Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Araho ny Ohatr’ireo Mpanjaka

Araho ny Ohatr’ireo Mpanjaka

Araho ny Ohatr’ireo Mpanjaka

“Aoka hadikany ho azy amin’ny boky izao lalàna izao . . . Ary ho ao aminy izany ka hovakiny amin’ny andro rehetra hiainany.”—DEOTERONOMIA 17:18, 19.

1. Mety haniry hanahaka an’iza ny Kristianina?

TSY hieritreritra mihitsy ny ho mpanjaka ianao. Iza no Kristianina, mpianatra ny Baiboly mahatoky hieritreritra ny ho mpanjaka manam-pahefana toa an-dry Davida, Josia, Hezekia, na Josafata, mpanjaka tsara? Afaka manahaka azy ireo anefa ianao, ary tokony hanahaka azy, amin’ny lafiny iray, fara fahakeliny. Inona no lafiny tokony hanahafanao azy ireo, ary nahoana?

2, 3. Inona no efa fantatr’i Jehovah momba ny mpanjaka olombelona, ary inona no tsy maintsy hataon’izany mpanjaka izany?

2 Efa fantatr’Andriamanitra, ela be talohan’ny nanekeny hanome mpanjaka olombelona ho an’ny Isiraelita, fa haniry izany io vahoakany io. Nomeny tsindrimandry àry i Mosesy mba hampiditra tao amin’ny faneken’ny Lalàna, ireo toromarika hilain’ny mpanjaka.

3 Hoy Andriamanitra: “Rehefa tonga any amin’ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao hianao . . . ary manao hoe: Hanangana mpanjaka ho ahy aho, mba ho tahaka ny firenena rehetra izay manodidina ahy, dia izay hofidin’i Jehovah Andriamanitrao ihany no hatsanganao ho mpanjakanao. . . . Ary rehefa mipetraka eo ambonin’ny sezam-panjakany izy, dia aoka hadikany ho azy amin’ny boky izao lalàna izao. . . . Ary ho ao aminy izany ka hovakiny amin’ny andro rehetra hiainany, mba hianarany hatahotra an’i Jehovah Andriamaniny ka hitandrina ny teny rehetra amin’izao lalàna izao sy ireto didy ireto hankatoavany azy.”—Deoteronomia 17:14-19.

4. Inona avy no toromarika nomen’Andriamanitra ho an’ireo mpanjaka?

4 Tsy maintsy nandika ireo soratra mbola hitanao ao amin’ny Baibolinao ilay mpanjaka hofidin’i Jehovah ho an’ny mpivavaka taminy. Tsy maintsy namaky azy io isan’andro izy, ary namerimberina izany. Tsy fanazarana fitadidiana izany, fa fianarana nisy zava-kendrena mahasoa kosa. Nila nianatra toy izany foana izay mpanjaka naniry hahazo sitraka tamin’i Jehovah, mba hananany toe-po tsara hatrany. Nila nianatra ireny soratra ara-tsindrimandry ireny koa izy, mba ho mpanjaka mahomby, manana fahaiza-manavaka.—2 Mpanjaka 22:8-13; Ohabolana 1:1-4.

Mianara sahala amin’ny mpanjaka

5. Inona avy no boky ao amin’ny Baiboly tsy maintsy ho nadikan’i Davida Mpanjaka mba hovakiny, ary inona no tsapany momba izany?

5 Inona, araka ny hevitrao, no tsy maintsy nataon’i Davida, rehefa tonga mpanjakan’ny Isiraely izy? Tsy maintsy ho nandika ireo Boky Dimy Voalohany izy, dia ny Genesisy, Eksodosy, Levitikosy, Nomery ary Deoteronomia. Eritrereto ny tsy maintsy ho vokatra lalina naterak’izany teo amin’ny sainy sy ny fony, rehefa nampiasainy ny masony sy ny tanany handikana ny Lalàna. Azo inoana fa nanoratra ny bokin’i Joba sy ny Salamo 90 sy 91 koa i Mosesy. Nadikan’i Davida koa ve izy ireny? Angamba. Efa teo koa angamba ny bokin’i Josoa sy Mpitsara ary Rota. Hitanao amin’izany àry fa maromaro ihany ny boky ao amin’ny Baiboly azon’i Davida Mpanjaka novakina sy nianarana. Azo inoana koa fa nanao izany indrindra izy, rehefa jerena ny teniny momba ny Lalàn’Andriamanitra, ao amin’ny Salamo 19:7-11.

