Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampio Toe-panahy Araka An’Andriamanitra ny Fiaretanareo

Ampio Toe-panahy Araka An’Andriamanitra ny Fiaretanareo

Ampio Toe-panahy Araka An’Andriamanitra ny Fiaretanareo

‘Amin’ny finoanareo dia manehoa faharetana, ary amin’ny faharetanareo dia toe-panahy araka an’Andriamanitra.’—2 PETERA 1:5, 6.

1, 2. a) Antenaina hitombo amin’ny lafiny inona avy ny zaza? b) Nahoana no zava-dehibe ny fitomboana ara-panahy?

TENA mila mitombo ny zaza. Tsy ny vatany ihany anefa no irina hitombo, fa ny sainy koa. Antenaina fa hianatra hifehy ny fihetseham-pony koa izy. Tsy ho zaza saina intsony izy rehefa mandeha ny fotoana, ary hihamatotra ka ho tonga lehilahy na vehivavy lehibe. Hoy ny apostoly Paoly momba izany: “Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony efa lehibe aho, dia nariako ny fahazazana.”—1 Korintiana 13:11.

2 Miresaka hevi-dehibe momba ny fitomboana ara-panahy i Paoly eto. Tsy tokony hijanona ho zaza ara-panahy ny Kristianina, fa mila mandroso mba ho ‘lehilahy tokoa [na olon-dehibe] raha ny amin’ny fahalalana.’ (1 Korintiana 14:20) Tokony hiezaka mafy izy mba ‘hahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy.’ Amin’izay izy ireo dia tsy ‘ho zaza ahilangilana sy ampitambolimbolen’ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra.’—Efesiana 4:13, 14.

3, 4. a) Inona no tsy maintsy ataontsika mba ho tonga olon-dehibe ara-panahy? b) Inona avy no toetra mampifaly an’Andriamanitra tokony hananantsika, ary nahoana izy ireo no zava-dehibe?

3 Inona no hanampy antsika ho tonga olon-dehibe ara-panahy? Saika mitombo ho azy ny vatana rehefa ara-dalàna ny zava-drehetra. Mila ezaka avy amintsika kosa ny fitomboantsika ara-panahy. Ilaina aloha ny mandray fahalalana marina ny Tenin’Andriamanitra sy mampihatra izay ianarantsika. (Hebreo 5:14; 2 Petera 1:3) Izany avy eo no manampy antsika hanana toetra mampifaly an’Andriamanitra. Miara-mitombo ny faritra amin’ny vatan’ny zaza mihalehibe. Matetika koa no miara-mitombo ireo toetra mampifaly an’Andriamanitra. Hoy ny apostoly Petera: “Manaova izay zotom-po rehetra kosa hianareo, ka amin’ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin’ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana, ary amin’ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin’ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin’ny faharetanareo dia toe-panahy araka an’Andriamanitra, ary amin’ny toe-panahinareo araka an’Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin’ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra.”—2 Petera 1:5-7.

4 Tena ilaina ny toetra tsirairay tanisain’i Petera ary tsy misy azo esorina. Hoy koa izy: “Raha anananareo izany zavatra izany, sady anananareo betsaka, dia tsy avelan’izany ho malaina na tsy hahavokatra hianareo amin’ny fahalalana tsara an’i Jesosy Kristy Tompontsika.” (2 Petera 1:8) Mila ampiana toe-panahy araka an’Andriamanitra àry ny fiaretantsika, ka izay no hifantohantsika izao.

Mila fiaretana isika

5. Nahoana isika no mila fiaretana?

5 Samy nampifandray ny toe-panahy araka an’Andriamanitra tamin’ny fiaretana i Petera sy Paoly. (1 Timoty 6:11) Ny fiaretana dia tsy midika fotsiny hoe fizakana zava-tsarotra sy tsy fivadihana. Midika koa izy io hoe herim-po, fahatokiana, ary tsy fanarian-toky rehefa misy fisedrana, zava-tsarotra, fakam-panahy, na fanenjehana. Fantatsika fa henjehina isika, satria manana ny “toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy.” (2 Timoty 3:12) Tsy maintsy miaritra isika mba hanaporofoana ny fitiavantsika an’i Jehovah sy hambolena ireo toetra ilaina hahazoana famonjena. (Romana 5:3-5; 2 Timoty 4:7, 8; Jakoba 1:3, 4, 12) Tsy hahazo ny fiainana mandrakizay isika raha tsy manam-paharetana.—Romana 2:6, 7; Hebreo 10:36.

