Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Raha te hatao batisa ny olona iray manana kilema na aretina lehibe, tsy maintsy aroboka tanteraka ao anaty rano ve izy na dia ho sarotra aza ilay fandrobohana?

Ny teny hoe “manao batisa” dia avy amin’ilay matoanteny grika hoe baʹpto, midika hoe manitrika na ‘manatsoboka.’ (Joany 13:26, Fandikan-teny Katolika) Mitovy ny hoe “mandroboka” sy “manao batisa” ao amin’ny Baiboly. Hoy ny Baiboly Manamafy Hevitra (anglisy), nadikan’i Rotherham, momba ny nanaovan’i Filipo batisa an’ilay tandapa etiopianina: “Nidina ho eo amin’ny rano izy roa lahy, dia i Filipo sy ilay tandapa, ary nandroboka azy izy.” (Asan’ny Apostoly 8:38) Tena asitrika ao anaty rano àry ny olona atao batisa.—Matio 3:16; Marka 1:10.

Nanome toromarika ny mpianany i Jesosy hoe: “Mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy.” (Matio 28:19, 20) Mankatò izany ny Vavolombelon’i Jehovah, ka manao batisa ao anaty dobo filomanosana, farihy, renirano, na toeran-kafa misy rano ampy hanaovana fandrobohana tanteraka. Didy araka ny Soratra Masina ny fandrobohana tanteraka, ka tsy misy manana fahefana hilaza fa tsy maninona na tsy atao batisa aza ny olona iray. Tokony hatao batisa àry ny olona iray, na dia ilaina aza ny fanaovan-javatra maningana noho ny toe-pahasalamany. Nety tamin’ny olona antitra na tena farofy, ohatra, ny fampiasana koveta be fandroana. Azo hafanaina ny rano amin’izany, ary apetraka tsimoramora ao anaty rano ilay olona hatao batisa. Rehefa vonona tsara izy, dia atao amin’izay ilay batisa.

Na dia olona nanana kilema lehibe aza dia natao batisa ihany. Nisy, ohatra, nodidiana traotraoka, ka nanjary nisy loaka eo amin’ny tendany; nisy koa tsy maintsy nampiasa fitaovana fisefoana, kanefa naroboka ihany izy ireo. Mazava ho azy fa tena mila fanomanana tsara ny batisa toy izany. Tsara amin’izay raha misy mpitsabo mpanampy mahay na dokotera manatrika eo. Azo atao ny batisa amin’ny ankapobeny, rehefa misy fikarakarana manokana na fitandremana mialoha. Tokony hatao àry ny ezaka rehetra mba hanaovana batisa olona iray, raha izay no tena faniriany, ka vonona hanaiky izay mety ho vokatr’izany izy.