Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mamiratra eo Amin’ny Vahoakan’i Jehovah ny Voninahiny

Mamiratra eo Amin’ny Vahoakan’i Jehovah ny Voninahiny

Mamiratra eo Amin’ny Vahoakan’i Jehovah ny Voninahiny

“Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay.”—ISAIA 60:20.

1. Ahoana no itahian’i Jehovah ny vahoakany mahatoky?

“SITRAK’I Jehovah ny olony; ravahany famonjena ny mpandefitra.” (Salamo 149:4) Izany no nolazain’ny mpanao salamo fahiny, ary manamarina ny teniny ny tantara. Miahy sy mampiroborobo ary miaro ny vahoakany i Jehovah, rehefa mahatoky eo anatrehany izy ireo. Nampiany handresy ny fahavalony izy ireo fahiny. Ankehitriny, dia ampian’i Jehovah izy ireo mba hatanjaka ara-panahy hatrany ary omeny toky fa hamonjy azy ireo izy, noho ny soron’i Jesosy. (Romana 5:9) Manao izany izy satria kanto eo imasony izy ireo.

2. Inona no atokisan’ny vahoakan’Andriamanitra, na dia toherina aza izy ireo?

2 Mazava ho azy fa hisy hanohitra ny olona “velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra” eto amin’ity tontolo rakotry ny haizina ity. (2 Timoty 3:12) Hitan’i Jehovah anefa ireny mpanohitra ireny ka mampitandrina toy izao izy: “Ho levona izay firenena sy fanjakana tsy hanompo anao; eny, ireny firenena ireny hofongorana tokoa.” (Isaia 60:12) Miseho amin’ny endriny maro be ny fanoherana ankehitriny. Manandrana manakantsakana na mandrara ny fivavahan’ny tena Kristianina ny mpanohitra any amin’ny tany sasany. Misy koa olona mafana fo tafahoatra any an-tany hafa, mamono ny mpivavaka amin’i Jehovah sy mandoro ny fananany. Tadidio anefa fa efa nanapa-kevitra ny amin’ny ho fiafaran’izay rehetra manohitra ny sitrapony, i Jehovah. Tsy hahomby ireo miady amin’i Ziona, na amin’ny zanany misolo tena azy etỳ an-tany. Tsy mampahery ve izany fanomezan-toky avy amin’i Jehovah, ilay Andriamanitsika lehibe, izany?

Fitahiana be dia be tsy nampoizina

3. Oharina amin’ny inona ny hakanton’ny mpivavaka amin’i Jehovah sy ny vokatra betsaka azony?

3 Tena be dia be tsy nampoizina ny fitahiana nomen’i Jehovah ny vahoakany, mandritra ny andro faran’ity tontolo ity. Ny toerana ivavahana aminy sy ireo mitondra ny anarany no tena noravahany miandalana. Hoy izy tamin’i Ziona, araka ny faminanian’i Isaia: “Ny voninahitr’i Libanona ho tonga aminao, ny hazo kypreso sy ny pina ary ny bokso koa handravahana ny fitoerako masina, ary hasiako voninahitra ny fitoeran-tongotro.” (Isaia 60:13) Tena mahafinaritra ny mijery tendrombohitra rakotra ala. Ohatra tsara ilazana ny hakanton’ny mpivavaka amin’i Jehovah sy ny vokatra betsaka azon’izy ireo àry ny hazo mandrobona be.—Isaia 41:19; 55:13.

4. Inona ilay ‘fitoerana masina’ sy ‘fitoeran-tongotr[’i Jehovah]’, ary ahoana no nandravahana azy ireo?

4 Inona ilay ‘fitoerana masina’ sy ‘fitoeran-tongotr[’i Jehovah]’ voalaza ao amin’ny Isaia 60:13? Manondro ny kianjan’ny tempoly ara-panahin’i Jehovah ireo teny ireo. Io tempoly ara-panahy io dia ny fomba anompoana azy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. (Hebreo 8:1-5; 9:2-10, 23) Nilaza ny fikasany hanome voninahitra an’io tempoly ara-panahy io i Jehovah: hanangona olona avy amin’ny firenena rehetra izy, mba ho tonga hivavaka ao. (Hagay 2:7) I Isaia dia efa nahita vahoaka iraisam-pirenena nitanjozotra nankany an-tendrombohitr’i Jehovah, na ny fivavahana aminy. (Isaia 2:1-4) Taonjato maro tatỳ aoriana, dia nahita “olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny”, ny apostoly Jaona. Nitsangana teo “anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra izy [ireo] ka manompo Azy andro aman-alina eo amin’ny tempoliny.” (Apokalypsy 7:9, 15) Isika mihitsy no mahita fa nandravaka ny tranony i Jehovah satria tanteraka ireo faminaniana ireo.

