Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Nilentika Tany Ambany Izy’

‘Nilentika Tany Ambany Izy’

‘Nilentika Tany Ambany Izy’

“Ny lalina nanarona azy: Nilentika tany ambany indrindra tahaka ny vato izy.”

HIRA nataon’i Mosesy sy ny Isiraelita io rehefa nafahana tany amin’ny Ranomasina Mena izy ireo ary naringana i Farao ejipsianina sy ny tafiny, izay nanenjika azy ireo.—Eksodosy 15:4, 5.

Nisy fianarana nazava tsara noraisin’izay nanatrika io zava-niseho nampitolagaga io. Tsy misy olona mahavita mandà ny fahefan’i Jehovah ka ho velona. Volana vitsy monja tatỳ aoriana anefa, dia nanda ampahibemaso ny fahefana nomen’Andriamanitra an’i Mosesy sy Arona ireo nitana andraikitra lehibe teo amin’ny Isiraely, dia i Kora, Datana, Abirama, ary ireo 250 nanohana azy.—Nomery 16:1-3.

Nahazo toromarika avy tamin’i Jehovah i Mosesy ka nilaza tamin’ny Isiraelita mba hihataka tamin’ny lain’ireo mpikomy ireo. Tsy nety nanova ny fihetsiny i Datana sy Abirama ary ny fianakaviany. Nilaza i Mosesy avy eo fa hahariharin’i Jehovah araka izay tiany, amin’ny vahoaka fa ‘nanda azy ireo lehilahy ireo.’ Nosokafan’i Jehovah àry ny tany teo ambany tongotr’ireo lehilahy ireo. “Dia latsaka velona ho any amin’ny fiainan-tsi-hita izy mbamin’izay azy rehetra; ary ny tany dia nikatona taminy.” Ary i Kora sy ireo mpikomy hafa? “Nisy afo nivoaka avy tamin’i Jehovah ka nandevona ny lehilahy dimam-polo amby roan-jato izay nanatitra ditin-kazo manitra.”—Nomery 16:23-35; 26:10.

Maty avokoa i Farao sy ny tafiny ary ireo mpikomy tany an’efitra satria tsy nanaiky hoe manana fahefana i Jehovah ary miahy izay hahasoa ny vahoakany. Tena zava-dehibe ho an’izay rehetra te harovan’i Jehovah amin’izao andro sarotra izao àry ny mianatra momba azy sy manaiky azy ho “ny Avo Indrindra” sy “ny Tsitoha.” Raha manao izany izy ireo, dia manome toky azy i Jehovah hoe: “Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, dia tsy hihatra aminao izany. Hijery maso fotsiny hianao, ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy. Satria hoy hianao: Jehovah ô, Hianao no aroko, sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra.”—Salamo 91:1, 7-9.