Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mivavaha Amin’Andriamanitra “Amin’ny Fanahy”

Mivavaha Amin’Andriamanitra “Amin’ny Fanahy”

Mivavaha Amin’Andriamanitra “Amin’ny Fanahy”

“Koa ampitovinareo amin’inona àry Andriamanitra, ary sarin’inona no hamboarinareo ho azy?”—IZAIA 40:18, “FANDIKAN-TENY KATOLIKA”

METY ho tena hihevitra ianao fa azo atao ny mampiasa sary masina rehefa mivavaka amin’Andriamanitra. Izany angamba no heverinao fa hampanatona anao kokoa an’ilay Mpihaino vavaka, satria tsy hita maso izy, ka heverin’ny olona ho tsy tena misy akory.

Afaka mifidy samirery izay fomba hanatonana an’Andriamanitra ve anefa isika? Tsy tokony ho Andriamanitra ihany ve no hanana fahefana feno hilaza hoe inona no ekeny sy tsy ekeny? Nanazava ny fomba fijerin’Andriamanitra an’izany i Jesosy, ka hoy izy: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.” (Joany 14:6) * Ireo teny ireo dia efa mandrara ny fampiasana sary na zavatra masina hafa.

Tena misy karazana fivavahana eken’i Jehovah Andriamanitra tokoa. Inona izany? Hoy i Jesosy, indray mandeha: “Ho avy ny andro, ary efa tonga sahady aza, izay hivavahan’ny mpivavaka marina amin’ny Ray amin’ny fanahy sy fahamarinana, fa ny mpivavaka aminy toy izany no tadiavin’ny Ray. Andriamanitra dia fanahy, ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy fahamarinana.”—Joany 4:23, 24.

“Fanahy” Andriamanitra, ka azo atao sary ve izy? Tsia. Tsy hanana voninahitra toy ny an’Andriamanitra ny sary, na tsara tarehy toy inona aza. Tsy hitovy amin’Andriamanitra mihitsy àry izay heverina ho sariny. (Romana 1:22, 23) ‘Mivavaka amin’ny fahamarinana’ ve ny olona iray raha sary nataon’olombelona no entiny manatona an’Andriamanitra?

Mazava ny voalazan’ny Baiboly

Mandrara ny fanamboarana na fampiasana sary mba hivavahana ny Lalàn’Andriamanitra. Mandidy toy izao ny faharoa amin’ny Didy Folo: “Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao, na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony, na ny eny amin’ny tany ambany, na ny any amin’ny rano ambanin’ny tany. Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory hianao.” (Eksaody 20:4, 5) Hoy koa ny Soratra Grika Kristianina: “Halaviro ny fanompoan-tsampy.”—1 Korintiana 10:14.

Marina fa maro no hilaza hoe tsy manompo sampy, rehefa mampiasa sary amin’ny fivavahany. Tsy eken’ny Ortodoksa, ohatra, fa hoe tena mivavaka amin’ilay sary masina izy ireo, rehefa miankohoka na mandohalika eo anoloan’izy ireny ka mivavaka. Hoy ny nosoratan’ny pretra ortodoksa iray: “Manaja ny Sary Masina izahay satria zava-masina izy ireny, ary satria mankamasina an’izay asehon’izy ireny izahay.”

Mipetraka anefa ny fanontaniana hoe: Eken’Andriamanitra ve ny fampiasana sary masina na dia lazaina aza hoe tsy ivavahana izy io? Tsy mamela hanao izany ny Baiboly. Nanamboatra sarin’omby kely ny Isiraelita ary nilaza fa hankamasinan’izy ireo an’i Jehovah ilay izy. Tezitra be anefa i Jehovah, ary nilaza fa nivadi-pinoana izy ireo.—Eksaody 32:4-7.

Loza miafina

Mampidi-doza ny fampiasana sary amin’ny fivavahana. Mety ho lasa hivavaka ho azy amin’ilay sary ilay olona, fa tsy amin’ilay Andriamanitra heveriny fa asehon’ilay sary. Amin’ny teny hafa, dia hoe lasa sampy ilay sary masina.

Efa nitranga tamin’ny andron’ny Isiraelita izany. Nanao bibilava varahina, ohatra, i Mosesy, nandritra ilay dian’izy ireo tany an’efitra. Nofaizina mantsy ny Isiraelita ka nokaikerin’ny bibilava. Napetraka teo amin’ny tsato-kazo ilay bibilava varahina, ka nositranin’Andriamanitra izay nijery azy. Toa nanomboka nataon’ny olona sampy anefa izy io rehefa tonga tao amin’ny Tany Nampanantenaina izy ireo. Noheverin’izy ireo ho izy io mihitsy no nanana hery nanasitrana. Nandoro zava-manitra teo anoloan’izy io izy ireo, ary nomeny anarana hoe Nohestàna mihitsy aza izy io.—Fanisana 21:8, 9; 2 Mpanjaka 18:4.

