Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Fiheveranao ny Fahafatesana?

Ahoana no Fiheveranao ny Fahafatesana?

Ahoana no Fiheveranao ny Fahafatesana?

TOY ny aloka mandindona antsika isan’andro Rafahafatesana, na dia salama na manankarena toy inona aza isika. Mety hamely izy io rehefa hiampita arabe isika, na ao am-pandriana koa aza. Maka ain’olona isan-karazany, na antitra na tanora, io “fahavalo farany” io, ka indraindray olona an’arivo ao anatin’ny minitra vitsy monja. Izany no nasehon’ilay fanafihan’ny mpampihorohoro tany New York sy Washington, tamin’ny 11 Septambra 2001.—1 Korintiana 15:26.

Na izany aza dia toa manitikitika ny sain’ny olona ny fahafatesana. Ny tena mahasarika ny olona maro hividy gazety sy hijery tele dia ny vaovao milaza fahafatesana, indrindra fa ny fahafatesan’olona maro noho ny loza nahatsiravina. Toa tsy mety leo izy ireo, na ady na loza araka ny natiora na asan-jiolahy na aretina no nahatonga ilay fahafatesana. Mibahana ao an-tsain’ny olona tokoa ny fahafatesana, ka ny tena mahavariana dia izy ireo mampiseho alahelo be rehefa misy olona ambony na malaza maty.

Izany tokoa no fihetsiky ny olona manoloana ny fahafatesana. Mbola manitikitika ny sainy foana izy io, indrindra fa rehefa misy olona maty. Mihoron-koditra kosa anefa izy mieritreritra ny hahafatesany. Io eritreritra io no tena tsy tantin’ny ankamaroantsika indrindra.

Very hevitra noho ny fahafatesana?

Tsy mahafinaritra ary tsy hahafinaritra mihitsy ny mieritreritra ny fahafatesan’ny tena. Nahoana? Satria nataon’Andriamanitra ao anatintsika ny faniriana lalina ny hiaina mandrakizay. Hoy ny Mpitoriteny 3:11: “Ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony.” Nanahiran-tsaina ny olombelona foana àry ny hoe tsy maintsy ho faty izy. Namorona zavatra maro inoana izy mba hamahana izany olana izany sy hiainany hatrany, araka ny faniriany voajanahary. Anisan’izany, ohatra, ny finoana fa tsy mety maty ny fanahy, na hoe teraka ao anaty vatana vaovao indray ny olona aorian’ny fahafatesana.

Na izany na tsy izany, dia mampikorontan-tsaina sy mampahatahotra ny olona eran-tany ny fahafatesana. Tsy tokony hahagaga antsika àry raha mampivalaketraka ny ankamaroan’ny olona ny mieritreritra azy io. Rehefa tojo fahafatesana mantsy izy dia hitany fa tsy misy dikany ny fiainana tsy nikatsahana afa-tsy harena sy fahefana.

Nosarahin’ny fahafatesana?

Matetika no maty tao an-tranony, teo anilan’ny olom-pantany sy havan-tiany, ny olona narary na naratra mafy fahiny. Izany no izy mazàna tamin’ny andron’ny Baiboly, ary mbola izany no izy any amin’ny firenena sasany. (Genesisy 49:1, 2, 33) Any amin’ireny tany ireny, dia mivory ny fianakaviana, ary eo koa ny ankizy. Tsapan’ny tsirairay amin’izay fa tsy mizaka irery ny fahoriana izy ireo. Mahazo fampiononana koa izy ireo satria mifampizara andraikitra sy alahelo.

Mifanohitra tanteraka amin’izany ny zava-mitranga rehefa fady, na heverina ho mampihoron-koditra ny miresaka momba ny fahafatesana, na koa tsy fomba ny miresaka an’izany amin’ny ankizy, satria hoe “tsy ho tantiny”, hono. Tsy toy ny taloha ny zava-mitranga amin’ny olona rehefa ho faty izy, ary matetika izy no avela ho faty irery. Maro no te ho faty ao an-tranony. Ao mantsy no ahitany fiadanana sy fitiavana, ary hokarakarain’ny fianakaviany izy. Mafy anefa ny manjo azy ireo, satria mazàna izy no mijaly any amin’ny hopitaly, ampifandraisina amina fitaovana maoderina maro mampahatahotra ary maty irery any avy eo. Misy koa ireo maty tsy misy mahalala, toy ireo maty mandritra ny fandripahana foko, na mosary, na adim-poko, na matin’ny SIDA na ny fahantrana faraidiny.

Loha hevitra tokony hodinihina

Tsy manakivy antsika tsy hieritreritra momba ny fahafatesana ny Baiboly. Milaza toy izao mihitsy ny Mpitoriteny 7:2: “Tsara ny mankamin’ny trano misy fisaonana noho ny mankamin’ny trano misy fanasana; fa ho amin’iny no hiafaran’ny olombelona rehetra.” Rehefa misy maty, ka voakasika manokana isika, dia mety havelantsika kely ny zavatra eritreretintsika sy fanaontsika andavanandro mba hifantohana amin’ny hafohin’ny fiainana. Afaka manampy antsika izany mba hampisy heviny kokoa ny androm-piainantsika fa tsy handanilany foana azy io.

Ahoana no fiheveranao ny fahafatesana? Nodinihinao ve ny fihetseham-ponao, ny finoanao, ny fanantenanao ary ny fanahianao momba ny hiafaran’ny fiainanao?

Samy tsy takatry ny sain’ny olona na ny dikan’ny fiainana na ny dikan’ny fahafatesana. Ny Mpamorona antsika ihany no azo itokisana hanazava izany. Izy no “loharanon’aina” sy afaka ‘manafaka amin’ny fahafatesana.’ (Salamo 36:9; 68:20) Hampitahaintsika amin’izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra ny fiheveran’ny olona ny fahafatesana. Hampionona sy hampahery izany, na dia mety hahagaga aza. Ho hita amin’izany fa tsy voatery hifarana amin’ny fahafatesana ny zava-drehetra.

[Teny notsongaina, pejy 4]

Manampy antsika hampisy heviny ny fiainantsika ny fieritreretana fa mety ho faty isika indray andro any