Efa Nisy Hatramin’ny Ela ny Sary Masina
Efa Nisy Hatramin’ny Ela ny Sary Masina
“Mampiray antsika amin’ny hatsarana sy fahamasinan’Andriamanitra sy ny Olo-masiny ny sary masina.”—ARSIDIOSEZIN’NY ORTODOKSA GRIKAN’I AOSTRALIA
VOLANA Aogositra izao. Migaingaina be ny masoandro mitaratra ilay tohatra simenitra mankany amin’ny monasiteran’ny “Renin’Andriamanitra Masina Indrindra”, any amin’ny nosin’i Tínos, any amin’ny Ranomasina Égée. Misy Ortodoksa grika mpanao fivahiniana masina, maherin’ny 25 000, miakatra moramora mba ho any amin’ny sary masin’ny renin’i Jesosy, izay voahaingo tsara erỳ. Tsy manakana an’ireo mpivavaka be ireo ny hafanam-be.
Misy ankizivavy kilemaina, hita hoe mizaka fanaintainana sady kivy, mandady na dia efa mandeha ra be aza ny lohaliny. Misy ramatoa be efa trotraka eo akaikiny eo. Efa namakivaky ilay tany manontolo izy mba hahatongavana teo, nefa mbola miezaka mandeha ihany. Misy rangahy iray tsemboka be, may erỳ hisisika hamakivaky an’ilay vahoaka mifanety. Ny hanoroka ny sary masin’i Maria sy handohalika eo anoloan’izy io no tanjon’izy ireo.
Hita fa tena te hivavaka amin’Andriamanitra ireo olona ireo. Firy anefa no mahalala fa avy amin’ny fanao efa nisy, taonjato maro talohan’ny Kristianisma, ny fivavahana amin’ny sary masina?
Be mpampiasa ny sary masina
Maro ny tany ahitana sary masina. Eo amin’ny toerana mora tazana no misy ny sarin’i Jesosy sy Maria ary ireo “olo-masina” maro, any am-piangonana. Manome voninahitra an’ireny sary ireny ireo mpivavaka, ka manoroka azy ireny, ary mandoro emboka manitra sy mandrehitra labozia eo anoloany. Saika ahitana toerana kely misy sary masina koa ao an-tranon’ny Ortodoksa rehetra, ka mivavaka eo izy ireo. Mahazatra ny mandre azy ireo miteny hoe mahatsapa ho akaiky an’Andriamanitra izy rehefa mivavaka amin’ny sary masina. Maro no mino fa feno ny fahasoavan’Andriamanitra ny sary masina sady manana hery mahagaga.
Ho gaga angamba ireo olona ireo raha mahafantatra fa tsy nankasitraka ny fampiasana sary masina amin’ny fivavahana ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Hoy ny boky Byzance: “Nianaran’ny Kristianina voalohany avy tamin’ny Jodaisma fa ratsy ny manompo sampy, ka tsy neken’izy ireo izay nety ho fankamasinana ny sarin’ny olo-masina.” Hoy ihany io boky io: “Nanomboka be mpampiasa ny sary masina . . . tamin’ny Taonjato Fahadimy, na tamin’ny fivavahana niaraka izany na samirery.”
Iza no voalohany nampiasa ny sary masina, rehefa tsy ny Kristianina voalohany?Iza no nampiasa sary masina voalohany?
Nanoratra toy izao ilay mpikaroka atao hoe Vitalij Petrenko: “Efa ela be talohan’ny andro kristianina no nisy nampiasa sary sy nanao fombafomba niaraka taminy, ary ‘avy amin’ny mpanompo sampy’ izy ireny.” Manaiky an’izany ny mpahay tantara maro, ka milaza fa avy tamin’ny fivavahana babylonianina sy ejipsianina ary grika fahiny ny fivavahana amin’ny sary masina. Sarivongana, ohatra, no nampiasaina tamin’ny fivavahana, tany Gresy fahiny. Noheverina ho nahazo hery avy tamin’Andriamanitra izy ireny. Nihevitra ny olona fa tsy natao tanana ny sasany tamin’izy ireny fa nilatsaka avy tany an-danitra. Nentina nilahatra nanodidina ny tanàna izy ireny rehefa nisy fety, ary nanaovana fanatitra. Hoy i Petrenko: “Noheverin’ireo tia fivavahana ho andriamanitra mihitsy ny sary masina, na dia natao . . . aza izay hanavahana ilay andriamanitra sy ny sariny.”