Nandraman’ny Isiraelita natao ody hiaro azy tamin’ny fahavalony koa ny fiaran’ny fanekena, ka loza no vokatr’izany. (1 Samoela 4:3, 4; 5:11) Tamin’ny andron’i Jeremia koa, dia ny tempoly no zava-dehibe kokoa tamin’ny mponin’i Jerosalema fa tsy ilay Andriamanitra nivavahana tao.—Jeremia 7:12-15.

Mbola fanaon’ny olona ankehitriny ny mivavaka amin-javatra, fa tsy amin’Andriamanitra. Hoy i Vitalij Petrenko, mpikaroka: ‘Manjary ivavahana ny sary masina ka mety ho lasa sampy. ... Tsy maintsy ekena anefa fa avy tamin’ny mpanompo sampy izany fanao izany.’ Hoy koa i Demetrios Constantelos, pretra ortodoksa grika, ao amin’ilay bokiny hoe Fahatakarana ny Atao hoe Eglizy Ortodoksa Grika (anglisy): “Mety hanjary ho ilay sary masina no hivavahan’ny Kristianina.”

Tena tsy marim-pototra ny filazana fa fanampiana fotsiny mba hivavahana amin’Andriamanitra ny sary masina. Nahoana? Tsy marina ve fa na dia samy sarin’i Maria na “olo-masina” izao aza dia heverina ho manan-kery kokoa sady mendrika ny hivavahana kokoa ny sasany, na dia efa samy maty hatry ny ela aza ireo olona ireo? Misy sarin’i Maria iray, ohatra, any Tínos, any Gresy, ary misy Ortodoksa mafana fo efa mpankeo amin’izy io. Misy sarin’i Maria hafa anefa any Soumela, any avaratr’i Gresy, ary misy Ortodoksa mafana fo hafa koa mpankeo amin’ilay izy. Samy mino ireo olona ireo fa ny sary masiny no ambony kokoa sy mahavita fahagagana tsara kokoa, na dia olona iray efa maty efa ela ihany aza no asehon’ireo sary ireo. Heverin’ny olona àry, raha ny marina, fa tena manana hery ny sary masina sasany ary ivavahany izy ireny.

Ahoana ny amin’ny fivavahana amin’ny “olo-masina” na i Maria?

Ahoana anefa ny amin’ny fankamasinana olona, toa an’i Maria na ireo “olo-masina”? Namerina ny Deteronomy 6:13 i Jesosy rehefa namaly ny fakam-panahin’i Satana, ka hoy izy: “Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao, ary izy irery ihany no hotompoinao.” (Matio 4:10) Niteny koa izy tatỳ aoriana hoe “ny Ray” fa tsy olon-kafa no ivavahan’ny mpivavaka marina. (Joany 4:23) Fantatry ny anjely iray izany, ka noteneniny ny apostoly Jaona rehefa saika hivavaka taminy. Hoy io anjely io: “Aza manao izany ... Andriamanitra no tsaohy.”—Apokalypsy 22:9.

Mety ve ny mivavaka amin’i Maria renin’i Jesosy na amina “olo-masina”, mba hangatahan’izy ireo zavatra amin’Andriamanitra ho antsika? Mivantana ny valin-tenin’ny Baiboly: “Iray ihany no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olombelona, dia ny Kristy Jeso tonga olombelona.”—1 Timote 2:5.

Arovy ny fifandraisanao amin’Andriamanitra

Mifanohitra amin’izay lazain’ny Baiboly ny fampiasana sary amin’ny fivavahana, ka sady tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny olona manao izany no tsy ho voavonjy. Nilaza koa i Jesosy fa tsy hahazo fiainana mandrakizay isika, raha tsy miezaka hahafantatra an’ilay hany Andriamanitra marina, izany hoe ny toetrany tsy manam-paharoa sy ny fikasany ary ny fifampiraharahany amin’ny olombelona. (Joany 17:3) Tsy mahita sy tsy mahatsapa ary tsy miteny ny sary masina, ka tsy afaka hanampy ny olona hahalala an’Andriamanitra sy ny fomba ekeny ivavahana aminy. (Salamo 115:4-8) Tsy ho afaka hahafantatra an’Andriamanitra mihitsy ny olona, raha tsy mianatra ny Teniny, dia ny Baiboly.

Tsy mitondra soa ny fivavahana amin’ny sary masina sady mety hampidi-doza ara-panahy koa. Fa nahoana? Ny antony lehibe indrindra dia hoe: Mety hampanalavitra ny olona amin’i Jehovah ny fanaovana izany. ‘Nampahatezitra an’Andriamanitra tamin’ny fahavetavetana’ ny Isiraelita mpanompo sampy, ka hoy izy tamin’izy ireo: “Hafeniko azy ny tavako.” (Deteronomy 32:16, 20) Tsy maintsy ‘nanary ny sampy volafotsy sy volamenany’ izy ireo raha te hifandray amin’Andriamanitra indray.—Izaia 31:6, 7.