5. Inona no fanatsarana lehibe hitan’ny zanak’i Ziona?

5 Tena fanatsarana lehibe tokoa izany ho an’i Ziona! Hoy i Jehovah: “Ho solon’ny nahafoizana anao sy ny nankahalana anao ary ny tsy nandehanan’olona namaky anao, dia hasandratro ho rehareha mandrakizay hianao, eny, ho fifaliana hatramin’ny taranaka fara mandimby.” (Isaia 60:15) Ory tokoa ny “Isiraelin’Andriamanitra” taloha kelin’ny faran’ny Ady Lehibe I. (Galatiana 6:16) Tena nahatsiaro ho ‘nafoy’ izy satria tsy takatry ny zanany tetỳ an-tany hoe inona no sitrapon’Andriamanitra ho azy ireo. Novelomin’i Jehovah indray ny mpanompony voahosotra tamin’ny 1919, ary nanomboka nomeny fanambinana ara-panahy mahatalanjona izy ireo. Tsy hitanao ho mampahery ve ny fampanantenana ao amin’io andininy io? Hasandratr’i Jehovah “ho rehareha” i Ziona. Ho reharehan’ny zanany izy, ary ho reharehan’i Jehovah koa aza. Ho “fifaliana” izy, eny ho antom-pifaliana lehibe sady tsy ho vetivety fotsiny. “Hatramin’ny taranaka fara mandimby” no hankasitrahana an’i Ziona, na ny zanany misolo tena azy etỳ an-tany. Eny, hankasitrahana mandrakizay izy.

6. Ahoana no ampiasan’ny tena Kristianina ny fananan’ireo firenena?

6 Henoy indray ity fampanantenana omen’Andriamanitra an’i Ziona ity: “Hinono amin’ny jentilisa hianao sady hinono amin’ny mpanjaka; ka dia ho fantatrao fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin’i Jakoba no Mpanavotra anao.” (Isaia 60:16) Ahoana no inonoan’i Ziona “amin’ny jentilisa” sy “amin’ny mpanjaka”? Amin’ny heviny hoe mampiasa ny fananana sarobidin’ireo firenena ny Kristianina voahosotra sy ny “ondry hafa”, mba hanitarana ny fivavahana madio. (Jaona 10:16) Ahafahana mitory sy mampianatra maneran-tany ny fanomezana vola an-tsitrapo. Mora kokoa ny mamoaka Baiboly sy boky ary gazety ara-baiboly amin’ny fiteny an-jato, noho ny fahaiza-mampiasa ireo fitaovana maoderina. Olona maro kokoa noho ny hatramin’izay izao no afaka mahazo ny fahamarinana ara-baiboly. Olona avy amin’ny firenena maro be no mianatra fa i Jehovah, izay nanafaka ny mpanompony voahosotra tamin’ny fahababoana ara-panahy, no tena Mpamonjy.

Fandrosoan’ny fitantanana ny fandaminana

7. Inona no fandrosoana miavaka hitan’ny zanak’i Ziona?

7 Nandravaka ny vahoakany tamin’ny fomba hafa koa i Jehovah. Nohatsarainy ny fitantanana ny fandaminany. Izao no vakintsika ao amin’ny Isaia 60:17: “Hahatonga volamena Aho ho solom-barahina, ary hahatonga volafotsy ho solom-by, ary varahina ho solon-kazo, ary vy ho solom-bato; ny fiadanana no hataoko fanapahana anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao.” Fanatsarana izany hoe varahina soloana volamena izany, ary toy izany koa ny amin’ireo fitaovana hafa voalaza ireo. Tsy nitsahatra ny nihatsara tokoa ny fitantanana ny fandaminan’ny Isiraelin’Andriamanitra, nandritra izao andro farany izao. Diniho ireto ohatra sasantsasany ireto.

8-10. Milazalazà fanatsarana sasany natao teo anivon’ny fandaminana, nanomboka tamin’ny 1919.