6. Inona no dikan’ny hoe miaritra hatramin’ny farany?

6 Na tsara fiandohana toy inona aza isika, dia ny fiaretantsika no tena zava-dehibe. Hoy i Jesosy: “Izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.” (Matio 24:13) Tsy maintsy miaritra hatramin’ny farany tokoa isika, na mandra-pahafatintsika izany, na mandra-pahatongan’ny faran’ity tontolo ratsy ity. Tsy tokony hivadika amin’i Jehovah Andriamanitra mihitsy isika na ahoana na ahoana. Tsy afaka hampifaly azy anefa isika sady tsy hahazo fiainana mandrakizay, raha tsy ampiantsika toe-panahy araka an’Andriamanitra ny fiaretantsika. Inona àry ny toe-panahy araka an’Andriamanitra?

Ny dikan’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra

7. Inona no atao hoe toe-panahy araka an’Andriamanitra, ary manosika antsika hanao inona izy io?

7 Izy io dia midika hoe fanajana lalina an’i Jehovah Andriamanitra, fivavahana aminy sy fanompoana azy. Ny tsy fivadihana aminy, noho izy Tompon’izao Rehetra Izao, no anton’izany. Mila mahalala ny marina momba azy sy ny fomba fanaovany zavatra isika mba hanehoana io toetra io. Tokony haniry hahafantatra tsara an’Andriamanitra isika tsirairay. Hanosika antsika izany mba hiezaka ny hiraiki-po aminy, ary hasehontsika amin’ny ataontsika sy ny fomba fiainantsika io firaiketam-po io. Tokony haniry hitovy amin’i Jehovah araka izay azo atao isika, ka hanahaka ny fomba fanaovany zavatra sy ny toetrany. (Efesiana 5:1) Tena manosika antsika haniry hampifaly azy amin’ny zava-drehetra ataontsika ny toe-panahy araka an’Andriamanitra.—1 Korintiana 10:31.

8. Hazavao fa mifandray akaiky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra sy ny fifikirana aminy irery ihany.

8 I Jehovah irery ihany no tsy maintsy tompointsika, raha te hanana ny tena toe-panahy araka an’Andriamanitra isika. Tsy tokony hamela na inona na inona haka ny toerany ao am-pontsika isika. Manana zo hitaky ny fifikirantsika aminy irery ihany izy, satria Mpamorona antsika. (Deoteronomia 4:24; Isaia 42:8) Tsy manery antsika hivavaka aminy anefa i Jehovah. Tiany hifikitra aminy an-tsitrapo isika. Nanjary nahalala azy sy tia azy isika, ka izany no manosika antsika hanadio ny fitondran-tenantsika sy ny tenantsika. Izany koa no manosika antsika hanolo-tena ho azy tsy misy fepetra sy hiaina mifanaraka amin’io fanoloran-tena io avy eo.

Miezaha hifandray amin’Andriamanitra

9, 10. Inona no hanampy antsika hanana sy hihazona fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra?

9 Mbola mila miezaka hifandray akaiky kokoa amin’Andriamanitra ihany isika, na dia efa nanolo-tena sy vita batisa aza. Ny faniriantsika hanao izany sy hanompo an’i Jehovah amim-pahatokiana àry dia manosika antsika hianatra sy hisaintsaina ny Teniny hatrany. Mihalalina ny fitiavantsika an’i Jehovah rehefa avelantsika hisy heriny eo amin’ny fontsika sy ny saintsika ny fanahiny. Ny fifandraisantsika aminy foana no zava-dehibe indrindra amintsika. I Jehovah no namantsika akaiky indrindra ary maniry hampifaly azy hatrany isika. (1 Jaona 5:3) Vao mainka finaritra isika mifandray tsara amin’Andriamanitra. Velom-pankasitrahana koa isika noho izy mampianatra sy manitsy antsika amim-pitiavana rehefa ilaina izany.—Deoteronomia 8:5.

