Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitandrema mba Tsy ho Voafitaka

Mitandrema mba Tsy ho Voafitaka

Mitandrema mba Tsy ho Voafitaka

EFA nisy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ny famitahana. Ny famitahana no anisan’ny fisehoan-javatra voarakitra an-tsoratra voalohany teo amin’ny tantara. Nitranga izany rehefa namitaka an’i Eva tao amin’ny saha Edena i Satana.—Genesisy 3:13; 1 Timoty 2:14.

Betsaka foana ny famitahana hatramin’izay fa amin’izao fotoana izao no tena miely patrana indrindra izy io. Rehefa miresaka ny amin’ny androntsika ny Baiboly dia mampitandrina hoe: “Ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa sady mamitaka no fitahina.”—2 Timoty 3:13.

Voafitaka noho ny antony maro ny olona. Mamitaka ny olona ny mpisandoka sy ny mpisoloky mba hahazoany ny volany. Mamitaka ny mpifidy azy ny mpanao politika sasany, mba hijanonana eo amin’ny fahefany na inona na inona mety ho vokatr’izany. Misy aza mamitaka ny tenany ihany. Tsy te hiatrika ny tena marina izy ireo satria tsy mahafinaritra azy izany. Aleony mampiaiky tena hoe tsy hanimba azy ny fahazarana mampidi-doza toy ny fifohana sigara, ny fidorohana zava-mahadomelina, na ny fahalotoam-pitondran-tena.

Misy koa ny famitahana ara-pivavahana. Namitaka ny vahoaka ireo mpitondra fivavahana tamin’ny andron’i Jesosy. Hoy i Jesosy momba ireo mpamitaka ireo: “Mpitarika jamba izy; ary raha ny jamba no mitarika ny jamba, dia samy ho latsaka any an-kady izy roa.” (Matio 15:14) Mamita-tena koa ny olona eo amin’ny fivavahana. Hoy ny Ohabolana 14:12: “Misy làlana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo làlana mivarina any amin’ny fahafatesana no iafarany.”

Toy ny tamin’ny andron’i Jesosy, dia betsaka no voafitaka eo amin’ny resaka fivavahana, ary tsy mahagaga izany! Nilaza ny apostoly Paoly fa i Satana dia ‘manajamba ny sain’ny tsy mino, mba tsy hiposahan’ny fahazavan’ny filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy, Izay endrik’Andriamanitra.’—2 Korintiana 4:4.

Very vola isika raha nofitahin’ny mpisoloky. Mety ho very ny zontsika sasany, vokatry ny famitahan’ny mpanao politika. Fa raha i Satana no mamitaka antsika ka lavintsika ny fahamarinana momba an’i Jesosy Kristy, dia ny fiainana mandrakizay mihitsy no hafointsika! Mitandrema àry mba tsy ho voafitaka. Diniho amin’ny saina tsy miangatra ilay tena loharanon’ny fahamarinana ara-pivavahana, dia ny Baiboly. Ho very tombontsoa be isika raha tsy izany.—Jaona 17:3.