6. Ahoana no ahazoantsika antoka fa liana tamin’ny Soratra Masina, toa an’i Davida razambeny, i Jesosy?

6 Toy izany koa no nataon’ilay Davida Lehibe, dia i Jesosy, Zanak’i Davida. Fanaony ny nandeha isan-kerinandro tany amin’ny synagoga. Fanao tany ny mamaky sy manazava ny Soratra Masina. Ankoatra izany, dia i Jesosy mihitsy indraindray no namaky ampahibemaso ny Tenin’Andriamanitra, sy nanazava ny fampiharana izany. (Lioka 4:16-21) Takatrao mora foana fa nahay tsara ny Soratra Masina i Jesosy. Vakio fotsiny ny Filazantsara ary mariho hoe impiry izy no nilaza hoe “voasoratra hoe”, na nampiasa fomba hafa nanondroana andalan-teny voafaritra tsara ao amin’ny Baiboly. Ao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra nosoratan’i Matio, ohatra, dia in-21 izy no nanonona andininy avy tamin’ny Soratra Hebreo.—Matio 4:4-10; 7:29; 11:10; 21:13; 26:24, 31; Jaona 6:31, 45; 8:17.

7. Inona no tsy nampitovy an’i Jesosy sy ireo mpitondra fivavahana?

7 Nanaraka izao torohevitra ao amin’ny Salamo 1:1-3 izao i Jesosy: “Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin’ny fisainan’ny ratsy fanahy, . . . fa ny lalàn’i Jehovah no sitrany; eny, ny lalàny no saintsaininy andro aman-alina. . . . Ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.” Tena tsy nitovy tamin’ireo mpitondra fivavahana tamin’ny androny i Jesosy, satria ‘nipetraka teo amin’ny fipetrahan’i Mosesy’ izy ireo, nefa tsy niraharaha ny “lalàn’i Jehovah”!—Matio 23:2-4.

8. Nahoana no tsy nahasoa an’ireo mpitondra fivavahana jiosy ny namaky sy nianatra ny Baiboly?

8 Misy andalan-teny iray anefa, mety hampikorontan-tsaina ny olona sasany, satria azo raisina ho toy ny hoe tsy mampirisika ny olona hianatra Baiboly i Jesosy. Izao tokoa no teniny tamin’ny olona sasany tamin’ny androny, araka ny Jaona 5:39, 40: “Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy. Kanefa tsy mety manatona Ahy hianareo hanananareo fiainana.” Tsy midika akory ireo teny ireo fa nanakivy ny Jiosy nihaino azy tsy hianatra ny Soratra Masina i Jesosy. Ny hampiharihary ny fihatsarambelatsihin’izy ireo kosa no nataony. Takatr’izy ireo mantsy fa ny Soratra Masina no hitarika azy ireo hahazo fiainana mandrakizay, nefa io Soratra Masina dinihin’izy ireo io koa no tokony hitarika azy ireo hahafantatra an’ilay Mesia, dia i Jesosy. Tsy nety nanaiky azy ho Mesia anefa izy ireo. Tsy nahasoa azy ireo àry ilay fianarana, satria nihatsaravelatsihy izy ireo ary tsy vonona hianatra.—Deoteronomia 18:15; Lioka 11:52; Jaona 7:47, 48.