10 Mety hihamangatsiaka io fifandraisana sarobidy amin’i Jehovah io, raha tsy hatanjahintsika hatrany. Tsy izy no ho diso, raha izany no mitranga, satria “tsy mba lavitra antsika rehetra Izy.” (Asan’ny Apostoly 17:27) Faly tokoa isika fa tsy sarotra ny manatona an’i Jehovah! (1 Jaona 5:14, 15) Mazava ho azy fa tsy maintsy miezaka mafy isika mba hifandray akaiky aminy hatrany. Manampy antsika hanatona azy anefa izy, ka manome izay ilaintsika mba hananantsika sy hihazonantsika toe-panahy araka an’Andriamanitra. (Jakoba 4:8) Ahoana no anararaotantsika tsara izany fanampiana rehetra izany?

Tokony hatanjaka ara-panahy foana isika

11. Inona no anisan’ny fomba anehoana toe-panahy araka an’Andriamanitra?

11 Ny fitiavantsika lalina an’Andriamanitra dia hanosika antsika hanaporofo fa manana toe-panahy araka an’Andriamanitra isika. Mifanaraka amin’izao torohevitr’i Paoly izao izany: “Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana.” (2 Timoty 2:15) Midika izany fa tsy tokony ho tapatapaka mihitsy isika amin’ny fianarana Baiboly, fanatrehana fivoriana ary fanompoana. Afaka ny ho akaiky an’i Jehovah foana koa isika rehefa ‘tsy mitsahatra mivavaka.’ (1 Tesaloniana 5:17) Porofoin’izany fa tena manana toe-panahy araka an’Andriamanitra isika. Mety harary ara-panahy isika na ho mora resin’ny fitak’i Satana, raha manao an-tsirambina an’ireo.—1 Petera 5:8.

12. Ahoana no ahafahantsika miaritra fisedrana?

12 Manampy antsika hiaritra ireo fisedrana maro mianjady amintsika ny fiezahana mba hatanjaka sy harisika hatrany eo amin’ny lafiny ara-panahy. Mety hisy antom-pisedrana tena mampahory antsika. Sarotra kokoa ny miaritra tsy firaikana sy fanoherana ary fanenjehana, rehefa avy amin’ny havantsika akaiky na mpiray tanàna amintsika izany. Mety hoterena an-kolaka isika any am-piasana na any am-pianarana mba hampandefitra ny fitsipika kristianina. Mampihena ny herintsika ny fahakiviana sy ny aretina ary ny fahaketrahana, ka ho sarotra kokoa amin’izay ny hiaritra fitsapam-pinoana. Hahavita hiaritra ny fisedrana rehetra anefa isika, raha manana hatrany “fitondrantena masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, sady manantena no mampahafaingana ny hihavian’ny andron’Andriamanitra.” (2 Petera 3:11, 12) Afaka ny ho faly hatrany koa isika raha manao izany, satria matoky fa hotahin’Andriamanitra.—Ohabolana 10:22.

13. Inona no tsy maintsy ataontsika raha te haneho toe-panahy araka an’Andriamanitra foana isika?

13 Marina fa ny olona manana toe-panahy araka an’Andriamanitra no ataon’i Satana lasibatra, nefa tsy tokony hatahotra isika. Nahoana? Satria ‘fantatr’i Jehovah izay hamonjeny’ ny olona manana toe-panahy araka an’Andriamanitra. (2 Petera 2:9) Mba hiaretantsika fisedrana sy hahavoavonjy antsika, dia tsy maintsy ‘mandà izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao isika ary ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao.’ (Titosy 2:12) Tsy maintsy mitandrina amin’ny faniriana sy ny asan’ny nofo isika Kristianina. Mety hanimba tsikelikely ny toe-panahy araka an’Andriamanitra ireny fahalemena ireny ka hanjary tsy hanana azy io intsony isika. Hodinihintsika izao ny sasany amin’ireo loza ireo.

