Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nodiovina mba Hanao Asa Tsara

Nodiovina mba Hanao Asa Tsara

Nodiovina mba Hanao Asa Tsara

“Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.”—2 Korintiana 7:1.

1. Inona no takin’i Jehovah amin’ny mpivavaka aminy?

“IZA no hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah? Ary iza no hitoetra ao amin’ny fitoerany masina?” Izany no fanontaniana nampisaintsaina napetrak’i Davida mpanjakan’ny Isiraely fahiny, momba ny fivavahana eken’i Jehovah. Izao no navaliny avy eo: “Izay madio tànana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin’ny lainga, na mianiana hamitaka.” (Salamo 24:3, 4) Tsy maintsy madio sy masina ny olona iray mba heken’Andriamanitra, ilay sary velon’ny fahamasinana. Efa nampahatsiahy ny fiangonan’ny Isiraely i Jehovah hoe: “Manamasìna ny tenanareo, ka dia ho masina hianareo, satria masina Aho.”—Levitikosy 11:44, 45; 19:2.

2. Ahoana no nanantitranteran’i Paoly sy Jakoba ny maha zava-dehibe ny fahadiovana ao amin’ny fivavahana marina?

2 Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly, taonjato maro tatỳ aoriana, ho an’ny Kristianina tany Korinto, tanàna tena ratsy fitondran-tena: “Raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.” (2 Korintiana 7:1) Asongadina eto indray fa tsy maintsy madio ara-batana sy ara-panahy ny olona, vao afaka mifandray amin’Andriamanitra sy mahazo ny fitahiana nampanantenainy. Toy izany koa no nolazain’i Jakoba mpianatra momba ny fivavahana eken’Andriamanitra: “Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao.”—Jakoba 1:27.

3. Inona no tsy maintsy zava-dehibe amintsika raha tiantsika heken’Andriamanitra ny fivavahantsika?

3 Zava-dehibe tokoa, araka izany, ny fahadiovana sy ny fahamasinana ao amin’ny fivavahana marina. Tokony handini-tena àry izay rehetra maniry hankasitrahan’Andriamanitra raha mahafeno izany fepetra izany. Ilaintsika anefa ny mahatakatra sy manaraka izay heverin’i Jehovah fa madio sy ekeny, satria mifanipaka be ny hevitry ny olona ankehitriny momba ny atao hoe fahadiovana. Ilaintsika hofantarina hoe inona no takin’Andriamanitra amin’ny mpivavaka aminy amin’io lafiny io, ary inona no nataony mba hanampiana azy ireo ho madio sy hekeny hatrany.—Salamo 119:9; Daniela 12:10.

Madio mba ho tonga mpivavaka marina

4. Hazavao ny hevitry ny hoe fahadiovana ao amin’ny Baiboly.

4 Tsy maloto no dikan’ny hoe madio ho an’ny ankamaroan’ny olona. Tsy fahadiovana ara-batana fotsiny anefa no asehon’ny teny hebreo sy grika maromaro ilazana ny fahadiovana ao amin’ny Baiboly. Matetika ireo teny ireo no manondro fahadiovana ara-pitondran-tena sy ara-panahy. Izany no mahatonga ny rakipahalalana iray momba ny Baiboly hilaza hoe: “Resaka fivavahana no tena ampiasana ny teny hoe ‘madio’ sy ‘tsy madio’, fa mahalana ireo teny ireo vao ampiasaina amin’ny fitandremam-pahasalamana fotsiny. Saiky ny lafiny rehetra amin’ny fiainana mihitsy àry no iharan’ny toro lalana momba ny ‘fahadiovana.’”