Ahoana no nidiran’izany hevitra sy fanao izany tsikelikely tao amin’ny Kristianisma? Io mpikaroka io ihany no nilaza fa ‘nisy heriny lehibe ireo fanao sy zavatra ninoan’ny mpanompo sampy, avy tamin’ny Ejipsianina, Grika, Jiosy, Tatsinanana, ary Romanina’, taorian’ny nahafatesan’ny apostolin’i Kristy. ‘Tsy maintsy niaina tao anatin’izany ireo nanaraka ny finoana kristianina’, indrindra izay tany Ejipta. Noho izany, dia “nitady fomba [hanakambanam-pinoana] ny Kristianina mpanao asa tanana, ka ny sarin’ny mpanompo sampy no nohavaoziny mba heken’ny Kristianina, na dia hita ihany aza hoe avy amin’ny mpanompo sampy ireny sary ireny.”
Tsy ela dia nanjary fampiasa ny sary masina rehefa mivavaka miaraka na samirery. Manazava ny nahatonga izany toy izao ilay mpahay tantara atao hoe Will Durant, ao amin’ilay boky hoe Ny Vanim-potoanan’ny Finoana (anglisy): “Nihabetsaka ireo olo-masina nivavahana, ka nilaina ny hamantarana sy hitadidiana azy. Nisy sarin’izy ireny sy sarin’i Maria be dia be natao. Tsy izay noheverina ho sarin’i Kristy ihany no nankamasinina fa ny lakroany koa. Noheverin’ireo mora vontom-pinoana ho ody fiaro mihitsy
aza ny lakroa. Nanjary nieritreritra ny sasany hoe tokony hivavahana ny relìka masina sy sary ary sarivongana. Niondrika teo anoloan’izy ireny izy ireo, nanoroka azy, nandrehitra labozia sy nandoro emboka manitra teo anoloany, nanisy voninkazo teo ambony lohany ary nangataka fahagagana taminy. . . . Nilaza foana ireo papa sy ireo konsily fa tsy andriamanitra ny sary fa natao hitadidiana an’ireo andriamanitra fotsiny. Tsy te hanavaka azy ireo toy izany anefa ny olona.”Maro amin’ireo mampiasa sary masina koa no hilaza fa hajainy fotsiny ireny sary ireny fa tsy ivavahany. Mety hilaza izy ireo fa azo atao ny mampiasa sary masina, ary tena ilaina mihitsy izy io rehefa mivavaka amin’Andriamanitra. Mitovy hevitra amin’izany angamba ianao. Mipetraka anefa ny fanontaniana hoe: Ahoana no fiheveran’Andriamanitra azy ireny? Tsy mivavaka amin’ny sary masina ihany ve ny olona rehefa mankamasina azy io? Mety hisy loza ve ao ambadik’izany fanao izany?
[Efajoro/Sary, pejy 4]
Inona no Atao hoe Sary Masina?
Misy isan-karazany ny sary masina. Sary sokitra ny sasany aminy ka ny Katolika no tena mpampiasa azy. Manana ny sary masiny koa ny Ortodoksa. Anisan’ireny ny sarin’i Kristy, Maria, “olo-masina”, anjely, olona na tantara ao amin’ny Baiboly, na tantaran’ny Eglizy Ortodoksa. Atao hoso-doko eo amin’ny hazo fisaka azo entina izy ireny matetika.
Nilaza ny Eglizy Ortodoksa fa tsy mitovy amin’ny sarin’olombelona tsotra ny sary masin’izy ireo. Voalaza koa fa mety “ho feno an’Andriamanitra” ny hazo sy ny loko anaovana azy.
[Sary, pejy 4]
Avy amin’ny fanaon’ny mpanompo sampy ny fampiasana sary
[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]
© AFP/CORBIS