Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ankasitraho ny Fahamarinan’i Jehovah

Ankasitraho ny Fahamarinan’i Jehovah

Ankasitraho ny Fahamarinan’i Jehovah

“Izay fatra-panaraka fahamarinana sy famindrampo dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra.”—OHABOLANA 21:21.

1. Fomba mampidi-doza inona no arahin’ny olona ankehitriny?

“MISY làlana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo làlana mivarina any amin’ny fahafatesana no iafarany.” (Ohabolana 16:25) Mahalaza tsara ny fomban’ny ankamaroan’ny olona ankehitriny io ohabolana ao amin’ny Baiboly io! Ny fanaovana izay heveriny fa marina ihany no zava-dehibe amin’ny olona, amin’ny ankapobeny. Odiany tsy hita na dia ireo zavatra tena ilain’ny olon-kafa aza. (Ohabolana 21:2) Milaza ho mpanaraka ny lalàna sy fitsipiky ny taniny izy ireo, nefa mitady fomba ialana amin’izany foana. Manjary voazarazara sy misafotofoto ary very hevitra ny fiaraha-monina noho izany.—2 Timoty 3:1-5.

2. Inona no ilaina maika mba hahitan’ny olona rehetra soa?

2 Mba hahitantsika soa sy hahitan’ny olona rehetra fiadanana sy filaminana, dia ilaintsika maika ny lalàna na fitsipika marina heken’ny rehetra an-tsitrapo sy hankatoaviny. Miharihary fa tsy afaka hitondra izany ny lalàna na fitsipika hataon’ny olombelona, na dia hendry sy tso-po toy inona aza izy. (Jeremia 10:23; Romana 3:10, 23) Aiza àry no mety hahitana io fitsipika io ary ahoana ny mombamomba azy? Mbola zava-dehibe noho izany aza dia hoe: Raha misy izany fitsipika izany, hankasitraka sy hanaiky azy io ve ianao?

Fitadiavana ilay fitsipika marina

3. Iza no tena mahafeno fepetra mba hanomezana fitsipika azo ekena sy mahasoa ny rehetra, ary nahoana?

3 Raha mitady fitsipika azo ekena sy mahasoa ny rehetra isika, dia tsy maintsy mitodika any amin’ny olona tsy manavakava-bolon-koditra na kolontsaina. Tsy maintsy mahay mitsinjo lavitra koa io olona io, ary tsy tokony ho voafehin’ny hevitra ara-politika na manan-kilema toy ny olombelona. Azo antoka fa i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona tsitoha ihany no mahafeno izany fepetra izany. Hoy izy: “Tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany no hahavon’ny làlako noho ny làlanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo.” (Isaia 55:9) Milaza koa ny Baiboly fa “Andriamanitra mahatoky [i Jehovah], ka tsy misy ratsy ao aminy; marina sy mahitsy Izy.” (Deoteronomia 32:4) Hita manerana ny Baiboly ny teny hoe “Marina Jehovah.” (Eksodosy 9:27; 2 Tantara 12:6; Salamo 11:7; 129:4; Fitomaniana 1:18) Eny, afaka mitodika any amin’i Jehovah isika mba hahitana ny fitsipika tsara indrindra, satria mahatoky sy marina izy.

4. Inona no dikan’ny teny hoe marina?

4 Tsy tian’ny ankamaroan’ny olona loatra ary ivaivainy mihitsy aza, ireo mihevi-tena ho marina na masina kokoa noho ny hafa. Lazainy fa miseho ho masina be na mody mpivavaka be izy ireny. Ny hoe marina anefa ao amin’ny Baiboly dia midika hoe: mahitsy, tsara toetra; tsy manan-tsiny, tsy mpanota; manaraka ny toro lalana ao amin’ny lalàn’Andriamanitra na fitsipi-pitondran-tena mahazatra; manao ny rariny sy ny hitsiny. Tsy hankasitraka lalàna na fitsipika mahafaoka izany toetra tsara dia tsara izany ve ianao?