8 Talohan’ny 1919, dia anti-panahy sy diakônina nofidin’ny mpikambana no nitantana ireo fiangonan’ny vahoakan’Andriamanitra. Nanomboka tamin’io taona io, dia nanendry talen’ny fanompoana teo anivon’ny fiangonana tsirairay ny ‘mpanompo mahatoky sy malina’, mba hiandraikitra ny fanompoana eny amin’ny saha. (Matio 24:45-47) Tsy nahomby loatra anefa io fandaharana io teo anivon’ny fiangonana maro, satria zara raha nitory ny filazantsara ny anti-panahy sasany. Tsy nasaina nifidy anti-panahy sy diakônina intsony àry ny fiangonana, tamin’ny 1932. Nasaina nifidy lehilahy nahaforona komitin’ny fanompoana mba hiara-miasa tamin’ny talen’ny fanompoana kosa izy ireo. Fanatsarana lehibe tokoa izany, toy ny hoe “varahina” natao ho “solon-kazo”!

9 Nanaiky hanao fanatsarana hafa, izay nifanaraka kokoa tamin’ny ohatra hita ao amin’ny Baiboly, ny fiangonana, tamin’ny 1938. Nankinina tamin’ny mpikarakara fitambaran’olona sy mpanampy hafa, ny fitantanana ny fiangonana. Samy notendrena teo ambany fitarihan’ny mpanompo mahatoky sy malina izy rehetra ireo. Vita hatreo ny fifidianana! Nampifanarahina tamin’izay notakin’Andriamanitra amin’izay ny fanendrena teo anivon’ny fiangonana. Izany dia toy ny hoe “vy ho solom-bato” na “volamena” ho “solom-barahina.”

10 Nitohy hatrany ny fandrosoana. Tamin’ny 1972, ohatra, dia fitambarana anti-panahy no notendrena hiandraikitra ny fiangonana. Miara-miasa izy ireo ary tsy misy manam-pahefana amin’ny hafa. Nitovy kokoa tamin’ny fomba nitantanana ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany izany. Mbola nisy fandrosoana hafa koa, roa taona teo ho eo izay. Nasiana fanitsiana ny fitantanana ny fikambanana ara-dalàna sasany. Afaka mifantoka kokoa amin’ny zavatra ara-panahy ilain’ny vahoakan’Andriamanitra àry ny Filan-kevi-pitantanana. Tsy voahelingelin’ny raharaha ara-pitsarana fanao andavanandro intsony izy ireo.

11. Iza no nahatonga ireo fiovana eo anivon’ny fandaminan’ny vahoakan’i Jehovah, ary inona avy no vokatr’izany?

11 Iza no nahatonga ireny fanatsarana miandalana ireny? I Jehovah Andriamanitra mazava loatra. Izy no nilaza hoe: “Hahatonga volamena Aho.” Izy koa no mbola nilaza hoe: “Ny fiadanana no hataoko fanapahana anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao.” I Jehovah tokoa no manara-maso ny vahoakany. Fomba hafa iray nandravahan’i Jehovah ny vahoakany izany fanatsarana ny fitantanana ny fandaminana izany. Notahina tamin’ny fomba maro samy hafa àry ny Vavolombelon’i Jehovah. Izao no vakintsika ao amin’ny Isaia 60:18: “Ny fampahoriana tsy ho re eo amin’ny taninao intsony, na ny fandravana sy ny fandringanana ao anatin’ny fari-taninao; ny màndanao dia hataonao hoe Famonjena, ary ny vavahadinao hataonao hoe Fiderana.” Kanto erỳ izany teny izany! Ahoana anefa no nahatanterahany?

12. Nahoana no manjaka eo anivon’ny tena Kristianina ny fiadanana?

12 Miantehitra amin’ny fampianarana sy tari-dalan’i Jehovah ny tena Kristianina. Izao no ho vokatr’izany, araka an’i Isaia: “Ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ny zanakao.” (Isaia 54:13) Miasa amin’ny vahoakany koa ny fanahin’i Jehovah, ary anisan’ny vokatr’io fanahy io ny fiadanana. (Galatiana 5:22, 23) Mahatonga ny vahoakan’i Jehovah ho toy ny toeram-pialofana mahafinaritra eo anivon’ny tontolo feno herisetra, ny fiadanana eo anivon’izy ireo. Misy izany satria mifankatia ny tena Kristianina, ary santatry ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao izany. (Jaona 15:17; Kolosiana 3:14) Azo antoka fa finaritra isika tsirairay mankafy sy mampitombo izany fiadanana izany. Midera sy manome voninahitra an’ilay Andriamanitsika izany, ary tapany lehibe mahaforona ny paradisantsika ara-panahy.—Isaia 11:9.

