Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fenoin’i Jehovah Voninahitra sy Fahazavana ny Vahoakany

Fenoin’i Jehovah Voninahitra sy Fahazavana ny Vahoakany

Fenoin’i Jehovah Voninahitra sy Fahazavana ny Vahoakany

“Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr’i Jehovah efa miposaka aminao.”—ISAIA 60:1.

1, 2. a) Manao ahoana ny toe-piainana misy ny olombelona? b) Iza no tompon’andraikitra amin’ny haizin’ity tontolo ity?

“RAHA mba misy olona toa an’i Isaia na i Masindahy Paoly mantsy an!” Nitaraina toy izany i Harry Truman, Prezidàn’i Etazonia, tany amin’ireo taona 1940. Nahoana? Satria tsapany fa nilaina ny mpitarika nanana fitondran-tena fakan-tahaka. Vao avy nandia ny Ady Lehibe II, ilay fotoana maizina indrindra tamin’ny taonjato faha-20, mantsy ny olombelona. Tsy nisy fiadanana anefa tetỳ an-tany na dia efa vita aza ilay ady. Mbola teo ihany ny haizina. Raha ny marina, dia mbola ao anatin’ny haizina foana ity tontolo ity, na efa 57 taona aza izay no nifarana iny ady iny. Raha mbola velona ny Prezidà Truman, dia mbola ho hitany ihany fa ilaina ny mpitarika manana fitondran-tena fakan-tahaka toa an’i Isaia na ny apostoly Paoly.

2 Asa raha fantatry ny Prezidà Truman na tsia, fa niresaka ny amin’ny haizina mianjady amin’ny olombelona ny apostoly Paoly. Nampitandrina ny mpiray finoana taminy toy izao, izy, ohatra: “Isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.” (Efesiana 6:12) Hita avy amin’ireo teny ireo fa fantatr’i Paoly hoe manarona ny tany ny haizina ara-panahy. Fantany koa anefa fa ireo demonia mahery, izay nantsoiny hoe “mpanjakan’izao fahamaizinana izao”, no tena mahatonga io haizina io. Koa ho vitan’ny olombelona ve ny hampisinda ny haizin’ity tontolo ity raha anjely mahery no tompon’andraikitra amin’izy io?

3. Inona no nambaran’i Isaia mialoha ho an’ireo olona mahatoky, na dia ao anatin’ny haizina aza ny olombelona?

3 Niresaka ny amin’ny haizina mianjady amin’ny olombelona koa i Isaia. (Isaia 8:22; 59:9) Nilaza mialoha anefa izy teo ambany tsindrimandry, fa homen’i Jehovah hoavy mamirapiratra ireo tia ny fahazavana, na dia amin’izao fotoana isian’ny haizina izao aza. Manana ny soratra ara-tsindrimandry nosoratan’i Paoly sy Isaia hitari-dalana antsika isika, na dia tsy miara-miaina amintsika aza izy. Tena mahasoa ny olona tia an’i Jehovah izany soratra izany, araka ny hodinihintsika ao amin’ny Isaia toko faha-60.

Mampita hazavana ilay vehivavy ao amin’ilay faminaniana

4, 5. a) Inona no baiko nomen’i Jehovah ny vehivavy iray, ary inona no nampanantenainy azy? b) Inona no fanazavana mampientam-po hita ao amin’ny Isaia toko faha-60?

4 Mivantana amin’ny olona iray tena mampahonena, miampatra amin’ny tany ao anatin’ny haizina, ireo teny voalohany ao amin’ny Isaia toko faha-60. Vehivavy izy io, araka ny Soratra Hebreo tany am-boalohany. Nihanazava tampoka ilay toerana nanjombona, ary niteny mafy i Jehovah hoe: “Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr’i Jehovah efa miposaka aminao.” (Isaia 60:1) Tonga ny fotoana hitsanganan’ilay vehivavy sy hampamirapiratany ny fahazavan’Andriamanitra, na ny voninahiny. Nahoana? Mamaly toy izao ny andininy manaraka: “Indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao kosa no iposahan’i Jehovah, ary aminao no isehoan’ny voninahiny.” (Isaia 60:2) Nomen’i Jehovah toky ilay vehivavy fa hisy vokany tena tsara ny fankatoavany ny didiny. Hoy izy taminy: “Ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo amin’ny famirapiratan’ny fiposahanao.”—Isaia 60:3.

