Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Novalian-tsoa Noho ny Fifikirana Amin’Andriamanitra

Novalian-tsoa Noho ny Fifikirana Amin’Andriamanitra

Tantaram-piainana

Novalian-tsoa Noho ny Fifikirana Amin’Andriamanitra

NOTANTARAIN’I WILLIAM AIHINORIA

Nanaitra ahy ny fitarainana fanaon’i Dada, rehefa nisasaka ny alina. Niolanolana teo amin’ny tany izy sady nihazona ny kibony. Nanodidina azy izahay sy i Neny ary ny zokiko vavy. Nipetraka izy rehefa mba nitonitony ny fanaintainany, nisento ary nilaza hoe: “Ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no miadana eto amin’ity tany ity.” Saro-takarina izany teny izany. Nisy vokany lalina tamiko anefa izy io, satria mbola tsy nandre an’izany Vavolombelon’i Jehovah izany mihitsy aho talohan’izay. Tiako ho fantatra izay tiany holazaina.

TAMIN’NY 1953 no nitrangan’izany. Enin-taona aho tamin’izay. Nipetraka tany Ewossa, tanàna kely any afovoany andrefan’i Nizeria izahay. Maro vady i Dada. Zaza faharoa aho, fa lahimatoa. Nitatra ihany ny fianakavianay, ka lasa telo ny vadin’i Dada tamin’ny farany, ary 13 ny zanany. Tao amin’i Dadabe izahay rehetra no nipetraka. Nanana trano feta, nitafo bozaka, nisy efitra efatra, izy. Niara-nipetraka taminay koa i Bebe ary ny rahalahin’i Dada telo sy ny fianakaviany avy.

Nahonena ny fahazazako. Ny tsy fahasalaman’i Dada no tena nahatonga izany. Nihetsika foana ny aretin-kibony ary tsy sitrana izy io mandra-pahafatiny, taona maro tatỳ aoriana. Tsy nisy nahasitrana io aretina tsy fantatra io ireo fanafody rehetra mba takatry ny volan’ny fianakaviana kelinay, na ny raokandro izany, na ny fitsaboana nentim-paharazana. Imbetsaka izahay no niari-tory mandra-maraina, nitomany teo akaikin’i Dada rehefa narary mafy izy, ka niolanolana teo amin’ny tany. Matetika izy sy i Neny no nandeha tany an-toeran-kafa mba hitady fomba hanasitranana azy, ary navelan’izy ireo hokarakarain’i Bebe izahay sy ireo zandriko.

Ny fambolena sy ny fivarotana oviala, mangahazo, ary voana kolà no niveloman’ny fianakavianay. Nanangona sy nivarotra dity fanaovana fingotra koa izahay, mba hanampiana ny fidiram-bola kelinay. Oviala no foto-tsakafonay. Oviala no sakafo marainanay, oviala nototoina amin’ny antoandro, ary oviala ihany amin’ny alina. Mba niova kely ny sakafonay indraindray, rehefa nihinana akondrolahy natono izahay.

Zava-dehibe teo amin’ny fiainanay ny fivavahana tamin’ny razana. Nandroso sakafo ho azy ireo ny fianakaviana, ka natao teo anoloan’ny tsora-kazo nasiana akorandriaka mareva-doko izany. Nivavaka tamin’ny sampy koa i Dada, mba handroahana fanahy ratsy sy mpamosavy.

Tamin’izaho dimy taona, dia nifindra kely tany amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana iray izahay, tany amin’ny 11 kilaometatra teo ho eo avy teo amin’ny nisy anay. Voan’ny karazana parasy kankana, izay nanampy trotraka ilay aretin-kibony, i Dada tany. Tsy afa-niasa izy nandritra ny andro, ary tena nampanaintaina azy ny kibony nony alina. Voan’ny areti-mifindra, avy tamin’ny parasy lafrika aho. Noho izany, dia izay fanampiana nomen’ny fianakavianay ihany no mba nivelomanay. Tsy te ho fatin’ny fahantrana faraidiny izahay ka niverina tany Ewossa. Tian’i Dada hanana asa tsara kokoa noho ny an’ny tantsaha izaho lahimatoany, satria zara raha nahavelona ny asan’ny tantsaha. Nihevitra izy fa ho afaka hampiakatra ny fari-piainan’ny fianakaviana sy hanabe ireo zandriko aho, raha mahazo fampianarana tsara.

