanitra iray ihany. I Tertullien àry no voalohany nampiasa ny teny latinina nadika hoe Andriamanitra telo izay iray, mba hanondroana ny Ray, ny Zanaka ary ny fanahy masina.

Mitandrema amin’ny filozofian’izao tontolo izao

Ahoana no nahafahan’i Tertullien namorona ny teoria momba ny “andriamanitra tokana olona telo”? Hevitra mifanipaka hafa indray, momba ny fiheveran’io lehilahy io ny filozofia, no mamaly izany fanontaniana izany. Nantsoin’i Tertullien hoe filozofia “‘ny foto-pinoana’ an’ny olona sy an’ny ‘demonia.’” Nokianiny ampahibemaso ny fampiasana filozofia mba hanohanana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. “Aza manandrana mamorona Kristianisma voapentipentin’ny filozofia stôika sy platônika mifangaro adihevitra”, hoy i Tertullien. Nampiasa filozofia tsy ara-pivavahana maro be anefa izy rehefa nifanaraka tamin’ny heviny ireny.—Kolosiana 2:8.

Milaza ny loharanon-kevitra iray hoe: “Ny hevitra sy filozofian’ireo helenista no tsy maintsy nampiasaina namelabelarana sy nampisehoana ny teolojia momba ny andriamanitra telo izay iray.” Izao koa no lazain’ilay boky hoe Ny Teolojian’i Tertullien (anglisy): “Hevitra sy teny mifandray amin’ny lalàna sy filozofia no natambatra mba hahazoana [ny teolojia momba ny Andriamanitra telo izay iray]. Izany fitambaran-javatra hafahafa izany no nampiasain’i Tertullien hampisehoana ny foto-pinoana momba ny Andriamanitra telo izay iray. Tsy mazava sady tsy tena ara-dalàna ny fomba namelabelarana azy io, kanefa nampiasaina namelabelarana an’ilay foto-pinoana tao amin’ny konsilin’i Nicée.” Ny fampianaran’i Tertullien momba ny Andriamanitra telo izy iray àry no tena nampiely ny hevi-diso nanerana ny Kristianisma Anarana.

Nampangain’i Tertullien ny olon-kafa hoe nanimba ny fahamarinana, rehefa niezaka niaro azy io. Mahatsikaiky anefa, fa izy mihitsy indray no tena nanimba ny fahamarinana rehefa nampifangaro ny fahamarinana avy tao amin’ny Baiboly sy ny filozofian’olombelona. Tokony horaisintsika am-po àry ny fampitandreman’ny Baiboly momba ny ‘fanekena fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia.’—1 Timoty 4:1.

[Sary, pejy 29, 30]

Nokianin’i Tertullien ny filozofia kanefa nampiasainy hanohanana ny heviny

[Sary nahazoan-dalana]

Pejy 29 sy 30: © Cliché Bibliothèque nationale de France, Paris

[Sary, pejy 31]

Tsy mampifangaro ny fahamarinana ara-baiboly sy ny filozofian’olombelona ny tena Kristianina