Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sarobidy Lavitra Noho ny Zava-tsoan’i Ejipta

Sarobidy Lavitra Noho ny Zava-tsoan’i Ejipta

Sarobidy Lavitra Noho ny Zava-tsoan’i Ejipta

ANISAN’NY olona niavaka indrindra teo amin’ny tantara i Mosesy. Boky efatra ao amin’ny Baiboly (Eksodosy ka hatramin’ny Deoteronomia) no saika tsy miresaka afa-tsy ny tantaran’ny Isiraely teo ambany fitarihan’i Mosesy. Izy no nandamina ny fivoahana avy tany Ejipta sy nanelanelana tamin’ny faneken’ny Lalàna ary nitondra ny Isiraely teo an-tokonan’ny Tany Nampanantenaina. Nobeazina tao an-tranon’i Farao izy, nefa nomena fahefana hitarika ny vahoakan’Andriamanitra. Mpaminany sy mpitsara ary mpanoratra nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra koa izy, nefa “nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra.”—Nomery 12:3.

Miresaka ny amin’ireo 40 taona farany niainan’i Mosesy ny ankamaroan’ny fitantarana momba azy ao amin’ny Baiboly. Voafaoka amin’izany ny nanafahany ny Isiraely avy tamin’ny fanandevozana ka hatramin’ny nahafatesan’i Mosesy, teo amin’ny faha-120 taonany. Mpiandry ondry tany Midiana izy, tamin’izy 40 taona ka hatramin’izy 80 taona. Milaza anefa ny boky iray fa “ny tapany tamin’ny fiainany tena manitikitika ny saina indrindra angamba, nefa zara raha fantatra”, dia ireo 40 taona voalohany niainany, izany hoe nanomboka tamin’izy teraka mandra-pandosiny avy tany Ejipta. Inona no kely fantatsika momba izany? Inona no vokatry ny fanabeazana azon’i Mosesy teo amin’ny fiainany? Inona avy no fakam-panahy nahazo azy sy zava-tsarotra tsy maintsy natrehiny? Ary inona no lesona raisintsika avy amin’izany rehetra izany?

Fanandevozana tany Ejipta

Milaza ny bokin’ny Eksodosy fa nisy farao nanomboka natahotra an’ireo Isiraelita nipetraka tany Ejipta, satria nihamaro be mihitsy izy ireo. Nino izy fa nahita ‘hevitra’ hampihenana ny isan’izy ireo ka nampanaoviny asa an-terivozona izy ireo sady nambenana tamin’ny karavasy. Nasainy nitondra entana sy nanao feta, ary nanenjika isam-biriky voafaritra tsara isan’andro, ireo Isiraelita.—Eksodosy 1:8-14; 5:6-18.

Izany no zava-nisy tany Ejipta tamin’ny fotoana nahaterahan’i Mosesy, ary manamarina izany ny tantara. Misy taratasy papyrus fahiny sy sary hoso-doko amin’ny fasana iray, fara fahakeliny, mampiseho ny fanamboaran’ny andevo biriky tamin’ny arivo taona faharoa talohan’i Kristy na talohan’izay. Mandamina andevo an-jato ny tompon’andraikitra amin’ny famatsiana biriky, ary ireo indray no tsinjarainy ho antoko-mpiasa 6 ka hatramin’ny 18, tarihin’ny lehibe avy. Tsy maintsy hadina aloha ny tanimanga ary taterina eny amin’ny toerana fanamboarana biriky ny mololo. Misy mpiasa avy amin’ny firenena samy hafa mantsaka rano ary mampifangaro azy io amin’ilay tanimanga sy ny mololo, amin’ny alalan’ny angady kely. Avoaka avy ao anaty lasitra mahitsizoro avy eo ireo biriky, ary alahadahatra. Rehefa mainan’ny hainandro izy ireo, dia lanjain’ny mpiasa amin’ny bao mankany amin’ny toeram-panorenana, izay misy fiakarana kely indraindray. Misy mpiandraikitra ejipsianina mitondra kibay, mipetraka na mivezivezy manara-maso ilay asa.

Lazain’ny firaketana an-tsoratra tranainy iray fa nanao biriky 39 118 ny mpiasa 602, izany hoe biriky 65 isan’olona amin’ny antsalany, mandritra ny ora fiasana. Nisy soratra tamin’ny taonjato faha-13 talohan’i Kristy nilaza hoe: ‘Namita ny isam-biriky tsy maintsy nenjehiny isan’andro ny olona.’ Tsy nisy hafa tamin’izany mihitsy ny asa mafy notakina tamin’ny Isiraelita, tantarain’ny bokin’ny Eksodosy.