5 Sady mampiditra no mamintina ny Isaia toko faha-60, ireo teny mampientam-po ao amin’ireo andininy telo voalohany ireo. Milaza mialoha ny zavatra hitranga amin’ilay vehivavy an’ohatra io toko io. Manazava ny fomba hijanonantsika ao amin’ny fahazavan’i Jehovah koa izy io, na dia ao anatin’ny haizina aza ny olombelona. Fanoharana anefa no hita ao amin’ireo andininy telo fampidirana ireo. Inona àry no mifanitsy amin’izy ireo?

6. Iza ilay vehivavy ao amin’ny Isaia toko faha-60, ary iza no solontenany eto an-tany?

6 Ilay vehivavy ao amin’ny Isaia 60:1-3 dia i Ziona na ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra voaforon’ireo anjely. Manana solontena eto an-tany i Ziona ankehitriny. Izany dia ny sisa amin’ny “Isiraelin’Andriamanitra”, na ny fitambaran’ny Kristianina voahosotry ny fanahy eran-tany, izay manantena ny hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. (Galatiana 6:16) Misy mpikambana 144 000 io firenena ara-panahy io, ary tanteraka indrindra amin’ireo mbola velona eto an-tany mandritra ny andro farany ny Isaia toko faha-60 ankehitriny. (2 Timoty 3:1; Apokalypsy 14:1) Misy lafiny maro amin’ilay faminaniana koa mahakasika ny naman’ireo Kristianina voahosotra, dia ny “olona betsaka” anisan’ny “ondry hafa.”—Apokalypsy 7:9; Jaona 10:16.

7. Nanao ahoana i Ziona tamin’ny 1918, ary inona no nambaran’ny faminaniana momba izany?

7 Efa tao anatin’ny haizina ve ny “Isiraelin’Andriamanitra”, araka ny nasehon’ilay vehivavy ao amin’ny faminanian’i Isaia? Eny, maherin’ny 80 taona lasa izay. Niady mafy ny Kristianina voahosotra mba hanohizana ny asa fitoriana nandritra ny Ady Lehibe I. Saika nijanona tanteraka anefa ilay asa tamin’ny 1918, taona nifaranan’ilay ady. I Joseph Rutherford no nanara-maso ny asa fitoriana maneran-tany tamin’izay. Nisy fiampangana diso anefa natao taminy sy ny Kristianina hafa nitana andraikitra lehibe, ka nomelohina hiditra an-tranomaizina ela be izy ireo. Lazain’ny faminaniana ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy fa tamin’izay, ny Kristianina voahosotra teto an-tany dia toy ny faty ‘niampatra teny an-dalam-be amin’ny tanàna lehibe, izay atao, araka ny hevi-panahy, hoe Sodoma sy Egypta.’ (Apokalypsy 11:8) Tena fotoana maizina tokoa tamin’izay ho an’i Ziona, izany hoe ho an’ny zanany voahosotra teto an-tany!

8. Inona no fiovana lehibe nitranga tamin’ny 1919, ary inona no vokany?

8 Nisy fiovana lehibe anefa tamin’ny 1919. Nomen’i Jehovah fahazavana i Ziona! Niarina ireo sisa mbola velona tamin’ny Isiraelin’Andriamanitra mba hampamirapiratra ny fahazavan’Andriamanitra. Tsy natahotra ny hanambara indray ny vaovao tsara izy ireo. (Matio 5:14-16) Nisy olon-kafa voasariky ny fahazavan’i Jehovah, satria nanjary be zotom-po indray ireo Kristianina ireo. Voahosotra vaovao hanampy ny Isiraelin’Andriamanitra aloha no voalohany tamin’izany. Antsoina hoe mpanjaka izy ireo ao amin’ny Isaia 60:3, satria hiara-mandova ny Fanjakan’Andriamanitra amin’i Kristy any an-danitra. (Apokalypsy 20:6) Nisy olona betsaka anisan’ny ondry hafa koa voasariky ny fahazavan’i Jehovah tatỳ aoriana. Ireo no antsoina hoe “firenena” ao amin’ilay faminaniana.

