Fanontanian’ny Mpamaky
Fanontanian’ny Mpamaky
Afaka manao lahatenim-pandevenana ho an’ny olona namono tena ve ny rahalahy kristianina?
Anjaran’ny rahalahy kristianina tsirairay ny manapa-kevitra, raha mety amin’ny feon’ny fieritreretany ny hanao lahatenim-pandevenana ho an’ny olona ahiahina ho namono tena. Tokony hoeritreretiny ireto fanontaniana ireto, alohan’ny hanapahany hevitra: Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny famonoan-tena? Namono tena tokoa ve ilay olona? Voan’ny aretin-tsaina ve izy sa nisy zavatra nampamoy fo azy, ka nahatonga azy hamono tena? Ahoana no fiheveran’ny mpiara-monina ny olona mamono tena?
Tiantsika Kristianina ho fantatra ny fiheveran’i Jehovah ny famonoan-tena. Sarobidy sy masina amin’i Jehovah ny ain’olombelona. (Genesisy 9:5; Salamo 36:9) Ratsy eo imason’Andriamanitra ny famonoan-tena an-tsitrapo satria famonoana olona izany. (Eksodosy 20:13; 1 Jaona 3:15) Midika ve anefa izany fa tsy azo anaovana lahatenim-pandevenana ny olona namono tena?
Diniho ny tantaran’i Saoly, mpanjakan’ny Isiraely. Hitany fa tsy ho tafavoaka velona izy tamin’ny ady farany nifanaovany tamin’ny Filistinina. Koa “nalain’i Saoly ny sabatra ka nianjerany”, satria tsy te hampijalin’ny fahavalony izy. Hitan’ny Filistinina ny fatin’i Saoly, ka nofantsihiny teo amin’ny mandan’ny tanànan’i Beti-sana. Rehefa fantatry ny mponina tao Jabesi-gileada izay nataon’ny Filistinina, dia naka ny fatin’i Saoly izy ireo ary nandoro azy. Nentiny nalevina ny taolany avy eo. Nifady hanina nandritra ny fito andro mihitsy aza izy ireo, araka ny fomba fisaonana nentim-paharazana teo amin’ny Isiraely. (1 Samoela 31:4, 8-13; Genesisy 50:10) Nahafantatra izany zavatra nataon’ny mponin’i Jabesi-gileada izany i Davida, izay voahosotr’i Jehovah, ka hoy izy: “Hotahin’i Jehovah anie hianareo noho ny soa nataonareo tamin’i Saoly tomponareo tamin’ny nandevenanareo azy. Koa haneho famindrampo sy fahamarinana aminareo anie Jehovah.” (2 Samoela 2:5, 6) Angamba azo lazaina hoe nanao fombafomba fandevenana ho an’i Saoly Mpanjaka ny mponin’i Jabesi-gileada tamin’izany, kanefa tsy mitantara ny Baiboly hoe nomelohina izy ireo. Ampitahao izany sy ny tantaran’ireo olona tsy nalevina, satria nanao ratsy. (Jeremia 25:32, 33) Afaka mandinika an’io fitantaran’ny Baiboly momba an’i Saoly io ny rahalahy kristianina, hahafahany hanapa-kevitra na hanao lahatenim-pandevenana na tsia, ho an’ny olona namono tena.
Mety ho tian’ilay rahalahy koa ny handinika hoe inona no kendrena amin’ny lahatenim-pandevenana. Tsy mino ny Vavolombelon’i Jehovah hoe tsy mety maty ny fanahy. Koa ny antony hanaovan’izy ireo lahatenim-pandevenana àry, dia tsy noho ilay hevi-diso hoe lasa any ankoatra ny maty. Tsy atao ho an’ny maty ny lahatenim-pandevenana. Hampiononana ireo nidonam-pahoriana no tena hanaovana azy io, ary ho fitoriana amin’ireo mpanatrika, momba ny fahafatesana. (Mpitoriteny 9:5, 10; 2 Korintiana 1:3-5) Ny antony lehibe hanaovana lahatenim-pandevenana koa, dia mba hanampiana an’ireo mpanatrika hisaintsaina fa mihelina ihany ny fiainana. (Mpitoriteny 7:2) Ho tratra ve ireo zava-kendrena ireo raha asiana lahatenim-pandevenana ho an’ilay namono tena?
Marina aloha fa mety hisy hihevitra hoe fanahy inian’ilay olona ny namono tena, na dia fantany tsara aza fa fahotana eo anatrehan’i Jehovah izany. Marim-pototra foana ve anefa izany fiheverana izany? Sao dia nentim-po fotsiny no nahatonga an’ilay olona hamono tena? Manenina ny olona sasany rehefa nanandrana namono tena, ka tsy mahavita mamono tena indray. Tsy afaka mibebaka intsony anefa ilay olona raha maty.
Ny aretin-tsaina isan-karazany na ny famoizam-po koa, no antony lehibe mahatonga ny ankamaroan’ny olona hamono tena. Azo lazaina hoe tsy fidiny an’ireny olona ireny ny namono tena. Asehon’ny statistika fa marary saina na mamoy fo na marary noho ny fidorohana
zava-mahadomelina ny 90 isan-jaton’ny olona mamono tena. Hamela ny helok’ireny olona ireny àry ve i Jehovah, raha namono tena izy? Tsy misy amintsika afaka milaza hoe fahotana tsy ahazoana famelan-keloka eo anatrehan’i Jehovah no nataon’ilay olona. Tokony handinika ny zava-misy sy ny toe-pahasalaman’ilay olona namono tena ny rahalahy kristianina, rehefa mieritreritra hoe hanao lahatenim-pandevenana izy sa tsia.Misy zavatra iray koa tokony hodinihiny. Ahoana no fahitan’ny mpiara-monina ny fahafatesan’ilay olona? Ary ahoana no fiheveran’izy ireo ny famonoan-tena amin’ny ankapobeny? Ny anti-panahy no tena mila mamantatra an’izany, satria miahy ny hahatsara laza ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Hodinihin’ny anti-panahy ny fahitan’ny mpiara-monina ilay famonoan-tena nitranga sy ny fiheveran’izy ireo ny famonoan-tena amin’ny ankapobeny. Miankina amin’izay no mety hanapahana hevitra tsy handray andraikitra hanao lahatenim-pandevenana, na eny an-kalamanjana izany na any amin’ny Efitrano Fanjakana.
Mety hisy anefa rahalahy kristianina iangaviana hanao ilay lahatenim-pandevenana ary mety hanaiky hanao izany izy, saingy tsy amin’ny anaran’ny fiangonana. Tokony hitandrina izy rehefa manao ilay lahateny, mba tsy hanantitrantitra hoe hatsangana amin’ny maty sa tsia ilay olona. Eo am-pelatanan’i Jehovah ny hoavin’ilay maty, ka tsy misy amintsika mihitsy afaka milaza hoe hatsangana amin’ny maty izy sa tsia. Azon’ilay Kristianina atao ny mifantoka amin’ny fahamarinana ara-baiboly momba ny fahafatesana sy manome fampiononana ho an’ireo nidonam-pahoriana, raha manao lahateny izy.