Tsy nampihena ny isan’ny Hebreo ny fampahoriana. “Araka ny nampahoriany azy no vao mainka nihamaroany . . . ka dia natahotra ny Zanak’Isiraely indrindra ny Egyptiana.” (Eksodosy 1:10, 12) Nodidian’i Farao àry ny mpampivelona hebreo hamono ny zazalahy isiraelita vao teraka rehetra. Nodidiany hanao toy izany koa avy eo ny Ejipsianina rehetra. Tao anatin’izany zavatra nampahatahotra izany no niteraka an’i Mosesy, zazalahy kely nahafatifaty, i Jokebeda sy Amrama.—Eksodosy 1:15-22; 6:20; Asan’ny Apostoly 7:20.

Nafenina, hita ary natsangana

Tsy nankatò ny baikon’i Farao ny ray aman-drenin’i Mosesy fa nanafina azy. Nanao izany ve izy ireo na dia teo aza ny mpitsikilo sy mpanao sava hao tsy tapaka ny trano, izay nijery sao nisy nanafina zazakely? Tsy haintsika loatra ny momba izany. Na ahoana na ahoana, dia tsy afaka nanafina an’i Mosesy intsony ny ray aman-dreniny, rehefa afaka telo volana. Tsy hitan’ny reniny intsony izay natao, ka namboatra harona zozoro izy, ary nopetahany dity ilay izy mba tsy ho tantera-drano, ka napetrany tao ny zanany. Azo lazaina hoe nankatò ny baikon’i Farao hanary ny zazalahy hebreo rehetra tany amin’ny Ony Neily ihany i Jokebeda. Nijanona teny akaiky teny i Miriama, zokin’i Mosesy vavy, mba hijery izay hitranga.—Eksodosy 1:22–2:4.

Tsy fantatsika raha nataon’i Jokebeda izay hahitan’ny zanakavavin’i Farao an’i Mosesy, rehefa nandeha nandro tao amin’ilay ony izy io na tsia, fa izany tokoa no nitranga. Takatr’ilay andriambavy fa zanaky ny Hebreo ilay zaza. Inona no hataony? Hankatò ny baikon-drainy ve izy ka handidy ny hamonoana azy io? Tsia, fa tsy nisy hafa tamin’izay ho nataon’ny ankamaroan’ny vehivavy kosa ny fihetsiny: namindra fo izy.

Efa nanatona azy sahady i Miriama ary nanontany hoe: ‘Handeha haka vehivavy hebreo hitaiza ilay zaza ho anao ve aho?’ Samy nitady ‘hevitra’, na ny anabavin’i Mosesy na i Farao, izay nanontany ny mpanolo-tsainy hanoherana ny Hebreo. Mazava loatra fa tsy ho afa-doza i Mosesy raha tsy rehefa nanaiky ny tetik’i Miriama ilay andriambavy. Tsy araka ny nieritreretana azy ny niafaran’ilay toe-javatra eto. “Andeha ary”, hoy ny navalin’ny zanakavavin’i Farao, ka lasa niantso an-dreniny avy hatrany i Miriama. Tsy nampino ilay fifanarahana fa i Jokebeda ihany no nokaramaina hitaiza an-janany, sady narovan’ny mpanjaka.—Eksodosy 2:5-9.

Tena nifanohitra mihitsy ny fangoraham-pon’ilay andriambavy sy ny hasiakan-drainy. Fantatr’ilay andriambavy tsara ny momba ilay zaza. Natsangany i Mosesy satria nitsetra azy izy. Tsy nanavakavaka toa an-drainy koa izy matoa nanaiky haka mpampinono hebreo.

Fitaizana sy fanabeazana

“Nentin[’i Jokebeda] ny zaza ka notezainy. Ary rehefa lehibe ny zaza, dia nentiny tao amin’ny zanakavavin’i Farao izy, ka dia tonga zanany.” (Eksodosy 2:9, 10) Tsy resahin’ny Baiboly hoe firy taona i Mosesy no niara-nipetraka tamin’ny ray aman-dreniny. Misy mihevitra fa mandra-pisarany nono, fara faharatsiny, izany hoe nandritra ny roa na telo taona, nefa mety ho ela kokoa noho izany. Tsy mamaritra taona ny Eksodosy fa milaza fotsiny hoe “lehibe ny zaza.” Na ahoana na ahoana, dia azo antoka fa nanararaotra ny fotoana i Amrama sy Jokebeda hampahafantarana an’i Mosesy fa Hebreo izy. Nampianariny ny momba an’i Jehovah koa izy. Nahavita nandentika ny finoana sy ny fitiavana ny fahamarinana tao am-pon’i Mosesy ve izy ireo sa tsia? Ny fotoana no hilaza izany.

“Nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ny Egyptiana” i Mosesy, rehefa tafaverina tany amin’ny zanakavavin’i Farao. (Asan’ny Apostoly 7:22) Midika izany fa nampianarina izy mba ho afaka hiantsoroka andraikitra tao amin’ny fitondram-panjakana. Anisan’ny nianarana tany Ejipta ny matematika, jeometria, maritrano, fanorenana, sy zavakanto ary siansa hafa. Mety ho nasain’ny fianakavian’ny mpanjaka nobeazina tamin’ny finoana ejipsianina koa izy.

Mety ho nisy zana-mpanjaka hafa koa niara-nianatra tamin’i Mosesy. Anisan’ny nahazo izany tombontsoa manokana hanao fianarana ambony izany koa “ny zanaky ny mpanjaka vahiny nalefa na natao takalon’aina tany Ejipta mba hampianarana ny ataon-dry zareo hoe ‘fandrosoana.’ Niverina tany amin’ny taniny izy ireo avy eo mba ho andriana” mahatoky eo ambany fahefan’i Farao. (Ny Fotoana Nanjakan’i Thoutmosis IV, anglisy, nataon’i Betsy Bryan) Toa nanomana ny tanora ho tonga tandapa koa ny akanin-jaza tao amin’ny lapam-panjakana. * Mpanompon’i Farao sy olona ambony maromaro tao amin’ny fanjakana no nitazona ilay anaram-boninahitra hoe “Ankizin’ny Akanin-jaza” na dia efa lehibe aza. Izany no hita tao amin’ireo asa soratra nosoratana nandritra ny vanim-potoana nanjakan’ny Tarana-mpanjaka ejipsianina faha-11 sy 12 sy ny Tarana-mpanjaka faha-18-20.

Nisedra an’i Mosesy ny fiainana teo anivon’ny harena sy haitraitra ary fahefana tao an-dapa. Be dia be koa ny fakam-panahy. Hanao ahoana ny fihetsiny? Hiandany amin’iza izy? Hitondra tena toy ny tena mpivavaka amin’i Jehovah sy rahalahin’ireo Hebreo nampahorina ve izy, sa aleony ny zavatra natolotr’ilay Ejipta mpanompo sampy?

Fanapahan-kevitra lehibe

‘Nivoaka nijery ny fanompoana mafy nozakain’ny rahalahiny’, i Mosesy rehefa 40 taona, ary azony natao tsara ny nitondra tena toy ny Ejipsianina tamin’izay. Nasehon’ny fihetsiny fa tsy fitia te hahafantatra fotsiny no nivoahany hijery ny rahalahiny fa faniriana te hanampy azy ireo. Novonoiny ilay Ejipsianina hitany nikapoka Hebreo. Niandany tamin’ny rahalahiny tokoa i Mosesy. Azo inoana fa tompon’andraikitra novonoina teo am-perinasa ilay lehilahy novonoin’i Mosesy. Nihevitra ny Ejipsianina fa tena tokony tsy hivadika tamin’i Farao mihitsy i Mosesy. Tia ny rariny anefa i Mosesy ary vao mainka niharihary io toetra io ny ampitson’iny, rehefa nananatra Hebreo iray nikapoka tsy ara-drariny ny rahalahiny izy. Naniry hanafaka ny rahalahiny tamin’ny ziogan’ny fanandevozana i Mosesy, saingy nitady hamono azy i Farao rehefa fantany fa nivadika taminy izy. Voatery nandositra tany Midiana àry i Mosesy.—Eksodosy 2:11-15; Asan’ny Apostoly 7:23-29. *

Tsy nifanitsy tamin’ny fotoana nanirian’i Jehovah hanafahana ny vahoakany anefa ny fotoana nofidin’i Mosesy hanaovana izany. Na izany aza, dia nampiseho finoana ny zavatra nataony. Hoy ny Hebreo 11:24-26: “Finoana no nandavan’i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin’i Farao, rehefa lehibe izy,—nifidy mantsy hiara-mitondra fahoriana amin’ny olon’Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety amin’ny fahotana.” Nahoana? Noho izy “nanao ny fanaratsiana an’i Kristy ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan’i Egypta, satria nijery ny famalian-tsoa izy.” Mety tsara amin’i Mosesy ny nampiasana ilay teny hoe “Kristy”, izay midika hoe “voahosotra”, satria nahazo fanirahana manokana avy tamin’i Jehovah izy tatỳ aoriana.