Tandremo ny loza mety hanimba ny toe-panahy araka an’Andriamanitra

14. Inona no tokony hotadidintsika raha mitady hamandrika antsika ny fitiavan-karena?

14 Fandrika ho an’ny maro ny fitiavan-karena. Mety hamita-tena mihitsy isika, ka ‘hanao ny toe-panahy araka an’Andriamanitra ho fahazoan-javatra [filan-karena].’ Mety hanjary ho sahisahy isika amin’izay ka hanararaotra ny fatokisan’ny mpiara-manompo amintsika. (1 Timoty 6:5) Mety hanana izao hevi-diso izao mihitsy aza isika: Tsy maninona ny manery Kristianina manankarena hampisambo-bola antsika, nefa mety tsy ho afaka hamerina ilay izy isika. (Salamo 37:21) Ny toe-panahy araka an’Andriamanitra anefa, fa tsy ny harena, no “manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.” (1 Timoty 4:8) Tsy “nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala.” Aoka àry isika ho tapa-kevitra kokoa ny hanana hatrany “ny toe-panahy araka an’Andriamanitra” sady ‘hianina amin’ny hanina sy ny fitafiana.’—1 Timoty 6:6-11.

15. Inona no azontsika atao raha mitady haka ny toeran’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra ny fahafinaretana?

15 Mety haka ny toeran’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra ny fahafinaretana. Sao dia mila manao fanitsiana avy hatrany isika amin’io lafiny io? Marina fa misy soa azo avy amin’ny fanatanjahan-tena sy ny fialam-boly. Kely ihany anefa izany raha oharina amin’ny fiainana mandrakizay. (1 Jaona 2:25) Maro ankehitriny no “tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra, manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa nandà ny heriny.” Mila manalavitra ny olona toy izany isika. (2 Timoty 3:4, 5) Ny olona mifantoka amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra dia ‘mihary fanorenana tsara ho an’ny tenany ho amin’ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana.’—1 Timoty 6:19.

16. Inona avy ny fanirian-dratsy misakana ny sasany tsy hanao izay takin’Andriamanitra, ary ahoana no handresentsika ireny faniriana ireny?

16 Mety hahatonga antsika tsy hanana toe-panahy araka an’Andriamanitra intsony ny fibobohana toaka, ny fidorohana zava-mahadomelina, ny fitondran-tena maloto ary ny fanirian-dratsy. Misakana antsika tsy hanao izay takin’Andriamanitra amintsika ireny. (1 Korintiana 6:9, 10; 2 Korintiana 7:1) Na i Paoly aza dia tsy maintsy niady mafy hatrany tamin’ny nofo mpanota. (Romana 7:21-25) Fepetra hentitra no ilaina mba hanesorana ny fanirian-dratsy. Tsy maintsy tapa-kevitra ny hadio fitondran-tena foana isika, ohatra. Hoy i Paoly amintsika: “Vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany.” (Kolosiana 3:5) Ny hoe mamono ny momba ny tena dia midika fa tsy maintsy tapa-kevitra isika ny hiady mafy amin’ny tenantsika, mba hamongorana tanteraka an’ireo fahotana ireo. Hanampy antsika hanaisotra ny fanirian-dratsy ny fitalahoana amin’i Jehovah amim-bavaka, sady hanampy antsika hikatsaka fahamarinana sy toe-panahy araka an’Andriamanitra, eo anivon’ity tontolo ratsy ity.

