Fandinihana Hevi-diso Momba ny Fahafatesana
Fandinihana Hevi-diso Momba ny Fahafatesana
VERY hevitra sy matahotra foana ny olona hatramin’izay mieritreritra ilay zavatra manjombona ho avy, dia ny fahafatesana. Vao mainka matahotra fahafatesana izy noho ireo hevi-diso ara-pivavahana sy ny fomba amam-panao ary ny heviny manokana efa latsa-paka. Afaka misakana azy tsy hankafy ny fiainana io tahotra ny fahafatesana io. Mihatsy mino ilay olona hoe misy zava-kendrena ny fiainana.
Ireo fivavahana lehibe no tena meloka satria mampirisika ny olona hino ireo hevi-diso momba ny fahafatesana. Hampitahaintsika amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ny sasantsasany amin’ireo hevitra ireo. Mety hanjary hazava kokoa aminao ny momba ny fahafatesana amin’izay.
Hevi-diso 1: Lalam-piainana ny fahafatesana.
‘Efa natao ho faty mihitsy isika’, hoy ny boky Dingana Farany ny Fahafatesana (anglisy). Araka izany, dia mino tokoa ny olona fa ara-dalàna raha mifarana amin’ny fahafatesana ny fiainan’ny zavamananaina rehetra. Ary izany no mahatonga olona maro tsy hino na inona na inona sy ho tia manararaotra.
Tena ara-dalàna ve hoe mifarana amin’ny fahafatesana ny fiainana? Tsy ny manam-pahaizana rehetra no manaiky izany. Nilaza, ohatra, i Calvin Harley, manam-pahaizana mandinika ny fizotran’ny fahanterana, fa tsy mino izy hoe “natao ho faty ny olona.” Nilaza koa ilay manam-pahaizana atao hoe William Clark fa tsy voatery ho faty foana akory ny olona na dia izany foana aza no mitranga. Nilaza izao ohatra izao i Seymour Benzer, ao amin’ny Sekoly Momba ny Teknolojia any Kalifornia: “Mitovy kokoa amin’ny soratra azo kosehina ny fahanterana, fa tsy toy ny fihodinan’ny famantaranandro izay tsy azo averina.”
Sahiran-tsaina ny mpahay siansa, rehefa mandinika ny fomba namoronana ny olombelona. Tsikaritr’izy ireo mantsy fa tena mihoatra izay ilaintsika mandritra ireo 70 na 80 taona iainantsika ny fahaizantsika voajanahary. Hitan’ny mpahay siansa, ohatra, fa afaka mitadidy zavatra faran’izay betsaka ny atidohantsika. Nisy manam-pahaizana nilaza fa ny fanazavana azon’ny atidohantsika tahirizina dia mety “hameno boky 20 tapitrisa eo ho eo, izany hoe toy ny habetsahan’ny boky ao amin’ny tranomboky lehibe indrindra eran-tany.” Misy manam-pahaizana mihevitra fa tsy mampiasa afa-tsy ampahany faran’izay kely amin’ny atidohany ny olona. Mety àry ny manontany hoe: ‘Nahoana isika no manana atidoha matanjaka be toy izany, nefa ampahany kely dia kely amin’izy io fotsiny no ampiasaintsika mandritra ny androm-piainantsika?’
Diniho koa ny fihetsiky ny olona rehefa misy maty! Hita avy amin’izany fa tsy ara-dalàna ny fahafatesana. Ny fahafatesan’ny vady na zanaka no zava-mitranga mahavaky fo indrindra ho an’ny ankamaroan’ny olona. Mbola mikorontana foana ny toe-po na dia ela aorian’ny nahafatesan’ny havan-tiana aza. Na dia ny olona milaza ny
fahafatesana ho ara-dalàna aza, dia miaiky fa sarotra ny manaiky hoe hifarana amin’ny fahafatesany ny zava-drehetra. Namerina izao tenin’ny manam-pahaizana izao ny Gazety Anglisy Momba ny Fitsaboana: “Te ho ela velona ny olona rehetra.”Rehefa dinihina ny fihetsiky ny olona manoloana ny fahafatesana, ny fahafahany mitadidy sy mianatra zavatra maro, ary ny faniriany voajanahary ny hiaina mandrakizay, tsy mazava àry ve fa natao hiaina izy? Eny, namorona ny olona mba hanantena hiaina mandrakizay Andriamanitra. Tsy nataony ho faty akory izy ireo. Mariho izao tenin’Andriamanitra tamin’ny mpivady voalohany izao: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.” (Genesisy 1:28) Mahafinaritra re izany hoavy maharitra izany!
Hevi-diso faha-2: Alain’Andriamanitra ho any aminy ny olona.