Eritrereto ange e! Andriana ejipsianina ihany no afaka nahazo ny fanabeazana azon’i Mosesy. Afaka ny ho nanana asa tsara dia tsara sy nitady ny fahafinaretana rehetra izy, nefa nolaviny izany rehetra izany. Hitany fa tsy nety ny sady hipetraka ao amin’ny lapan’i Farao, ilay mpampahory, no ho tia an’i Jehovah sy ny rariny. Tian’i Mosesy kokoa ny fankasitrahan’Andriamanitra rehefa nianarany sy nosaintsaininy ny fampanantenan’Andriamanitra tamin-dry Abrahama, Isaka, ary Jakoba razambeny. Koa azon’i Jehovah nampiasaina hanao asa tena lehibe àry i Mosesy, mba hanatanterahana ny fikasany.

Tsy maintsy misafidy ny zavatra heverintsika ho lehibe indrindra koa isika. Miatrika fanapahan-kevitra sarotra angamba ianao, toa an’i Mosesy. Misy fanao tokony hialanao na toa tombontsoa tokony hafoinao ve, na inona na inona sorona mety hataonao? Raha izany no izy, dia tadidio fa sarobidy kokoa noho ny zava-tsoan’i Ejipta rehetra ny fisakaizan’i Mosesy tamin’i Jehovah, ary tsy nanenenany izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 17 Mety ho sahala amin’izany ny fianarana azon’i Daniela sy ny namany mba ho tonga mpiasam-panjakana tany Babylona. (Daniela 1:3-7) Ampitahao amin’ny Diniho ny Faminanian’i Daniela! toko faha-3, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 20 Vao mainka hita fa tia ny rariny i Mosesy rehefa niaro an’ireo vehivavy mpiandry ondry natao ratsy fitondra tany Midiana, fony izy mpitsoa-ponenana tany.—Eksodosy 2:16, 17.

[Efajoro, pejy 11]

Fifanekena Natao Tamin’ny Mpampinono

Ny reny no tokony hampinono ny zanany. Hoy anefa ilay manam-pahaizana atao hoe Brevard Childs, ao amin’ny Gazety Momba ny Haisoratra Ara-baiboly (anglisy): “Nanakarama mpampinono indraindray ny fianakaviana andriana sasany [tany Proche-Orient]. Fanao koa izany rehefa tsy afaka nampinono ny zanany ilay reny na tsy fantatra ny renin’ilay zaza. Ilay mpitaiza no tompon’andraikitra tamin’ny fanabeazana sy fampinonoana an’ilay zaza nandritra ny fotoana nifanarahana.” Misy taratasy papyrus maromaro mirakitra fifanekena natao tamin’ny mpampinono avy tany Proche-Orient fahiny, mbola voatahiry. Noporofoin’izy ireny fa fanao izany, nanomboka tamin’ny vanim-potoana somerianina ka hatramin’ny faran’ny vanim-potoanan’ny Grika tany Ejipta. Izao avy no noraketin’ireny taratasy ireny mazàna: ny anaran’ireo olona nifanaiky, ny fotoana aharetan’izy io, ny mombamomba ilay asa atao, ny tsipiriany momba ny sakafo, ny lamandy aloa raha toa ka mivadika amin’ilay fifanekena, ny karama sy ny fomba andoavana azy. Nanazava i Childs fa matetika no “naharitra roa ka hatramin’ny telo taona ny fitaizana zaza. Nobeazin’ny mpampinono tao an-tranony ilay zaza, nefa tsy maintsy nentiny tany amin’ny ray aman-dreniny izy io indraindray mba hozahan’izy ireo.”

[Sary, pejy 9]

Tsy niova firy ny fanaovana biriky tany Ejipta hatramin’ny andron’i Mosesy, araka ny asehon’ny hoso-doko fahiny

[Sary nahazoan-dalana]

Ambony: Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.; ambany: Erich Lessing/Art Resource, NY