Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitondra Valisoa Tondraka ny Fandehanana Amin’ny Lalan’i Jehovah

Mitondra Valisoa Tondraka ny Fandehanana Amin’ny Lalan’i Jehovah

Mitondra Valisoa Tondraka ny Fandehanana Amin’ny Lalan’i Jehovah

EFA mba nandeha teny an-tendrombohitra ve ianao? Toy ny teny an-tampon’izao tontolo izao angamba no fahatsapanao ny tenanao. Tena nahafinaritra ny nifoka rivotra madio sy nitazana ny manodidina ary nijery ny hakanton’ny zavaboary! Toa hadino ny zava-manahirana atrehina isan’andro.

Mahalana ihany ny ankamaroan’ny olona vao mba mitsangantsangana toy izany. Raha Kristianina vita fanoloran-tena anefa ianao, dia azo lazaina fa miakatra tendrombohitra amin’ny heviny ara-panahy. Tsy maintsy ho efa nivavaka toy ilay mpanao salamo fahiny ianao, hoe: “Ampahafantaro ny làlanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho.” (Salamo 25:4) Tsaroanao ve ny fihetseham-ponao fony ianao niakatra voalohany tany an-tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah, ka nanomboka nandeha teny amin’ny havoana ara-panahy? (Mika 4:2; Habakoka 3:19) Azo antoka fa niaro sy nahafaly anao ny nandeha tamin’izany lalan’ny fivavahana marina izany. Nanjary nahatsapa toy ilay mpanao salamo ianao hoe: “Sambatra izay olona mahalala ny feo mahafaly; Jehovah ô, amin’ny fahazavan’ny tavanao no handehanany.”—Salamo 89:15.

Lava sady mideza anefa indraindray ny fiakarana, ka manaintaina sy mavesatra erỳ ny tongotr’ireo mpitsangantsangana an-tendrombohitra. Mety ho tojo fahasahiranana koa isika eo amin’ny fanompoantsika an’Andriamanitra. Somary nandreraka angamba ny diantsika tato ho ato. Ahoana no hahazoantsika hery sy fifaliana indray? Voalohany, dia mila miaiky isika fa tena ambony ny lalan’i Jehovah.

Ambony ny lalàn’i Jehovah

‘Avo noho ny lalan’ny olombelona’ ny lalan’i Jehovah, ary ny fivavahana aminy dia ‘naorina eo an-tampon’ny tendrombohitra ary nasandratra ho avo noho ny havoana.’ (Isaia 55:9; Mika 4:1) ‘Fahendrena avy any ambony’ ny fahendren’i Jehovah. (Jakoba 3:17) Ambony noho ny lalàna hafa rehetra ny lalàny. Ny Kananita, ohatra, nanao sorona zazakely, fa ny Isiraelita kosa nomen’i Jehovah lalàm-pitondran-tena ambony sy feno famindram-po. Hoy izy tamin’ny Isiraelita: “Aza miandany foana amin’ny malahelo, na menamaso ny lehibe; . . . Ny vahiny . . . dia hataonareo tahaka ny tompon-tany aminareo ihany ka ho tianao tahaka ny tenanao.”—Levitikosy 19:15, 34.

Nanome ohatra maro hafa momba ireo lalàn’i Jehovah ‘be voninahitra’ i Jesosy, 1 500 taona tatỳ aoriana. (Isaia 42:21) Hoy izy tamin’ny mpianany, tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra: “Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo,—mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo.” (Matio 5:44, 45) Hoy koa izy: “Koa amin’izany na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany.”—Matio 7:12.

Manohina ny fon’ny olona tsara fandray ireny lalàna ambony ireny, ka mahatonga azy ireo hanahaka ilay Andriamanitra ivavahany. (Efesiana 5:1; 1 Tesaloniana 2:13) Eritrereto ny fiovana nataon’i Paoly. “Nankasitraka ny namonoana” an’i Stefana sy “nampahory mafy ny fiangonana” izy, tamin’ny voalohany. Afaka taona vitsy anefa dia nanjary nalemy fanahy tamin’ny Kristianina tany Tesalonika izy, “tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany.” Niova ho Kristianina be fiahiana i Paoly, mpanenjika taloha, noho ny fampianaran’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 8:1, 3; 1 Tesaloniana 2:7) Azo antoka fa velom-pankasitrahana izy, satria nanova ny toetrany ny fampianaran’i Kristy. (1 Timoty 1:12, 13) Afaka manampy antsika handeha amin’ny lalan’Andriamanitra koa ny fahatsapana fankasitrahana toy izany. Amin’ny fomba ahoana?