5. Inona avy no voakasiky ny Lalàn’i Mosesy momba ny fahadiovana?

5 Saika nahakasika ny lafiny rehetra tamin’ny fiainan’ny Isiraelita tokoa ny fitsipika tao amin’ny Lalàn’i Mosesy. Voalaza mazava tao hoe inona no madio sy ekena, ary inona no tsy toy izany. Misy toromarika amin’ny an-tsipiriany momba ny fahadiovana sy ny fahalotoana, ohatra, ao amin’ny Levitikosy toko faha-11 ka hatramin’ny faha-15. Naloto ny biby sasany ka tsy tokony ho nohanin’ny Isiraelita. Naloto nandritra ny fotoana voafetra ny vehivavy avy niteraka. Naloto koa ny olona voan’ny aretin-koditra sasany, indrindra fa ny habokana, ary ireo olona nisy nitsika avy tamin’ny filahiany na fivaviany. Noresahin’ny Lalàna mazava koa izay tokony ho natao rehefa naloto ny olona iray. Izao, ohatra, no vakintsika ao amin’ny Nomery 5:2: “Mandidia ny Zanak’Isiraely hamoaka ny boka rehetra sy ny marary mitsika rehetra ary ny maloto amim-paty rehetra hiala amin’ny toby.”

6. Inona no antony nanomezana ny lalàna momba ny fahadiovana?

6 Efa tena lasa lavitra noho ny tamin’izany fotoana izany ny fahalalana momba ny fahasalamana sy ny vatan’olombelona, hita tao amin’ireo lalàn’i Jehovah ireo sy ny hafa koa. Nahita soa ny vahoaka rehefa nanaraka azy ireny. Tsy fitsipika na toromarika ara-pahasalamana fotsiny anefa ireny lalàna ireny. Anisan’ny fivavahana marina izy ireny. Nihatra tamin’ny fiainan’ny olona andavanandro izy ireny, toy ny fihinanana, fiterahana, fifandraisan’ny mpivady, sy ny sisa. Izany no izy satria zon’i Jehovah Andriamaniny ny namaritra izay nety sy tsy nety ho azy ireo teo amin’ny lafiny rehetra tamin’ny fiainany, izay efa voatokana manontolo ho Azy.—Deoteronomia 7:6; Salamo 135:4.

7. Inona no fitahiana ho noraisin’ny firenen’ny Isiraely raha nitandrina ny Lalàna izy ireo?

7 Niaro ny Isiraelita tsy hanaraka ny fanao maloton’ireo firenena nanodidina azy koa ny faneken’ny Lalàna. Mendrika ny hanompo an’Andriamanitra sy hotahiny ny Isiraelita raha nitandrina tsara ny Lalàna, anisan’izany ny zavatra notakiny mba hitoerana ho madio eo anatrehany. Hoy i Jehovah tamin’ilay firenena: “Raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra hianareo; fa Ahy ny tany rehetra. Dia ho fanjakà-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy hianareo.”—Eksodosy 19:5, 6; Deoteronomia 26:19.

8. Nahoana no tokony hahaliana ny Kristianina izay lazain’ny Lalàna momba ny fahadiovana?

8 Nampiditra izany tsipiriany izany tao amin’ny Lalàna i Jehovah, mba hampianarana ny Isiraelita izay tokony hataony mba ho madio sy masina ary ekeny. Tsy midika ve izany fa tokony handinika akaiky ny Kristianina ankehitriny raha mahafeno ireo fepetra ireo? Tsy eo ambany Lalàna ny Kristianina. Tokony hotadidiny anefa hoe “aloky ny zavatra ho avy” izay rehetra voasoratra ao amin’ny Lalàna, “fa ny tenany dia an’i Kristy”, araka ny nohazavain’i Paoly. (Kolosiana 2:17; Hebreo 10:1) Tena zava-dehibe teo imason’i Jehovah Andriamanitra, ny fahadiovan’ny mpivavaka marina tamin’izany fotoana izany. Koa satria “tsy miova” izy, dia tsy maintsy zava-dehibe amintsika ankehitriny koa ny fahadiovana ara-batana sy ara-pitondran-tena ary ara-panahy, raha irintsika ny hankasitrahany sy hotahiny.—Malakia 3:6; Romana 15:4; 1 Korintiana 10:11, 31.

Mampiavaka ny tena mpivavaka ny fahadiovana

9, 10. a) Nahoana no zava-dehibe amin’ny Kristianina ny fahadiovana? b) Inona no lazain’ny olona matetika momba ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah?