Nifandray tamin’ny fivavahana samy hafa

Niditra nianatra aho rehefa tafaverina tany amin’ny tanànanay. Lasa nifandray tamin’ny fivavahan’ny Kristianisma Anarana aho noho izany. Saika nampianatra ny fivavahan’ireo mpanjanaka avokoa ny sekoly nandritra ireo taona 1950. Tsy maintsy niova ho Katolika aho, satria nianatra tany amin’ny sekoly fanabeazana fototra katolika.

Tamin’ny taona 1966, tamin’izaho 19 taona, dia tafiditra tany amin’ny Lise Batista, tany amin’ny tanànan’i Ewohinmi, valo kilaometatra avy tany Ewossa, aho. Hafa indray ny fivavahana nampianarina ahy tany. Tsy navelan’ilay pretra katolika handray kominio intsony aho rehefa namonjy Lamesa Alahady, satria nianatra tany amin’ny sekoly protestanta.

Tany amin’io sekoly batista io aho vao nahafantatra ny Baiboly. Na dia mbola niangona tany amin’ny Katolika aza aho, dia namaky samirery ny Baiboly, isaky ny alahady, taorian’ny lamesa katolika. Nahaliana ahy fatratra ny fampianaran’i Jesosy Kristy, sady nahatonga ahy haniry hifikitra amin’Andriamanitra foana, amin’izay dia hisy zava-kendrena ny fiainako. Vao mainka naharikoriko ahy ny fihatsarambelatsihin’ny mpitondra fivavahana sy ny fitondran-tena ratsin’ireo mpivavaka maro, arakaraka ny namakiako ny Baiboly. Tena samy hafa tamin’ny fampianarana sy izay nataon’i Jesosy sy ny mpianany, ny zavatra nataon’ireo olona nilaza tena ho Kristianina ireo.

Nisy zavatra tena nanafintohina ahy. Nandeha nividy sapile tany amin’ny fivarotan’ny mpampianatra katesizy aho indray mandeha, ary nahita ody atao fiaro nihantona teo am-baravaran’ny fivarotany. Nanandrana nametaveta ahy koa ny talen’ny sekoly batista, indray mandeha. Fantatro avy eo fa hay lehilahy mpiray amin’ny lehilahy izy ary efa nametaveta olon-kafa. Nisaintsaina izany rehetra izany aho, ary nanontany tena hoe: ‘Ankasitrahan’Andriamanitra ve ny fivavahana, raha toa ny mpikambana ao aminy, indrindra indrindra ny mpitarika azy aza, ka manao fahotana lehibe nefa tsy ampamoahina akory?’

Niova fivavahana

Tena tiako anefa ny zavatra novakiko tao amin’ny Baiboly, ary tapa-kevitra ny hamaky azy io hatrany aho. Tamin’izay aho no nanomboka nieritreritra ny zavatra nolazain’i Dada, 15 taona talohan’izay: “Ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no miadana eto amin’ity tany ity.” Natahotra anefa aho, satria nesoina ary indraindray voasazy ny tanora Vavolombelona tany am-pianaranay, satria tsy nandray anjara tamin’ny fotoam-pivavahana fanaonay isa-maraina. Toa hafahafa koa ny zavatra sasany inoan’izy ireo. Ohatra, sarotra tamiko ny nino fa 144 000 monja ny olona ho any an-danitra. (Apokalypsy 14:3) Koa satria naniry ho any an-danitra aho, dia nanontany tena raha efa feno talohan’ny nahaterahako io isa io.