Nody ny zanak’ilay vehivavy!

9, 10. a) Inona no zava-nahagaga hitan’ilay vehivavy, ary inona no nambaran’izany mialoha? b) Inona no mahafaly an’i Ziona?

9 Toy ny hoe manazava bebe kokoa izay voalaza ao amin’ny Isaia 60:1-3 i Jehovah izao. Omeny baiko hafa ilay vehivavy. Henoy izay lazainy: “Atopazy manodidina ny masonao, ka jereo!” Mankatò ilay vehivavy, ka mahita zavatra tena mampihetsi-po! Indreny fa mody ny zanany. Hoy ny tohin’ilay andinin-teny: “Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; ny zanakao-lahy dia avy lavitra, ny zanakao-vavy dia sakelehina.” (Isaia 60:4) Nisarika vaovao an’arivo hanompo an’i Jehovah ny fitoriana ilay Fanjakana maneran-tany, nanomboka tamin’ny 1919. Tonga ‘zanakavavy’ sy ‘zanakalahy’ voahosotra ho an’i Ziona koa izy ireny, ary anisan’ny Isiraelin’Andriamanitra. Nanome voninahitra an’i Ziona àry i Jehovah, rehefa nitondra ny farany tamin’ireo 144 000 ho amin’ny fahazavana.

10 Azonao an-tsaina ve ny fifalian’i Ziona manana ny zanany eo anilany? Omen’i Jehovah antony hafa hifaliana koa anefa i Ziona. Izao no vakintsika: “Ary hahita izany hianao ka ho miramirana, dia hiemponempona sady hohalehibiazina ny fonao; fa ho entina ho anao ny haren’ny ranomasina, ary hafindra ho anao ny fananan’ny firenena.” (Isaia 60:5) Mifanaraka amin’ireo faminaniana ireo, dia nisy Kristianina sesehena, manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany, nirohotra ho ao Ziona nanomboka tamin’ireo taona 1930. Nivoaka avy tao anaty “ranomasina”, izany hoe ny olombelona tafasaraka amin’Andriamanitra, izy ireo. Izy ireo no fananan’ny firenena sy “izay irin’ny firenena rehetra.” (Hagay 2:7; Isaia 57:20) Mariho koa fa tsy hoe samy manompo an’i Jehovah, araka izay tiany avy, akory izy ireo. Mampitombo ny voninahitr’i Ziona kosa izy ireo, amin’ny fiaraha-manompo amin’ireo rahalahiny voahosotra, ka tonga “andiany iray” ihany izy, ary “iray ihany ny Mpiandry” azy.—Jaona 10:16.

Mankany Ziona ny mpivarotra sy mpiandry ondry

11, 12. Lazalazao ny momba ilay vahoaka be mankany Ziona.

11 Mitombo be ny isan’ny mpidera an’i Jehovah noho izany fanangonana voalaza mialoha izany. Izany no hita ao amin’ny tohin’ilay faminaniana. Eritrereto hoe miara-mijoro amin’ilay vehivavy ao amin’ny faminanian’i Isaia, eo amin’ny Tendrombohitr’i Ziona ianao. Mitodika any atsinanana ianao. Inona no hitanao? “Ho feno ny rameva betsaka ao aminao, dia ny rameva tanora avy any Midiana sy Efaha, samy avy any Sheba izy rehetra; volamena sy ditin-kazo mani-pofona no ho entiny, ary ny fiderana an’i Jehovah no teny mahafaly hambarany.” (Isaia 60:6) Misy mpivarotra be dia be, miaraka amin’ny ramevany, miara-manao dia ho any Jerosalema. Mameno an’ilay tany ireo rameva maro be! Mitondra fanomezana sarobidy toy ny “volamena sy ditin-kazo mani-pofona” ireo mpivarotra. Manatona ny fahazavan’Andriamanitra izy ireo, mba ‘hidera an’i Jehovah’ ampahibemaso.