9 Mbola zava-dehibe amin’ny tena mpivavaka ihany ve ny fahadiovana? Tsy mahatonga ny olona iray ho tena mpivavaka amin’Andriamanitra raha izany fotsiny. Tena tokony hadio anefa ny tena mpivavaka, raha mbola azony atao. Maro ny olona, indrindra fa ankehitriny, no tsy mahava-tena na tsy miraharaha ny fahadiovan’ny fitafiany na ny manodidina azy. Matetika àry no voamariky ny manodidina ny olona madio. Miteraka vokany tsara izany, araka ny nolazain’i Paoly tamin’ny Kristianina tany Korinto hoe: “Fa tsy manao izay mahatafintohina izahay na amin’inona na amin’inona, mba tsy homen-tsiny ny fanompoana; fa amin’ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon’Andriamanitra izahay.”—2 Korintiana 6:3, 4.

10 Imbetsaka ny Vavolombelon’i Jehovah no noderain’ny manam-pahefana noho izy ireo madio sy milamina ary zatra manaja, indrindra fa mandritra ny fivoriamben’izy ireo. Izao, ohatra, no nolazain’ny gazety italianina La Stampa momba ny fivoriamben’ny vondrom-paritra natao tany Savona, any Italia: “Ny fahadiovana sy ny filaminan’ny olona no misongadina avy hatrany rehefa mandalo ao amin’ilay toerana ianao.” Taorian’ny fivoriambe nataon’ny Vavolombelona tao amin’ny kianja iray tany São Paulo, any Brezila, dia hoy ny tompon’andraikitra tao amin’ilay kianja tamin’ny lehiben’ny mpanadio: “Tianay ho voadio sahala amin’ny nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ny kianja, manomboka izao!” Hoy koa ny tompon’andraikitra hafa tao amin’io kianja io ihany: “Rehefa maniry hanofa ny kianja ny Vavolombelon’i Jehovah, dia ny daty ilan’izy ireo azy ihany no mampanahy anay. Tsy misy zavatra hafa ankoatra izay.”

11, 12. a) Inona no toro lalan’ny Baiboly tokony hotadidintsika momba ny fahadiovan’ny tsirairay? b) Inona avy no fanontaniana azo apetraka momba ny fahazarantsika tsirairay sy ny fomba fiainantsika?

11 Mitondra dera ho an’ilay Andriamanitra tompointsika ny fahadiovana sy ny filaminana any amin’ireo toeram-pivavahantsika. Azo antoka àry fa zava-dehibe toy izany koa ny hanehoana ireo toetra ireo eo amin’ny fiainantsika manokana. Mety hieritreritra anefa isika fa zontsika ny manao an-tsirambina sy manao izay tiantsika ao an-tranontsika. Azo antoka fa afaka mifidy izay akanjo sy fisehoana ankapobe mampahazo aina sy mahafinaritra antsika isika! Tena voafetra anefa izany fahafahana izany. Tadidio fa nampitandrina ny namany kristianina toy izao i Paoly, rehefa niresaka momba izay nofidiny hohanina: “Tandremo, fandrao izany fahafahanareo izany ho tonga fahatafintohinana ho an’ny malemy.” Nanome ity toro lalana sarobidy ity izy avy eo: “Ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa; ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso.” (1 Korintiana 8:9; 10:23) Inona no ifandraisan’io torohevitr’i Paoly io amin’ny fahadiovantsika?

12 Ara-dalàna raha antenain’ny olona ho madio sy milamina ny mpanompon’Andriamanitra. Milaza isika fa mpitory ny Tenin’Andriamanitra. Tokony ho azontsika antoka àry fa ny endriky ny tranontsika sy ny manodidina azy io, dia tsy hampihen-danja an’izany. Inona no ambaran’ny tranontsika momba antsika sy ny zavatra inoantsika? Mampiseho ve izy io fa tena irintsika tokoa ny hiaina ao amin’ny tontolo vaovao madio sy milamina, itoeran’ny fahamarinana? Mazoto erỳ mantsy isika mitory azy io amin’ny olona. (2 Petera 3:13) Mety hahatonga ny hafatra torintsika hanintona kokoa na hampihen-danja azy io koa ny fisehoantsika ivelany, na rehefa miala voly isika na rehefa mitory. Mariho, ohatra, ity tenin’ny mpanao gazety any Meksika ity: “Betsaka ny tanora eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka ny taovolony sy ny fahadiovany ary ny fitafiany maotina no mampiavaka azy ireo.” Mahafaly tokoa ny manana tanora toy izany eo anivontsika!