Niharihary fa hafa mihitsy ny fitondran-tena sy ny fihetsik’ireo Vavolombelona. Tsy mba ratsy fitondran-tena na nahery setra toy ny tanora hafa tany an-tsekoly izy ireo. Tena tafasaraka tamin’izao tontolo izao izy ireo tamiko. Izany mantsy no tokony hataon’izay manaraka ny fivavahana marina, araka ny novakiko tao amin’ny Baiboly.—Jaona 17:14-16; Jakoba 1:27.

Tapa-kevitra ny hanadihady bebe kokoa aho. Nahazo ilay boky hoe “Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay” aho, tamin’ny Septambra 1969. Iray volana taorian’io dia niara-nianatra Baiboly tamiko ny mpisava lalana iray, araka ny iantsoana ny mpitory manontolo andro eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahafinaritra ahy ilay fianarana voalohany, ka nanomboka namaky ilay boky Fahamarinana aho ny asabotsy alina ary namita azy io ny ampitso tolakandro. Avy hatrany dia nanomboka niresaka tamin’ireo mpiara-mianatra tamiko momba ireo zavatra mahatalanjona novakiko aho. Nihevitra ireo mpianatra sy mpampianatra fa nahavery saina ahy ny fivavahako vaovao. Fantatro anefa fa tsy very saina aho.—Asan’ny Apostoly 26:24.

Nolazain’olona tamin’ny ray aman-dreniko, fa niresaka tamin’ny hafa momba ny fivavahana vaovao iray aho. Nasain’izy ireo nody avy hatrany aho, mba hahafantarany izay nahazo ahy. Tsy mba nisy olona azoko nakana hevitra. Lasa namonjy ny fivoriamben’ny vondrom-paritr’izy ireo tany Ilesha mantsy ny Vavolombelona rehetra. Tsy nanao afa-tsy ny nanontany sy nitsikera ahy i Neny sy ny havako, rehefa tonga tany an-trano aho. Nanao araka izay fara heriko aho niaro izay zavatra nianarako avy tao amin’ny Baiboly.—1 Petera 3:15.

Niezahan’ny dadatoako noporofoina fa mampianatra zavatra diso ny Vavolombelon’i Jehovah. Nony tsy nahomby izy dia nitady fomba hafa indray. Hoy izy: “Tadidio fa hianatra no nandehananao tany an-tsekoly. Tsy hahavita ny fianaranao mihitsy ianao, raha tsy hianatra intsony fa hitory. Maninona moa raha vitainao aloha ny fianaranao vao manaraka an’io fivavahana vaovao io ianao?” Toa hevitra mety izany tamin’izay fotoana izay. Tsy niara-nianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah intsony àry aho.

Namantana tany amin’ny Efitrano Fanjakana aho raha vao nahazo diplaoma, tamin’ny Desambra 1970, ary nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah foana aho hatramin’izay. Vita batisa aho tamin’ny 30 Aogositra 1971, ho fanehoana ampahibemaso ny fanoloran-tenako ho an’Andriamanitra. Nampikorontana ny ray aman-dreniko sy ny fiaraha-monina iray manontolo izany. Nandiso fanantenana azy ireo, hono, aho satria izaho no voalohany nahazo vatsim-pianarana tamin’ny fanjakana, tamin’ny olona tany Ewossa. Nantenain’ny olona ho tafita tamin’ny fianarako aho. Nantenain’izy ireo hampiasa ny fahaizako tamin’ny fanatsarana ny fiaraha-monina aho.

Ny vokatry ny fiovako fivavahana

Nandefa olona tany amiko ny fianakaviako sy ireo zokiolona tany an-tanàna, mba handresy lahatra ahy hiala tamin’ny finoako. Nanozona koa izy ireo tamin’izany. “Hanjombona ny hoavinao”, hoy izy ireo, “raha tsy miala amin’io fivavahana io ianao. Tsy hahita asa ianao. Tsy hahavita trano ho anao ianao. Tsy ho afaka hanambady ianao no sady tsy hahavelona ankohonana.”