17. Ahoana no tokony ho fiheverantsika ny fifehezana?

17 Mampihena ny fiaretantsika ny fahakiviana, sady manimba ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Maro ny mpanompon’i Jehovah no nahatsiaro ho kivy. (Nomery 11:11-15; Ezra 4:4; Jona 4:3) Vao mainka ho ratsy ny vokany eo amintsika, raha sady kivy isika no tezitra, satria heverintsika fa natao tsinontsinona isika na nofaizina na nanarina mafy. Porofon’ny fiahiana sy ny fitiavan’Andriamanitra anefa ny fananarana sy ny fifehezana. (Hebreo 12:5-7, 10, 11) Tsy tokony hoheverintsika ho famaizana fotsiny ny fifehezana, fa ho toy ny fampiofanana antsika hanaraka ny lalan’ny fahamarinana. Hankasitraka sady hanaiky torohevitra isika raha manetry tena, ka hiaiky fa “làlan’aina ny anatra famaizana.” (Ohabolana 6:23) Afaka manampy antsika izany mba haneho toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny fomba bebe kokoa.

18. Inona no tokony hataontsika rehefa misy tsy fifanarahana?

18 Mety hanasarotra ny fanehoana toe-panahy araka an’Andriamanitra ny tsy fahazoan-kevitra sy ny tsy fifanarahana. Mety hampitebiteby izy ireny na hahatonga ny sasany hanao zavatra tsy amim-pahendrena, toy ny fihatahana amin’ny rahalahiny sy anabaviny ara-panahy. (Ohabolana 18:1) Tokony hotadidintsika anefa fa manimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah ny fitanana lolompo sy ny fahasosorana lava amin’ny hafa. (Levitikosy 19:18) “Izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra Izay tsy hitany?” (1 Jaona 4:20) Nantitranterin’i Jesosy tamin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra fa tokony halamina avy hatrany ny tsy fifanarahana. Hoy izy: “Ary amin’izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ny alitara hianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, dia avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin’ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.” (Matio 5:23, 24) Ny fialan-tsiny dia mety hampitony ny alahelo vokatry ny teny na zavatra natao tsy tamin-katsaram-panahy. Mety hiverina amin’ny laoniny ny fifandraisana sy ny fihavanana, raha mangataka famelan-keloka isika sady miaiky fa tsy nety ny nataontsika. Nanome torohevitra hafa mba handaminana zava-manahirana koa i Jesosy. (Matio 18:15-17) Faly tokoa isika rehefa mandaitra ny ezaka ataontsika handaminana zava-manahirana!—Romana 12:18; Efesiana 4:26, 27.

Araho ny ohatr’i Jesosy

19. Nahoana isika no tena mila manahaka ny ohatr’i Jesosy?

19 Tsy maintsy hiharan’ny fisedrana isika, nefa tsy voatery hisakana antsika tsy hanao ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana mandrakizay izany. Tadidio fa afaka mamonjy antsika amin’ny fisedrana i Jehovah. Aoka isika ‘hijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy’, ka “hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika”, eo am-panaovana ilay ‘hazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao.’ (Hebreo 12:1-3) Afaka haneho toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny fomba feno kokoa isika, raha mandinika tsara ny ohatr’i Jesosy sady miezaka ny hanahaka azy amin’ny teny sy ny atao.

20. Inona no valisoa azo noho ny fiaretana sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra?

20 Mifandray akaiky ny fiaretana sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, ary samy ilaina mba hahatonga ny famonjena antsika ho azo antoka. Manampy antsika hanao ny fanompoana masina ho an’Andriamanitra amim-pahatokiana ireo toetra sarobidy ireo. Ho sambatra isika na dia iharam-pisedrana aza satria iantran’i Jehovah sy tahiny, noho isika miaritra sy manana toe-panahy araka an’Andriamanitra. (Jakoba 5:11) Manome toky antsika koa i Jesosy hoe: “Amin’ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo.”—Lioka 21:19.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana isika no mila fiaretana?

• Inona no atao hoe toe-panahy araka an’Andriamanitra, ary ahoana no anehoana azy io?

• Inona no hanampy antsika hanana sy hihazona fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra?

• Inona no anisan’ireo loza mety hanimba ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, ary ahoana no ialantsika amin’izy ireo?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 12, 13]

Maro ny fomba anehoana toe-panahy araka an’Andriamanitra

[Sary, pejy 14]

Tandremo ny loza mety hanimba ny toe-panahy araka an’Andriamanitra