Tantaram-piainana
Tantaram-piainana
Nampahery Ahy Ireo Rahalahintsika Eran-tany
NOTANTARAIN’I THOMSON KANGALE
Nahazo fanasana aho tamin’ny 24 Aprily 1993, mba hanatrika ny fitokanana ny sampana vaovaon’i Zambia, eto Lusaka, izay misy fitambaran-trano 13. Sahirankirana aho rehefa nandeha, ka nanontany ahy tamin-katsaram-panahy ilay anabavy nitarika ny fitsidihana hoe: “Tianao ve raha mitondra seza aho mba hipetrahanao tsindraindray?” Mainty aho ary fotsy izy, kanefa tsy nampaninona azy izany. Tena nanohina ny foko izany, ka nisaotra azy aho, satria afaka nitsidika ny fitambaran-trano rehetra noho ny hatsaram-panahiny.
NAHITA zavatra mahafaly toy izany aho nandritra ny taona maro. Vao mainka azoko antoka fa eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah no misy ilay fitiavana mampiavaka ny tena mpanara-dia an’i Kristy. (Jaona 13:35; 1 Petera 2:17) Aleo hotantaraiko ny fomba nifankahalalako tamin’ireo Kristianina ireo, nanomboka tamin’ny 1931, izay taona nandraisan’izy ireo ilay anarana avy ao amin’ny Baiboly hoe: Vavolombelon’i Jehovah.—Isaia 43:12.
Fanombohan’ny fanompoana teto Afrika
Efa 22 taona aho tamin’ny Novambra 1931, ary nipetraka tany Kitwe, faritra misy varahina any Rhodezia Avaratra (Zambia). Namana iray mpiara-milalao baolina tamiko no nampifankahalala ahy tamin’ny Vavolombelona. Nanatrika ny fivorian’izy ireo sasany aho, ary nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampana tany Le Cap, any Afrika Atsimo, ka nangataka ilay boky fianarana Baiboly hoe Ny * Tamin’ny teny anglisy ilay boky, ka tsy dia nazava tamiko, satria tsy haiko tsara io fiteny io.
Harpan’Andriamanitra.Olona maro avy any amin’ny faritany hafa no niasa tao amin’ilay toeram-pitrandrahana varahina, izay 240 kilaometatra any atsimoandrefan’ny Farihy Bangweulu, akaikin’ny toerana nahalehibe ahy. Misy antokona Vavolombelona maromaro nivory tsy tapaka tany, mba hianatra Baiboly. Niala tany Kitwe aho avy eo ka nankany Ndola, tanàna teo akaikiny, ary nanomboka niaraka tamin’ny antokona Vavolombelona tany. Kapitenin’ilay ekipa mpanao baolina nantsoina hoe Prince of Wales aho, tamin’izany fotoana izany. Niasa ho an’ny lehilahy fotsy hoditra iray koa aho; lehiben’ny kompania goavana iray manana tranombarotra maromaro any Afrika afovoany, izy.
Tsy nahita fianarana firy aho, ary tamin’ireo Eoropeanina niasako no nahaizako teny anglisy kely. Te hianatra mafy anefa aho, ka nangataka ny hiditra tao amin’ny sekoly iray tany Plumtree, tany Rhodezia Atsimo (Zimbabwe). Nanoratra fanindroany tany amin’ny biraon’ny sampan’i Le Cap koa anefa aho tamin’izany. Nolazaiko fa voaraiko ilay boky Ny Harpan’Andriamanitra, ary te hanompo an’i Jehovah manontolo andro aho.
Gaga aho rehefa namaly izy ireo hoe: “Mendri-piderana ianao satria maniry hanompo an’i Jehovah. Mampirisika anao izahay mba hivavaka momba izany. Hanampy anao i Jehovah amin’izay, ka hazava kokoa aminao ny fahamarinana, ary hahita toerana ho anao izy mba hanompoanao azy.” Novakiko imbetsaka ilay taratasy, ary nanontany Vavolombelona maromaro aho hoe inona no tokony hataoko. Hoy izy ireo: “Raha tena maniry hanompo an’i Jehovah ianao, dia ataovy avy hatrany izany.”
Nivavaka momba izany aho nandritra ny herinandro manontolo, ka tapa-kevitra ny hiala tamin’ilay sekoly nianarako sy hanohy ny fianarako Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelona. Afaka herintaona, izany hoe tamin’ny Janoary 1932, dia natao batisa anaty rano aho, ho fampisehoana ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah Andriamanitra. Niala tany Ndola aho, ka nifindra tany Luanshya, tanàna teo akaikiny, ary nifankahita tamin’ny Vavolombelona iray atao hoe Jeanette. Nivady izahay tamin’ny Septambra 1934. Efa nanan-janaka mianadahy i Jeanette tamin’izay.
