Iza no Homen-tsiny Amin’izay Ataonao?
Iza no Homen-tsiny Amin’izay Ataonao?
MISY mihevitra fa ny fototarazo, izay zavatra ao anatin’ny selan’ny olombelona, no mibaiko ny fitondran-tenany. Io no heveriny fa mahatonga ny alkaolisma, ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, ny fitondran-tena maloto, ny herisetra sy ny fanao ratsy hafa, ary na dia ny fahafatesana aza. Miasa mafy ny mpahay siansa mba hanaporofoana izany. Tsy hahatsiaro ho maivamaivana tokoa ve isika raha voaporofo fa tsy tompon’andraikitra amin’ny ataontsika, fa baikoin’ny fototarazontsika fotsiny? Fanaon’ny olombelona ny manome tsiny ny olona na zavatra hafa rehefa manao fahadisoana izy.
Ny sela no anisan’ny zavatra bitika indrindra ao anatin’ny zavamananaina rehetra. Ao anatin’ny sela no ahitana ny fototarazo, izay mamaritra ny toetrantsika. Raha tompon’andraikitra amin’ny fahadisoana ataontsika tokoa ny fototarazo, dia mihevitra ny mpahay siansa fa mety ho azo ovana izy ireo: Ampiana fototarazo tsara, na esorina izay tsy mety amin’ilay fototarazo. Manantena hahavita izany izy ireo satria tato ho ato, dia nandroso be ny fikarohana nataony momba ny fiasan’ny fototarazo ao anatin’ny vatantsika.
Ny fototr’izany anefa dia ny fiheverana fa ny toetra nolovantsika no tompon’andraikitra amin’ny fahotana sy ny fahadisoana rehetra ataontsika. Nahita porofo ampy hiampangana ny fototarazontsika ve ny mpahay siansa? Azo antoka fa hisy vokany lehibe eo amin’ny fiheverantsika ny tenantsika sy ny hoavintsika ny valiny. Hijery ireo porofo ireo isika, saingy hodinihintsika aloha ny tantaran’ny olombelona voalohany, satria hanampy antsika izany.
Ny niandohan’ny fahotana sy ny tsy fahalavorariana
Fantatry ny ankamaroan’ny olona, na fara faharatsiny, efa reny, ny nanotan’i Adama sy Eva tao amin’ny saha Edena. Vao noforonina ve ireo olombelona voalohany ireo, dia efa nisy tsy nety tao amin’ny fototarazony, ka nahatonga azy hirona hanota sy tsy hankatò?
Nilaza i Jehovah Andriamanitra Mpamorona azy ireo, fa “tsara indrindra” ny zavaboary noforoniny farany teto an-tany. Lavorary ny asany rehetra. (Genesisy 1:31; Deoteronomia 32:4) Afa-po tamin’ny asany tokoa izy, ka nitso-drano ny mpivady voalohany. Nanasa azy ireo hihabetsaka sy hameno ny tany ary hikarakara ny zavaboary hafa teto an-tany koa izy. Tsy ho nanao izany mihitsy Andriamanitra, raha tsy azony antoka hoe lavorary ny asa tanany.—Genesisy 1:28.
Hoy ny Baiboly momba ny famoronana ny olombelona voalohany: “Andriamanitra nahary ny Genesisy 1:27) Tsy midika izany hoe nitovy vatana tamin’Andriamanitra izy ireo, satria “Andriamanitra dia Fanahy.” (Jaona 4:24) Midika kosa izany fa natao nitovy toetra tamin’Andriamanitra izy ireo. Nomena fahaizana manavaka ny tsara sy ny ratsy, dia ny feon’ny fieritreretana, izy ireo. (Romana 2:14, 15) Afaka nanao izay tiany koa izy ireo, ary nahay nandinika sy nanapa-kevitra ny amin’izay tokony hatao.
olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.” (Tsy navela irery tsy nisy toro lalana anefa ireo razambentsika ireo. Nolazaina mialoha taminy izay hitranga raha manao ratsy izy. (Genesisy 2:17) Porofoin’izany àry fa nifidy ny hanao izay noheveriny fa hahasoa azy i Adama tamin’izany fotoana izany, rehefa nila nanapa-kevitra ny amin’izay tokony hatao. Nanaraka ny vadiny tamin’ny ratsy izy, fa tsy nieritreritra ny fifandraisany tamin’ny Mpamorona azy, na ny vokatra maharitry ny nataony. I Jehovah indray no nomeny tsiny avy eo, ka nilaza izy fa ilay vehivavy nomeny no namitaka azy.—Genesisy 3:6, 12; 1 Timoty 2:14.
Mitondra fanazavana ho antsika ny zavatra nataon’Andriamanitra rehefa nanota i Adama sy Eva. Tsy nisy zavatra tsy nety akory tao amin’ny fototarazon’izy ireo, ka hoe nila nahitsin’Andriamanitra. Nampihariny tamin’izy ireo kosa ny sazy efa nolazainy, ka maty izy ireo tatỳ aoriana. (Genesisy 3:17-19) Manazava kokoa ny fototry ny fitondran-tenan’ny olona io tantara tany am-boalohany io. *
Porofo fa tsy meloka ny fototarazo
Efa hatramin’ny ela ny mpahay siansa no nikaroka mafy mba hahitana izay fototarazo miteraka aretina na misy vokany eo amin’ny fitondran-tenan’ny olona. Mitady izay fototarazo hanasitranana na hanitsiana izany koa izy ireo. Miresaka momba ny ezaka nataon’ny mpikaroka maromaro, ohatra, ny boky Amerikanina Siantifika (anglisy). Niara-niasa nandritra ny folo taona izy ireo vao nahita ny fototarazo mahatonga ilay aretin-tsaina antsoina hoe aretin’i Huntington, na dia tsy fantany aza ny fomba fiasan’izy io. ‘Vao mainka ho sarotra kokoa noho izany ny hahita ny fototarazo mahatonga fitondran-tena ratsy’, hoy ny manam-pahaizana iray atao hoe Evan Balaban, tao amin’io boky io ihany.
Tsy nahomby mihitsy aza ny fikarohana natao hanaporofoana fa mibaiko ny fitondran-tenan’ny olombelona ny fototarazo. Nisy ezaka natao, ohatra, mba hanaporofoana fa ny fototarazo no miteraka ny fahaketrahana. Hoy ny boky Psikolojia Ankehitriny (anglisy) momba izany: ‘Rehefa nodinihina ireo aretin-tsaina lehibe mpahazo ny olona, dia hita fa tsy ny fototarazo ihany no anton’izy ireny.’ Manome ohatra io boky io, ka milaza fa vitsy (iray isan-jato) ny Amerikanina tratran’ny fahaketrahana talohan’ny 1905, sady efa antitra izy ireo (75 taona) vao tratran’izany. Niova haingana
anefa izany, 50 taona tatỳ aoriana, satria Amerikanina maro kokoa (6 isan-jato) vao 24 taona dia efa tratran’ny fahaketrahana! Ny zavatra iainan’ny olona ihany àry no mahatonga izany fiovana haingana be izany, fa tsy hoe zavatra efa ao anatin’ny olona akory.Inona no asehon’ireny fikarohana ireny sy ny maro hafa? Asehony fa misy zavatra hafa mamolavola ny toetrantsika, na dia mety handray anjara amin’izany aza ny fototarazo. Tena misy vokany eo amintsika, ohatra, ny zavatra iainantsika. Niova be izy io, raha oharina amin’ny taloha. Miresaka momba ny zavatra hitan’ny tanora ankehitriny ao amin’ny fialam-boly be mpitia, ny boky Ny Ankizilahy, Ankizilahy Ihany (anglisy). Milaza izy io fa tsy afaka ny hianatra fitsipika tsara mihitsy ny ankizy tsy manao afa-tsy mijery zava-dratsy amin’ny tele, toy ny olona vonoina, tifirina, tsatohana amin’ny antsy, tetitetehina, esorina ny tsinainy, na ny hodiny, na tapahina ny tongony aman-tanany. Toy izany koa ny vokany, rehefa tsy manao afa-tsy ny mihaino mozika ratsy ny ankizy, mozika manindrahindra fisavihana, famonoan-tena, zava-mahadomelina, toaka, ary ny tsy fandeferana.