Nifanohitra tamin’io fambara loza io anefa fa lasa mpampianatra aho, folo volana taorian’ny nahavitan’ny fianarako. Nanambady an’i Veronica malalako aho, tamin’ny Oktobra 1972. Tatỳ aoriana dia nampiofana ahy ho tompon’andraikitra tamin’ny fanatsarana ny fambolena sy fiompiana ny fanjakana. Nividy ny fiarako voalohany aho, ary nanomboka nanao ny tranonay. Teraka i Victory zanakay vavimatoa, tamin’ny 5 Novambra 1973. Niteraka an’i Lydia, Wilfred ary Joan koa izahay tatỳ aoriana. Tamin’ny 1986 no teraka i Micah, faralahinay. Zanaka sarobidy daholo izy ireo, lova avy tamin’i Jehovah.—Salamo 127:3.

Afaka milaza aho, rehefa mitodika ny lasa, fa nanjary fitahiana daholo ireo ozona nataon’ny fiaraha-monina. Izany no antony niantsoako ny zanako vavimatoa hoe Victory (izany hoe fandresena). Vao haingana dia naharay taratasy avy tamin’ny fiaraha-monina aho, nilaza hoe: “Mba miverena re mba handray anjara amin’ny fampandrosoana ny fiaraha-monina misy antsika, satria efa mitahy anao Andriamanitra.”

Fampianarana ny ankizy ny toro lalan’Andriamanitra

Fantatray mivady fa tsy ho afaka ny sady hikatsaka harena izahay, no hamita ny andraikitra nomen’Andriamanitra anay, dia ny hitaiza ankizy. Noho izany, dia nianatra ny hihazona fomba fiaina tsotra izahay. Aleonay io fomba fiaina io, toy izay hiatrika izay mety ho vokatry ny fanarahana fomba fiaina hafa.

Fahita atỳ aminay ny fianakaviana miray trano amina fianakaviana hafa, ka itambarana avokoa na efitrano fidiovana, na lakozia, na zavatra hafa. Faly izahay satria afaka nanofa trano ho anay manokana tany amin’izay tanàna nanendren’ny fanjakana ahy. Marina fa lafo kokoa ny hofan’ireny trano ireny, nefa niaro ny zanakay tamin’ny fitaoman-dratsy izany. Misaotra an’i Jehovah aho, satria nahita fomba tsara hitaizana ireo zanakay izahay, ka salama ara-panahy foana izy ireo.

Nijanona tao an-trano koa ny vadiko mba hiaraka tamin’ireo zanakay sy hikarakara azy ireo. Niezaka nanao zavatra niaraka izahay mianakavy, rehefa avy niasa aho. Niaraka foana izahay na inona na inona nataonay. Anisan’izany ny fianaram-pianakaviana, fanomanana sy famonjena fivoriana, fanompoana kristianina, ary ny fiaraha-mikorana.

Niezaka nanaraka ny torohevitra ao amin’ny Deoteronomia 6:6, 7 izahay. Mampirisika ny ray aman-dreny izy io mba hampianatra ny zanany, tsy ao an-trano ihany fa isaky ny afaka manao izany. Izany no nahatonga ny zanakay hitady namana teo anivon’ny fiangonana, fa tsy tany ivelany. Nanaraka ny ohatra navelanay mivady izy ireo ka nifidy tsara ireo olona niarahany. Tsy mba mandany fotoana be loatra miaraka amin’ireo tsy mitovy finoana aminay mantsy izahay sy i Veronica.—Ohabolana 13:20; 1 Korintiana 15:33.