Nanao fandrosoana ara-panahy tsikelikely aho, ary nanomboka nanao fanompoana manontolo andro tamin’ny 1937. Voatendry ho mpiandraikitra mpitety faritany, na mpiandraikitra ny faritra, aho tsy ela taorian’izay. Mitsidika ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpiandraikitra mpitety faritany mba hampaherezana azy ireo ara-panahy.
Fitoriana tamin’ny voalohany
Nasaina nitsidika an’i Sokontwe, lehiben’ny foko afrikanina iray, aho tamin’ny Janoary 1938. Nangataka hotsidihin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io. Nandeha bisikileta nandritra ny telo andro aho mba hahatongavana tany aminy. Tena velom-pankasitrahana izy rehefa nilazako fa nirahina hitsidika azy aho, ho valin’ilay taratasy nalefany tany amin’ny sampana tany Le Cap.
Nitety ny trano bongo nisy ny mpiray foko taminy aho, ary nanasa azy ireo hankany amin’ny insaka (trano hevam-pokonolona). Niresaka tamin’ilay vahoaka aho rehefa tafavory izy ireo. Fampianarana Baiboly maro no natomboka vokatr’izany. Ilay lehiben’ny tanàna sy ny lefiny no mpiandraikitra voalohany teo anivon’ilay fiangonana. Misy fiangonana 50 mahery izao any amin’io faritra io, izay antsoina hoe Samfya.
Nanompo teny amin’ny manodidina ny Farihy Bangweulu aho, tamin’ny 1942 ka hatramin’ny 1947. Nijanona folo andro tamin’ny fiangonana tsirairay aho. Vitsy ny mpiasa nanao ny fijinjana ara-panahy tamin’izany, ka nahatsapa toa an’i Jesosy Kristy Tompo izahay hoe: “Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.” (Matio 9:36-38) Sarotra ny fivezivezena tamin’izany andro izany, ka matetika i Jeanette no nijanona tany Luanshya niaraka tamin’ny ankizy, rehefa nitsidika fiangonana aho. Nanan-janaka roa hafa koa izahay sy Jeanette, kanefa maty teo amin’ny faha-folo volany ny anankiray.
Vitsy ny fiara sy ny lalana tamin’izany. Indray mandeha aho dia nitondra ny bisikiletan’i Jeanette tamin’ny lalana 200 kilaometatra mahery. Tsy maintsy nita renirano kely aho indraindray, ka ny tanako iray nihazona ilay bisikileta teo amin’ny soroko, ary ny ilany nilomano. Marihina fa nitombo be ny isan’ny Vavolombelona tany Luanshya, ary 1 850 no nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy tamin’ny 1946.
Nandritra ny fanoherana ny asantsika
Indray mandeha, tamin’ny Ady Lehibe II, dia nampiantso ahy ny lehiben’ny tanànan’i Kawambwa, ary niteny hoe: “Aza mampiasa ny bokin’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana intsony ianao, satria voarara ireny izao. Azoko omena fitaovana anefa ianao mba hanoratanao boky hafa hampiasainao amin’ny asanao.”
“Ampy ahy ny boky ananako, tompoko”, hoy aho. “Tsy mila fanampiny intsony aho.”
“Tsy fantatrao marina ny Amerikanina”, hoy izy (tany Etazonia no natao pirinty ny boky sy gazetinay tamin’izany). “Hamitaka anao izy ireo.”
“Tsy hanao izany ny Amerikanina iarahako, tompoko”, hoy aho.
Nanontany indray izy hoe: “Angaha ianao tsy mba afaka mampirisika ny fiangonanareo hanome vola hanohanana ny ady, ohatra ny ataon’ny fivavahana hafa?”
“Anjaran’ny iraky ny fanjakana ny manao izany, tompoko”, hoy aho.
“Tsy aleonao aloha mody, dia mieritreritra momba izany?”, hoy izy.
Namaly aho hoe: “Mandidy antsika tsy hamono olona na hiady, tompoko, ny Baiboly, ao amin’ny Eksodosy 20:13 sy ny 2 Timoty 2:24.”
Navela handeha aho, kanefa nampiantso ahy indray ny lehiben’ny tanànan’i Fort Rosebery, tanàna antsoina hoe Mansa ankehitriny. Hoy izy: “Nampiantso anao aho mba hampahafantatra anao fa noraran’ny fanjakana ny bokinareo.”
“Efa henoko, tompoko, ny momba izany”, hoy aho.
“Noho izany dia tokony hitety ny fiangonanareo rehetra ianao, dia hilaza amin’ny mpiara-mivavaka aminareo mba hanatitra ny boky rehetra atỳ. Azonao?”
“Tsy asako izany, tompoko”, hoy aho. “Andraikitry ny iraky ny fanjakana izany.”