Hita tokoa fa namolavola ny manodidina antsika i Satana, ilay “andrianan’izao tontolo izao”, mba hampirisihana ny olona hanatontosa ny fanirian-dratsin’izy ireo. Ary tsy misy afaka mandà fa tena manan-kery lehibe eo amintsika rehetra izany.—Jaona 12:31; Efesiana 6:12; Apokalypsy 12:9, 12.
Ny fototry ny zava-manahirana ny olombelona
Efa hitantsika fa nanomboka tamin’ny fahotan’ny mpivady voalohany ny zava-manahirana ny olombelona. Inona no vokany? Nandova ny ota sy ny tsy fahalavorariana ary ny fahafatesana daholo ny taranak’i Adama, na dia tsy tompon’andraikitra tamin’ny fahotan’i Adama aza izy ireo. Manazava ny Baiboly hoe: “Koa izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.”—Romana 5:12.
Marina fa tsy lavorary ny olombelona, ka sarotra aminy ny manao ny tsara. Tsy midika anefa izany hoe tsy tompon’andraikitra amin’ny ataony izy. Asehon’ny Baiboly fa hankasitrahan’Andriamanitra ny olona mino ny fandaharana nataony mba hahazoana fiainana sady manaraka ny fitsipiny. Noho ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana dia nanao fandaharana i Jehovah, mba hamindrana fo amin’ny olombelona sy hanavotana azy ireo, ka toy ny hoe hividy indray izay narian’i Adama. Izany fandaharana izany dia ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy Zanany lavorary. Hoy i Jesosy: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”—Jaona 3:16; 1 Korintiana 15:21, 22.
Tena nankasitraka io fandaharana io ny apostoly Paoly, ka hoy izy: “Indrisy! olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity? Misaotra an’Andriamanitra aho amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.” (Romana 7:24, 25) Fantatr’i Paoly fa raha nanota izy, noho ny fahalemeny, dia afaka nangataka an’Andriamanitra mba hamela ny helony, noho ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. *
Toy ny tamin’ny taonjato voalohany, dia olona maro ankehitriny no tena ratsy fitondran-tena na toy ny hoe tsy misy azo antenaina intsony. Nianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, sy nanao ny fanitsiana nilaina izy ireny, ary afaka mahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra. Tsy mora ny fiovana tsy maintsy nataony, ary maro no mbola miady mafy amin’ny fanirian-dratsy. Ampian’Andriamanitra anefa izy ireo ka tsy mivadika aminy ary faly manompo azy. (Filipiana 4:13) Diniho, ohatra, ny lehilahy iray nanao fiovana lehibe mba hampifaliana an’Andriamanitra.
Tantara mampahery
“Nanomboka nanao firaisana tamin’ny lehilahy aho tamin’izaho mbola tovolahy kilasimandry. Nisaraka ny ray aman-dreniko, ary nangetaheta izany fitiavan’ny dada sy neny izany aho, satria tsy mba nahazo izany mihitsy. Nanao raharaha miaramila aho rehefa nahavita fianarana. Lehilahy mpiray amin’ny lehilahy no nifanila trano tamiko, tao amin’ilay toby. Nitsiriritra ny fomba fiainan’izy ireo aho, ka nanomboka niaraka taminy. Rehefa niaraka nandritra ny herintaona izahay dia nanjary nino aho fa natao ho mpiray amin’ny lehilahy ny tenako. Noheveriko hoe tsy afa-manoatra aho, fa izay mihitsy no maha izaho ahy.