Hamiratra hatrany ny fahazavan’i Jehovah

13. Nahoana isika no afaka matoky fa hanazava ny vahoakany mandrakizay i Jehovah?

13 Hamiratra hatrany amin’ny vahoakan’i Jehovah ve ny fahazavany? Eny! Izao no vakintsika ao amin’ny Isaia 60:19, 20: “Tsy ny masoandro intsony no ho fanazavana anao nony andro; ary tsy ny fangarangaran’ny volana no hanazava anao; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary Andriamanitrao no ho voninahitrao. Tsy hilentika intsony ny masoandronao, ary ny volanao tsy hisoka; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary ho tapitra ny andro fahalahelovanao.” Raha vao tapitra ny ‘falahelovan’ireo’ natao sesitany ara-panahy tamin’ny 1919, dia nanomboka namiratra teo amin’izy ireo indray ny fahazavan’i Jehovah. Mbola ankasitrahan’i Jehovah foana izy ireo, 80 taona atỳ aoriana, satria mamiratra hatrany ny fahazavany. Ary tsy hitsahatra izany. Tsy “hilentika” toy ny masoandro na “hisoka” toy ny volana ny Andriamanitsika manoloana ny mpivavaka aminy. Hanazava azy ireo mandrakizay kosa izy. Fanomezan-toky tena tsara tokoa izany ho antsika izay miaina amin’ny andro faran’ity tontolo ao anatin’ny haizina ity!

14, 15. a) Amin’ny heviny ahoana no hoe “nohamarinina” avokoa ny vahoakan’Andriamanitra? b) Inona no zava-dehibe antenain’ny ondry hafa ho tanteraka, araka ny Isaia 60:21?

14 Henoy indray ny fampanantenana hafa iray nomen’i Jehovah ny Isiraelin’Andriamanitra, ilay solontenan’i Ziona eto an-tany. Hoy ny Isaia 60:21: “Ny olonao rehetra ho marina avokoa; hanana ny tany ho mandrakizay izy, eny, ho voly maitso eo amin’ny sahako, asan’ny tànako ho fampisehoam-boninahitra.” Antokon’olona niavaka ny Kristianina voahosotra rehefa niverina niasa indray tamin’ny 1919. “Nohamarinina” izy ireo teo anivon’ny tontolo iray tena ratsy, satria nino hatrany ny sorom-panavotan’i Kristy Jesosy. (Romana 3:24; 5:1) Toy ireo Isiraelita nafahana avy tany Babylona àry, dia naka “tany” ara-panahy izy ireo, na sahan’asa, ary mankafy paradisa ara-panahy ao amin’izy io. (Isaia 66:8) Tsy ho lefy mandrakizay ny hakanton’izany tany izany, satria tsy hivadika toy ny nataon’ny Isiraely fahiny ilay Isiraelin’Andriamanitra. Hanome voninahitra ny anaran’Andriamanitra foana ny finoany sy faharetany ary zotom-pony.

15 Tafiditra ao amin’ny fifanekena vaovao avokoa ny mpikambana ao amin’io firenena ara-panahy io. Voasoratra ao am-pon’izy rehetra ny lalàn’i Jehovah, ary namela ny helok’izy ireo i Jehovah noho ny sorom-panavotan’i Jesosy. (Jeremia 31:31-34) Nohamarininy ho “zanany” izy ireo ary mifandray amin’izy ireo toy ny amin’ny olona lavorary izy. (Romana 8:15, 16, 29, 30) Voavela koa ny helok’ireo ondry hafa namany noho ny soron’i Jesosy. Toa an’i Abrahama, dia nohamarinina ho sakaizan’Andriamanitra izy ireo noho ny finoany. ‘Nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny ran’ny Zanak’ondry’ izy ireo. Manantena fitahiana lehibe hafa koa ireo ondry hafa ireo. Rehefa tonga paradisa ny tany manontolo, dia ho hitan’ireo ondry hafa ho tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe” na hatsangana amin’ny maty, fa tanteraka ara-bakiteny ny Isaia 60:21. (Apokalypsy 7:14; Romana 4:1-3) ‘Ny mpandefitra no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana’, amin’izay fotoana izay.—Salamo 37:11, 29.