Mazava ho azy fa tsy ny tari-dalana sy ny fampianaranay ihany no nisy vokany tsara teo amin’ny fiainan’ny zanakay. Noraisinay ary mbola raisinay an-tanan-droa ireo Kristianina be zotom-po. Maro amin’izy ireo no mpiandraikitra mpitety faritanin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Afaka nandinika sy naka tahaka ny fandavan-tenan’ireo Kristianina matotra ireo ny zanakay, nandritra ny fotoana niarahan’izy ireny taminay. Nanamafy ny fampianaranay izany, ary nandray am-po ny fahamarinana ara-baiboly ny zanakay.

Novalian-tsoa noho ny fifikirana amin’Andriamanitra

Mpanompo manontolo andro avokoa izao izahay mivady sy ny zanakay efatra. Nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana aho tamin’ny 1973. Nisy fotoana tsy maintsy nijanonako noho ny fahasahiranana ara-bola. Efa nahazo tombontsoa nampianatra tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana koa aho. Natao hampiofanana ireo mpiandraikitra eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io. Anisan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly aho ankehitriny, sady mpiandraikitra ny tanànan’i Uhonmora.

Samy sambatra izao i Victory sy Lydia zanakay roa vavy voalohany, manambady anti-panahy kristianina tsara fanahy. Manompo ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Igieduma, eto Nizeria izao izy ireo sy ny vadiny avy. Mpanampy amin’ny fanompoana i Wilfred lahimatoanay, ary mpisava lalana mpanampy kosa i Micah faralahinay indraindray. Nahavita ny fianarany tao amin’ny lise i Joan tamin’ny 1997, ary nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra.

Anisan’ny nahafa-po ahy teo amin’ny fiainako koa ny fanampiana ny hafa hanompo an’i Jehovah Andriamanitra. Anisan’izany ny havako sasany. Niezaka nanompo an’i Jehovah i Dada, saingy nisakana azy tsy handroso ny fampirafesana. Tia olona hatramin’ny fahatanorako aho. Tsapako hoe kely ihany ny zava-manahirana ahy, rehefa mahita ny fijalian’ny olona aho. Hitan’izy ireo angamba fa tena maniry hanampy azy ireo aho, hany ka tsy misalasala izy ireo miresaka amiko.

Anisan’ireo nampiako hahafantatra ny fikasan’Andriamanitra ny tovolahy iray voatana teo am-pandriana. Mpiasa tao amin’ny orinasa mikarakara ny herin’aratra izy. Main’ny herin’aratra teo am-perinasa izy, ka nanjary nalemy nanomboka teo amin’ny tratrany ka hatrany ambany. Nanaiky hianatra Baiboly izy ary nampihatra tsikelikely ny zavatra nianarany. Mbola tsy niala avy tao am-pandrianany mihitsy izy nandritra ny 15 taona, raha tsy rehefa natao batisa tamin’ny 14 Oktobra 1995, tao amin’ilay renirano teo akaikin’ny tranonay. Nolazainy fa iny no andro nahafaly indrindra teo amin’ny fiainany. Mpanampy amin’ny fanompoana izy ankehitriny.

Tsy nanenenako mihitsy ny safidy nataoko, 30 taona lasa izay, dia ny hanompo an’i Jehovah miaraka amin’ny vahoakany tafaray sy vita fanoloran-tena. Tena nampiseho fitiavana izy ireo. Ny hifikitra amin’Andriamanitra ihany no ho faniriako, na dia tsy nampanantena fiainana mandrakizay ho an’ny mpanompony mahatoky aza i Jehovah. (1 Timoty 6:6; Hebreo 11:6) Izany no nitari-dalana sy nampiorina ny fiainako, ka nahafaly sy nahafa-po ary nahasambatra anay mianakavy.

[Sary, pejy 25]

Miaraka amin’ny vady aman-janako tamin’ny 1990

[Sary, pejy 26]

Miaraka amin’ny vady aman-janako sy ny vinantolahiko roa