9. Inona no ohatra tsara navelan’ny apostoly sy ny mpaminany taloha?

9 Hafa tanteraka ny mpianatr’i Jesosy, anisan’izany ireo apostoly! Nianatra “ny Soratra Masina, izay mampahahendry [ny olona] ho amin’ny famonjena” izy ireo. (2 Timoty 3:15) Tamin’izany no nanahafan’izy ireo ny mpaminany fahiny izay ‘nitady sy nikatsaka fatratra.’ Tsy noheverin’ireny mpaminany ireny ho fianarana natosiky ny hafanam-po mandritra ny volana vitsivitsy na herintaona fotsiny ilay hoe mikatsaka, na mikaroka. Nolazain’i Petera fa “nokatsahiny”, na nohadihadiny, hatrany izy ireny, indrindra momba an’i Kristy sy ny voninahiny amin’ny maha Mpamonjy ny taranak’olombelona azy. Nanonona in-34 andinin-teny avy ao amin’ny boky folo ao amin’ny Baiboly io apostoly io, ao amin’ny taratasiny voalohany.—1 Petera 1:10, 11.

10. Nahoana ny tsirairay amintsika no tokony ho liana amin’ny fianarana ny Baiboly?

10 Mazava àry fa zavatra tsy maintsy nataon’ny mpanjaka teo amin’ny Isiraely fahiny ny fianarana tsara ny Tenin’Andriamanitra. Nanaraka ny ohatr’izy ireny i Jesosy. Tsy maintsy mianatra ny Tenin’Andriamanitra koa ireo hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. (Lioka 22:28-30; Romana 8:17; 2 Timoty 2:12; Apokalypsy 5:10; 20:6) Tena ilain’izay rehetra manantena handray fitahiana eto an-tany, eo ambany fitondran’ilay Fanjakana, koa ny manaraka io ohatra navelan’ireo mpanjaka io.—Matio 25:34, 46.

Tsy maintsy nataon’ireo mpanjaka ary tsy maintsy ataonao

11. a) Mety hanao ahoana ny fahazaran’ny Kristianina mianatra? b) Inona avy no fanontaniana tsara hapetratsika amin’ny tenantsika?

11 Mety ny manantitrantitra amim-pahatsorana fa tokony handinika ny Baiboly ny Kristianina marina tsirairay. Tsy hoe rehefa nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ihany ianao no nila nanao izany. Tokony ho tapa-kevitra isika rehetra mba tsy hanahaka ny sasany tamin’ny andron’ny apostoly Paoly, izay nanao tsirambina ny fianarana samirery, rehefa nandeha ny fotoana. Nianaran’izy ireo “ny abidim-pianaran’ny tenin’Andriamanitra”, anisan’izany “ny abidim-pianarana ny amin’i Kristy.” Tsy nanohy nianatra anefa izy ireo, ka tsy “nandroso ho amin’ny tanteraka”, na ny fahamatorana. (Hebreo 5:12–6:3) Mety àry ny hanontaniantsika tena hoe: ‘Ahoana no fiheverako ny fianarana samirery ny Tenin’Andriamanitra, na vao haingana aho na efa ela no niaraka tamin’ny fiangonana kristianina? Nivavaka i Paoly mba “hitombo amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra” hatrany ny Kristianina tamin’ny androny. Asehoko ve fa manana faniriana toy izany koa aho?’—Kolosiana 1:9, 10.

12. Nahoana no zava-dehibe ny fampitomboana fitiavana ny Tenin’Andriamanitra?

12 Zava-dehibe ny hampitomboanao fitiavana ny Tenin’Andriamanitra, raha tianao ny hanana fahazarana mianatra tsara. Hamafisin’ny Salamo 119:14-16 fa anisan’ny manampy anao hankasitraka ny Tenin’Andriamanitra ny fisaintsainana tsara tsy tapaka azy io. Mbola marina koa izany, na firy taona na firy taona no naha Kristianina anao. Tsarovy ny ohatr’i Timoty, mba hanamafisana izany. Efa “miaramila tsaran’i Kristy Jesosy” io anti-panahy io, nefa mbola nampirisihin’i Paoly ihany mba hanao araka izay farany azony natao ‘hizarana tsara ny teny fahamarinana.’ (2 Timoty 2:3, 15; 1 Timoty 4:15) Mazava fa tafiditra amin’ny fanaovana araka izay farany azo atao, ny fananana fahazarana mianatra tsara.