Ampitomboy ny fankasitrahanao

Mahafinaritra an’ireo mpandeha lavitra ny mitazana ny manodidina mahasondriana avy eny amin’ny toerana avo. Ankafiziny koa ireo zavatra kely mahaliana eny an-dalana, toy ny vato hafakely, voninkazo tsara tarehy, na koa ny mahatazana bibidia. Rehefa miara-mandeha amin’Andriamanitra koa isika, dia mila mahatsikaritra ireo fitahiana ara-panahy azontsika, na kely izany na lehibe. Hahazo hery vaovao isika amin’izay, ka tsy ho reraka amin’ilay diantsika intsony fa havitrika tsara indray. Miombon-kevitra amin’i Davida isika hoe: “Ampandreneso ny famindramponao aho nony maraina, fa Hianao no itokiako; ampahalalao ahy izay làlana tokony halehako.”—Salamo 143:8.

Hoy i Mary, izay efa nandeha tamin’ny lalan’i Jehovah nandritra ny taona maro: “Rehefa mijery ny zavatra noforonin’i Jehovah aho, dia hitako fa tena sarotra ny fomba nanaovana ireo zavaboary, nefa koa tena tsapako ny fitiavan’Andriamanitra. Samy misy lafiny mampiavaka azy avy na biby, na vorona, na bibikely, ary samy mahasondriana avokoa. Mahafinaritra toy izany koa ireo fahamarinana ara-panahy izay mihamazava arakaraka ny fandehan’ny taona.”

Ahoana no azontsika ampitomboana ny fankasitrahantsika? Tsy tokony hohamaivanintsika izay ataon’i Jehovah ho antsika. Nanoratra i Paoly hoe: “Mivavaha, ka aza mitsahatra. Misaora amin’ny zavatra rehetra.”—1 Tesaloniana 5:17, 18; Salamo 119:62.

Manampy antsika hahay hankasitraka ny fianarana samirery. Nampirisika ny Kristianina tany Kolosia i Paoly hoe: ‘Mandehana ao amin’i Kristy Jesosy, ka mazotoa amin’ny fisaorana.’ (Kolosiana 2:6, 7) Mihamatanjaka ny finoantsika sady mihamanatona kokoa an’ilay Loharanon’ny Baiboly isika, rehefa mamaky azy io sy misaintsaina izay vakintsika. Hanosika antsika ‘hazoto amin’ny fisaorana’ ny harena hitantsika ao amin’ireo pejin’ny Baiboly.

Mora kokoa ny lalana diavintsika, satria miara-manompo amin’ireo rahalahintsika isika. Hoy ny mpanao salamo momba ny tenany: “Naman’izay rehetra matahotra Anao aho.” (Salamo 119:63) Ny fiarahana amin’ireo rahalahintsika any amin’ireo fivoriambe kristianina, na amin’ny fotoana hafa, no anisan’ny fotoana mahafinaritra antsika indrindra. Fantatsika fa matoa misy ilay fianakaviana kristianina sarobidy maneran-tany, dia noho i Jehovah sy ireo toro lalany.—Salamo 144:15b.

Ankoatra ny fankasitrahana, dia hampahery antsika koa ny fandraisana andraikitra, mba handrosoana hatrany eo amin’ireo lalana avon’i Jehovah.

Mandraisa andraikitra

Fantatr’ireo mpanao dia lavitra fa mila mitandrina tsara izy ireo, mba tsy ho very na koa hanakaiky loatra hantsana mampidi-doza. Avelan’i Jehovah hanao izay tiantsika ihany isika, satria olombelona manana safidy malalaka. Mila mandray andraikitra anefa isika, ka manatontosa ny zavatra takina amintsika Kristianina.