Vokatra tsara tsy nampoizina
Nanohy ny fitoriana hatrany izahay taorian’ny ady. Tamin’ny 1947, rehefa avy nitsidika fiangonana iray tany Mwanza aho, dia nitady
toerana hividianana dite. Natoro ahy ny tranon’Atoa Nkonde, fa nisy fivarotana dite tao. Nandray ahy tsara izy sy ny vadiny. Nasaiko novakin’Atoa Nkonde ilay toko hoe ‘Toeram-pialan-tsasatra Misy Fanantenana ny Afobe’, ao amin’ny boky “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina”, mandra-pisotroko dite.“Ka ahoana àry izao no fahazoanao ny afobe?”, hoy aho rehefa lany ilay dite. Talanjona tamin’izay zavatra novakiny izy, ka nanomboka nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelona, ary natao batisa izy sy ny vadiny tatỳ aoriana. Tsy Vavolombelona intsony izy izao, fa ny vadiny sy ny ankamaroan’ny zanany kosa tsy nivadika mihitsy. Mbola miasa ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Zambia aza i Pilney zanany vavy. Vavolombelona mahatoky hatramin’izao ny renin’i Pilney, na dia efa antitra be aza.
Nandalo kely tany Afrika Atsinanana
Nanendry ahy hankany Tanganyika (Tanzania) ny sampan’i Rhodezia Avaratra, izay naorina teto Lusaka tamin’ny 1948. Nisy Vavolombelona iray niaraka taminay mivady, nandeha an-tongotra tany amin’ny faritany be tendrombohitra. Naharitra telo andro ilay dia, ary tena nandreraka. Izaho no nitondra ny boky, ny vadiko nitondra ny akanjonay, ary ilay Vavolombelona nitondra ny lamba firakotra.
Tonga tany Mbeya izahay tamin’ny Martsa 1948, ary tena nila fanampiana ireo rahalahy mba hampifanaraka tsara kokoa ny fiainany tamin’ny fampianaran’ny Baiboly. Voalohany aloha, dia vahoakan’ny Tilikambo Fiambenana no fiantsoana anay tany. Neken’ireo rahalahy ilay anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah, saingy tsy nolazaina ampahibemaso izany. Ankoatra izany, dia nila niala tamin’ny fombafomba nifandray tamin’ny fanajana ny maty ny Vavolombelona sasany. Ny tena sarotra tamin’ny maro angamba anefa dia ny nanoratra ny fanambadiany, mba hanan-kaja amin’ny olona rehetra izany.—Hebreo 13:4.
Nanana tombontsoa nanompo tany amin’ny faritra hafa tany Afrika Atsinanana aho tatỳ aoriana, anisan’izany i Ouganda. Tany Entebbe sy Kampala aho nandritra ny enina herinandro, ary olona maro no nampianarina ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.
Nasaina hankany New York
Nankany Dar es Salaam, renivohitr’i Tanganyika, aho tamin’ny fiandohan’ny taona 1956, rehefa avy nanompo tany Ouganda. Nisy taratasy avy tamin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah niandry ahy tany. Nanome toromarika ahy izy io mba hiomana hankany New York, hanatrika ny fivoriambe iraisam-pirenena tamin’ny 27 Jolay ka hatramin’ny 3 Aogositra 1958. Tena tsy andriko ilay izy.
I Luka Mwango, mpiandraikitra mpitety faritany, no niaraka tamiko nandray fiaramanidina tany Ndola nankany Salisbury (Harare), tany Rhodezia Atsimo, ary avy eo nankany Nairobi, any Kenya. Tonga tany Londres, any Angletera, izahay avy teo, ary noraisina an-tanan-droa. Nandray tsara anay Afrikanina ireo fotsy hoditra, ary faly be izahay, ka mbola niresaka momba izany ihany rehefa handeha hatory, ny alina nahatongavanay tany Angletera. Tena nampahery anay ilay izy.
Tonga tany New York, toerana hanaovana ilay fivoriambe, izahay tamin’ny farany. Nanao tatitra momba ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Rhodezia Avaratra aho, tamin’ilay fivoriambe.
Nisy 200 000 teo ho eo ny mpanatrika tao amin’ny Polo Grounds sy Yankee Stadium, tany New York, tamin’io andro io. Tsy natory aho ny alin’iny fa nieritreritra ny tombontsoa lehibe azoko.Tsy hitahita akory dia vita ilay fivoriambe, ary nody izahay. Mbola tsapanay ihany, tamin’ny lalana nody, ny fitiavana mandray vahiny nasehon’ireo rahalahy sy anabavy tany Angletera. Hitanay tamin’iny dia iny, ary tsy hohadinoinay mihitsy, fa tena miray saina tokoa ny vahoakan’i Jehovah, na inona na inona volon-kodiny na fireneny!