5. Hazavao ny hoe fahamarinana ao amin’ny Baiboly.

5 Hoy ny Rakipahalalana Judaica (anglisy) momba ny fahamarinana: “Tsy hevitra fotsiny ny fahamarinana fa midika kosa hoe tena fanaovana ny marina amin’izay olona rehetra ifandraisana.” Tsy toetra ao anatin’Andriamanitra fotsiny, toy ny fahamasinany sy ny fahadiovany, ohatra, ny fahamarinany. Miseho amin’ny zavatra marina ataony kosa izany. Azo lazaina fa marina avokoa ny zavatra ataon’i Jehovah sy avy aminy, satria masina sy madio izy. Hoy tokoa ny Baiboly: “Marina Jehovah amin’ny làlany rehetra, sady mamindra fo amin’ny asany rehetra.”—Salamo 145:17.

6. Inona no nolazain’i Paoly momba ny Jiosy sasany tsy nino tamin’ny androny, ary nahoana?

6 Nantitranterin’ny apostoly Paoly io hevitra io tao amin’ny taratasiny ho an’ny Kristianina tany Roma. Hoy izy momba ny Jiosy sasany tsy nino: “Satria tsy nahalala ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra izy ka nitady hanamarina ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra.” (Romana 10:3) Nahoana i Paoly no nilaza fa “tsy nahalala ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra” izy ireo? Angaha izy ireo tsy nampianarina ny Lalàna, na ny fitsipika marin’Andriamanitra? Nampianarina izy ireo, saingy nihevitra ny ankamaroany fa toetra tsara tsy mahakasika afa-tsy ny tenany ny fahamarinana. Nino izy fa marina ny tenany rehefa nankatò ny fitsipika ara-pivavahana tamin’ny an-tsipiriany. Tsy nataony tari-dalana teo amin’ny fifandraisany tamin’ny hafa ny fahamarinana. Toy ny mpitondra fivavahana tamin’ny andron’i Jesosy, dia tsy azon’izy ireo ny tena dikan’ny hoe fahamarinana.—Matio 23:23-28.

7. Ahoana no isehoan’ny fahamarinan’i Jehovah?

7 Mifanohitra tanteraka amin’izany ny fahamarinan’i Jehovah, satria hita taratra eo amin’ny zavatra rehetra ataony. Io fahamarinany io no mahatonga azy tsy hanakimpy ny masony manoloana ny fahotan’ireo minia mandika lalàna. Tsy midika anefa izany hoe Andriamanitra tsy mangoraka sy mitaky be loatra izy, ka tokony hatahorana sy hihatakatahana. Nanao asa marina kosa Andriamanitra, mba hahafahan’ny olona hanatona azy sy ho voavonjy amin’ny loza vokatry ny fahotana. Mety tsara àry ny ilazana fa “Andriamanitra marina sady Mpamonjy” i Jehovah.—Isaia 45:21.

Fahamarinana sy famonjena

8, 9. Ahoana no nampisehoan’ny Lalàna ny fahamarinan’Andriamanitra?

8 Mifandray ny fahamarinan’Andriamanitra sy ny asam-pamonjeny mampiseho fitiavana. Mba hahatakarana izany, dia diniho ny Lalàna nomen’Andriamanitra ny firenen’ny Isiraely tamin’ny alalan’i Mosesy. Tsy isalasalana fa marina ny Lalàna. Nampahatsiahy ny Isiraelita toy izao i Mosesy tamin’ny teny farany nataony: “Iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana didy sy fitsipika marina tahaka izao lalàna rehetra izao, izay ataoko eo anatrehanareo anio?” (Deoteronomia 4:8) Hoy i Davida, mpanjakan’ny Isiraely, taonjato maro tatỳ aoriana: “Marina ny fitsipik’i Jehovah, eny, mahitsy avokoa.”—Salamo 19:9.

9 Nataon’i Jehovah mazava tsara ao amin’ny Lalàna ny fitsipiny lavorary momba izay tsara sy ratsy. Voazava tamin’ny an-tsipiriany tao amin’ny Lalàna ny zavatra tokony hataon’ny Isiraelita, rehefa nivavaka izy. Voazava tao koa ny momba ny raharaha ara-barotra, ny fifandraisan’ny mpivady, ny sakafo sy ny fahadiovana, ary mazava loatra fa ny didim-pitsarana. Ahitana sazy hentitra ho an’ny mpandika lalàna koa ao anatin’izy io, ka misy fanamelohana ho faty mihitsy aza. * Henjana sy navesatra ho an’ny vahoaka ve anefa ny zavatra marina notakin’Andriamanitra tao amin’ny Lalàna? Voateritery sy tsy sambatra ve izy ireo, araka ny lazain’ny olona maro ankehitriny?