13. a) Inona no azo atao mba hananana fotoana misimisy kokoa hianarana Baiboly? b) Inona avy no fanitsiana azonao atao mba hampitomboana ny fotoana hianarana?

13 Dingana ho amin’ny fahazarana mianatra tsara, ny fanokanana fotoana hianarana tsy tapaka ny Baiboly. Ahoana ny aminao amin’io lafiny io? Na inona na inona valin-teny marina omenao, heverinao ve fa hahasoa anao ny mandany fotoana misimisy kokoa hianarana samirery? ‘Aiza no hahitako fotoana ho amin’izany?’, hoy angamba ianao. Nisy nifoha maraina kokoa, mba hananany fotoana misimisy kokoa hianarana Baiboly. Mamaky Baiboly angamba izy ireo, na manao fianarana samirery mandritra ny fahefatr’adiny. Ahoana raha ahitsy kely ny fandaharam-potoananao isan-kerinandro? Raha mamaky gazety, na mijery vaovao amin’ny televiziona, ohatra, ianao isan-kariva, ho azonao atao ve ny tsy manao izany indray mandeha isan-kerinandro monja? Azonao ampiasaina hianarana Baiboly io fotoana io. Raha hanaovanao fianarana samirery isan-kerinandro ny antsasak’adiny hijerenao vaovao, dia hahazo maherin’ny 25 ora fanampiny isan-taona ianao. Eritrereto ange ny soa ho azo avy amin’izany 25 ora hamakiana, na hianarana Baiboly izany e! Ity misy soso-kevitra hafa: Jereo isan-kariva, amin’ny herinandro ambony, ny zavatra ataonao isan’andro. Jereo raha misy zavatra azonao avela, na ahena mba hahazoana fotoana misimisy kokoa hamakiana na hianarana Baiboly.—Efesiana 5:15, 16.

14, 15. a) Nahoana no zava-dehibe ny mametra tanjona rehefa mianatra samirery? b) Inona avy ireo tanjona azo tratrarina mahakasika ny famakiana Baiboly?

14 Inona no hahatonga ny fianarana ho mora kokoa sy hanintona kokoa anao? Ireo tanjona. Inona avy no tanjona azonao tratrarina amin’ny fianarana ataonao? Maro no mikendry ny hamaky ny Baiboly manontolo, voalohany indrindra. Angamba nisy fotoana efa namakianao ampahany amin’ny Baiboly, ary nahasoa anao ilay izy. Afaka manapa-kevitra ny hamaky azy io manontolo ve ianao izao? Ny hamaky ny Filazantsara efatra angamba aloha no ho tanjonao hahatongavana amin’izany, ary avy eo dia ny famakiana ny tapany sisa amin’ny Soratra Grika Kristianina. Rehefa hitanao ny fahafaham-po sy ny soa entin’izany, dia angamba ny hamaky miandalana ireo boky nosoratan’i Mosesy sy bokin-tantara hatramin’ny Estera indray no ho tanjonao. Ho hitanao, aorian’izay, fa azo atao tsara ny mamita ny famakiana ny tapany sisa amin’ny Baiboly. Nisy ramatoa lasa Kristianina tamin’izy 65 taona teo ho eo. Nosoratany teo amin’ny fonon’ny Baiboliny ny daty nanombohany sy ny daty nahavitany ny famakiana ny Baiboly. Misy daty folo mandeha tsiroaroa izao ao amin’ny fonon’ny Baiboliny, izany hoe efa namaky ny Baiboly manontolo indimy izy! (Deoteronomia 32:45-47) Tsy namaky teo amin’ny ordinatera, na teo amin’ny taratasy vita pirinty izy, fa namaky mivantana avy tao amin’ny Baiboly.