Niresaka tamin’ny masera katolika iray ny renim-pianakaviana iray efa ho faty; 27 taona izy ary manan-janaka telo. Hoy izy: “Aza milaza amiko hoe izao no sitrapon’Andriamanitra. . . . Halako rehefa milaza izany amiko ny olona.” Izany anefa no ampianarin’ny fivavahana maro momba ny fahafatesana: Alain’Andriamanitra ho eo akaikiny, hono, ny olona.
Andriamanitra ve dia ho lozabe toy izany ka hahatonga fahafatesana, nefa fantany fa mahavaky ny fontsika izany? Tsy manao izany ilay Andriamanitra resahin’ny Baiboly. Hoy ny 1 Jaona 4:8: “Andriamanitra dia fitiavana.” Mariho fa tsy milaza akory izy hoe manana fitiavana Andriamanitra, fa hoe Andriamanitra dia fitiavana. Tena lehibe sy madio ary lavorary ny fitiavan’Andriamanitra, ary io no tena maha izy azy. Azo lazaina àry fa izy no sary velon’ny fitiavana. Tsy maka ny olona mba ho eo akaikiny ny Andriamanitra toy izany.
Very hevitra ny olona maro noho ny fampianaran’ny fivavahan-diso momba ny toerana misy ny maty sy ny toetoetran’izy ireo. Lazainy, ohatra, fa mankany an-danitra, na any amin’ny afobe, na afofandiovana, na Limby, ny maty. Tsy takatry ny saina ary tena maharaiki-tahotra izany sy ny zavatra hafa ampianariny. Lazain’ny Baiboly amintsika kosa anefa fa tsy mahatsiaro tena ny maty, ary tena mitovy amin’ny olona matory. (Mpitoriteny 9:5, 10; Jaona 11:11-14) Tsy manahy isika rehefa mahita olona matory be. Toy izany koa àry fa tsy voatery hanahy momba izay hanjo antsika rehefa maty isika. Nilaza i Jesosy fa ho avy ny fotoana ka ‘hivoaka ny olona rehetra any am-pasana’ mba hanana fiainam-baovao eto an-tany lasa paradisa.—Jaona 5:28, 29; Lioka 23:43.
Hevi-diso faha-3: Alain’Andriamanitra mba ho anjely ny ankizy kely.
Niresaka momba ny fiheveran’ny mpivavaka maro ny fahafatesana i Elisabeth Kübler-Ross, izay nandinika olona narary efa ho faty. Zavatra tena nitranga tamin’ny ankizivavy iray no notantarainy, ka nilaza izy fa “tsy fahendrena ny milaza amin’ny ankizy, rehefa maty ny zandriny lahy, hoe tena tian’Andriamanitra ny ankizilahy kely ka nalainy ho any an-danitra.” Manome hevi-diso momba an’Andriamanitra izany ary tsy mifanaraka amin’ny tena toetrany. Hoy ihany ny Profesora Kübler-Ross: “Tsy nety afaka mihitsy ny fahatezeran’io ankizivavy io tamin’Andriamanitra rehefa nihalehibe izy. Noho izany, dia nalahelo be izy ary lasa adaladala mihitsy rehefa maty ny zanany, 30 taona tatỳ aoriana.”
Nahoana moa Andriamanitra no dia haka ankizy mba hahazoana anjely, toy ny hoe izy no mila kokoa an’io zaza io noho ny ray aman-dreniny? Tsy ho Mpamorona tia tena sy tsy manam-pitiavana ve Andriamanitra, raha maka ankizy tokoa? Hoy kosa ny Baiboly: “Avy amin’Andriamanitra ny fitiavana.” (1 Jaona 4:7) Andriamanitra fitiavana ve dia haka ain’olona, nefa olombelona mba manana fitsipika aza tsy hamela izany hitranga mihitsy?
Mpitoriteny 9:11: “Ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo azy rehetra.” Milaza amintsika koa ny Salamo 51:5 fa mbola tsy teraka akory isika rehetra dia efa tsy lavorary sy mpanota, ary mety ho faty daholo ny olona noho ny antony maro. Misy zaza maty alohan’ny hahaterahany indraindray. Ny hafa indray maty noho ny zavatra nampahory na ny loza nanjo azy. Tsy tompon’andraikitra amin’izany Andriamanitra.
Nahoana àry no misy ankizy maty? Hoy ny Baiboly ao amin’nyHevi-diso faha-4: Ampijalina ny olona sasany aorian’ny fahafatesana.
Fivavahana maro no mampianatra fa hankany amin’ny afobe ny ratsy fanahy ary hampijalina mandrakizay. Mitombina sy mifanaraka amin’ny Soratra Masina ve izany? Voafetra ho 70 na 80 taona ny andro iainan’ny olona. Ho ara-drariny ve ny hampijaliana olona mandrakizay, na dia mety ho nahavanon-doza be aza izy fony mbola velona? Tsia. Tena tsy ara-drariny ny hampijaliana olona iray mandrakizay noho ny fahotana nataony nandritra ny andro fohy niainany.