13. Inona no azontsika atao mba hahazoana antoka fa madio sy milamina avokoa ny lafiny amin’ny fiainantsika andavanandro?

13 Marina fa tsy mora ny manao izay hahatonga ny vatantsika sy ny fananantsika ary ny tranontsika ho madio sy milamina foana. Fandaminan-javatra tsara sy ezaka mitohy no ilaina fa tsy fitaovana maro be, izay be kojakojany sy lafo vidy na maoderina. Tsy maintsy manokana fotoana isika mba hisasana sy hanasana ny akanjontsika, tranontsika, fiarantsika, sy ny sisa. Marina fa be atao isika amin’ny fanompoana sy fanatrehana fivoriana ary fianarana samirery, sady miantsoroka adidy hafa amin’ny andavanandro. Tsy fialan-tsiny anefa izany, fa ilaintsika foana ny ho madio ary heken’Andriamanitra sy ny olona. Mihatra koa eto ilay toro lalana mahazatra hoe: “Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy.”—Mpitoriteny 3:1.

Fo madio

14. Nahoana no lazaina fa zava-dehibe kokoa noho ny fahadiovana ara-batana, ny fahadiovana ara-pitondran-tena sy ara-panahy?

14 Zava-dehibe ny hanisiana fiheverana ny fahadiovana ara-batana. Mbola zava-dehibe kokoa noho izany anefa ny fahadiovana ara-pitondran-tena sy ara-panahy. Manatsoaka hevitra toy izany isika rehefa mahatsiaro fa noho ny firenen’ny Isiraely nanjary naloto ara-pitondran-tena sy ara-panahy no nandavan’i Jehovah azy, fa tsy noho izy naloto ara-batana akory. Nilaza tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany i Jehovah fa navesatra taminy ny fanatitr’izy ireo sy ny fitandreman’izy ireo ny voaloham-bolana ary ny sabata. Eny, navesatra taminy na ny vavak’izy ireo aza, satria “firenena mpanota, olona mavesa-keloka” izy ireo. Inona no tokony ho nataon’izy ireo mba hankasitrahan’Andriamanitra azy ireo indray? Hoy i Jehovah: “Misasà hianareo, diovy ny tenanareo, esory tsy ho eo anoloan’ny masoko ny ratsy fanaonareo; mitsahara, fa aza manao ratsy.”—Isaia 1:4, 11-16.

15, 16. Inona no nolazain’i Jesosy fa mahaloto ny olona, ary ahoana no andraisantsika soa avy amin’izay noteneniny?

15 Mariho izay nolazain’i Jesosy tamin’ny Fariseo sy mpanora-dalàna, mba hahatakarana bebe kokoa fa zava-dehibe ny fahadiovana ara-pitondran-tena sy ara-panahy. Nilaza izy ireo fa naloto ny mpianatr’i Jesosy, satria tsy nisasa tanana talohan’ny nisakafoanany. Nahitsin’i Jesosy toy izao àry izy ireo: “Tsy izay miditra amin’ny vava no mahaloto ny olona; fa izay mivoaka avy amin’ny vava, izany no mahaloto ny olona.” Nanazava toy izao izy avy eo: “Izay mivoaka avy amin’ny vava kosa dia avy amin’ny fo, ka izany no mahaloto ny olona. Fa avy amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny vonoan-olona, ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy; izany no mahaloto ny olona; fa ny mihinana amin’ny tànana tsy misasa tsy mba mahaloto ny olona.”—Matio 15:11, 18-20.