15 Misy zavatra hafa ataon’ireo efa nahavaky ny Baiboly manontolo, mba hahatonga ny fianarany hamokatra sy hahafa-po kokoa. Anisan’izany ny fianarana boky iray, alohan’ny hamakiana ny boky tsirairay ao amin’ny Baiboly. Mirakitra fanazavana faran’izay tsara momba ny toe-javatra ara-tantara, sy ny fomba fanoratra, ary ny soa mety ho azo avy amin’ireo boky tsirairay ireo “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa” sy ny Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina (frantsay). *

16. Ny fanaon’iza no tsy tokony harahintsika rehefa mianatra Baiboly isika?

16 Aza manaraka ny fanaon’ny ankamaroan’ireo lazaina fa manam-pahaizana momba ny Baiboly, rehefa mianatra ianao. Mifantoka loatra amin’ny famakafakana lahatsoratra izy ireo, toy ny hoe avy amin’ny olombelona ny Baiboly. Misy manandrana mamaritra ny karazan’olona nanoratana ny boky tsirairay, na ny zava-kendrena, na hevitry ny mpanoratra azy ireny. Mety hampihen-danja ny Baiboly izany fomba fisainan’olombelona izany, ka mahatonga azy io ho toy ny bokin-tantara fotsiny, na heverina ho mampiseho ny fivoaran’ny fivavahana fotsiny. Misy koa manam-pahaizana mandany ron-doha hianarana ny haisoratry ny Baiboly. Ny fianarana ny fiavian’ireo teny sy ny filazana ny dikany amin’ny teny hebreo sy grika no ifantohan’izy ireny, fa tsy ny hevi-dehibe amin’ny hafatr’Andriamanitra. Heverinao ve fa hahazoana finoana lalina hanosika hanao zavatra izany?—1 Tesaloniana 2:13.

17. Nahoana isika no tokony hihevitra fa mirakitra hafatra ho an’ny rehetra ny Baiboly?

17 Marim-pototra ve ny hevitr’ireo manam-pahaizana? Marina ve fa hevi-dehibe iray monja no voarakitra isaky ny boky ao amin’ny Baiboly, ary misy antokon’olona nanoratana azy ireny manokana? (1 Korintiana 1:19-21) Tsy miova, raha ny marina, ny hasarobidin’ireo boky ao amin’ny Baiboly, ary ho an’ny karazan’olona avy amin’ny sokajin-taona sy fiaviana rehetra izy ireny. Nisy boky nosoratana ho an’ny olona iray, toy ny Timoty na Titosy, ary nisy ho an’ny antokon’olona, toy ny Galatiana na Filipiana. Sady afaka no tokony hianatra an’ireny boky ireny koa anefa isika. Zava-dehibe ho antsika izy ireny, ary mety hiresaka foto-kevitra maro sy mahasoa olona maro ny boky tsirairay. Natao ho an’ny rehetra ny hafatra raketin’ny Baiboly, ka izany no antony nandikana azy io ho amin’ny fitenin’ny olona maneran-tany.—Romana 15:4.

Soa ho anao sy ny olon-kafa

18. Inona no tokony hosaintsaininao rehefa mamaky ny Tenin’Andriamanitra ianao?

18 Ho hitanao, rehefa mianatra ianao, fa tena mahasoa ny fiezahana hahatakatra ny hevitry ny Baiboly, sy ny fiezahana hahita ny fifandraisan’ireo tsipirian-javatra. (Ohabolana 2:3-5; 4:7) Mifandray akaiky amin’ny fikasan’i Jehovah mantsy ny zavatra nambarany ao amin’ny Teniny. Ampifandraiso amin’ny fikasan’Andriamanitra àry ny zava-misy sy torohevitra vakinao ao amin’ny Baiboly. Azonao saintsainina ny fifandraisan’ny fikasan’i Jehovah amin’ny zava-nitranga, na hevitra, na faminaniana vakinao. Manontania tena hoe: ‘Inona no ambaran’izany amiko momba an’i Jehovah? Inona no ifandraisan’izany amin’ny fikasan’Andriamanitra hotanterahin’ilay Fanjakany?’ Saintsaino koa izao: ‘Ahoana no hampiasako an’io fanazavana io? Azoko ampiasaina ve izy io rehefa mampianatra aho, na rehefa manome torohevitra miorina amin’ny Soratra Masina?’—Josoa 1:8.

