Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Anaran’Andriamanitra ao Amin’ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo

Ny Anaran’Andriamanitra ao Amin’ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo

Ny Anaran’Andriamanitra ao Amin’ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo

NY ANARAN’ANDRIAMANITRA hoe Jehovah no tondroin’ireo Litera Hebreo Efatra יהוה (YHWH). Noheverina hatramin’izay fa tsy hita ao amin’ny fandikan-tenin’ny Fitopolo ireo Litera Efatra ireo. Noho izany, dia nisy nihevitra fa tsy nampiasa ny anaran’Andriamanitra ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina, rehefa naka teny tao amin’ny Soratra Hebreo.

Asehon’ireo zavatra maro be hita tao anatin’ny zato taona farany anefa, fa hita tao amin’ny fandikan-tenin’ny Fitopolo ny anaran’Andriamanitra. Hoy ny loharanon-kevitra iray: “Naniry mafy hihazona ho marina tsara ny anarana masin’Andriamanitra ireo Jiosy nanaraka ny fomba grika, ka ireo Litera Efatra mihitsy no nosoratan’izy ireo, rehefa nandika ny Baiboly hebreo tamin’ny fiteny grika izy ireo.”

Santionany amin’ireo ohatra maro be mbola tsy potika io sombin-taratasy papyrus aseho etsy ankavia io. Hita tany Oxyrhynchos, Ejipta izy io; 3522 ny nomeraony, ary nosoratana tamin’ny taonjato voalohany. * Fito santimetatra eo ho eo ny sakany ary 10,5 santimetatra ny lavany. Mirakitra ny Joba 42:11, 12 izy io. Miseho amin’ny litera hebreo tranainy ireo Litera Efatra voafaritra boribory ireo. *

Hita tany amin’ireo Soratra Grika Kristianina nadika tany am-boalohany àry ve ny anaran’Andriamanitra? Hoy i George Howard, manam-pahaizana: “Mbola voasoratra tao amin’ny Baiboly tamin’ny fiteny grika [fandikan-tenin’ny Fitopolo] ireo Litera Hebreo Efatra, ary io no Baiboly nampiasain’ny fiangonana tany am-boalohany. Koa azo inoana àry fa nosoratan’ireo mpanoratra ny T[estamenta] V[aovao] ireo Litera Efatra ireo, rehefa naka teny tao amin’ny Soratra Masina izy ireo.” Toa novan’ireo mpanao kopia ny anaran’Andriamanitra, tsy ela taorian’izay, ka nataony hoe Kyʹri·os (Tompo) sy hoe The·osʹ (Andriamanitra).

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) 15 Febroary 1992, pejy 26-28, raha mila fanazavana fanampiny momba ny taratasy papyrus hita tany Oxyrhynchos ianao.

^ feh. 4 Misy ohatra hafa koa momba ny anaran’Andriamanitra amin’ny dikan-teny grika tranainy, hita ao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, Misy Fanondroana Andininy Hafa (frantsay), fanazavana fanampiny 1C.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 30]

Courtesy of the Egypt Exploration Society