Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Rahoviana ny vehivavy kristianina no tokony hisaron-doha, noho ny antony mifandray amin’ny fivavahana?

‘Ny vehivavy rehetra, raha mivavaka na maminany ka tsy misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany’, hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly. Nahoana? Noho izao toro lalan’Andriamanitra momba ny fahefan’izay lohany izao: ‘Ny lehilahy no lohan’ny vehivavy.’ Ny lehilahy no tokony hivavaka na hanao lahateny eo anivon’ny fiangonana kristianina. Tokony hisaron-doha àry ny vehivavy kristianina rehefa mikarakara raharaha momba ny fivavahana izay tokony hataon’ny vadiny, na ny lehilahy vita batisa.—1 Korintiana 11:3-10.

Mety hisy fotoana tokony hanaovan’ny vehivavy kristianina saron-doha rehefa eo ny vadiny. Rehefa hiara-mianatra Baiboly na hisakafo, ohatra, ny mpianakavy, dia ny raim-pianakaviana mazàna no mitarika ny fampianarana sy misolo tena azy ireo amin’ny vavaka. Ilay vehivavy anefa no lasa manao izany raha tsy mpino izy. Mety àry raha misaron-doha ny anabavy kristianina, rehefa eo ny vadiny, nefa mivavaka amin’ny feo avo ho azy sy ho an’ny olon-kafa izy, na rehefa mampianatra Baiboly ny zanany. Tsy mila misaron-doha kosa izy, raha tsy eo ny vadiny, satria nomen’Andriamanitra fahefana hampianatra ny zanany izy.—Ohabolana 1:8; 6:20.

Ahoana anefa raha mpanompon’i Jehovah Andriamanitra nanolo-tena sy vita batisa ny zanany tovolahy? Tokony ho rahalahy no hampianatra an’io ankizy io, satria anisan’ny fiangonana kristianina izy. (1 Timoty 2:12) Raha mpino ny rainy, dia izy no tokony hampianatra ilay zanany lahy. Raha tsy ao anefa ilay ray, dia tokony hisaron-doha ilay reny raha mitarika fampianarana Baiboly amin’ilay zanany tovolahy vita batisa sy ny ankizy hafa. Anjarany ny manapa-kevitra raha hasainy hivavaka amin’ilay fianarana sy amin’ny sakafo ilay zanany lahy na tsia. Mety hifidy ny hivavaka izy satria mety ho tsapany fa mbola tsy ampy fahaizana ho amin’izany ilay zanany lahy. Tokony hisaron-doha àry izy raha manao izany.

Mety hilain’ny vehivavy kristianina ny misaron-doha, rehefa mandray anjara amin’ny asa sasany eo anivon’ny fiangonana kristianina izy. Mety tsy hisy afa-tsy anabavy fotsiny, ohatra, no tonga ao amin’ny fivoriana alohan’ny fanompoana, atao amin’ny andavanandro. Mety hisy fotoana tsy hisian’ny lehilahy vita batisa ao amin’ny fivorian’ny fiangonana. Tokony hisaron-doha ny anabavy raha voatery hiantsoroka andraikitra any amin’ny fivoriana alamin’ny fiangonana na amin’ny fivoriana alohan’ny fanompoana, izay mazàna tokony hataon’ny rahalahy.

Tsy maintsy misaron-doha ve ny vehivavy kristianina rehefa mandika lahateny ara-baiboly (na am-bava na amin’ny baiko moana)? Ary ahoana rehefa mamaky fehintsoratra ao anaty boky fianarana Baiboly, mandritra ny fivoriana? Tsy voatery, satria tsy mitarika na mampianatra ny anabavy manao izany. Tsy mila misaron-doha koa ny anabavy manao fampisehoana, na fitantarana, na anjara amin’ny Sekolin’ny Fanompoana.

Tsy maintsy ny lehilahy vita batisa no mampianatra eo anivon’ny fiangonana. Samy manana andraikitra hitory sy hampianatra any ivelan’ny fiangonana kosa ny lehilahy sy ny vehivavy. (Matio 24:14; 28:19, 20) Koa tsy mila misaron-doha àry ny vehivavy kristianina, rehefa miaraka amin’ny rahalahy mitory ny Tenin’Andriamanitra amin’ireo tsy Vavolombelona.

Hafa indray anefa ny toe-javatra rehefa misy fampianarana Baiboly tsy tapaka tarihina ao amin’ny tokantrano iray ka misy lehilahy vita batisa manatrika eo. Fotoam-pianarana efa nomanina izy io, ka ilay tompon’ny fampianarana no tena mitarika. Manjary anisan’ny fandaharan’ny fiangonana io fampianarana io amin’izay. Tokony hisaron-doha ny anabavy vita batisa mitarika fampianarana, raha miaraka amin’ny rahalahy vita batisa. Ilay rahalahy vita fanoloran-tena anefa no tokony hivavaka. Tsy tokony hivavaka eo anatrehan’ny rahalahy vita fanoloran-tena ny anabavy, raha tsy amin’ny tarehin-javatra manokana, toy ny hoe tsy afaka miteny ilay rahalahy.

Mety hiara-mampianatra Baiboly amin’ny lehilahy mpitory tsy vita batisa indraindray ny anabavy kristianina. Afaka mangataka azy hitarika ny fampianarana ilay anabavy, raha tiany. Ho tsara kokoa anefa raha ilay anabavy no mivavaka amin’ilay fampianarana, satria tsy afaka hisolo tena azy amin’ny vavaka ilay lehilahy mpitory tsy vita batisa. Hilain’ilay anabavy ny misaron-doha rehefa mitarika ilay fampianarana sy mivavaka. Na dia mbola tsy vita batisa aza io lehilahy mpitory io, dia Vavolombelon’i Jehovah ihany no iheveran’ireo tsy Vavolombelona azy, noho ny asa fitoriana ataony.

“Izany no mahamety ny vehivavy hisaron-doha noho ny amin’ny anjely”, hoy ny apostoly Paoly. Manana tombontsoa ny ho tonga ohatra tsara ho an’ireo anjely an-tapitrisa izay manaiky hatrany ny fahefan’i Jehovah ireo anabavy kristianina. Tena mety àry raha mieritreritra tsara ny amin’ny hanaovana saron-doha ny vehivavy kristianina, rehefa ilaina izany!

[Sary, pejy 26]

Mariky ny fanajana ny fahefan’izay lohany ny fanaovana saron-doha