Nianatra ny fomba fitenin’izy ireo aho ary nandeha tany amin’ny toerana falehany. Betsaka ny toaka sy ny rongony tany. Ohatra ny hoe tena nahafinaritra sy nanintona izany ilay izy, nefa naharikoriko, raha ny marina. Tsapako tao anatiko tao fa tsy voajanahary izany karazana fifandraisana nananako izany sady tsy hitondra ahy na ho aiza na ho aiza.
Nahita Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah aho tao amin’ny tanàna kely iray. Efa nanomboka ny fivoriana tamin’izay. Niditra aho dia nihaino ilay lahateny. Momba ny fiainana ao amin’ny Paradisa ilay izy. Niresaka tamina Vavolombelona aho avy eo ary nasainy hanatrika fivoriambe. Tonga tany aho ary tena gaga satria nahita fianakaviana faly niara-nivavaka. Nanomboka nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelona aho tamin’izay.
Nanomboka nampihatra ny zavatra nianarako tao amin’ny Baiboly aho, na dia mafy tamiko aza izany. Afaka tamin’ireo fanaoko ratsy rehetra aho ary nanolo-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa, 14 volana tatỳ aoriana. Izay aho vao mba nanana namana, tena namana. Nanampy olon-kafa hianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly aho, ary mpanampy amin’ny fanompoana ao amin’ny fiangonana kristianina aho izao. Tena nitahy ahy i Jehovah.”
Tompon’andraikitra isika
Tsy vahaolana mihitsy ny manome tsiny tanteraka ny fototarazontsika noho ny fitondran-tena ratsintsika. Milaza ny Psikolojia Ankehitriny fa tsy manampy antsika handamina ny zava-manahirana izany fomba fihevitra izany. Mety hampirisika antsika kosa izany hihevitra fa tsy afa-manoatra isika, ka izay no tena fototry ny zava-manahirana maro atrehintsika. Vao mainka mampitombo ny isan’izy ireo izany, fa tsy mampihena azy akory.
Marina fa tsy maintsy miady amin’ny hery matanjaka isika, dia ny fironantsika hanota sy i Satana izay miezaka hitarika antsika tsy hankatò an’Andriamanitra. (1 Petera 5:8) Marina koa fa manan-kery eo amintsika ihany ny fototarazontsika. Tsy afaka milaza mihitsy anefa isika hoe tsy afa-manoatra. Manana namana mahery ny tena Kristianina: i Jehovah, Jesosy Kristy, ny fanahy masin’Andriamanitra sy ny Teniny, ary ny fiangonana kristianina.—1 Timoty 6:11, 12; 1 Jaona 2:1.
Talohan’ny nidiran’ny firenen’ny Isiraely tao amin’ny Tany Nampanantenaina, dia nampahatsiahivin’i Mosesy azy ireo ny andraikiny. Hoy izy: “Nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao, dia ny ho tia an’i Jehovah Andriamanitrao hianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy.” (Deoteronomia 30:19, 20) Toy izany koa ankehitriny. Samy tsy maintsy manapa-kevitra ny tsirairay raha hanompo an’Andriamanitra izy sady hanao izay takiny. Anao izany ny safidy.—Galatiana 6:7, 8.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 10 Jereo ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 22 Septambra 1996, pejy 3-7.
^ feh. 19 Jereo ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, pejy 62-69, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Sary, pejy 9]
Nisy tsy nety ve tao amin’ny fototarazon’i Adama sy Eva, ka nahatonga azy hirona hanota?
[Sary, pejy 10]
Tokony hanaiky ve ny tsirairay fa tompon’andraikitra amin’ny ataony izy?
[Sary nahazoan-dalana]
Mpampiasa zava-mahadomelina: Godo-Foto
[Sary, pejy 11]
Tsy voaporofo fa mibaiko ny fitondran-tenan’ny olombelona ny fototarazo
[Sary, pejy 12]
Manampy ny olona tso-po mba hiova ny fampiharana izay lazain’ny Baiboly