Andriamanitra ihany no afaka mampahafantatra izay mitranga aorian’ny fahafatesana, ary izany no nataony ao amin’ny Baiboly. Hoy io boky io: “Toy ny ahafatesan’ny [biby] no ahafatesan’ny [olona] koa; eny, iray ihany no fofonaina ananan’izy rehetra . . . Izy rehetra samy mankamin’ny fitoerana iray: avy tamin’ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray izy rehetra.” (Mpitoriteny 3:19, 20) Tsy miresaka afobe izy io. Miverina ho amin’ny vovoka ny olona rehefa maty, izany hoe tsy misy intsony izy.
Tsy maintsy mahatsiaro tena ny olona vao azo ampijalina. Mahatsiaro tena ve ny maty? Mbola manome ny valiny ihany ny Baiboly, manao hoe: “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy.” (Mpitoriteny 9:5) Tsy mahatsiaro manaintaina mihitsy ny maty, satria “tsy mahalala na inona na inona” izy.
Hevi-diso faha-5: Tsy misy antenaina intsony aorian’ny fahafatesana.
Tsy misy intsony isika rehefa maty, nefa afaka manantena ny ho velona indray. Fantatr’ilay lehilahy nahatoky atao hoe Joba fa ho any am-pasana, na Sheola, izy rehefa maty. Diniho anefa izao vavaka nataony tamin’Andriamanitra izao: “Enga anie ka hanafina ahy any amin’ny fiainan-tsi-hita Hianao ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao! Ary hanendry fetr’andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy! Raha maty ny Joba 14:13-15.
olona, moa ho velona indray va izy? . . . Hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao.”—Nino i Joba fa hotsaroan’Andriamanitra izy ary hatsangany amin’ny maty, raha tsy mivadika mandra-pahafatiny. Nino izany ny mpanompon’i Jehovah rehetra fahiny. I Jesosy mihitsy no nanamafy izany fanantenana izany ary nasehony fa hampiasa azy Andriamanitra mba hanangana ny maty. Manome toky antsika izao tenin’i Kristy izao: “Avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feon[’i Jesosy]; dia hivoaka izy: izay nanao tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana; fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana.”—Jaona 5:28, 29.
Hanala tsy ho ela ny faharatsiana rehetra Andriamanitra ary hanorina tontolo vaovao, ho eo ambany fitondram-panjakana any an-danitra. (Salamo 37:10, 11; Daniela 2:44; Apokalypsy 16:14, 16) Ny vokatr’izany dia paradisa maneran-tany hipetrahan’ny olona manompo an’Andriamanitra. Izao no vakintsika ao amin’ny Baiboly: “Nahare feo mahery avy teo amin’ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.”—Apokalypsy 21:3, 4.
Afaka amin’ny tahotra
Afaka mampionona anao ny mahafantatra ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty sy ny mahafantatra Ilay loharanon’izy io. Nampanantena i Jesosy hoe: “Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” (Jaona 8:32) Tafiditra amin’izany ny fanafahana antsika amin’ny tahotra ny fahafatesana. I Jehovah irery no tena afaka manala ny fahanterana sy ny fahafatesana ary hanome fiainana mandrakizay antsika. Afaka matoky ny fampanantenan’Andriamanitra ve ianao? Eny, satria tanteraka foana ny Teniny. (Isaia 55:11) Mampirisika anao izahay mba hianatra bebe kokoa momba ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olona. Tena ho faly hanampy anao ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Teny notsongaina, pejy 6]
Afaka misakana ny olona tsy hankafy ny fiainana ny tahotra ny fahafatesana
[Tabilao, pejy 7]
HEVI-DISO FAHITA MOMBA NY FAHAFATESANA
INONA NO LAZAIN’NY SORATRA MASINA?
● Lalam-piainana ny fahafatesana Genesisy 1:28; 2:17;
●Alain’Andriamanitra ho any aminy Joba 34:15; Salamo
ny olona 37:11, 29; 115:16
●Alain’Andriamanitra mba ho anjely Salamo 51:5; Hebreo
ny ankizy kely 1:7, 14
●Ampijalina ny olona sasany Salamo 146:4;
aorian’ny fahafatesana Mpitoriteny 9:5, 10; Romana
6:23
●Tsy misy antenaina intsony Joba 14:14, 15; Jaona
aorian’ny fahafatesana 3:16; 17:3; Asan’ny
Apostoly 24:15
[Sary, pejy 8]
Tsy matahotra ny fahafatesana intsony isika rehefa mahalala ny marina momba azy io
[Sary nahazoan-dalana, pejy 5]
Barrators—Giampolo/The Doré Illustrations For Dante’s Divine Comedy/Dover Publications Inc.