Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Voavaha Tanteraka Ihany ve ny Olan’ny Olombelona?

Ho Voavaha Tanteraka Ihany ve ny Olan’ny Olombelona?

Ho Voavaha Tanteraka Ihany ve ny Olan’ny Olombelona?

“MAHANTRA ny ampahefatry ny mponin’ny tany. Latsaka ny iray dolara isan’andro no iveloman’ny olona 1 300 tapitrisa. Arivo tapitrisa ny olona tsy mahay taratasy. Olona 1 300 tapitrisa no tsy manana rano fisotro madio ary arivo tapitrisa no tsy manan-kohanina isan’andro.” Izany no tatitra momba ny toe-draharaha eran-tany avy any Irlandy.

Mampahonena tokoa izany tsy fahaizan’ny olona mahita vahaolana maharitra ho an’ny olan’izao tontolo izao izany! Toa vao mainka aza mampalahelo rehefa eritreretina fa zaza amam-behivavy tsy manan-tsiny ny ankamaroan’ireo voalaza ao amin’ilay tatitra teo. Tsy mampivarahontsana ve ny mahita fa mbola “voahitsakitsaka isan’andro ny zon’ny olona tsy hita isa”, na dia amin’izao fotoan’ny fandrosoana izao aza?—Ny Ankizy Eran-tany 2000 (anglisy).

“Tany vaovao ao anatin’ny fotoana fohy”

Matoky ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza fa ‘azo foanana ny famoizam-pon’ny olona maneran-tany naterak’izany fahoriana izany.’ Milaza ilay fikambanana fa “tsy lahatra fa azo ovana” ny toe-javatra mahonena iainan’ireo olona an’arivo tapitrisa ireo. Nanao antso avo ho an’ny “olona rehetra” mihitsy io fikambanana io “mba hamorona tany vaovao ao anatin’ny fotoana fohy.” Manantena izy fa “tsy hisy fahantrana, fanavakavahana sy herisetra ary aretina” ao amin’io tany io.

Mahabe fanantenana an’ireo niteny toy izany ny mahita fa efa misy sahady ankehitriny olona misahirana mafy mba hanamaivana ny voka-dratsin’ny “ady sy krizy toa mitohy tsy misy farany.” Nandritra ny 15 taona lasa, ohatra, ny Tetik’asa Ankizin’i Tchernobyl dia “nampihena ny fahorian’ny ankizy an-jato voan’ny kansera naterak’ilay rahona niokleary” tany. (Ilay Mpandinika Irlandey, 4 Aprily 2000) Azo antoka fa manampy be dia be an’ireo olona tsy hita isa ianjadian’ny vokatry ny ady sy ny fahoriana ny fikambanana mpanao asa soa.

Fantatr’ireny mpanao asa soa ireny tsara anefa ny zava-misy. Fantany fa “miely patrana kokoa sy lalim-paka kokoa noho ny tamin’ny folo taona lasa fotsiny aza” ny olana mitranga. Hoy i David Begg, lehiben’ny Mpanao Asa Soa irlandey, rehefa nisy tondra-drano be tany Mozambika: “Nahafinaritra ny fihetsiky ny mpiasa sy mpanohana ary ireo nalala-tanana. Tsy afaka hiatrika irery ny loza lehibe toy izany anefa izahay.” Niaiky tamim-pahatsorana toy izao anefa izy momba ny fanampiana atsy Afrika: “Sady vitsy no mitsilopilopy ny jiron’ny fanantenana.” Maro no mahita fa mamintina tsara ny toe-javatra eran-tany ireo teniny ireo.

Tena azontsika antenaina tokoa ve ny hisian’ny “tany vaovao ao anatin’ny fotoana fohy”? Mendri-piderana tokoa ny ezaka ataon’ny mpanao asa soa. Ara-dalàna anefa ny hanantenana fa tena hisy tokoa tontolo vaovao hanjakan’ny rariny sy fiadanana. Resahin’ny Baiboly ny momba izany fanantenana izany, ary hamakafaka izany ny lahatsoratra manaraka.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]

Pejy 3, ankizy: UN/DPI Photo by James Bu