10. Ahoana no fahitan’ireo tia an’i Jehovah ny lalàny?

10 Tena ankasitrahan’ireo tia an’i Jehovah ny lalàny sy ny didiny marina. Hitantsika, ohatra, fa sady niaiky i Davida Mpanjaka hoe marina ny didim-pitsaran’i Jehovah, no tena tia sy nankasitraka azy ireny. Hoy izy momba ny lalàna sy ny didim-pitsaran’i Jehovah: “Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny tena volamena betsaka aza; ary mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin’ny tohotra. Ary ny mpanomponao dia hazavain’ireny; amin’ny fitandremana azy misy valiny lehibe.”—Salamo 19:7, 10, 11.

11. Nahoana ny Lalàna no ‘mpitaiza ho amin’i Kristy’?

11 Nampiseho antony iray hafa mahasarobidy kokoa ny Lalàna i Paoly, taonjato maro tatỳ aoriana. Izao no nosoratany ho an’ny Galatianina: “Ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin’i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika.” (Galatiana 3:24) Ny hoe mpitaiza tamin’ny andron’i Paoly, dia mpanompo na andevo tao amin’ny fianakaviambe iray. Andraikiny ny niaro ny ankizy sy nanatitra azy ireny tany am-pianarana. Toy izany koa ny Lalàna, izay niaro ny Isiraelita tamin’ny fitondran-tena sy fanao ara-pivavahana nikororosy nisy teo amin’ny firenena nanodidina azy. (Deoteronomia 18:9-13; Galatiana 3:23) Nahariharin’ny Lalàna tamin’ny Isiraelita koa fa mpanota izy ireo, ka nila famelan-keloka sy famonjena. (Galatiana 3:19) Nasehon’ny fanatitra fa nila sorom-panavotana izy ireo. Fomba namantarana ny hiavian’ny tena Mesia koa ny fanatitra. (Hebreo 10:1, 11, 12) Ny hahasambatra sy hahavoavonjy mandrakizay ny olona àry no tao an-tsain’i Jehovah, rehefa naneho ny fahamarinany tamin’ny alalan’ny Lalàna izy.

Ireo olona eken’Andriamanitra ho marina

12. Afaka ny ho nanao ahoana ny Isiraelita raha nanaraka tsara ny Lalàna?

12 Afaka ny ho marina teo anatrehan’Andriamanitra ny Isiraelita raha nankatò ny Lalàna nomen’i Jehovah, satria marina tamin’ny lafiny rehetra izy io. Nampahatsiahy ny Isiraelita toy izao i Mosesy taloha kelin’ny nidiran’izy ireo tao amin’ny Tany Nampanantenaina: “Ho fahamarinantsika ny mitandrina hanaraka izany didy rehetra izany eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitsika, araka izay efa nandidiany antsika.” (Deoteronomia 6:25) Nampanantena toy izao koa i Jehovah: “Tandremo ny didiko sy ny fitsipiko; fa raha mahatandrina izany ny olona, dia ho velona amin’izany izy: Izaho no Jehovah.”—Levitikosy 18:5; Romana 10:5.

13. Tsy rariny ve ny nataon’i Jehovah rehefa nitaky ny hitandreman’ny vahoakany ny Lalàny marina izy? Hazavao.

13 Nampalahelo fa ‘tsy nanaraka izany didy rehetra izany teo anatrehan’i Jehovah’ ny firenen’ny Isiraely, ka tsy nahazo ireo fitahiana nampanantenaina. Tsy nahatandrina ny didin’Andriamanitra rehetra izy ireo satria lavorary ny Lalàn’Andriamanitra fa izy ireo kosa tsy mba toy izany. Midika ve izany fa tsy marina Andriamanitra? Tsy izany mihitsy. Hoy i Paoly: “Ahoana ary no holazaintsika? Misy tsi-fahamarinana va amin’Andriamanitra? Sanatria izany!” (Romana 9:14) Tena nisy olona neken’Andriamanitra ho marina, na dia tsy lavorary sy mpanota aza, taloha sy taorian’ny nanomezany ny Lalàna. Anisan’izany olona natahotra an’Andriamanitra izany ry Noa, Abrahama, Joba, Rahaba, ary Daniela. (Genesisy 7:1; 15:6; Joba 1:1; Ezekiela 14:14; Jakoba 2:25) Ny fanontaniana àry dia hoe: Inona no antony naneken’Andriamanitra an’ireny olona ireny ho marina?