16 Inona no ianarantsika avy amin’ireo tenin’i Jesosy ireo? Nasehony fa ny fironana ratsy sy maloto avy ao am-pon’ny olona no mitarika azy hanao ratsy na ho maloto fitondran-tena. Hoy i Jakoba mpianatra: “Samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ny filany sy fitahiny izy.” (Jakoba 1:14, 15) Tsy maintsy fongorantsika ary tsy havelantsika hitsiry ao am-pontsika àry izay mety ho fironana ho amin’ireo zavatra ireo, raha tsy tiantsika ny ho latsaka ao amin’ireo fahotana lehibe nolazain’i Jesosy ireo. Midika izany fa tsy maintsy tandremantsika izay vakintsika sy jerentsika ary henointsika. Lazaina ankehitriny fa afaka milaza malalaka ny heviny ny olona sy ny mpanakanto. Noho izany, dia mamokatra feo sy sary tsy hita isa manome fahafaham-pon’ny filan’ny nofo mpanota, ny indostrian’ny fialam-boly sy ny dokam-barotra. Tokony ho tapa-kevitra isika fa tsy hamela hevitra toy izany hamaka ao am-pontsika. Ity no tena zava-dehibe: Tsy maintsy malina foana isika ka hihazona fo madio sy tsy misy loto, mba hampifaliana an’Andriamanitra sy hekeny.—Ohabolana 4:23.

Nodiovina mba hanao asa tsara

17. Nahoana no nodiovin’i Jehovah ny vahoakany?

17 Azo antoka fa tombontsoa sarobidy sy fiarovana ny hoe ampian’i Jehovah mba ho madio eo anatrehany. (2 Korintiana 6:14-18) Takatsika koa anefa fa noho ny antony voafaritra tsara no nanadiovan’i Jehovah ny vahoakany. Nilaza tamin’i Titosy i Paoly fa i Kristy Jesosy dia “nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an’ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ny asa tsara izany.” (Titosy 2:14) Inona avy ireo asa tokony hampahazoto antsika vahoaka voadio?

18. Ahoana no ampisehoantsika fa mazoto amin’ny asa tsara isika?

18 Voalohany, dia tokony hiezaka mafy isika hilaza amin’ny besinimaro ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 24:14) Io no fomba anomezantsika ho an’ny olona hatraiza hatraiza ny fanantenana hiaina mandrakizay eto amin’ny tany voadio amin’ny lafiny rehetra. (2 Petera 3:13) Anisan’ny asa tsara ataontsika koa ny fanehoana ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Hanome voninahitra ny Raintsika any an-danitra izany. (Galatiana 5:22, 23; 1 Petera 2:12) Tsy hadinontsika koa ireo olona tsy ao anatin’ny fahamarinana nefa mety hianjadian’ny loza araka ny natiora sy loza hafa. Tadidintsika ny torohevitr’i Paoly hoe: “Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana.” (Galatiana 6:10) Mahafaly an’Andriamanitra ny fanaovana izany asa rehetra izany rehefa madio ny fontsika sy tsara ny antony manosika antsika.—1 Timoty 1:5.

19. Inona avy no fitahiana miandry antsika raha madio hatrany eo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-pitondran-tena ary ara-panahy isika?

19 Arahintsika mpanompon’ilay Avo Indrindra ireto tenin’i Paoly ireto: “Mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany.” (Romana 12:1) Enga anie isika hankasitraka hatrany ny tombontsoantsika hodiovin’i Jehovah. Enga anie koa isika hanao araka izay fara herintsika mba ho madio hatrany eo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-pitondran-tena ary ara-panahy. Hanaja tena sy ho afa-po isika ankehitriny raha manao izany. Hanantena koa isika fa ho eo, rehefa ho lasa ny “zavatra taloha”, izany hoe ity tontolo ratsy sy maloto ity, ary rehefa ‘hanavao ny zavatra rehetra’ Andriamanitra.—Apokalypsy 21:4, 5.

Tadidinao Ve?

• Nahoana no nomena lalàna maro be momba ny fahadiovana ny Isiraelita?

• Hazavao hoe nahoana ny fahadiovana no mahatonga ny hafatra torintsika ho manintona kokoa.

• Nahoana no zava-dehibe kokoa noho ny fahadiovana ara-batana, ny fahadiovana ara-pitondran-tena sy ara-panahy?

• Ahoana no ampisehoantsika fa vahoaka “mazoto indrindra amin’ny asa tsara” isika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 21]

Mahatonga ny hafatra torintsika hanintona kokoa ny fahadiovana

[Sary, pejy 22]

Nampitandrina i Jesosy fa mitarika ho amin’ny asa ratsy ny eritreri-dratsy

[Sary, pejy 23]

Mazoto amin’ny asa tsara ny Vavolombelon’i Jehovah, izay vahoaka voadio