12 Tsy ireo mpivarotra ihany anefa no tonga manatona. Misy mpiandry ondry koa mirohotra ho ao Ziona. Hoy ihany ilay faminaniana: “Ny ondry aman-osy rehetra any Kedara dia hangonina ho ao aminao, ary ny ondrilahin’i Nebaiota hanompo anao.” (Isaia 60:7a) Tonga ao amin’ilay tanàna masina ny foko mpiompy mba hanolotra ny bibiny tsara indrindra ho an’i Jehovah. Manolotra ny tenany mihitsy aza izy ireo mba hanompoana an’i Ziona! Ahoana no andraisan’i Jehovah an’ireo vahiny ireo? Izy mihitsy no mamaly hoe: “Hiakatra amin’ny fankasitrahana ho eo ambonin’ny alitarako ireo, ary hataoko be voninahitra ny tranon’ny voninahitro.” (Isaia 60:7b) Mankasitraka ny fanatitra sy ny fanompoan’ireo vahiny ireo i Jehovah. Manome voninahitra ny tempoliny izy ireo.

13, 14. Inona no tazana tonga avy any andrefana?

13 Mitodiha indray ary banjino ny faravodilanitra any andrefana. Inona no hitanao? Toy ny misy rahona fotsy mandrakotra ny ranomasina erỳ lavitra erỳ. Mametraka ilay fanontaniana tonga ao an-tsainao i Jehovah: “Iza moa ireto manidina tahaka ny rahona ary tahaka ny voromailala ho amin’ny varavarankeliny?” (Isaia 60:8) I Jehovah ihany no mamaly izany: “Izaho no andrasan’ny nosy, ary ny sambon’i Tarsisy ho loha-làlana, hitondra ny zanakao avy lavitra mbamin’ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an’ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao sy ho an’ny Iray Masin’ny Isiraely, satria efa nanome voninahitra anao Izy.”—Isaia 60:9.

14 Azonao alaina sary an-tsaina ve izany? Toy ny pentimpentina fotsy be dia be any andrefana lavitra any, ilay rahona fotsy rehefa mihamanatona. Toy ny vorona manidintsidina eny ambony onja no fijery azy. Rehefa mihamanatona kokoa anefa izy ireo, dia hitanao fa hay sambo namelatra ny lainy mba hatosiky ny rivotra izy ireo. Tena betsaka ireo sambo mankany Jerosalema, ka toy ny andiam-boromahailala ny fijery azy. Avy any amin’ny seranana lavitra ilay andian-tsambo mandeha haingana be, mitondra an’ireo olona mpino ho any Jerosalema mba hanompo an’i Jehovah.

Mitatra ny fandaminan’i Jehovah

15. a) Inona no fitomboana nambara mialoha ao amin’ny Isaia 60:4-9? b) Inona no ataon’ny tena Kristianina?

15 Mazava tsara tokoa izany sary ara-paminaniana eo amin’ny andininy faha-4 ka hatramin’ny faha-9 izany, izay mampiseho ny fitomboana maneran-tany nanomboka tamin’ny 1919! Nahoana i Jehovah no nampitombo an’i Ziona toy izany? Satria nanomboka tamin’ny 1919, dia nankatò azy ny Isiraelin’Andriamanitra ary nampamirapiratra ny fahazavany foana. Voamarikao ve anefa fa ‘hiakatra ho eo ambonin’ny alitaran[’Andriamanitra]’ ireo vao tonga ireo, araka ny andininy faha-7? Toerana fanaovana fanatitra ny alitara. Mampahatsiahy antsika àry ilay faminaniana fa anisan’ny fanompoana an’i Jehovah ny fanaovana fanatitra. Hoy ny apostoly Paoly: “Mangataka aminareo aho ... mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany.” (Romana 12:1) Tsy mianina amin’ny fandehanana miangona indray mandeha isan-kerinandro fotsiny ny tena Kristianina, araka ireo tenin’i Paoly ireo. Mampiasa ny fotoanany sy ny heriny ary ny fananany izy ireo mba hampandrosoana ny fivavahana madio. Moa ve ny mpivavaka be fandavan-tena toy izany tsy manome voninahitra ny tranon’i Jehovah? Izany tokoa, hoy ny faminanian’i Isaia. Afaka mahazo antoka koa isika fa be voninahitra eo imason’i Jehovah ny mpivavaka mazoto toy izany.