Nitohy ny fanompoana sy ny fanenjehana
Voatendry ho mpiandraikitra ny vondrom-paritra aho tamin’ny 1967, izany hoe mpanompo mitety faritra. Tafakatra ho 35 000 mahery ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Zambia tamin’izay. Notendrena ho mpiandraikitra ny faritra tany amin’ilay toerana misy varahina indray aho avy eo, satria niharatsy ny fahasalamako. Narary koa i Jeanette tatỳ aoriana, ary tsy nivadika tamin’i Jehovah mandra-pahafatiny tamin’ny Desambra 1984.
Nalahelo mafy aho taorian’izay, satria nampangain’ny havany tsy mpino ho namosavy sy namono azy. Nisy sasany anefa nahafantatra ny aretin’i Jeanette, ary niresaka tamin’ny dokoterany, ka izy ireo no nanazava ny tena marina tamin’ireto havany. Nisy fisedrana hafa koa anefa. Nisy havany sasany nitady hanery ahy hanaraka ilay fomban-drazana nantsoina hoe ukupyanika. Araka io fomba any amin’ilay tany niaviako io, dia tokony hanao firaisana amin’ny havan’ny vadiny akaiky ny olona maty vady. Mazava ho azy fa nanda aho.
Nitsahatra ihany ny faneren’ny havana tamin’ny farany. Faly aho satria nanampy ahy tsy hivadika i Jehovah. Nisy rahalahy nanatona ahy, iray volana taorian’ny nahafatesan’ny vadiko, ary niteny hoe: “Rahalahy Kangale a, tena nampahery anay ianao tamin’ny nahafatesan’ny vadinao, satria tsy nisy mihitsy fomban-drazana voararan’Andriamanitra nataonao, na dia iray aza. Tena misaotra betsaka anao izahay.”
Fijinjana mahatalanjona
Efa 65 taona izao no naha Vavolombelon’i Jehovah, mpanompo manontolo andro, ahy. Hafaliana tokoa ny ahy tamin’ireny taona ireny, rehefa nahita fiangonana an-jato niforona sy Efitrano Fanjakana maro naorina, tany amin’ireo faritany notsidihiko! Nisy 2 800 teo ho eo ny Vavolombelona teto Zambia tamin’ny 1943, ary izao kosa efa maherin’ny 122 000 ny mpitory ilay Fanjakana. Maherin’ny 514 000 tamin’ny taon-dasa ny mpanatrika ny Fahatsiarovana nanerana ilay firenena, izay misy mponina 11 tapitrisa latsaka.
Mikarakara ahy tsara koa i Jehovah. Rehefa mila fitsaboana aho, dia misy rahalahy kristianina mitondra ahy any amin’ny hopitaly. Mbola manasa ahy hanao lahateny ihany ireo fiangonana, ary mampahery ahy ireny fotoana ireny. Manampy koa ilay fiangonana misy ahy, ka ny anabavy mifandimby manadio ny tranoko, ary ny rahalahy manolo-tena maka ahy hamonjy fivoriana isan-kerinandro. Fantatro fa tsy nokarakaraina tamim-pitiavana toy izany aho raha tsy nanompo an’i Jehovah. Misaotra azy aho fa mbola ampiasainy amin’ny fanompoana manontolo andro, ary manana andraikitra maro mbola azoko iantsorohana hatramin’izao.
Efa mihamanjavona ny masoko izao, ary mila maka aina imbetsaka aho rehefa mamonjy ny Efitrano Fanjakana. Ohatra ny efa nihanavesatra koa ny kitapoko tato ho ato, ka esoriko izay boky mety tsy hilaiko any am-pivoriana, mba hahamaivana azy. Mitarika fampianarana Baiboly amin’ireo izay tonga any an-tranoko sisa no fanompoana ataoko, amin’ny ankapobeny. Tena mahafinaritra anefa ny mijery indray ny lasa, ka mieritreritra ilay fitomboana mahatalanjona! Nanompo tamin’ny faritra tena nahatanteraka ny tenin’i Jehovah ao amin’ny Isaia 60:22 aho. Izao no voalaza ao: “Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoany.” Hitako koa fa tsy tatỳ Zambia ihany no tanteraka izany fa eran-tany. *
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 7 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, saingy efa tsy atao pirinty intsony.
^ feh. 50 Nampalahelo fa tsy nanan-kery intsony ny Rahalahy Kangale, ka maty raha mbola nomanina ity lahatsoratra ity. Nahatoky hatramin’ny farany izy.
[Sary, pejy 24]
Thomson sy ny sampan’i Zambia eo andamosiny
[Sary, pejy 26]
Ny sampan’i Zambia ankehitriny