Tena mety àry ny torohevitry ny Soratra Masina hoe: “Anaka, tandremo fandrao manompo sampy hianareo”!—1 Joany 5:21.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Avy amin’ny Fandikan-teny Katolika daholo ny andinin-teny ato amin’ity lahatsoratra ity.

[Efajoro, pejy 6]

Nampiana Hivavaka “Amin’ny Fanahy”

Ortodoksa nafana fo i Olivera, any Albania. Voarara ny fivavahana tany, tamin’ny 1967, nefa mbola nanohy ny fanaony ara-pivavahana ihany i Olivera, na dia niafina aza. Nividianany sarivongana kely volamena sy volafotsy, emboka manitra, ary labozia ny ankamaroan’ny karama keliny. Nafeniny tao am-pandriany ireo zavatra ireo satria natahorany sao hisy hahita na hangalatra. Natory teo ambony seza teo akaikin’ny fandriana kosa izy matetika. Notsidihin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Olivera tany am-piandohan’ireo taona 1990, ka tsapany fa ny fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly no nentin’izy ireo. Takany fa resahin’ny Baiboly ny hoe mivavaka “amin’ny fanahy” ny mpivavaka marina, ary fantany ny fiheveran’Andriamanitra ny fampiasana sary masina. (Joany 4:24) Tsikaritr’ilay Vavolombelona niara-nianatra Baiboly taminy fa nihena tsikelikely ny isan’ny sary masina tao an-tranon’i Olivera, isaky ny tonga izy. Tsy nisy intsony tao, tamin’ny farany. Hoy i Olivera taorian’ny batisany: “Manana ny fanahy masin’i Jehovah aho izao fa tsy sary masina tsy misy ilana azy intsony. Tena velom-pankasitrahana aho satria afaka mahazo ny fanahy masin’i Jehovah na tsy mampiasa sary masina aza.”

Tena Ortodoksa nafana fo koa i Athena, any amin’ny nosin’i Lesbos, any Gresy. Tao amin’ny antoko mpihira izy ary tena mpanaraka fombafomba ara-pivavahana, anisan’izany ny fampiasana sary masina. Nampian’ny Vavolombelon’i Jehovah hahatakatra i Athena fa misy mifanohitra amin’ny Baiboly ny zavatra nianarany. Anisan’izany ny fampiasana sary masina sy lakroa, rehefa mivavaka. Nilaza i Athena hoe aleo izy ihany no hikaroka ny niandohan’ireny zavatra ireny. Tena nanao fikarohana lalina tamina loharanon-kevitra samihafa izy, ary niaiky avy eo fa tsy avy tamin’ny Kristianina ireny zavatra ireny. Naniry ny hivavaka tamin’Andriamanitra ‘tamin’ny fanahy’ izy ka nariany daholo ny sary masiny, na dia lafo vidy aza. Tsy nampaninona an’i Athena anefa izany sorona izany, satria tiany hadio sy heken’Andriamanitra ny fivavahany.—Asan’ny Apostoly 19:19.

[Efajoro/Sary, pejy 7]

Zavakanto Fotsiny ve ny Sary Masina?

Nisy sary masin’ny Ortodoksa nangonina naneran-tany, tato ho ato. Heverin’ny olona manangona azy ho zavakanto mampiseho ny kolontsaina avy any Byzance izy ireny, fa tsy zava-masina fampiasa amin’ny fivavahana. Betsaka ny olona manaingo ny tranony na ny fiasany amin’ireny sary masina ireny, na tsy mino an’Andriamanitra aza izy.

Tsy manadino ny tena zava-kendren’ny sary masina anefa ny Kristianina marina. Fampiasan’ny olona amin’ny fivavahana izy ireny. Tsy mandrara ny olona tsy hanana sary masina ny Kristianina, nefa tsy manangona azy ireny koa, na dia hoe hotehirizina fotsiny aza. Mifanaraka amin’ity toro lalana hita ao amin’ny Deteronomy 7:26 ity izany: “Aza mampiditra fahavetavetana [sary fampiasa amin’ny fivavahana] ao an-tranonao, fandrao dia voaozona ho anatema toa azy koa hianao; aoka ho zavatra halanao indrindra, ho zava-betaveta indrindra aminao izany.”

[Sary, pejy 7]

Tsy namela ny olona hampiasa sary tamin’ny fivavahana Andriamanitra

[Sary, pejy 8]

Manampy antsika hivavaka amin’Andriamanitra amin’ny fanahy ny fahalalana avy ao amin’ny Baiboly