16. Iza no nanampy tamin’ny asa fanorenana fahiny, ary iza no manao izany ankehitriny?

16 Maniry hiasa ireo olona vao tonga ireo. Hoy ihany ilay faminaniana: “Ny hafa firenena no hanangana ny màndanao, ary ny mpanjakany hanompo anao.” (Isaia 60:10) Tanteraka voalohany ireo teny ireo rehefa niverina avy tany Babylona ireo babo. Tena nisy mpanjaka sy olon-kafa avy tamin’ireo firenena tokoa nanampy azy ireo hanorina indray ny tempoly sy ny tanànan’i Jerosalema. (Ezra 3:7; Nehemia 3:26) Ankehitriny, dia manampy ny sisa voahosotra hanorina ny fivavahana marina ny olona betsaka. Manampy ny voahosotra hampitombo ny fiangonana kristianina izy ireo. Toy ny hoe manatanjaka ny ‘mandan’ny’ fandaminan’i Jehovah izy ireo amin’izany. Tena manorina trano koa anefa izy ireo, toy ny fanorenana Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe ary Betela. Amin’izany fomba rehetra izany no anampiany ireo rahalahiny voahosotra, mba hanomezana izay ilain’ny fandaminan’i Jehovah mihamitatra!

17. Inona no anisan’ny fomba nanomezan’i Jehovah voninahitra ny vahoakany?

17 Mampahery tokoa ireo teny farany ao amin’ny Isaia 60:10! Hoy i Jehovah: “Tamin’ny fahatezerako no namelezako anao, ary amin’ny fitiavako kosa no amindrako fo aminao.” Nanafay ny vahoakany tokoa i Jehovah tamin’ny 1918 sy 1919. Efa lasa anefa izany. Fotoana anehoan’i Jehovah famindram-po amin’ny mpanompony voahosotra sy ny ondry hafa namany kosa izao. Porofon’izany ny nampitomboan’i Jehovah azy ireo tamin’ny fomba mahavariana, ka toy ny hoe ‘nanome voninahitra azy ireo’ izy.

18, 19. a) Inona no nampanantenain’i Jehovah an’ireo vao tonga ao amin’ny fandaminany? b) Inona no ambara ao amin’ny tapany farany amin’ny Isaia toko faha-60?

18 Olona “hafa firenena” ana hetsy no tonga ao amin’ny fandaminan’i Jehovah isan-taona, ary hisokatra foana ny varavarana hidiran’ny maro hafa koa. Hoy i Jehovah tamin’i Ziona: “Hidanadana mandrakariva ny vavahadinao, tsy hirindrina izy na andro na alina, hampidirana ny haren’ny firenena sy ny mpanjakany izay efa voababo ho ao aminao.” (Isaia 60:11) Misy mpanohitra mitady hanidy ireo ‘vavahady’ ireo, nefa fantatsika fa tsy ho vitany izany. I Jehovah mihitsy no nilaza fa na ahoana na ahoana, dia hivoha mandrakariva ny vavahady. Hitohy ny fitomboana.

19 Mbola misy fomba hafa itahian’i Jehovah ny vahoakany, na anomezany voninahitra azy ireo, amin’izao andro farany izao. Manazava izany ny tapany farany amin’ny Isaia toko faha-60.

Hainao Hazavaina Ve?

• Iza ilay vehivavy ao amin’ny Isaia toko faha-60, ary iza no solontenany etỳ an-tany?

• Oviana no niampatra tamin’ny tany ny zanak’i Ziona? Oviana sy tamin’ny fomba ahoana no ‘nitsanganany’?

• Inona avy ireo fanoharana nampiasain’i Jehovah mba hilazana mialoha ny fitomboan’ireo mpitory ilay Fanjakana?

• Amin’ny fomba ahoana avy no ampamirapiratan’i Jehovah ny fahazavany eo amin’ny vahoakany

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 10]

Nodidian’i Jehovah hitsangana ilay vehivavy

[Sary, pejy 12]

Toy ny voromahailala eny am-paravodilanitra ireo andian-tsambo