19. Iza avy no mandray soa rehefa tantarainao amin’ny olona ny zavatra nianaranao? Hazavao.

19 Andraisan-tsoa amin’ny lafiny hafa koa ny fiahiana ny olona. Hianatra zava-baovao sy hahazo fahatakaran-javatra vaovao ianao, mandritra ny famakianao sy fianaranao ny Baiboly. Miezaha hampiditra azy ireny ao amin’ny resadresaka mampandroso ifanaovanao amin’ny mpianakavy, na olon-kafa. Tsy isalasalana fa hahasoa ny resadresaka toy izany, raha ataonao amin’ny fotoana mety sy amim-panetren-tena. Hisy vokany maharitra eo amin’ireny olona ireny ny fitantaranao amim-pahatsorana sy amin-kafanam-po izay nianaranao, sy ireo lafin-javatra nahaliana anao. Hahasoa anao koa izany. Nahoana? Nomarihin’ny manam-pahaizana fa hotsaroan’ny olona maharitra kokoa ny zavatra nianarany, raha ampiasainy na averimberiny, toy ny rehefa tantaraina amin’ny olona amin’izy mbola velombelona tsara ao an-tsainy iny. *

20. Nahoana no mahasoa ny mamerimberina mamaky ny Baiboly?

20 Hahafantatra zava-baovao ianao isaky ny mamaky boky iray ao amin’ny Baiboly. Hisy andalan-teny tsy nanaitra anao firy teo aloha, nefa hanjary hanaitra anao kokoa. Hihalalina mantsy ny fahatakaranao ny hevitr’izy ireny. Izany dia tokony hanamafy fa tsy haisoratra avy amin’olombelona ireo boky ao amin’ny Baiboly, fa harena sarobidy ho anao, natao haverimberina ianarana sy hahasoa anao. Tadidio fa tsy maintsy ‘namaky azy io tamin’ny andro rehetra niainany’ ny mpanjaka, toa an’i Davida.

21. Inona no valisoa azonao antenaina raha mampitombo ny fianaranao ny Tenin’Andriamanitra ianao?

21 Be dia be ny soa raisin’ireo maka fotoana handalinana ny Baiboly. Mahazo vatosoa ara-panahy sy fahatakarana hevi-dalina izy ireo. Mihamatanjaka ny fifandraisany amin’i Jehovah, ka mahatsiaro ho akaiky kokoa azy izy, sady hanjary harena sarobidy ho an’ny mpianakaviny, rahalahiny sy anabaviny kristianina, ary ho an’ireo mbola ho lasa mpivavaka amin’i Jehovah.—Romana 10:9-14; 1 Timoty 4:16.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 15 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo boky fianarana ireo ary misy amin’ny fiteny maro.

^ feh. 19 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 1993, pejy 13-14.

Tadidinao Ve?

• Inona no notakina tamin’ireo mpanjakan’ny Isiraely?

• Inona no ohatra navelan’i Jesosy sy ny apostoly mahakasika ny fianarana ny Baiboly?

• Inona avy no fanitsiana azonao atao mba hampitomboana ny fotoana hianaranao samirery?

• Inona no toe-tsaina tokony hanananao rehefa mianatra ny Tenin’Andriamanitra ianao?

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 15]

“Eo An-tanantsika”

“Raha mitady . . . fizahan-teny ao amin’ny Baiboly isika, dia ny Internet no fitaovana mety indrindra. Fa raha maniry hamaky sy hianatra ary hisaintsaina momba ny Baiboly kosa isika, dia tokony hanana azy io eo an-tanantsika, satria izany no hany fomba hampidirantsika azy io ao an-tsaina sy ao am-po.”—Gertrude Himmelfarb, mpampianatra efa misotro ronono, City University, New York.