14. Inona no tian’ny Baiboly holazaina rehefa milaza izy hoe “marina” ny olona iray?

14 Tsy midika hoe olona lavorary na tsy mpanota ny olona lazain’ny Baiboly hoe ‘marina.’ Midika kosa izany fa manefa ny adidiny amin’Andriamanitra sy ny olona izy. Nantsoina hoe “lehilahy marina” sy “tsy nisy tsiny teo amin’ny olona niara-belona taminy”, ohatra, i Noa satria “araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy no nataony.” (Genesisy 6:9, 22; Malakia 3:18) “Marina teo anatrehan’Andriamanitra” i Zakaria sy Elizabeta, ray aman-drenin’i Jaona Mpanao Batisa, satria “nitondra tena tsy nanan-tsiny araka ny didy sy ny fitsipika rehetra nomen’ny Tompo.” (Lioka 1:6) Nantsoina koa hoe “lehilahy marina sady matahotra an’Andriamanitra” i Kornelio, kapiteny italianina.—Asan’ny Apostoly 10:22.

15. Mifandray akaiky amin’inona ny fahamarinana?

15 Zava-dehibe mba hahamarina ny olona iray koa izay ao am-pony, izany hoe ny finoany sy fankasitrahany ary fitiavany an’i Jehovah sy ny fikasany. Tsy ampy ny fanaovana izay takin’Andriamanitra. Lazain’ny Soratra Masina fa “nino an’i Jehovah [i Abrahama]; ka dia nisainy ho fahamarinany izany.” (Genesisy 15:6) Tsy nino fotsiny i Abrahama hoe nisy Andriamanitra fa ninoany koa ny fampanantenany momba ilay ‘taranaka.’ (Genesisy 3:15; 12:2; 15:5; 22:18) Nanam-pinoana narahin’asa i Abrahama sy ny olona hafa nahatoky na dia tsy lavorary aza. Noho izany, dia afaka nifandray tamin’izy ireo i Jehovah ary nitahy azy.—Salamo 36:10; Romana 4:20-22.

16. Inona no vokatry ny finoana ny avotra?

16 Farany, dia miankina amin’ny finoany ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy ny fahamarinan’ny olona iray. Izao no nolazain’i Paoly momba ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany: “Hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavan[’Andriamanitra] izy noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy.” (Romana 3:24) Ireo voafidy hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra no noresahin’i Paoly eto. Afaka ny ho marina eo anatrehan’Andriamanitra koa anefa ny olon-kafa an-tapitrisa, noho ny sorom-panavotan’i Jesosy. Nahita “olona betsaka tsy tambo isaina . . . nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry, niakanjo akanjo fotsy lava”, ny apostoly Jaona. Ny fanaovan’izy ireo akanjo fotsy dia midika fa madio sy marina eo anatrehan’Andriamanitra izy ireo, satria “ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry.”—Apokalypsy 7:9, 14.

Ankasitraho ny fahamarinan’i Jehovah

17. Inona avy ireo dingana tsy maintsy hatao mba hikatsahana ny fahamarinana?

17 Marina fa noho ny fitiavany no nanomezan’i Jehovah an’i Jesosy Kristy Zanany, mba hanekeny ny olona ho marina. Tsy mandeha ho azy anefa izany. Tsy maintsy mino ny avotra ilay olona, mampifanaraka ny fiainany amin’ny sitrapon’Andriamanitra, manolo-tena ho an’i Jehovah, ary mampiseho izany amin’ny alalan’ny batisa anaty rano. Tsy maintsy mikatsaka hatrany ny fahamarinana mbamin’ny toetra tsara hafa izy, avy eo. Nampirisihin’i Paoly mafy toy izao i Timoty, Kristianina vita batisa sy voahosotra ho any an-danitra: “Miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an’Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.” (1 Timoty 6:11; 2 Timoty 2:22) Nanantitrantitra ny ilana hiezahana hatrany koa i Jesosy, rehefa nilaza toy izao: “Fa katsaho [hatrany] aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany.” Mety hiezaka mafy hikatsaka ny fitahiana hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra isika. Miezaka mafy toy izany koa ve isika mba hikatsahana ny lalana marin’i Jehovah?—Matio 6:33.

