Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fivoriambe Iraisam-pirenena Amin’ny 2003

Fivoriambe Iraisam-pirenena Amin’ny 2003

Fivoriambe Iraisam-pirenena Amin’ny 2003

NATAO ny 6 Oktobra 2001, tany Jersey, any New Jersey, Etazonia, ny fivoriana fanao isan-taona ho an’ireo mpikambana ao amin’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania. Nankafy fandaharana manokana ireo mpikambana sy olona nasaina, taorian’io fivoriana io. Nanao izao fanambarana izao ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny ampitson’io, tany amin’ny fivoriana tsy ara-potoana natao tany amin’ny tanàna efatra tany Kanada sy Etazonia, taorian’ny lahateny famaranana:

“Sady mibanjina ny hoavintsika isika vahoakan’Andriamanitra, no tsy tokony hahafoy mihitsy ny fiarahantsika mivory. Nampirisika ny apostoly Paoly fa tokony hivory sy hifampahery isika, mainka satria hitantsika fa mihantomotra ilay andro lehibe sy mahatahotr’i Jehovah. (Hebreo 10:24, 25) Mifanaraka amin’io didy io, dia manantena isika fa hanao fivoriamben’ny vondrom-paritra maneran-tany, amin’ny taona ho avy [2002]. Mety hisy fivoriambe iraisam-pirenena manokana hatao any amin’ny faritra sasany amin’ny tany, amin’ny 2003, raha sitrapon’i Jehovah. Izao no fotoana tokony hifohazana sy hiambenana hatrany, satria hitantsika ny fivoaran’ny toe-draharaha eran-tany.”

Tsy misy zavatra azo antoka intsony ary mihahenjana ny rivo-piainana, arakaraka ny fahantomoran’ny farany. Tsy maintsy mandroso anefa ny asan’ny vahoakan’Andriamanitra. Tsy maintsy hambara amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra, ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana sy ny hafatra fampitandremana ao amin’ny Baiboly. Asaina izy ireo mba ‘hatahotra an’Andriamanitra ka hanome voninahitra Azy, satria tonga ny andro fitsarany.’ (Apokalypsy 14:6, 7) Misy fivoriambe iraisam-pirenena àry kasaina hatao any amin’ny faritra samihafa, amin’ny 2003, raha sitrapon’ilay Raintsika any an-danitra.

Any amin’ny tanàn-dehibe vitsivitsy any Amerika Avaratra no heverina hanombohana izany, ary any Eoropa, tsy ela aorian’izay. Hisy fandaharana hatao mba handefasana solontena ho any amin’ny tanàn-dehibe vitsivitsy any Azia, aoriana kely kokoa. Hisy solontena hafa koa hankany Afrika, Amerika Atsimo ary any Pasifika, any amin’ny faramparan’ny 2003. Hisy sampana hangatahana handefa solontena voafetra ho any amin’ny toerana voafaritra tsara hisy ilay fivoriambe. Tsy ho voasa hanatrika avokoa àry ny rehetra. Hampahery anefa ny hahita solontenan’ny tany samy hafa any amin’ireny fivoriambe iraisam-pirenena ireny.

Hahazo fanazavana momba izany ireo fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tsy ho ela. Ny sampana misy an’ireo solontena voasa no hanome azy ireo ny fanazavana momba ny daty sy ny tanàna hanatrehan’izy ireo fivoriambe. Koa iangaviana ianao tsy hanoratra na hangataka fanazavana momba izany.

Vavolombelona vita fanoloran-tena sy batisa, izay ho fakan-tahaka sy haneho fitiavana an’ireo rahalahiny any an-toerana ihany no hofidina ho solontena. Ho afaka handray sy hampiantrano amim-pitiavana an’ireo vahiny ireo kosa ny rahalahy any. (Hebreo 13:1, 2) Hisy ‘fifampirisihana’ àry amin’izany. (Romana 1:11, 12) Hanome tsipiriany fanampiny momba izany fandaharana izany ireo sampana hasaina handefa solontena.

Hisy fivoriamben’ny vondrom-paritra haharitra telo andro, toy ny mahazatra kosa, halamina any amin’ny ankamaroan’ireo firenena, amin’ny 2003. Ho afaka ‘hihaino sy hianatra ary hifampirisika’ ny rehetra rehefa miara-mivory. (Deoteronomia 31:12; 1 Korintiana 14:31) Amin’izany no hahafahan’ny vahoakan’Andriamanitra ‘hanandrana ka hizaha fa tsara i Jehovah.’ (Salamo 34:8) Hisy misionera hanatrika ireo fivoriambe iraisam-pirenena sy ny ankamaroan’ireo fivoriamben’ny vondrom-paritra. Handray fitenenana ny sasany aminy mandritra ny fandaharana.

Mankafy ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Mpitory Ilay Fanjakana Mazoto”, izay mandrisika antsika hitory bebe kokoa isika, amin’ity taona ity. Vao mainka ho dodona hahita izay homanin’i Jehovah ho an’ny taona ho avy isika, raha manao izany. Hanampy antsika ‘hiambina sy hitoetra ho mifoha ary hiomana’ izany, amin’izao fotoan-tsarotra sy manan-tantara diavintsika izao.—Matio 24:42-44.