Matoky, ohatra, i Jehovah fa hanao tsara ny andraikitra nankinina taminy ny mpanompony. Tsy ferany ny hery na ny fotoana tokony ho lanintsika amin’ireo asa kristianina, na koa ny vola tokony homentsika, sy ny toy izany. Mihatra amintsika rehetra kosa ny tenin’i Paoly tamin’ny Korintianina hoe: “Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ny fony avy.”—2 Korintiana 9:7; Hebreo 13:15, 16.

Anisan’ny andraikitra kristianina ny fitoriana ny vaovao tsara amin’ny hafa. Asehontsika koa fa mandray andraikitra isika rehefa manao fanomezana ho an’ny asan’ilay Fanjakana maneran-tany. Nilaza i Gerhardt, anti-panahy iray, fa nampitombo ny fanomezana narotsany izy sy ny vadiny, rehefa avy nanatrika fivoriambe iray tany Eoropa Atsinanana. Hoy izy: “Sahirana be ireo rahalahintsika any, nefa tena iriny ny hahazo ireo boky sy gazety ara-baiboly. Nanapa-kevitra àry izahay fa hanome izay azonay omena ho an’ireo rahalahintsika sahirana any an-tany hafa.”

Miareta hatrany

Mila fiaretana koa ny fandehanana amin’ny toerana avo. Manao fanazaran-tena foana ireo mpanao dia lavitra, isaky ny afaka manao izany. Maro no mandeha amin’ny toerana akaiky aloha, mba hiomanany ho amin’ny fandehanana lavitra. Mampirisika antsika koa i Paoly fa ilaina ny manao asa ara-panahy betsaka hatrany, mba ho salama tsara ara-panahy. Tokony ‘hahavokatra amin’ny asa tsara rehetra’, hoy i Paoly, izay te ‘handeha mendrika ny Tompo’ sy ‘hohatanjahina.’—Kolosiana 1:10, 11.

Mahavita miaritra kokoa ny mpanao dia lavitra raha manana zava-kendrena. Nahoana? Mavitrika kokoa izy raha mifantoka amin’ny tanjona mazava iray, toy ny tendrombohitra iray eny lavitra. Rehefa mandalo amin’ireo toerana miavaka amin’ilay lalana izy, dia afaka mahita fa mandroso mihamanakaiky ilay tanjona farany. Mahatsiaro fahafaham-po erỳ izy rehefa mitodika mijery ny lalana efa nodiaviny.

Mampahery sy manosika antsika toy izany koa ny fanantenantsika fiainana mandrakizay. (Romana 12:12) Rehefa mandeha amin’ny lalan’i Jehovah isika, dia mahita fahafaham-po raha mahatratra ireo tanjona ara-panahy noferantsika. Faly tokoa isika rehefa mitodika ireo taona lasa nanompoantsika tamim-pahatokiana, na mahita ireo fiovana tamin’ny toetrantsika!—Salamo 16:11.

Tsy miovaova ny hafainganam-pandehan’ireo mpandeha an-tongotra, mba hahavitany lalana lavitra sy tsy hahareraka azy. Mandroso manatona ilay tanjona hatrany koa isika, raha zatra mivory tsy tapaka sy manompo eny amin’ny saha. Nampirisika ny Kristianina namany toy izao àry i Paoly: “Aoka ho amin’ilay efa azontsika sahady no mbola hizorantsika.”—Filipiana 3:16.

Mazava ho azy fa tsy mandeha irery isika eo amin’ny lalan’i Jehovah. Nanoratra i Paoly hoe: “Aoka isika samy hifampihevitra ka hifamporisika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara.” (Hebreo 10:24, Dikan-teny Iombonana Eto Madagasikara) Ho mora kokoa ny hitazona ny hafainganam-pandehantsika, rehefa miara-dia amin’ireo mpiray finoana amintsika isika.—Ohabolana 13:20.

Farany, ny zava-dehibe indrindra tsy tokony hohadinointsika mihitsy, dia ny hery omen’i Jehovah. “Miampy hery eny am-pandehanana” izay miantehitra amin’i Jehovah. (Salamo 84:5, 7) Tsy maintsy mandalo fotoan-tsarotra isika indraindray, kanefa ho vitantsika izany noho ny fanampian’i Jehovah.