18. a) Nahoana no sarotra ny mikatsaka ny fahamarinana? b) Inona no ianarantsika avy amin’ny ohatr’i Lota?

18 Mazava ho azy fa tsy mora ny mikatsaka ny fahamarinana. Tsy lavorary mantsy isika rehetra ka mirona hanao ny tsy marina. (Isaia 64:5) Tsy miraharaha ny lalana marin’i Jehovah koa ny olona manodidina antsika. Tsy misy hafa amin’ny zavatra niainan’i Lota tao Sodoma nalaza ratsy, ny zavatra iainantsika. Nohazavain’ny apostoly Petera ny antony niheveran’i Jehovah fa nety ny nanavotana an’i Lota tamin’ilay fandringanana nananontanona. Hoy i Petera: “Izany lehilahy marina izany, raha nitoetra teo aminy, dia nahory loatra ny fanahiny marina isan-andro isan-andro noho ny nahitany sy ny nandrenesany ny fandikan’ireo ny lalàna.” (2 Petera 2:7, 8) Tokony hanontany tena àry isika tsirairay hoe: ‘Ankasitrahako ao am-poko ve ny fitondran-tena ratsy misy manodidina ahy? Manorisory ahy fotsiny ve ny fialam-boly na fanatanjahan-tena be mpitia nefa feno herisetra? Sa tena ory toa an’i Lota mihitsy aho, noho ireo fanao tsy marina ireo?’

19. Inona no valisoa ho azontsika raha ankasitrahantsika ny fahamarinan’Andriamanitra?

19 Mampilamin-tsaina sy miaro, ny fankasitrahana ny fahamarinan’Andriamanitra, amin’izao andro mampidi-doza sy tsy azo antoka izao. Nanontany toy izao i Davida Mpanjaka: “Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin’ny tabernakelinao? Iza no honina ao an-tendrombohitrao masina?” Izy ihany no namaly hoe: “Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy [na marina].” (Salamo 15:1, 2) Afaka ny hifandray tsara hatrany amin’i Jehovah isika ka hahazo ny fankasitrahany sy ny fitahiany foana, raha mikatsaka sy mankasitraka hatrany ny fahamarinany. Ho afa-po sy hanaja tena ary hilamin-tsaina isika amin’izay. “Izay fatra-panaraka fahamarinana sy famindrampo dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra”, hoy ny Tenin’Andriamanitra. (Ohabolana 21:21) Ho tsara fihavanana amin’ny hafa koa isika ary hihatsara ny fiainantsika, dia ny fitondran-tenantsika sy ny ara-panahintsika, raha miezaka manao araka izay fara herintsika isika mba hanaovana ny marina. Hoy ny mpanao salamo: “Sambatra izay mitandrina ny mety ka manao ny marina mandrakariva.”—Salamo 106:3.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Mba hahitana tsipiriany momba ny Lalàn’i Mosesy, dia jereo ilay hoe “Lafiny Sasany Amin’ny Faneken’ny Lalàna”, pejy 154-160, ao amin’ny Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina (frantsay), boky faha-2, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona no atao hoe fahamarinana?

• Inona no ifandraisan’ny famonjena sy ny fahamarinan’Andriamanitra?

• Olona manao ahoana no eken’Andriamanitra ho marina?

• Ahoana no fomba ankasitrahantsika ny fahamarinan’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Tena tian’i Davida Mpanjaka ny lalàn’Andriamanitra

[Sary, pejy 16]

Neken’Andriamanitra ho marina ry Noa, Abrahama, Zakaria sy Elizabeta, ary Kornelio. Fantatrao ve ny antony?