Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahita ny Fahamarinana Tany Amin’ny Toerana Tsy Nampoizina

Nahita ny Fahamarinana Tany Amin’ny Toerana Tsy Nampoizina

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

Nahita ny Fahamarinana Tany Amin’ny Toerana Tsy Nampoizina

TIAN’ANDRIAMANITRA ‘hovonjena ny olona rehetra, ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina.’ (1 Timoty 2:3, 4) Izany no mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah hanao pirinty sy hizara Baiboly sy boky fianarana Baiboly an-tapitrisa. Nanampy olona tso-po maro hianatra ny fahamarinana tamin’ny fomba tsy nampoizina ireny boky ireny indraindray. Mitantara toy izao momba izany ireo mpitory ilay Fanjakana any Freetown, Sierra Leone.

Lahiaivo ao amin’ny fianakaviana iray misy ankizy sivy i Osman. Tia fivavahana ny fianakaviany, ka niara-nandeha niangona tamin-drainy foana izy. Nanahiran-tsaina an’i Osman anefa ny fampianaran’ny fivavahany momba ny afobe. Tsy azony mihitsy hoe nahoana ny Andriamanitra iray be famindram-po no mampijaly ny olona ratsy fanahy, ka mandoro azy ireo ao amin’ny afo. Tsy nisy nampandry saina azy izay fanazavana nomena azy momba ny afobe.

Nahita boky mangamanga efa nisy may tao anaty dabam-pako izy, indray andro, tamin’izy 20 taona. Tia boky izy, ka nalainy ilay izy ary nodioviny. Hitany avy eo ny lohatenin’ilay boky hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. *

Nieritreritra i Osman hoe ‘Inona izany fahamarinana resahiny izany?’ Tiany ho fantatra ilay izy, ka nentiny nody ilay boky ary teo no ho eo ihany dia novakiny hatramin’ny farany. Faly be izy nahafantatra fa manana anarana Andriamanitra, dia hoe Jehovah! (Salamo 83:18) Fantatr’i Osman koa tamin’izay fa ny fitiavana no toetran’Andriamanitra lehibe indrindra, ka na dia ny hevitra hoe hampijaly olona ao amin’ny afo aza dia zava-betaveta eo imasony. (Jeremia 32:35; 1 Jaona 4:8) Ary farany, dia novakin’i Osman tao koa fa kely sisa dia hanorina paradisa eto an-tany i Jehovah, ka ho afaka hiaina mandrakizay ao ny olona. (Salamo 37:29; Apokalypsy 21:3, 4) Fahamarinana mahatalanjona avy amin’ilay Andriamanitra be famindram-po sy fitiavana re izany! Velom-pankasitrahana i Osman, ka nisaotra an’i Jehovah noho ny namelany azy hahita ny fahamarinana tany amin’ny toerana tena tsy nampoizina.

Andro vitsivitsy taorian’izay, dia nampian’ny namany hitady ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah i Osman, ka nanatrika voalohany ny fivoriana izy. Nangatahiny hiara-mianatra Baiboly taminy ny Vavolombelona iray, rehefa tonga tany izy. Nanohitra mafy ny fianakaviany, kanefa nanohy nandroso ara-panahy i Osman ary natao batisa. (Matio 10:36) Anti-panahy eo anivon’ny fiangonana izy izao. Tena mahavariana! Izany no vokatry ny nahitana boky ara-baiboly tao anaty dabam-pako.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1970.