Mitohy ny fitomboana

16. Inona no nampanantenain’i Jehovah, ary ahoana no nahatanterahan’izany?

16 Eo amin’ny andininy farany amin’ny Isaia toko faha-60, no amakiantsika ny fampanantenan’i Jehovah farany ao amin’io toko io. Hoy izy tamin’i Ziona: “Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoany.” (Isaia 60:22) Nitana ny fampanantenany tokoa i Jehovah. Vitsy dia vitsy, eny, tena “kely” ireo Kristianina voahosotra rehefa niverina niasa indray tamin’ny 1919. Nitombo ny isany, rehefa nisy Isiraelita ara-panahy hafa koa nampidirina teo anivony. Nisy ondry hafa mihamitombo isa hatrany koa avy eo nanomboka nirohotra hiaraka aminy. Nisarika olona tso-po maro be tokoa ny fiadanan’ny vahoakan’Andriamanitra, na ny paradisa ara-panahy misy ao amin’ny ‘taniny.’ Izany no nahatonga ilay “malemy” ho “firenena mahery” tokoa. Voaforon’ny Isiraelin’Andriamanitra sy ny olona “hafa firenena” vita fanoloran-tena maherin’ny enina tapitrisa, io “firenena” io ankehitriny. Be mponina kokoa noho ny fanjakana maro eto an-tany izy io. (Isaia 60:10) Mampamirapiratra ny fahazavan’i Jehovah ny vahoakany rehetra, ka manjary kanto eo imasony izy ireo.

17. Inona no tsapanao rehefa nandinika ny Isaia toko faha-60 ianao?

17 Manatanjaka ny finoana tokoa ny fandinihana ny hevi-dehibe ao amin’ny Isaia toko faha-60. Mampahery ny mahita fa taloha ela be, dia efa fantatr’i Jehovah fa hatao sesitany ara-panahy ny vahoakany ary hiverina ho amin’ny taniny ihany avy eo. Mahagaga ny hoe efa hitan’i Jehovah ela be mialoha fa hitombo be ny isan’ny tena mpivavaka aminy ankehitriny. Mampahery koa ny mitadidy fa tsy handao antsika mihitsy izy! Feno fitiavana tokoa ilay fanomezan-toky hoe hivoha foana ny vavahadin’ilay “tanàna” mba handraisana tsara ireo olona maniry ny ‘hiaina mandrakizay’! (Asan’ny Apostoly 13:48) Hanazava hatrany ny vahoakany i Jehovah. Ho reharehany hatrany i Ziona, satria vao mainka mampamirapiratra ny fahazavany ny zanany. (Matio 5:16) Azo antoka fa vao mainka isika tapa-kevitra ny hiaraka foana amin’ny Isiraelin’Andriamanitra, ary hankamamy ny tombontsoantsika hampamirapiratra ny fahazavan’i Jehovah!

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona no atokisantsika, na dia misy aza ny fanoherana?

• Amin’ny heviny ahoana ny zanak’i Ziona no ‘minono amin’ny jentilisa’?

• Amin’ny fomba ahoana no nanaovan’i Jehovah ny “varahina ho solon-kazo”?

• Inona avy ireo toetra roa asongadina ao amin’ny Isaia 60:17, 21?

• Tamin’ny fomba ahoana no nahatonga ilay “malemy” ho “firenena mahery”?

[Fanontaniana]

[Efajoro/Sary, pejy 18]

NY FAMINANIAN’I ISAIA—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra

Noresahina tamin’ny lahateny tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2001 “Mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra”, ny votoatin’ireto lahatsoratra ireto. Tany amin’ny ankamaroan’ny tany, dia namoaka ny boky faharoa amin’ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra, ny mpandahateny rehefa nifarana ilay lahateny. Herintaona talohan’io no namoahana ny boky voalohany. Afaka mamakafaka saika ny andininy rehetra ao amin’ny bokin’i Isaia mbamin’ny fanazavana farany mifandray amin’izany, isika ankehitriny. Hanampy antsika hahatakatra sy hankasitraka bebe kokoa ny faminanian’i Isaia, izay tena manatanjaka ny finoana, ireo boky roa ireo.

[Sary, pejy 15]

‘Noravahan’i Jehovah famonjena ny olony’ rehefa tojo fanoherana mahery vaika

[Sary, pejy 16]

Mampiasa ny fananana sarobidin’ireo firenena ny vahoakan’Andriamanitra mba hanitarana ny fivavahana marina

[Sary, pejy 17]

Nohatsarain’i Jehovah ny fitantanana ny fandaminana misy ny vahoakany, ary nomeny fiadanana izy ireo